“Hataoko Ahoana no Fahay, Raha Tsy Misy Mampianatra Ahy?”
1 Rehefa nanontany an’ilay ionoka etiopianina i Filipo, mpitory ny filazantsara, raha azony izay novakiny tao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia hoy ny navalin’ilay lehilahy: “Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy?” Faly i Filipo nanampy azy hahatakatra ilay vaovao tsara momba an’i Jesosy, ka izany dia nitarika ho amin’ny fanaovana batisa azy teo no ho eo. (Asa. 8:26-38). Nankatò an’i Kristy i Filipo, ka nanao ilay asa ‘fanaovana mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra, ka hanao batisa azy sy hampianatra azy’. — Matio 28:19, 20, NW.
2 Tsy maintsy mankatò, sahala amin’i Filipo, isika, ka hanao ilay asa fanaovana mpianatra. Kanefa, tsy hitantsika matetika eo amin’ireo olona ampianarintsika ny Baiboly ilay fandrosoana ara-panahy haingana toy ny an’ilay ionoka etiopianina. Nanana fo vonon-kandray io lehilahy io, izay proselyta jiosy nahalala tsara ny Soratra Masina, ka tsy nila afa-tsy ny nanaiky fa i Jesosy no ilay Mesia nampanantenaina. Sarotra ny anjara asantsika, raha tsy mahalala ny Baiboly ireo izay ampianarintsika, na voafitaky ny fampianaran-diso ara-pivavahana, na vesaran’ny zava-manahirana. Inona no hanampy antsika hahomby eo amin’ny fitarihana ireo mpianatra ny Baiboly ho amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa?
3 Fantaro izay zavatra ilain’ilay mpianatra ny Baiboly eo amin’ny ara-panahy: Ny takelaka fanampiny tamin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Aogositra 1998, dia niresaka momba ny halavan’ny fotoana mety hitarihantsika fampianarana, amin’ny alalan’ny bokikely Takina sy ny boky Fahalalana. Nanome izao toromarika izao izy io: “Tena ilaina hofaritana arakaraka ny tarehin-javatra sy ny fahaizan’ilay mpianatra ny fandroson’ilay fianarana. (...) Tsy irintsika ny hanakana ilay mpianatra tsy hahazo fahatakarana mazava ny fahamarinana mba hoe hamitana ilay boky haingana fotsiny. Mila fototra mafy orina ho an’ny finoany vaovao ny Tenin’Andriamanitra ny mpianatra tsirairay.” Noho izany, dia fahendrena ny tsy hihazakazahana hamita ilay fanazavana ao amin’ny boky Fahalalana, mba hitadiavana hanapitra ilay boky ao anatin’ny enim-bolana. Mety hila mihoatra ny enim-bolana, vao handroso hatramin’ny batisa, ny olona sasany. Rehefa mitarika ilay fampianarana isan-kerinandro ianao, dia mandania izay fotoana ilaina mba hanampiana ilay mpianatra hahatakatra sy hanaiky izay ianarany avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Amin’ny toe-javatra sasany, dia mety ho tapa-bolana na roatokom-bolana no hilaina mba hamitana toko iray ao amin’ny boky Fahalalana. Izany dia hamela fotoana hamakiana sy hanazavana andinin-teny voatonona maro. — Rom. 12:2.
4 Kanefa ahoana raha vita ny boky Fahalalana, nefa hitanao fa mila ny hofenoina kokoa ny fahatakaran’ilay mpianatra ny fahamarinana, na hoe mbola tsy voatosika hiandany amin’ny fahamarinana sy hanolotra ny fiainany ho an’Andriamanitra izy? (1 Kor. 14:20). Inona koa no azonao atao mba hitarihana azy ho amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay? — Matio 7:14.
5 Omeo fahafaham-po ilay mpianatra ny Baiboly mila zavatra ara-panahy: Raha miharihary ny fandrosoana ataon’ny olona iray, na dia miadana aza, ary mankasitraka izay ianarany izy, dia tohizo ilay fampianarana Baiboly, amin’ny alalan’ny boky faharoa iray, rehefa vita ny bokikely Takina sy ny boky Fahalalana. Mety tsy hilaina ny hanaovana izany amin’ny mpianatra tsirairay, nefa, rehefa ilaina, dia tohizo ilay fampianarana, amin’ny alalan’ny boky Tafaray na Ny Tenin’Andriamanitra. Afaka mampiasa ny azy manokana amin’ireo boky ireo ny ankamaroan’ny mpitory, raha tsy manana intsony ny kongregasiona. Ny boky Ny Tenin’Andriamanitra ihany no azo hafarana atỳ amin’ny Sampana. Amin’ny toe-javatra rehetra, dia ny bokikely Takina sy ny boky Fahalalana no hianarana voalohany. Tokony hisaina sy hanaovana tatitra ilay fampianarana Baiboly sy ny fiverenana mitsidika ary ny fotoana lany hanohizana ilay fampianarana, na dia efa vita batisa alohan’ny hahavitan’ilay boky faharoa aza ilay mpianatra.
6 Midika ve izany fa ireo natao batisa vao haingana, nefa tsy nianatra afa-tsy boky iray, dia tokony hampiana indray hianatra ilay boky faharoa? Tsy voatery ho izany. Kanefa, mety ho nanjary tsy nitory intsony izy ireo, na nety ho tsy nandroso tao amin’ny fahamarinana, ary mety hihevitra fa mila ny hampiana manokana mba hampihatra bebe kokoa ny fahamarinana eo amin’ny fiainany. Tokony hohatonina aloha ny mpiandraikitra ny fanompoana, alohan’ny hampianarana indray ny mpitory vita batisa iray. Kanefa, raha toa ianao ka mahalala olona nianatra ny boky Fahalalana tamin’ny lasa, nefa tsy nandroso hatramin’ny fanoloran-tena sy ny batisa, dia azonao atao ny manapa-kevitra samirery ny hijery raha tiany ny hanohy indray ny fianarany Baiboly.
7 Mariky ny fitiavana kristianina ny maneho fiheverana akaiky sy manokana ny olona liana tsirairay izay ampianarintsika. Ny zava-kendrentsika dia ny hanampy an’ilay mpianatra hahazo fahatakarana lalina kokoa ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Amin’izay izy dia ho afaka hiandany amin’ny fahamarinana amim-pahatapahan-kevitra sy amim-pahalalana tsara, ka hanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah, amin’ny fanamarihana izany fanoloran-tena izany amin’ny batisa anaty rano. — Sal. 40:8; Efes. 3:17-19.
8 Tadidinao ve izay nitranga, rehefa vita batisa ilay ionoka etiopianina? “Nandeha tamin’ny nalehany izy sady nifaly”, satria mpianatr’i Jesosy Kristy vaovao izy izao. (Asa. 8:39, 40). Enga anie isika sy ireo izay tarihintsika amim-pahombiazana ho eo amin’ny lalan’ny fahamarinana, ka hahita fifaliana lehibe eo am-panompoana an’i Jehovah Andriamanitra — dieny izao sy ho mandrakizay!