Saro-kenatra ve Ianao?
1 Tsy gaga isika, rehefa mahita ankizy kely iray manarangarana avy ao ambadiky ny reniny na ny rainy. Ara-dalàna ny fahasarotan-kenatra eo amin’ny ankizy toy izany. Na dia rehefa olon-dehibe aza anefa ny olona maro, dia mbola somary saro-kenatra ihany. Inona no azonao atao, raha misakana anao tsy handray anjara amin’ny fanompoana ny fahasarotan-kenatra?
2 Fandresena ny fahasarotan-kenatra: Zava-dehibe ny hanomezana fiheverana ny “toetra miafina ao am-po”. (1 Pet. 3:4). Hamafiso ny fitiavanao an’i Jehovah sy ny mpiara-belona aminao. Ekeo amin’ny fomba feno fa ny fankatoavana ilay baiko hitory no iray amin’ireo fomba tsara indrindra hanehoana fitiavana feno fahafoizan-tena. Manaraha fahazarana tsara mianatra manokana sy manatrika fivoriana. Manaova vavaka tsy tapaka sy voafaritra tsara, mba hahazoana ny fanampian’i Jehovah. Hampiorina fatokisan-tena ao aminao ny fananana finoana sy fatokisana mafy azy, ary hahatonga anao ‘hihasahisahy kokoa hitory ny tenin’Andriamanitra tsy amin’ny tahotra’. — Fil. 1:14.
3 Miadia mafy amin’ny fahatsiarovan-tena ho tsy mahay. Toa tsy maintsy nanao izany i Timoty. Nampirisika an’i Timoty mba tsy hamela ‘olona hanao tsinontsinona azy noho ny hatanorany’ i Paoly, ary nampahatsiahy azy fa “tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery”. (1 Tim. 4:12; 2 Tim. 1:7). Nampiasain’i Jehovah tamin’ny fomba feno i Timoty, ary hampiasainy koa ianao, raha miezaka handroso amim-patokisana tanteraka Azy. — Sal. 56:11.
4 Ny fisaintsainana momba ny andinin-teny ara-baiboly iray, toy ny Matio 10:37, dia nanampy ny anabavy iray, izay saro-kenatra ka nanjary natahotra ny vadiny nanohitra azy. Naneho fikirizana izy, ka nanjary mora kokoa taminy ny fanompoana, ary tamin’ny farany dia nanaiky ny fahamarinana ny vadiny sy ny reniny ary ireo anadahiny!
5 Tena ilaina ny fanomanana: Vao mainka hitombo ny fatokisan-tenanao, rehefa manomana ny fanompoana amin’ny fomba feno ianao. Mifantena fomba fampiseho tsotra iray avy ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra na Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana taloha; ianaro tsara ilay izy, ary anaovy famerenana. Aza mifantoka amin’ny fahatsapana fanahiana tsy amin’ny antony, fa amin’ny lafy tsaran-javatra kosa. Manovoza herim-po avy amin’ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny hafa. Tadidio fa maro amin’ireo olona ho hitanao eny am-baravarana no saro-kenatra, sahala aminao ihany. Mila ny hafatra momba ilay Fanjakana anefa ny olona rehetra.
6 Raha saro-kenatra ianao, dia aza mamoy fo. Manaova fiezahana, dia hanampy anao ho tonga mpitory mahay ny vaovao tsara i Jehovah. Amin’izay, dia hahita fifaliana eo amin’ny fanompoanao ianao. — Ohab. 10:22.