Mahaiza Mampita Hevitra!
1 Tsy maintsy miresaka amin’olon-kafa isika, raha te hitory sy hampianatra, araka ny nanirahana antsika. (Matio 24:14; 28:19, 20) Sarotra indraindray ny mifampiresaka, na dia amin’ny namana aza. Inona no hanampy antsika hampita ny vaovao tsara amin’ny olona tsy fantatsika?
2 Olon-tsy fantatra lasa namana: Miezaha hahalala ny zavatra tsapan’ireo olona itorianao. Tsy mahagaga raha fatra-piahiahy olon-tsy fantatra, na matahotra mihitsy, ny olona sasany, noho ny toe-javatra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Mety hisakana ny fifampiresahana izany. Ahoana no hanesoranao ny tahotr’ireo olona mihaona aminao voalohany? Na mbola tsy miloa-bava akory aza isika, dia efa mampita hevitra ny fisehoantsika ivelany maotina. Tsy matahotra ny olona, raha hitany fa milamina tsara ny akanjontsika ary maneho fanajana ny fihetsitsika.—1 Tim. 2:9, 10.
3 Mora koa ny mifampiresaka, raha tony sy sariaka isika. Mahatonga ny hafa tsy ho sadaikatra sy ho vonona hihaino kokoa izany. Tena ilaina àry ny fiomanana tsara. Tsy hatahotahotra isika, raha efa mazava tsara ao an-tsaintsika izay holazaintsika. Manintona ny olona koa ny hafatra entintsika, raha tony isika. Hoy ny vehivavy iray momba ilay Vavolombelona nitsidika azy: “Tsaroako fa nitsikitsiky izy, ka hitako fa milamin-tsaina izy. Nanitikitika ny saiko izany.” Nanjary nihaino ny vaovao tsara ilay vehivavy.
4 Toetra manintona olona: Tena mila mihevitra izay hahasoa ny olona isika. (Fil. 2:4) Manao izany isika, ohatra, raha mamela ny hafa hiteny koa. Tena ilaina tokoa ny mihaino, rehefa miresaka. Raha asaintsika hilaza ny heviny ny olona, ka henointsika tsara izay lazainy, dia ho tsapany fa mihevitra izay hahasoa azy isika. Aza maika hanohy fotsiny izay resaka efa nomaninao àry, rehefa avy niteny ilay olona. Manaova teny fiderana, rehefa azo atao, ary miezaha hampifandray ny valin-teninao amin’izay lazainy. Raha miresaka momba ny zavatra mampitebiteby azy izy, dia ampifanaraho amin’izany ny teninao.
5 Mampisosa tsara ny fifampiresahana ny fanetren-tena. (Ohab. 11:2; Asa. 20:19) Nanatona an’i Jesosy ny olona, satria “malemy fanahy sady tsy miavona am-po” izy. (Matio 11:29) Mahasosotra ny olona kosa ny fihetsika manambony tena. Tsara àry raha tsy manizingizina ny hevitsika isika, na dia azontsika antoka aza fa manana ny fahamarinana isika.
6 Ahoana raha hita amin’ny valin-tenin’ilay olona fa tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Baiboly ny zavatra inoany? Tsy maintsy manitsy azy ve isika? Eny, saingy any aoriana, fa tsy voatery ho eo amin’ny fitsidihana voalohany. Matetika no tsara kokoa ny miresaka momba ny hevitra iombonantsika amin’ilay mpihaino antsika, alohan’ny hiresahana ireo fampianaran’ny Baiboly, izay mety ho sarotra amin’ilay olona ny hanaiky azy. Mila faharetana sy fahaizana izany. Nanome ohatra tsara momba izany ny apostoly Paoly, rehefa nitory tamin’ireo mpitsara teo amin’ny Areopago.—Asa. 17:18, 22-31.
7 Tena ilaina indrindra ny fitiavana tsy mitady valiny, raha tiantsika hisy vokany ny fampitantsika hevitra. Sahala amin’i Jesosy, dia tsy maintsy mangoraka an’ireo olona ‘nampahantraina ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry’, isika. (Matio 9:36) Hanosika antsika hizara amin’izy ireo ny vaovao tsara izany, ary hanampy azy ireo handeha eo amin’ny lalan’ny fiainana. Hafatra mitory fitiavana no entintsika, ka tokony holazaintsika amim-pitiavana foana. Manahaka an’i Jehovah sy Jesosy, izay mpampita hevitra mahay indrindra, isika amin’izany.