“Aoka Handray Izany Izay Mahay Mandray”
1 Niresaka fanambadiana tamin’ny mpianany i Jesosy indray mandeha ary nilaza fa ‘fanomezana’ ny fitoerana ho mpitovo. Hoy izy avy eo: “Aoka handray izany izay mahay mandray.” (Matio 19:10-12) Nanoratra momba ny soa raisin’ny olona tsy manambady ny apostoly Paoly, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, ary nampirisika ny olona mba hijanona ho mpitovo toa azy. (1 Kor. 7:7, 38) Olona maro ankehitriny no tsy nanambady ary mandray soa avy amin’izany. Inona ny sasany amin’izy ireo?
2 ‘Tsy mivezivezy ny sainy’: Tsapan’i Paoly fa ‘tsy nivezivezy ny sainy’ teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, noho izy nijanona ho mpitovo. Afaka manao fangatahana hanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana ny rahalahy mpitovo ankehitriny. Ary amin’ny ankapobeny, dia ny mpitovo no manana fahafahana kokoa ho mpisava lalana, na hianatra fiteny vahiny, na hifindra any amin’izay ilana mpitory maro kokoa, na hanompo any amin’ny Betela, na hiantsoroka andraikitra manokana. Mety ho betsaka sy halalaka kokoa ny fotoana hanaovany fianarana samirery sy hisaintsainana ary hivavahana amin’i Jehovah amin’ny fo. Manana fotoana bebe kokoa hanampiana ny hafa ny olona tsy manambady. ‘Mahasoa’ an’ilay olona avokoa izany rehetra izany.—1 Kor. 7:32-35; Asa. 20:35.
3 Mitondra valisoa lehibe ny fanompoana rehefa tsy mivezivezy ny saina. Nanoratra toy izao ny anabavy iray tsy manambady, rehefa avy nanompo 27 taona tany Kenya: ‘Maro be ny namako tany, ary tena betsaka ny asa! Niara-nanao zavatra izahay sady nifampitsidika. Tsy manambady aho, ka azoko nampiasaina hanaovana fanompoana ny fotoana bebe kokoa nananako sy ny fahafahana nifindra toerana. Tena nahafaly ahy izany.’ Hoy ihany izy: “Nihamafy ny fifandraisako tamin’i Jehovah nandritra ny taona maro.”
4 Aoka handray izany izay mahay mandray: Nilaza i Jesosy fa noho “ny fanjakan’ny lanitra” no tokony tsy hanambadian’ny olona iray. (Matio 19:12) Toy ny fanomezana rehetra, dia tokony hampiasaina araka ny tokony ho izy koa ny fitoerana ho mpitovo, mba hahafaly sy hahasoa. Manana fahafahana hanao zavatra betsaka kokoa ny mpitovo. Maro no nanararaotra izany fahafahana izany sy nihevitra azy io ho sarobidy, ary niantehitra tamin’i Jehovah mba hahazoana fahendrena sy tanjaka.