Mampiseho Fanajana An’Andriamanitra ny Fitafiana Mendrika
1 Tsy ho ela dia hanasa antsika i Jehovah hanatrika ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra hoe “Omeo Voninahitra Andriamanitra.” Voninahitra tokoa ny hoe asain’i Jehovah amin’io sakafo ara-panahy tondraka io, ka tena velom-pisaorana azy isika! Afaka mampiseho ny fanajantsika azy sy ny fankasitrahantsika ny sakafo ara-panahy omeny isika, amin’ny fomba fitafintsika sy ny paozintsika.—Sal. 116:12, 17.
2 Madio sy milamina: Tokony ho hita amin’ny paozintsika fa manaraka ny fitsipik’ilay Andriamanitra madio sy milamina isika. (1 Kor. 14:33; 2 Kor. 7:1) Tokony hadio ny tenantsika sy ny volontsika ary ny hohontsika. Tokony hilamina tsara koa ny paozintsika. Fahita ankehitriny ny olona manao fitafiana misavoritaka. Kanefa, tsy hoe satria misavoritaka ny mpihira na mpanao fanatanjahan-tena malaza iray, dia haka tahaka azy ny Kristianina. Mety ho sarotra amin’ny olona ny hanavaka ny mpanompon’ilay Andriamanitra marina sy ireo tsy mpanompony, raha manaraka izao lamaody be mpitia rehetra izao isika.—Mal. 3:18.
3 Fitafiana mendrika ny Kristianina: Rehefa nanoratra ho an’i Timoty, mpiandraikitra kristianina, ny apostoly Paoly, dia nampirisihiny “ny vehivavy, hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, ... amin’ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin’Andriamanitra.” (1 Tim. 2:9, 10) Mampalahelo anefa ny milaza fa nisy anabavintsika nanao zipo fohy tamin’ny fivoriambe tamin’ny taona lasa, indrindra tany amoron-tsiraka. Angamba olona liana ny sasany tamin’izy ireo, ka tsy omentsika tsiny. Tokony hanome ohatra tsara anefa ny mpanompon’i Jehovah rehetra vita batisa. Mila mieritreritra tsara isika mba ho mendrika hatrany ny fitafiantsika. Tokony hadio sy hilamina ary ho maotina ny akanjo, fa tsy ho marevaka loatra, na hanaitaitra ny filana.—1 Pet. 3:3.
4 Nampitandrina koa i Paoly fa tsy tokony ho tafahoatra ny ataontsika amin’ny “volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy.” (1 Tim. 2:9) Tokony hahay handanjalanja ny vehivavy kristianina, rehefa manao firavaka sy makiazy ary haingo hafa.—Ohab 11:2.
5 Mihatra amin’ny lehilahy kristianina koa ny toro lalana nomen’i Paoly ho an’ny vehivavy kristianina. Tsy tokony hanaraka ny fomba fitafy mampiseho ny toe-tsain’ity tontolo ity ireo rahalahy. (1 Jaona 2:16) Be mpitia, ohatra, ny akanjo mivareraka sy malalaka be any amin’ny tany sasany. Tsy mety ho an’ny mpanompon’Andriamanitra anefa io fomba fitafy io.
6 Rehefa miala voly: Tena fakan-tahaka ny fomba fitafy sy ny paozin’ny ankamaroan’ny rahalahintsika sy anabavintsika mandritra ny fivoriambe. Naharay tatitra anefa izahay fa nanao tsirambina ny sasany, rehefa nanao dia ho any amin’ny fivoriambe, na rehefa nody, na rehefa niala voly taorian’ny fivoriambe. Mitondra ny karatry ny fivoriambe isika, ka tokony ho mendrika ny Kristianina foana ny fomba fitafintsika. Matetika izany no manosika ny olona hidera antsika, ka mamela antsika hitory aminy.—1 Kor. 10:31-33.
7 Ny fitafiana sy ny paozy mendrika dia toy ny tsiky, izay manatsara ny endriky ny olona iray. Mahatonga ny olona hanaja ilay hafatra entintsika sy ilay fikambanana misy antsika koa izy ireo. Ny olona sasany izay handinika antsika mandritra ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra hoe “Omeo Voninahitra Andriamanitra”, dia mety hanontany hoe nahoana isika no miavaka amin’ny olon-kafa. Mety hilaza àry izy ireo any aoriana hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay [sy hitanay] fa momba anareo Andriamanitra.” (Zak. 8:23) Enga anie àry isika tsirairay hampiseho fanajana an’i Jehovah amin’ny fomba fitafintsika sy ny paozintsika.
[Fanontaniana]
1. Ahoana no ampisehoantsika fa mankasitraka ny fivoriamben’ny vondrom-paritra isika?
2. Nahoana isika no tokony hadio sy hilamina?
3. Ahoana no ahazoantsika antoka fa hifanaraka amin’ny torohevitra ao amin’ny 1 Timoty 2:9, 10 ny paozintsika?
4, 5. Inona no tokony hotandreman’ny lehilahy sy vehivavy kristianina?
6. Nahoana no tokony ho fakan-tahaka foana ny fitafiantsika sy paozintsika isan’andro, rehefa manao dia ho any amin’ny fivoriambe na rehefa mody, na mandritra ny fivoriambe, na aorian’izany?
7. Inona no mety ho vokany, rehefa manao fitafiana sy paozy mendrika isika?
[Efajoro, pejy 5]
Aoka Hihaja ny Paozintsika
▪ Rehefa manao dia
▪ Any amin’ny fivoriambe
▪ Rehefa miala voly