Miverina Mitsidika mba Hitarihana Fampianarana Baiboly
1 Tsy hitory fotsiny no nanirahan’i Jesosy ny mpanara-dia azy fa ‘hampianatra’ koa. (Matio 28:19, 20) Manao fanambarana ny mpitory, fa mihoatra noho izany kosa no ataon’ny mpampianatra. Mampahafantatra sy manazava ary manome porofo ny mpampianatra. Fomba iray hampianarana ny hafa ny fiverenana mitsidika ireo olona liana, ka ny hanomboka fampianarana Baiboly no tanjona.
2 Iza no tokony hiverenana hotsidihina? Aza hadinoina ny miverina mitsidika ireo rehetra nandray boky na gazety, na nampiseho fahalianana na dia kely fotsiny aza. Raha mahita olona liana ianao, rehefa mitory eny amin’ny toerana be olona, dia raiso ny adiresiny na ny nomeraon’ny telefaoniny. Ho voakolokolo ny fahalianany amin’izay. Hevero foana hoe mety hanaiky hianatra Baiboly izy. Tadiavo hatrany ireo izay hanaiky hianatra Baiboly.—Matio 10:11.
3 Manehoa fiheverana manokana: Ny fitsidihana voalohany no anomanana ny fiverenana mitsidika mahomby. Marihin’ny mpitory mahay izay zavatra mahaliana an’ilay tompon-trano, ka ataony fototry ny resadresaka manaraka. Hitan’ny mpitory sasany fa tsara ny mametraka fanontaniana iray, rehefa mifarana ilay fitsidihana, mba hisarihana ny fahalianan’ilay tompon-trano ho amin’ny fitsidihana manaraka. Raha tena maneho fiheverana an’ireny olona ireny isika, dia hieritreritra azy ireo foana na dia efa nandao azy aza, ka hiverina haingana any aminy. Raha azo atao, dia miverena haingana dieny mbola liana ilay olona, angamba afaka iray na roa andro.
4 Tohizo ilay resaka nifanaovanareo farany, rehefa miverina mitsidika ianao. Ataovy tanjona ny hiresaka lafin-javatra mampahery ara-baiboly iray, fara fahakeliny, isaky ny mitsidika. Aoka ianao ho vonona hihaino, ary fantaro tsara kokoa ilay tompon-trano. Rehefa mitsidika azy ianao aorian’izay, dia fahamarinana ara-baiboly tena mifandray amin’ny zava-manahirana azy no resaho aminy.
5 Mitariha fampianarana Baiboly isaky ny misy fahafahana: Manaova fiverenana mitsidika ary ataovy tanjona ny hitarika fampianarana Baiboly. Ahoana no hanaovana izany? Hazavao fa maniry hiresaka hevitra mahaliana iray ianao, ary raiso ny boky Mivavaha na Takina, ka sokafy ao amin’izay fehintsoratra hitanao fa mahaliana an’ilay olona. Vakio ilay fehintsoratra, jereo ny fanontaniana, ary mandiniha andinin-teny iray na roa. Azonao atao eo am-baravarana mandritra ny dimy ka hatramin’ny folo minitra izany. Eo am-pamaranana, dia apetraho ny fanontaniana manaraka, ary manaova fotoana mba hanohizana ilay dinidinika.
6 Lafiny iray lehibe amin’ny fanompoantsika ny fanolokoloana ny fahalianana rehetra hitantsika. Noho izany, dia manokàna fotoana isan-kerinandro mba hanaovana fiverenana mitsidika. Hampitombo ny vokatra azonao eo amin’ny fanompoana izany sady tena hahafaly anao.
[Fanontaniana]
1. Nahoana no tena zava-dehibe ny fiverenana mitsidika?
2. Iza no tokony hiverenantsika hotsidihina?
3, 4. Inona avy no atao mba hahombiazan’ny fiverenana mitsidika?
5. Tari-dresaka tsotra inona no azo ampiasaina mba hanombohana fampianarana Baiboly?
6. Ahoana no azontsika ampisehoana fa zava-dehibe amintsika ny fiverenana mitsidika?