Mandrisika Antsika Hanome Voninahitra An’Andriamanitra ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra!
Fitoriana lehibe no vita tamin’ireo Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Omeo Voninahitra Andriamanitra”, natao hatramin’izao. Natao hiderana ny anaran’i Jehovah ireny fandaharana ara-panahy ireny, sady mampiofana antsika ‘hanome an’i Jehovah ny voninahitry ny anarany.’ (Sal. 96:8) Tena mendrika ny homena voninahitra tokoa izy, noho ireo zavaboary mahatalanjona noforoniny, izay ahitana taratry ny toetra tsarany.—Joba 37:14; Apok. 4:11.
Ampiasao ny fandraisanao an-tsoratra, rehefa manomana ireto fanontaniana ireto ianao. Mandraisa anjara amin’ny famerenana ny fandaharan’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, amin’ny herinandron’ny 20 Oktobra.
1. Nahoana no lazaina fa manome voninahitra an’Andriamanitra ireo zavaboary tsy mananaina? Nahoana no tsy mitovy amin’ny azy ireo ny fomba ideran’ny olombelona an’Andriamanitra? (Sal. 19:1-3; “Manambara ny Voninahitr’Andriamanitra ny Zavatra Noforoniny”)
2. Inona no fahatanterahan’ilay fiovan-tarehy amin’izao andro izao, ary inona no herin’izany eo amin’ny Kristianina? (Lahateny fototra: “Mandrisika Antsika ny Fahitana Momba ny Voninahitr’i Jesosy!”)
3. Ahoana no hananantsika fanetren-tena toa an’i Daniela mpaminany, ary inona no soa horaisintsika avy amin’izany? (Dan. 9:2, 5; 10:11, 12; “Asehon’i Jehovah Amin’ny Manetry Tena ny Voninahiny”)
4. a) Inona avy ireo zavatra telo ianarantsika momba ny didim-pitsaran’Andriamanitra, ao amin’ny faminanian’i Amosa? (Amosa 1:3, 11, 13; 9:2-4, 8, 14) b) Inona no azon’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny ianarana avy amin’ny fananarana ao amin’ny Amosa 2:12? (“Ny Hafatra Raketin’ny Faminanian’i Amosa ho An’ny Androntsika”)
5. a) Inona no loza ateraky ny fisotroana tafahoatra, na dia tsy mamo aza ny olona iray? b) Inona no azon’ny olona iray atao rehefa mitady tsy hahalala onony izy? (Marka 9:43; Efes. 5:18; “Aza Manaiky ho Voafandriky ny Fisotroana Tafahoatra”)
6. Inona no soa noraisinao tamin’ilay bokikely vaovao hoe ‘Jereo Ilay Tany Soa’? (“‘Ilay Tany Soa’, Santatry ny Paradisa”)
7. Inona avy ireo fomba telo ahafahantsika “manome taratry ny voninahitr’i Jehovah”? (2 Kor. 3:18; “Fanomezana Taratry ny Voninahitr’i Jehovah”)
8. Iza no mahatonga antsika hankahalaina tsy amin’ny antony, ary inona no manampy antsika tsy hivadika na dia ankahalaina toy izany aza isika? (Sal. 109:1-3; “Ankahalaina Tsy Amin’ny Antony”)
9. Ahoana no fomba fijerin’i Kristy momba ny fahamboniana, ary ahoana no amantaran’ny Kristianina iray hoe tokony hiezaka kokoa mba haneho an’io toe-tsaina io izy? (Matio 20:20-26; “Manàna Fomba Fijerin’i Kristy Momba ny Fahamboniana”)
10. Inona no hanampy antsika hatanjaka ara-panahy hatrany, na dia reraka ara-batana aza? (“Reraka Ara-batana fa Tsy Ara-panahy”)
11. Inona no fomba sasany ampiasain’i Satana mba hampielezana lainga? Inona avy no andinin-teny azontsika ampiasaina mba hamaliana ireo mitady hanimba ny finoantsika? (Jaona 10:5; “Mitandrema Amin’ny ‘Feon’ny Vahiny’”)
12. a) Ahoana no azon’ny ray aman-dreny hanahafana ny ohatr’i Jesosy voalaza ao amin’ny Marka 10:14, 16? b) Inona no tianao tamin’ilay boky vaovao hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe? (“Lova Sarobidy ny Zanatsika”)
13. Ahoana no ideran’ny tanora an’i Jehovah? (1 Tim. 4:12; “Ahoana no Ideran’ny Tanora An’i Jehovah?”)
14. Inona no tena nanaitra anao tamin’ilay fampisehoana tantara hoe “Sahy Mitory na dia Misy Fanoherana Aza”?
15. Ahoana no hanahafantsika ny ohatra navelan’i a) Petera sy Jaona? (Asa. 4:10) b) Stefana? (Asa. 7:2, 52, 53) d) ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany? (Asa. 9:31; fampisehoana tantara sy lahateny: “‘Aza Mitsahatra’ Mitory ny Vaovao Tsara”)
16. Inona amin’ireo zavatra mampiavaka Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao no nanampy anao teny amin’ny saha sy tamin’ny fianarana samirery?
17. a) Amin’ny fomba ahoana avy no hanomezantsika voninahitra an’Andriamanitra, araka ilay fanapahan-kevitra nolanintsika? b) Matoky isika fa hahazo inona, rehefa mampihatra izay nianarantsika tamin’ny Fivoriambe “Omeo Voninahitra Andriamanitra”? (Jaona 15:9, 10, 16; “‘Mamoaza Be’ Hatrany ho Voninahitr’i Jehovah”)
Ho voatosika hampihatra izay nianarantsika isika, raha misaintsaina ny fampianarana ara-panahy tena tsara noraisintsika tamin’ny fivoriambe.—Fil. 4:8, 9.