Fizarana 12—Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso
Ampio ny Mpianatra Hanomboka sy Hitarika Fampianarana Baiboly
1 Mety hatahotahotra ny mpianatra vao manomboka mitory, rehefa mieritreritra hoe izy mihitsy no hanomboka sy hitarika fampianarana Baiboly. Ahoana no hanampiantsika azy hianatra hatoky tena, eo amin’io lafiny lehibe amin’ny fanompoana io?—Matio 24:14; 28:19, 20.
2 Efa mandray anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ny mpianatra Baiboly, vao mahafeno fepetra ho mpitory tsy vita batisa. Mahazo fampiofanana izy rehefa manomana sy manao ny anjarany, ka hanampy azy hampitombo fahaiza-mampianatra izany. Ilaina izy io mba ho “mpiasa tsy mitsanga-menatra na amin’inona na amin’inona, ary manazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.”—2 Tim. 2:15.
3 Aoka ianao ho modely: Modely ho an’ny mpianany i Jesosy ary nanome toromarika mazava tsara. Tamin’izany fomba izany no nampiofanany azy ireo. Hoy izy: “Izay rehetra nahazo fampianarana tonga lafatra dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany.” (Lioka 6:40) Tena mila manahaka an’i Jesosy koa ianao, ka ho modely eo amin’ny fanompoana ataonao! Rehefa mandinika izay ataonao ilay mpianatra, dia ho hitany fa ny hanomboka fampianarana Baiboly no tanjona, rehefa manao fiverenana mitsidika.
4 Hazavao aminy fa tsy voatery hasehontsika amin’ny an-tsipiriany ny fizotry ny fampianarana, rehefa manasa olona hianatra isika. Izao matetika no tsara indrindra mba hampisehoana ilay fianarana: Mampiasa fehintsoratra iray na roa avy ao amin’ny boky fianarana iray. Misy soso-kevitra mahasoa azonao jerena eo amin’ny pejy 8 amin’ity Fanompoantsika Ilay Fanjakana ity sy ilay tamin’ny Janoary 2002, pejy 6.
5 Rehefa mety, dia asao ilay mpianatra hiaraka aminao na hiaraka amin’ny mpitory hafa za-draharaha any amin’ny fampianarana Baiboly hafa. Mety ho afaka hanazava fehintsoratra na andinin-teny fototra iray izy amin’izay. Amin’ny alalan’ny fijereny izay ataon’ny mpitory hafa àry no hianarany zavatra betsaka momba ny fitarihana fampianarana Baiboly mandaitra. (Ohab. 27:17; 2 Tim. 2:2) Ampaherezo izy ary resaho aminy izay lafiny mbola azony hihatsarana.
6 Raha ampiofanina ho mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra ny mpitory vaovao, dia ho ampy fitaovana amin’ny “asa tsara”, toy ny fanombohana sy fitarihana fampianarana Baiboly izy. (2 Tim. 3:17) Tena mahafaly ny miara-miasa amin’izy ireny mba hanasa ny olona amim-pitiavana hoe: ‘Aoka izay maniry, hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina’!—Apok. 22:17.