Efa Nofenoinao ve Ilay Izy?
Inona izany? Ilay karatra FMF (fanomezan-dalana momba ny fitsaboana) natao ho an’ny Vavolombelona vita batisa. ‘Tsy fantatrao izay hitranga aminao rahampitso’, ka tokony hanapa-kevitra haingana ianao hoe inona no karazana fitsaboana ekenao, raha mila izany maika ianao. (Jak. 4:14; Asa. 15:28, 29) Tokony hofenoinao mifanaraka amin’izany ilay karatra. Mba hanampiana anao, dia jereo ilay video hoe Vitan’ny Mpitsabo ny Tsy Mampiasa Ra. (Misy azy io koa ao amin’ilay DVD hoe Solon’ny Fampidiran-dra.) Valio ireto fanontaniana ireto avy eo, mba hahitana raha tena azonao ilay izy.—Fanamarihana: Ahitana sarina dokotera manao fandidiana ao, ka mila dinihin’ny ray aman-dreny mialoha, raha tokony hijery azy io ny zanany kely na tsia.
1) Inona no antony lehibe indrindra tsy aneken’ny Vavolombelon’i Jehovah hampidiran-dra? 2) Inona no fitsaboana tian’ny Vavolombelon’i Jehovah? 3) Inona no zo lehibe indrindra ananan’ny marary? 4) Raha mifidy fitsaboana solon’ny fampidiran-dra ny olona iray, nahoana izy no tsy azo lazaina hoe tsy mahay mandray andraikitra na tsy mahay misaina? 5) Inona no zavatra roa tsy maintsy ataon’ny dokotera haingana, rehefa misy fahaverezan-dra be? 6) Misy sokajiny efatra ny fitsaboana azon’ny olona isafidianana, raha tsy te hampidiran-dra izy. Inona avy izany? 7) Inona no ataon’ny dokotera mba a) hampihenana ny ra very, b) hitehirizana ny liomena na sela mena, d) hanairana ny vatana mba hamokatra ra, ary e) hampiasana indray ny ra very? 8) Hazavao ilay teknika fitsaboana atao hoe: a) fanampohana ny ra sy b) cell-saver. 9) Inona no fanazavana tokony hotadiavinao, rehefa hifidy fitsaboana solon’ny fampidiran-dra ianao? 10) Mahavita manao fandidiana lehibe sy sarotra ve ny dokotera, nefa tsy mampiasa ra? 11) Inona no fandrosoana vita eo amin’ny sehatry ny fitsaboana?
Ny tsirairay no manapa-kevitra raha hanaiky ny fitsaboana naseho tao amin’ilay video izy na tsia, arakaraka ny feon’ny fieritreretany voaofan’ny Baiboly. Efa nanapa-kevitra tsara ve ianao hoe inona avy no karazana fitsaboana tianao hatao aminao sy ny zanakao? Raha mila fanazavana bebe kokoa ianao, dia jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 2004 sy 15 Oktobra 2000, ary ilay takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 2006 hoe “Hanaiky Zavatra avy Amin’ny Taharo Fototry ny Ra na Fitsaboana Ampiasana ny Rako ve Aho?” Tokony hohazavainao tsara amin’ny solontena nofidinao sy ny havanao tsy Vavolombelona ny fanapahan-kevitra noraisinao.