HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 25-26
Ilay Zavatra Sarobidy Indrindra tao Amin’ny Tranolay Masina
Ny Vata misy ny fifanekena no zavatra sarobidy indrindra tao amin’ny tranolay masina sy ny tobin’ny Israelita. Nisy rahona teo anelanelan’ireo kerobima roa teo amin’ny saron’ilay Vata. Izany no nampiseho hoe nanatrika teo Andriamanitra. Niditra tao amin’ny Masina Indrindra ny mpisoronabe, tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. Nafafiny teo anoloan’ny saron’ilay Vata ny ran’ny ombilahy iray sy osilahy iray, mba handrakofana ny fahotan’ny Israelita. (Le 16:14, 15) Mifanitsy amin’ny zavatra nataon’i Jesosy tatỳ aoriana izany. Mpisoronabe koa izy, ary niseho teo anatrehan’i Jehovah tany an-danitra, mba hanolotra ny vidin’ny ra nalatsany.—He 9:24-26.
Mandray soa be dia be isika noho ny vidim-panavotana. Ampifandraiso amin’izay mifanitsy aminy ny andinin-teny tsirairay:
ANDININ-TENY
SOA RAISINTSIKA
Manantena fiainana mandrakizay
Mahazo famelan-keloka
Manana feon’ny fieritreretana madio
Inona no tokony hataontsika raha te hahazo an’ireo fitahiana ireo isika?