HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Tahafo i Jehovah Raha Manana Fahefana Ianao
I Jehovah no manana fahefana fara tampony (1Mp 22:19; it “Jehovah Tompon’ny Tafika” § 3)
Manome voninahitra an’izay eo ambany fahefany i Jehovah (1Mp 22:20-22; w21.02 4 § 9)
Notahin’i Jehovah ny zavatra nataon’ny anjely iray (1Mp 22:23; it “Lainga” § 8)
Ny anti-panahy sy ny raim-pianakaviana no tena tokony hanahaka an’i Jehovah rehefa mampihatra fahefana. (Ef 6:4; 1Pe 3:7; 5:2, 3) Raha manao an’izany mantsy izy ireo, dia ho faly sy ho afa-po ny olona eo ambany fahefany.