INONA NO HANAMPY NY OLONA TSY HIFANKAHALA INTSONY?
2 | Aza Mamaly Faty
Fampianaran’ny Baiboly:
“Aza mamaly ratsy ny ratsy na amin’iza na amin’iza. ... Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. Aza mamaly faty ... Fa voasoratra hoe: ‘“Ahy ny famaliana, ary izaho no hamaly”, hoy i Jehovah.’”—ROMANINA 12:17-19.
Inona no dikan’izany?
Ara-dalàna raha tezitra isika rehefa nisy nanao ratsy tamintsika. Na izany aza, dia tsy tian’Andriamanitra hamaly faty isika. Ampirisihiny hiandry azy kosa isika, satria tsy ho ela izy dia hanitsy ny tsy rariny rehetra.—Salamo 37:7, 10.
Inona no azonao atao?
Rehefa mamaly faty ny olombelona tsy lavorary, dia vao mainka mifankahala ry zareo. Raha nisy olona nandratra ny fonao na nanao ratsy taminao àry, dia aza mamaly faty. Ezaho fehezina ny fihetseham-ponao, dia miezaha ho tony foana. Tsara kokoa aza raha tsy raharahiana fotsiny ilay izy indraindray. (Ohabolana 19:11) Mazava ho azy fa mila anaovana tatitra ny zavatra sasany. Raha niharan’ny heloka bevava, ohatra, ianao, dia mety ho tianao ny hitatitra an’ilay izy any amin’ny polisy na manam-pahefana hafa.
Hoatran’ny mandrora mitsilany ianao raha mamaly faty
Ahoana anefa raha hoatran’ny hoe tsy misy fomba hihavanana mihitsy? Na ahoana raha efa nanao izay rehetra azonao atao ianao mba hihavanana, nefa tsy mety mihitsy ilay izy? Aza mamaly faty, fa tsy hanatsara zavatra izany. Ataovy izay hahatonga anareo hifankatia. Miezaha hatoky hoe mety ny fomba andaminan’Andriamanitra an’ilay olana. “Miantehera aminy, dia hanampy anao izy.”—Salamo 37:3-5.