LAHATSORATRA FIANARANA 21
Ahoana no Amalian’i Jehovah ny Vavaka Ataontsika?
“Fantatsika fa tena ho azontsika izay angatahintsika, satria nangatahintsika taminy.”—1 JAONA 5:15.
HIRA 41 Mba Henoy ny Vavaka Ataoko
HO HITANAO ATOa
1-2. Inona no mety hahalasa saina antsika momba ny vavaka ataontsika?
EFA lasa saina ve ianao raha mamaly ny vavaka ataonao i Jehovah? Tsy ianao irery no hoatr’izany. Rahalahy sy anabavy maro no lasa saina tamin’izany koa, indrindra rehefa tao anatin’ny fotoan-tsarotra ry zareo. Mety ho sarotra kokoa amintsika koa ny hahita ny fomba amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika, rehefa miatrika ny mafy isika.
2 Andao isika handinika hoe nahoana isika no afaka matoky fa mamaly ny vavaky ny mpanompony i Jehovah. (1 Jaona 5:15) Hovaliantsika ato koa ireto: Maninona no hoatran’ny hoe tsy mamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah indraindray? Ahoana ny fomba amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika amin’izao?
METY TSY HO ARAKA NY IERITRERETANTSIKA AZY ILAY VALIM-BAVAKA
3. Nahoana isika no tian’i Jehovah hivavaka aminy?
3 Manome toky antsika ny Soratra Masina hoe tena tia antsika i Jehovah ary sarobidy aminy isika. (Hag. 2:7; 1 Jaona 4:10) Izany no mahatonga azy hanasa antsika hangataka fanampiana aminy amin’ny alalan’ny vavaka. (1 Pet. 5:6, 7) Te hanampy antsika hifandray akaiky aminy foana izy. Tiany hahavita hiatrika ny zava-tsarotra mianjady amintsika koa isika.
4. Ahoana no ahafantarantsika hoe mamaly ny vavaky ny mpanompony i Jehovah? (Jereo koa ny sary.)
4 Matetika no hitantsika ao amin’ny Baiboly hoe namaly ny vavaky ny mpanompony i Jehovah. Ny an’iza izao no tadidinao? Ny an’i Davida Mpanjaka ve? Niatrika fahavalo nampidi-doza be dia be izy teo amin’ny fiainany, ary matetika izy no nivavaka tamin’i Jehovah mba hampiany. Indray mandeha izy nitalaho hoe: “Jehovah ô, henoy ny vavaka ataoko; henoy ny fitalahoako fanampiana. Valio aho fa mendri-pitokisana sy manao ny rariny ianao.” (Sal. 143:1) Namaly ny antso vonjy nataon’i Davida i Jehovah. (1 Sam. 19:10, 18-20; 2 Sam. 5:17-25) Feno toky àry i Davida niteny hoe: “Akaiky an’izay rehetra miantso azy i Jehovah.” Afaka ny ho feno toky hoatr’izany koa isika.—Sal. 145:18.
5. Araka ny nieritreretan’ny mpanompon’i Jehovah azy foana ve ny valim-bavaka azony? Manomeza ohatra. (Jereo koa ny sary.)
5 Mety tsy ho araka ny ieritreretantsika azy no amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika. Hoatr’izany izao tamin’ny apostoly Paoly. Nangataka tamin’Andriamanitra izy mba hanala an’ilay ‘tsilo tao amin’ny nofony.’ Intelo izy no nivavaka mazava tsara momba an’io olana sarotra io. Namaly an’ireo vavaka ireo ve i Jehovah? Ie, fa tsy araka ny nantenain’i Paoly ny valim-bavaka azony. Tsy nanala an’ilay olana mantsy i Jehovah. Nomeny ny hery nilaina kosa i Paoly mba hahavita hanompo azy foana sy tsy hivadika aminy.—2 Kor. 12:7-10.
6. Nahoana no hoatran’ny hoe tsy mamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah indraindray?
6 Mety tsy ho araka ny ieritreretantsika azy koa ny valim-bavaka azontsika indraindray. Afaka matoky anefa isika hoe fantatr’i Jehovah tsara ny fomba mety indrindra hanampiana antsika. Afaka “manao mihoatra noho izay rehetra angatahintsika na eritreretintsika” mihitsy aza izy, “ary mihoatra lavitra noho izany aza.” (Efes. 3:20) Mety tsy ho araka ny anampoizantsika azy àry ny fotoana na ny fomba amaliany ny vavaka ataontsika.
7. Nahoana no mety hoe mila ovana izay nangatahintsika tamin’ny vavaka? Manomeza ohatra.
7 Mila manova an’izay nangatahintsika tamin’ny vavaka angamba isika, rehefa lasa fantatsika kokoa ny sitrapon’i Jehovah. Eritrereto ny Rahalahy Martin Poetzinger. Tsy ela taorian’ny nanambadiany, dia nogadraina tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia izy. Nivavaka tamin’i Jehovah izy tamin’ny voalohany mba hafahana, amin’izay izy afaka mikarakara ny vadiny sy manohy mitory indray. Nandeha teny ny tapa-bolana, fa mbola tsy nahita famantarana mihitsy izy hoe hanafaka azy i Jehovah. Nanomboka nivavaka àry izy hoe: “Mba asehoy ahy, Jehovah, hoe inona no tianao hataoko.” Nanomboka nieritreritra an’izay nanjo ny rahalahy hafa tao amin’ilay toby izy avy eo. Betsaka tamin-dry zareo no nanahy be momba ny vady aman-janany. Izao àry ny vavaka nataon’ny Rahalahy Poetzinger: “Jehovah ô, misaotra amin’ilay fanendrena vaovao nomenao ahy. Ampio aho hahavita hanatanjaka sy hampahery ny rahalahiko.” Dia izany mihitsy no nataony tao amin’ireo toby nandefasana azy, nandritra ny sivy taona nanaraka!
8. Inona no zava-dehibe tokony hotadidintsika rehefa mivavaka isika?
8 Tsy maintsy tadidintsika hoe manana fikasana i Jehovah, ary hotanterahiny amin’ny fotoana efa nofaritany izany. Anisan’io fikasany io ny hanafoana tanteraka sy mandrakizay ny olana rehetra mahatonga antsika hijaly be amin’izao, ohatra hoe ny loza, ny aretina, ary ny fahafatesana. Ny Fanjakany no hampiasain’i Jehovah hanatanterahana an’izany. (Dan. 2:44; Apok. 21:3, 4) Avelany hitondra an’izao tontolo izao anefa aloha i Satana mandra-pahatongan’izany.b (Jaona 12:31; Apok. 12:9) Raha mamaha ny olan’ny olombelona mantsy i Jehovah amin’izao, dia lasa hoatran’ny hoe mety ihany ny fitondran’i Satana. Tsy maintsy miandry ny fotoana hanatanterahan’i Jehovah ny fampanantenany sasany àry isika. Tsy midika anefa izany hoe avelany hiady irery isika. Andao isika handinika fomba sasany anampiany antsika.
FOMBA AMALIAN’I JEHOVAH VAVAKA AMIN’IZAO
9. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika rehefa mila manapa-kevitra isika? Manomeza ohatra.
9 Manome antsika fahendrena izy. Mampanantena i Jehovah hoe hanome antsika ny fahendrena ilaintsika izy, mba hahaizantsika manapa-kevitra. Mila ny fahendren’Andriamanitra isika, indrindra rehefa hisy vokany amin’ny fiainantsika iray manontolo ny fanapahan-kevitra horaisintsika, ohatra hoe hijanona ho mpitovo sa hanambady. (Jak. 1:5) Eritrereto ny zavatra niainan’ny anabavy mpitovo antsoina hoe Maria.c Mpisava lalana maharitra izy sady tena nankafy an’izany, tamin’izy nihaona tamina rahalahy iray. Izao no nolazainy: “Lasa mpinamana izahay, dia avy eo nitsiry ilay fitiavana teo aminay roa. Fantatro hoe nila nanapa-kevitra aho. Nivavaka mafy sy ela be momba an’ilay izy àry aho. Nila ny tari-dalan’i Jehovah mantsy aho, nefa fantatro koa hoe tsy hanapa-kevitra eo amin’ny toerako izy.” Tsapany hoe namaly ny vavaka nataony i Jehovah ka nanome fahendrena azy. Ahoana no nanaovan’i Jehovah an’izany? Nahita lahatsoratra namaly mazava tsara ny fanontaniany i Maria, rehefa nanao fikarohana tao amin’ny boky sy gazetintsika. Nohenoiny koa ny torohevitra feno fahendrena avy amin’ny mamany. Mpanompon’i Jehovah tsy mivadika izy io. Ny toroheviny no nanampy an’i Maria hamakafaka ny fihetseham-pony. Nahavita nandray fanapahan-kevitra tsara izy tamin’ny farany.
10. Ahoana no hanampian’i Jehovah ny mpanompony, araka ny Filipianina 4:13? Manomeza ohatra. (Jereo koa ny sary.)
10 Manome antsika hery hiaretana izy. Hanome antsika ny hery ilaintsika mba hiaretana fitsapana i Jehovah, hoatran’ny nataony tamin’ny apostoly Paoly. (Vakio ny Filipianina 4:13.) Diniho ny fomba nanampian’i Jehovah ny rahalahy antsoina hoe Benjamin. Saika lany tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana tany Afrika ny fahatanorany. Nipetraka tany mantsy izy sy ny fianakaviany. Izao no nolazainy: “Nivavaka tamin’i Jehovah foana aho, dia nangataka taminy mba homeny hery hanaovana an’izay mampifaly azy. Namaly ny vavaka nataoko i Jehovah. Nataony nilamin-tsaina aho sady nomeny herim-po ka nahavita nitory foana, ary nomeny boky sy gazety mba hahatonga ahy hatanjaka ara-panahy foana.” Hoy koa izy: “Namaky ny tantaran’ny mpiara-manompo aho, dia lasa nahafantatra ny fomba nanampian’i Jehovah an-dry zareo hiaritra. Vao mainka izany nanampy ahy ho tapa-kevitra ny tsy hivadika mihitsy.”
11-12. Ahoana no mety hampiasan’i Jehovah ny fianakaviantsika ara-panahy mba hamaliana ny vavaka ataontsika? (Jereo koa ny sary.)
11 Mampiasa ny fianakaviantsika ara-panahy izy. Nivavaka mafy i Jesosy ny alina talohan’ny hanaovany sorona ny ainy. Niangavy an’i Jehovah izy mba tsy hamela ny olona hieritreritra hoe mpanevateva an’Andriamanitra izy, ka ho afa-baraka. Tsy izany anefa no nataon’i Jehovah. Naniraka anjely kosa izy, ary io rahalahin’i Jesosy io no nampahery azy. (Lioka 22:42, 43) Mety hampiasa ny rahalahy sy anabavy koa i Jehovah mba hanampiana antsika. Mety hiantso na hitsidika antsika, ohatra, ry zareo mba hampaherezana antsika. Samy afaka mitady hirika hilazana “teny mampahery” amin’ny mpiara-manompo isika rehetra.—Ohab. 12:25.
12 Eritrereto ny zavatra niainan’ny anabavy atao hoe Miriam. Irery tao an-trano izy, herinandro vitsivitsy taorian’ny nahafatesan’ny vadiny. Kivy sy nahatsiaro ho very izy tamin’izay. Nigogogogo nitomany izy, dia nila niresaka tamin’olona. Izao no nolazainy: “Tsy nanana hery hiantsoana an’iza na iza aho, ka nivavaka tamin’i Jehovah. Tamin’ilay izaho mbola nitomany sy nivavaka iny mihitsy anefa no naneno ny telefaonina. Hay anti-panahy namanay no niantso!” Nampionona an’i Miriam io anti-panahy io sy ny vadiny. Resy lahatra izy hoe i Jehovah no nahatonga an’ilay rahalahy hiantso azy.
13. Afaka mampiasa olona tsy manompo azy ve i Jehovah mba hamaliana ny vavaka ataontsika? Manomeza ohatra.
13 Mety hampiasa olona tsy manompo azy izy. (Ohab. 21:1) Indraindray i Jehovah mampiasa olona tsy manompo azy mba hamaliana ny vavaka ataon’ny vahoakany. Nandrisika an’i Artaksersesy Mpanjaka, ohatra, izy mba hamela an’i Nehemia hiverina any Jerosalema, amin’izay izy afaka manorina an’ilay tanàna indray. (Neh. 2:3-6) Hoatr’izany koa amin’izao. Azon’i Jehovah ampiasaina na dia ny olona tsy manompo azy aza, mba hamonjena antsika rehefa mila fanampiana isika.
14. Inona no mampahery anao amin’ny tantaran’i Soo Hing? (Jereo koa ny sary.)
14 Tsapan’ny Ranabavy Soo Hing hoe nanampy azy tamin’ny alalan’ny dokoterany i Jehovah. Voan’ny aretin-tsaina maromaro ny zanany lahy. Rehefa tratran’ny loza izy io tatỳ aoriana, dia niala tamin’ny asany izy sy ny vadiny mba hikarakarana azy. Lasa sahirana ara-bola àry ry zareo. Nilaza i Soo Hing hoe hoatran’ny lasitika nohenjanina hatramin’ny farany izy, ka nila tsy ho zakany intsony. Namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah àry izy, dia nangataka fanampiana taminy. Nikarakara manokana an-dry zareo ilay dokotera avy eo. Lasa nahazo fanampiana tamin’ny fanjakana àry izy mianakavy, ary nahita trano tsy dia lafo loatra. Izao no nolazain’i Soo Hing taorian’izay: “Tena nanampy anay ny tanan’i Jehovah. ‘Mpihaino vavaka’ mihitsy izy!”—Sal. 65:2.
MILA FINOANA NY MITADY VALIM-BAVAKA SY MANAIKY AN’IZANY
15. Inona no nanampy ny anabavy iray hahita hoe efa nivaly ny vavaka nataony?
15 Tsy miavaka be matetika ny fomba amalian’ilay Raintsika any an-danitra ny vavaka ataontsika. Izay ilaintsika mba tsy hivadihana mihitsy anefa no valiny omeny. Diniho tsara àry hoe ahoana ny fomba amalian’i Jehovah ny vavaka ataonao. Tsapan’ny anabavy antsoina hoe Yoko fa tsy namaly ny vavaka nataony i Jehovah. Nanomboka noraisiny an-tsoratra àry hoe inona avy no nangatahiny tamin’i Jehovah. Rehefa nandeha ny fotoana, dia namerina nijery an’ireny izy, ka tonga saina hoe efa namaly ny ankamaroan’ny vavaka nataony i Jehovah. Novalian’i Jehovah na dia ny sasany efa hadinony aza. Indraindray koa isika mila miato kely, dia misaintsaina hoe ahoana no amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika.—Sal. 66:19, 20.
16. Ahoana no ampisehoantsika hoe manam-pinoana isika, raha ny resaka vavaka no jerena? (Hebreo 11:6)
16 Tsy hoe rehefa mivavaka amin’i Jehovah ihany isika no mampiseho finoana, fa rehefa manaiky valim-bavaka koa, na ahoana na ahoana fomba amalian’i Jehovah an’izany. (Vakio ny Hebreo 11:6.) Eritrereto i Mike sy Chrissy vadiny. Nanana tanjona hanompo ao amin’ny Betela ry zareo. Izao no nolazain’i Mike: “Nandefa fangatahana izahay roa nandritra ny taona maro, ary nivavaka tamin’i Jehovah imbetsaka momba an’ilay tanjonay. Tsy voantso mihitsy anefa izahay.” Mbola natoky foana i Mike sy Chrissy fa i Jehovah no tena mahalala hoe ahoana no hampiasany an-dry zareo amin’ny fanompoana azy. Nanao an’izay azony natao foana ry zareo, ka nanao mpisava lalana maharitra sy nanitatra ary nanampy tamina tetikasa fanorenana. Manao ny asan’ny faritra izy mivady izao. Hoy i Mike: “Tsy araka ny nantenainay indraindray ny fomba namalian’i Jehovah ny vavaka nataonay. Tena namaly azy ireny anefa izy, ary tsara lavitra noho izay noeritreretinay ny fomba namaliany an’izany.”
17-18. Inona no toky ananantsika, araka ny Salamo 86:6, 7?
17 Vakio ny Salamo 86:6, 7. Nahazo antoka i Davida mpanao salamo hoe nihaino sy namaly ny vavaka nataony i Jehovah. Afaka matoky hoatr’izany koa ianao. Hitantsika tamin’ireo ohatra nodinihintsika tato fa afaka manome fahendrena sy hery hiaretana i Jehovah. Azony ampiasaina hanampiana antsika koa ny fianakaviantsika ara-panahy, ary na dia ny olona mbola tsy manompo azy aza.
18 Marina aloha hoe tsy araka ny ieritreretantsika azy no amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika indraindray. Fantatsika anefa hoe hamaly azy ireny izy. Izay ilaintsika mihitsy no omeny ary amin’ny fotoana tena ilantsika an’izany. Mivavaha foana àry, dia manàna finoana. Matokia fa hikarakara anao i Jehovah dieny izao, ary ‘hanome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra’ izy ao amin’ny tontolo vaovao.—Sal. 145:16.
HIRA 46 Misaotra, Jehovah
a Manome toky antsika i Jehovah hoe hamaly ny vavaka ataontsika izy, raha mifanaraka amin’ny sitrapony izany. Rehefa miatrika fitsapana isika, dia afaka matoky fa hanome ny fanampiana ilaintsika izy mba tsy hivadihantsika aminy mihitsy. Andao àry hodinihintsika hoe ahoana no amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika.
b Manazava ny antony amelan’i Jehovah an’i Satana hitondra an’izao tontolo izao ilay hoe “Tadidio Foana hoe Inona no Tena Zava-dehibe”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Jona 2017.
c Novana ny anarana sasany.
d SARY: Nitsoaka ny taniny ny vehivavy iray sy ny zanany vavy, ary tonga any an-tany hafa. Mandray azy mianaka an-tanan-droa ny mpiara-manompo ary manampy azy ireo.