Vavolombelon’i Jehovah — Tatitry ny Diary 1997
VAO avy nahavita ny fanompoany teto an-tany i Jesosy Kristy. Avy nampiofana ireo mpanara-dia azy hanao asa iray tsy nisy nitoviana tamin’izay rehetra nataon’izy ireo taloha, izy. Nandinika azy izy ireo, rehefa nitory momba an’Andriamanitra sy ny Fikasany izy tany amin’izay rehetra nahitany olona — teny amoron-dranomasina, teny an-tendrombohitra, teny an-dalana, tany amin’ny toeram-pivarotana, teny amin’ny faritry ny tempoly, ary tany amin’ny tranon’ny olona. Tena ‘Vavolombelona nahatoky sy marina’ ho an’i Jehovah tokoa izy. (Apok. 3:14). Naniraka ny mpianany tsiroaroa koa izy, mba hahazoan’izy ireo fanandraman-javatra teo amin’io asa fitoriana io.
Avy eo, talohan’ny niakarany tany an-danitra, dia hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.” (Asa. 1:8). Fanendrena goavana re izany! Ahoana no hahafahan’izy ireo hanao azy io? Araka ny nambaran’i Jesosy, ny fanahin’i Jehovah dia ho lafin-javatra iray lehibe dia lehibe.
Noho ny fanohanan’ny fanahy masina, dia nahatratra haingana ny olona tany Mezopotamia sy tany Eoropa atsimo ary tany Afrika Avaratra ny fitorian’izy ireo. Betsaka kokoa — betsaka lavitra — noho izany anefa no mbola ho avy! Nanambara mialoha i Jesosy fa amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra, rehefa ho tafaorina any an-danitra ny Fanjakana Mesianikan’Andriamanitra, dia “hotorina amin’ny tany onenana manontolo itỳ vaovao tsaran’ilay fanjakana itỳ, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”. (Matio 24:14, NW ). Ny zava-misy dia mampiseho fa izany indrindra no atao ankehitriny.
Tamin’iny taom-panompoana lasa iny, dia natao tany amin’ny tany sy fitambara-nosy ary faritany 233 ny fitoriana ilay Fanjakana. Asehon’ny tatitra fa ora 1 140 621 714 no natokana ho amin’io asa io. Iny no taona fahadimy nisesy nanokanana ora maherin’ny arivo tapitrisa ho amin’io asa lehibe dia lehibe io.
Nisy 5 167 258, tamin’ny antsalany, nandray anjara isam-bolana tamin’ny fitoriana ampahibemaso momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Nisy fotoana tamin’iny taona iny nahitana tampon’isan’ireo nandray anjara 5 413 769. Isam-bolana, tamin’ny antsalany, dia 645 509 no afaka nandray anjara tamin’ny fanompoan’ny mpisava lalana. Araka ny asehon’ny tabilao eo amin’ny pejy faha-34-41, dia mbola mandroso ihany ny fanangonana ireo olona toy ny ondry. Raha latsaka noho ny tamin’ireo taona teo aloha ny fitomboana tany amin’ny tany sasany, tany amin’ny toerana hafa kosa, dia nahavariana ny fitomboana. I Rwanda dia nanao tatitra fitomboana 61 isan-jato; i Albania 52 isan-jato. I Bosnia-Herzegovina, i Lettonie, i Lituanie, i Macédoine, i Moldavie ary i Rosia, dia nampiseho fitomboana maherin’ny 20 isan-jato.
Fitaovana ampiasaina eo amin’ny fanompoana
Ny fitaovana lehibe indrindra ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny fanompoany dia ny Baiboly Masina. Mampiasa fandikan-tenin’ny Baiboly maro izy ireo. Ho fikendrena ny hanampiana ny olona hahazo fahalalana araka ny marina ny Tenin’Andriamanitra anefa, dia manantitrantitra manokana ny fizarana ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao izy ireo. Isan-taona dia misy fiteny hafa foana ivoahan’io fandikan-teny io. Amin’izao fotoana izao, dia aely (na ny Soratra Grika Kristiana, na ny Baiboly manontolo) amin’ny fiteny 27 izy io (ankoatra ny Braille anglisy sy ny Braille portogey).
Tamin’iny taon-dasa iny, dia navoaka tamin’ny teny norveziana ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao manontolo. Ny fampandrenesana ny amin’izany tamin’ireo fivoriamben’ny distrika tany Norvezy dia noarahabaina tamin’ny alalan’ny tehaka nirefodrefotra sy ny ranomasom-pifaliana. Ho an’ireo Vavolombelona norveziana, dia iny no zava-nisongadina tamin’ny taona. Navoaka koa ny fanontana nohavaozina amin’ny fandikan-teny frantsay, izay misy ireo lafiny rehetra mampiavaka ilay Baiboly Misy Fakan-teny. Ary tsy nampirina fotsiny ny Baiboliny frantsay tranainy ireo Vavolombelona an’aliny maro any Frantsa, fa nandefa azy ireny ho fanomezana ho an’ireo rahalahiny sy anabaviny tany amin’ny tany folo hafa, tany Haïti sy tany amin’ireo tany any Afrika, izay ampiasana be dia be ny teny frantsay. Fanampin’izany, ny Soratra Grika Kristiana — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao dia navoaka tamin’ny teny sesotho sy xhosa, ary vita koa ny fandikana azy io amin’ny teny afrikana roa hafa. Hatramin’izao, dia 91 403 319 amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao no natao pirinty tamin’ireo teny maro samihafa ivoahany.
Ho an’ny fanompoana sy ho an’ny fianarana manokana, dia misy zavatra vita an-tsoratra sarobidy hafa koa azo ampiasaina. Nandritra ny 1996, dia navoaka ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana sy ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Vao fanombohana ihany anefa ny asa fanomanana voalohany natao tamin’ireo zavatra vita an-tsoratra ireo. Mba hahatratrarana ny saha maneran-tany, dia ilaina ny fandikan-teny. Nandritra iny taom-panompoana iny, dia vita ny asa fandikan-teny tamin’ny boky 206 sy tamin’ny bokikely 226, tamin’ny fiteny 164 tamin’ny fitambarany. Ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay (nivoaka tamin’ny 1995), ankehitriny dia misy amin’ny fiteny 119. Ny boky Fahasambaram-pianakaviana dia efa misy amin’ny fiteny 86 sahady. Ny bokikely Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! (nivoaka tamin’ny 1982) dia efa natao pirinty tamin’ny fiteny 237; ary ilay bokikely vaovao hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? dia efa aely amin’ny fiteny 113 sahady, ary amin’ny fiteny 99 hafa koa tsy ho ela.
Nandritra iny taona iny, dia fiteny vaovao 18 no nampidirina tao amin’ny lisitry ny fiteny amoahan’ny Fikambanana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly. Ireo taratasy mivalona sy bokikely efa vita pirinty amin’ireo fiteny ireo dia manampy mba hitondrana ny hafatra momba ilay Fanjakana any amin’ireo antokon’olona vitsy kokoa any amin’ny faritra nisy ny Firaisana Sovietika teo aloha, any amin’ny olona maro any Azia Atsimo-Atsinanana, any amin’ny hafa koa any Afrika, any amin’ny olona sasany any amin’ireo tanin’i Amerika — izany hoe any amin’ny olona maherin’ny 25 000 000 amin’ny fitambarany. Mahafinaritra erỳ ny mahita ny vokatra entin’ny fahazoana ireo zavatra vita an-tsoratra amin’ny fitenin-drazany, eo amin’ny maro amin’ireo olona ireo.
Ampiasaina eo amin’ny fanompoantsika amin’ny andro ankehitriny koa ny vidéos, ary tokony holazaina eto ny zavatra natao mba hamokarana azy ireo. Izy ireo dia ampiasaina mba hanatanjahana ny finoana ny Baiboly, sy mba hampianarana ireo fahamarinana ara-baiboly fototra, ary mba hampahafantarana ny olona momba ilay fandaminana ao ambadik’ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. Hatramin’izao, dia 7 000 000 eo ho eo no efa novokarina tamin’ny fiteny 35. Fanampin’ireo studios eto Etazonia sy ireo toerana mifandray aminy any Danemark sy any Holandy, izay efa ampiasaina, dia nisy efitra sy fitaovana famokarana audiocassettes sy vidéocassettes, tafatsangana vonon-kiasa tamin’iny taon-dasa iny tany Japon, ho an’ireo fiteny any Azia.
Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, mazava ho azy, dia atonta tsy tapaka. Ezaka goavana sady tsy an-kijanona no tafiditra amin’ny fanaovana fikarohana, ny fanoratana, ny fanambarana, ny famolavolana, ary avy eo dia ny fandikana sy ny fanaovana pirinty, mba hivoahan’ny Ny Tilikambo Fiambenana miaraka, amin’ny fiteny 113 (miampy fiteny 12 hafa mbola tsy miaraka) sy ny Mifohaza! amin’ny fiteny 55 (miampy ireo 25 hafa mbola tsy miaraka). Mendrika ny hatao ilay ezaka, satria ny zava-kendren’ireo gazety ireo voalohany indrindra dia ny fampisehoana amin’ny olona ilay hany fanantenana azo antoka ny amin’ny hoavy — ny Fanjakan’Andriamanitra. Tamin’iny taon-dasa iny, dia nihoatra lavitra noho ny tamin’ny lasa rehetra no vita pirinty sy naely tamin’ireo gazety ireo.
Nitombo 7,1 isan-jato ny vokatry ny fanontam-pirinty eto Etazonia, ka nahatratra gazety 235 981 300 nandritra iny taom-panompoana iny. I Grande-Bretagne dia manao tatitra fa nitombo 34 isan-jato ny isan’ny gazety novokarin’ny fanontam-pirintiny tao anatin’ireo taona roa lasa. Noho ny fanantitranterana ny fanitarana ny asa fitoriana ho any amin’ny faritany be fandraharahana sy eny amin’ny arabe, ireo mpitory ilay Fanjakana be zotom-po any dia mahita fifaliana lehibe, noho ny fandraisan’ny maro amin’ireo olona itoriany azy.
Ny sampana any Alemaina dia mbola tsy nanao pirinty boky sy gazety be dia be toy izay nataony nandritra iny taom-panompoana iny hatramin’izay. Efa ho 18 500 000 ny tontalin’isan’ny boky — fitomboana 46 isan-jato raha oharina amin’ny tamin’ny 1995. Nihoatra ny 169 500 000 ny isan’ny gazety novokarina — fitomboana 35 isan-jato. Amin’ireo gazety 3,7 tapitrisa isaky ny nomerao atao pirinty any Alemaina, dia sahabo ho 1,3 tapitrisa amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! no amin’ny teny rosiana. Izany dia mba hanampiana eo amin’ilay fitoriana be dia be atao any amin’io tapany amin’ny saha maneran-tany io.
Tany Ukraine, dia gazety 2 073 011 no napetraka teny am-pelatanan’ny olona mangetaheta ny fahamarinana nandritra ny Aprily. Izany dia nanamarika fitomboana 68 isan-jato teo amin’ny fanelezana gazety tao anatin’ny telo volana monja. Teo amin’ny nosy Malta, ny isan’ny gazety voaely tamin’ny May, dia avo roa heny sy tapany noho ny tamin’ny volana May tamin’ny herintaona. Tany amin’ny faritra maro amin’ny tany, ireo rahalahy dia nanokana andro iray hanaovana andro fanelezana gazety tena nanokana. Ny sasany dia nanao fivoriana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha intelo na inefatra tamin’io andro io. Tena faly be izy ireo noho ny vokatra azony.
Ny tapany iray tena lehibe amin’ny fanompoana dia ny fanolokoloana ny fahalianana hita. Izany dia hita taratra amin’ireo fiverenana mitsidika 421 827 954 natao tamin’ny taon-dasa, sy amin’ireo fampianarana Baiboly 4 855 030 notarihina isam-bolana tany an-tokantranon’olona, tamin’ny antsalany. Ny sasany tamin’ireo fampianarana ireo, izay nampiasana ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, dia notarihina imbetsaka isan-kerinandro. Ny mpitsabo mpanampy iray tany Tanzania, any Afrika Atsinanana, na dia tsy afaka namita toko iray isaky ny fianarana aza, dia nianatra isan’andro mandra-pamitany ilay boky sy mandra-pahatongany ho vonona ho amin’ny batisa. Taloha dia nalefa sesitany tany Siberia noho ny finoany, ireo rahalahintsika any Rosia. Hoy ny tatitra azo avy tany: “Misy faniriana mafy aoka izany hianatra Baiboly atỳ, hany ka tsy arak’ireo rahalahy daholo izy rehetra. Noho izany, dia voatery mametraka ny anaran’ireo olona liana ao amin’ny liste d’attente izy ireo, ary mangataka azy ireo hanatrika ireo fivorian’ny kongregasiona aloha.”
Alina iray tokony hotadidina
Ny fisehoan-javatra miavaka indrindra eo amin’ny kalandrie kristiana isan-taona dia ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Tamin’ny 1996, dia nifanitsy tamin’ny 2 Aprily, taorian’ny filentehan’ny masoandro, izy io. Ny Fahatsiarovana, alohan’ny zavatra rehetra, dia fotoana andraisan’ny “ondry vitsy”, izany hoe ireo mpanara-dia an’i Kristy voahosotry ny fanahy, anjara amin’ny mofo sy ny divay misy heviny ara-panoharana, ho fankatoavana ny didy nomen’ny Tompo tamin’ilay alina farany nodiaviny teto an-tany. (Lioka 12:32; 1 Kor. 11:23-25). Tonga eo, toy ny mpitazana, koa anefa ny “ondry hafa”. (Jaona 10:16). Feno fankasitrahana lalina izy ireo, noho ny sorom-panavotan’i Kristy sy ny fahafahana omen’izy io ho azy ireo hanana fahatsinjovana fiainana mandrakizay eto an-tany sy ho olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mampirisika ny hafa hiara-manatrika aminy izy ireo, mba hianarana momba io fandaharana mahatalanjona io na mba hampitomboana ny fankasitrahany azy io. Ho vokany, tamin’iny taona iny, dia olona 12 921 933 no nanatrika ny Fahatsiarovana, ka 8 757 monja tamin’ireo no nandray tamin’ireo marika.
Tao amin’ireo kongregasiona 10 643 any Meksika, dia 1 518 156 ny tontalin’isan’ny mpanatrika. Tao amin’ireo kongregasiona 6 526 any Brezila, dia 1 075 039 no nanatrika. Teto Etazonia, dia nahatratra 2 024 476 ny isan’ny mpanatrika. Tany Cuba, dia nisy 145 337; tany Malawi, 105 630.
Tany am-piandohan’ny Martsa, dia nisy ezaka manokana nalamina tany Albania mba hahitana ireo olona liana sy mba handaminana ny hanaovana ny Fahatsiarovana tamin’ny toerana hahafahan’izy ireo hanatrika azy io. Na dia tsy nisy afa-tsy kongregasiona 15 sy groupes isolés 14 aza tao amin’ilay tany, ny Fahatsiarovana dia natao tamin’ny toerana 50. Tao amin’ny kongregasiona iray nisy mpitory 45 dia nisy mpanatrika ny Fahatsiarovana 400 tamin’ny toerana iray, ary tany amin’ny toerana fanaovana ny fianarana ny boky, dia nisy mpanatrika 110 hafa. Koa tao amin’io tany nisy mpitory 773 io àry, dia 6 523 no nanatrika ny Fahatsiarovana — maherin’ny avo valo heny noho ny isan’ny mpitory!
Niara-nanatrika ny fivoriambe ireo “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra”
Any amin’ny faritra rehetra amin’ny tany, dia tsy andrin’ny mpanompon’i Jehovah izay hahatongavan’ny fivoriamben’ny distrika fanaony isan-taona. Raha tsy afaka manatrika eo an-toerana izy ireo, dia miezaka mankany amin’ny tany hafa mba hanatrehana io fety ara-panahy fanao isan-taona io. Ireo fivoriamben’ny distrika nanomboka tamin’iny taon-dasa iny dia nanasongadina ilay loha hevitra hoe “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra”. Toy inona moa ny fahamarinan’ireo teny manao hoe: “Be fiadanana izay tia ny lalànao”! — Sal. 119:165.
Tany amin’ny tany maro, fivoriamben’ny distrika roa na telo dia efa ampy. Teto Etazonia sy tany Brezila, dia fivoriambe maherin’ny 190 no nilaina mba hanomezana toerana ho an’ireo olona rehetra naniry hanatrika. I Meksika dia nandamina fivoriambe 181.
Nisy fivoriambe niraisam-pirenena natao nandritra ny Jolay tany Prague, any amin’ny République tchèque. Mpikambana telo ao amin’ny Fitambara-mpitantana no tonga teo mba handaha-teny tamin’ireo olona maherin’ny 21 000 niara-nivory teo — ka ny ankamaroan’ireo dia avy tao amin’ny République tchèque, nefa nisy an’arivony maromaro koa avy tany Alemaina, Aotrisy, Etazonia, Japon, Kanada, Polonina, Slovakia ary Soisa. Nisy fivoriambe niraisam-pirenena roa hafa natao tany Polonina — ny iray tany Lodz ary ilay faharoa tany Varsovie — ary ireo izay tonga tao dia nahatsapa tsara fa niharihary ny asan’ny fanahin’i Jehovah. Nisy fivoriambe niraisam-pirenena roa hafa natao tany Tallinn, any Estonie, tamin’ny Aogositra. Izy ireo dia natrehin’olona avy tany Estonie, Lettonie, Lituanie, Rosia, ary tany hafa koa — tany 15 tamin’ny fitambarany. Hoy ny nomarihin’ny gazety iray tany an-toerana: “Tena vonton’ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah i Tallinn.” Ary hoy ny teny nanampin’ny iray tamin’ireo solontena: “Iny dia fahitana kely mialoha izay hoentin’ny tontolo vaovao.”
Niaraka tamin’ireo fivoriambe niraisam-pirenena tany Eoropa Atsinanana, dia nisy iray hafa koa nalamina hatao tany Bucarest, any Romania. Nanohitra mafy azy io anefa ny Eglizy Ortodoksan’i Romania. Nisy peta-drindrina lehibe natao hampirehitra fahatezerana hita nanerana an’i Bucarest. Nampiasaina ny gazety sy ny televiziona ary ny radio mba handranitana ny olona. Nasaina nivadika tamin’ny fanekeny ireo mpitantana hotely fatoriana. Nilefitra ny fitondram-panjakana sy ny mpitantana ilay kianja, ary dia nofoanana ilay fifanekena hahazo ilay kianja. Nandritra izany rehetra izany, ireo rahalahy dia notohanan’ny fampanantenana ara-tsindrimandry, toy ilay hita ao amin’ny Isaia 51:7 sy Jeremia 50:34. Ho afaka handray soa avy amin’ny fandaharan’ny fivoriambe ve anefa izy ireo?
Volana maro mialoha, rehefa natao ny fandaharana ho an’ny fivoriamben’ny distrika iray tao Budapest, any Hongria, dia tsy ilay kianja midadasika efa nampiasainy tamin’ny 1991, fony nisy solontena avy tany amin’ny tany 35, no nokasain’ireo rahalahy hofana. Nihevitra izy ireo fa tamin’itỳ indray mitoraka itỳ, dia ho lehibe loatra io kianja io. Na dia izany aza, dia nanolotra hofany mirary aoka izany ilay mpitantana, hany ka nohofan’ireo rahalahy ihany ilay izy, na dia nieritreritra ny tsy hampiasa afa-tsy tapany iray taminy aza izy ireo. Kanefa, rehefa nihanitombo ny zava-nanahirana tany Romania, dia nomena toromarika ny sampana tany Hongria mba handamina fivoriambe niraisam-pirenena iray tao Budapest. Tena araka ny fitondran’Andriamanitra ny efa nananan’izy ireo kianja iray izay hahazaka vahoaka be toy izany! Hoy ny matoan-dahatsoratra iray tao amin’ny gazety lehibe indrindran’i Budapest: “BUCAREST: Tsia — BUDAPEST: ENY. Ao amin’ny Kianja Nép ny Vavolombelon’i Jehovah.” Tao Budapest dia olona 23 893 avy tany amin’ny tany 12 no nanatrika. Nampidangana ny tontalin’isan’ny mpanatrika ho 36 326 ireo fivoriambe roa hafa tany Hongria.
Nandritra izany fotoana izany, dia nisy fisehoan-javatra hafa tany Romania. Rehefa nitantara izay niseho i Theodore Jaracz, mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana, dia nanao hoe: “Ny hany azontsika lazaina dia hoe nihetsika ny kalesin’i Jehovah any an-danitra. Afaka manitsy ny hafainganam-pandehany izy; afaka manitsy ny fihetsiny sy manova ny lalana alehany izy, na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona. Ny zava-manahirana dia ny fahafahan’ny fandaminana eto an-tany haharaka azy!” (Ezek. 1:4-28). Herinandro monja talohan’ny tokony hanombohan’ny fivoriambe ireo rahalahy vao afaka nanao sonia ny fifanekena iray hahazo kianja iray tao Cluj-Napoca, tany amin’ny faritra avaratra-andrefan’i Romania. Tsy maintsy novana ireo dia efa nomanina ho an’ny solontena an’arivony maro. Filasiana ho an’ny olona 6 000 no tsy maintsy hita. Tsy maintsy natao tao anatin’ny andro vitsivitsy ny asa fanomanana rehetra. Ary avy eo, rehefa roa andro monja sisa tavela, dia nisy toerana faharoa hanaovana fivoriambe azo, tao Brasov, tany amin’ny faritra atsinanana-afovoan’ilay tany. Noho ny fanahin’i Jehovah ihany no nahavitana ireo fanomanana. Ny vokany? Tao amin’ilay fivoriambe tao Cluj-Napoca, dia 22 004 ny tampon’isan’ny mpanatrika; tao Brasov dia nisy 12 862, anisan’izany ny mpanatrika 1 056 avy tany Bolgaria. Ny tontalin’isan’ny natao batisa dia 1 631.
Tany Bucarest kosa, ny eglizy dia niantso ny olona hiara-mivondrona ho fanehoana fanoherana tamin’ny andro voalohan’ny fivoriambe. Ny polisy sy rangahy iray zokiolona ihany anefa no tonga teo — ka dia nanome azy ireo zavatra vita an-tsoratra ireo rahalahintsika, ary nitory taminy. Araka ny voambara ao amin’ny Jeremia 1:19, dia “hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah”.
Ady mitohy ho amin’ny fahalalahana
Tamin’ny taonjato voalohany, ireo apostoly sy mpianatra hafa dia tojo fanoherana nahery vaika matetika. Rehefa nitranga izany tany Filipy, tany amin’ny misy an’i Gresy ankehitriny, ny apostoly Paoly sy ireo namany dia niatrika ilay raharaha tamin’ny fomba izay nahafahany ‘nampiorina araka ny lalàna ny vaovao tsara’. (Fil. 1:7, NW ). Ho fanarahana iny modely iny, tamin’ny 1936, ny Fikambanana dia nanangana Sampan-draharaha Momba ny Lalàna tatỳ amin’ny foibeny maneran-tany. Eo ambany fitarihan’ny Komitin’ny Fampanontan’ny Fitambara-mpitantana, ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna, izay ao amin’ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower any Patterson, New York, ankehitriny, ary ampian’ireo sampan-draharaha momba ny lalàna any amin’ny sampana maromaro hafa, dia manohy manampy ny vahoakan’i Jehovah eo amin’ny ady ataony amin’ny andro ankehitriny ho amin’ny fahalalahana ara-pivavahana.
Ireo ady ara-pitsarana ho amin’ny fahalalahana ara-pivavahana dia ho valin’ny ezaka ataon’i Satana hampitsaharana ny fampielezana ny vaovao tsara, na amin’ny famelezana mivantana, na amin’ny fanembantsembanana an-kolaka kokoa ny fiainan’ireo izay mandray anjara amin’io asa io. (Apok. 12:17). Ny fahalalahantsika hankatò ny Tenin’Andriamanitra momba ny fifadiana ra, sy hitaiza ny zanatsika ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah, ary hialanalana eo amin’ny raharaha politikan’izao tontolo izao, dia misy fiantraikany eo amin’ny fahafahantsika handray anjara amin’ny asa fitoriana. Ireo raharaha rehetra ireo dia nanjary fototry ny ady ara-pitsarana. Nandritra ny taom-panompoana 1996 isika dia nahita porofo tondraka ny amin’ny nitahian’i Jehovah ny ady nataontsika ho amin’ireo fahalalahana ireo.
Ohatra, taorian’ny ady tany amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany naharitra efa ho dimy taona, ny Fitsarana Tampony any Japon dia namoaka ny fanapahan-keviny voalohany momba ny fahalalahana ara-pivavahana, mifandray amin’ny fanabeazam-bahoaka. Io fanapahan-kevitra tapaky ny rehetra io, izay anaovana tatitra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1996, dia hitondra soa ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra any Japon.
Teto Etazonia dia nisehoan’ny ady ara-pitsarana lehibe tany amin’ireo fitsarana ambony federaly. Tamin’ny Aogositra 1994, dia nilaza ny hopitaly iray tany Connecticut hoe nanahy izy ireo ny amin’ny nety hamoizan’ny zaza iray ny reniny, ka nahazo lalana tamin’ny fitsarana, tamin’ny telo ora sy sasany maraina, hanery fampidiran-dra tamin’i Nelly Vega. Tsy noraharahaina ny teny naroson’ny vadiny sy ny mpisolovavany hoe efa tsy nandeha ra intsony izy no sady efa nanambara mazava ny fandavany fampidiran-dra. Kanefa, tamin’ny 16 Aprily 1996, ny Fitsarana Tampon’i Connecticut dia namoaka fanapahan-kevitra tapaky ny rehetra hoe “nandika ny zo ara-dalàn’[ny Anabavy] Vega hanapaka samirery ny amin’ny vatany” ilay fampidiran-dra. Na dia tsy tonga ara-potoana mba hisakanana ilay fampidiran-dra aza ilay fanapahan-kevitra, dia hitondra soa ho an’ny hafa. Tany Floride, tamin’ny raharaha iray nahakasika an’i Tina Harrell, dia niteny mafy ny hopitaly iray sy ny fitsarana iray ny fitsarana ambony, noho izy ireo nihaika ny fandavany fampidiran-dra.
Ny nosy Porto Rico dia nisehoan’ny fitsarana ambony iray hafa niafara tamin’ny fandresena ho an’ny vahoakan’i Jehovah. Nampidirina hopitaly noho ny fandidiana nofidin’ny tenany i Luz Quiles. Nohazonina an-keriny tsy hihetsika izy, ary nisy mpitsabo mpanampy roa sy dokotera iray nitana azy sy nampiditra ra taminy, nifanohitra tamin’ny faniriany. Nampakarina fitsarana ho fiarovana azy ilay raharaha. Tamin’ny 1 Aprily 1996, ny Fitsarana Ambonin’ny Fizaran-tanin’i San Juan dia nanamafy fa tena voadika tokoa ny zony nomen’ny lalàm-panorenana azy hanana fahalalahana ara-pivavahana sy momba ny tenany manokana, izay iantohan’ny Zon’ny Olom-pirenen’i Porto Rico.
Tamin’ny ady momba ny zo hitaiza ny ankizy, ny mpitsara iray tao amin’ny fitsarana teto Etazonia dia nanapa-kevitra fa ny zanakavavin’i Teresa Palmer, izay telo taona sy tapany, dia tsy afaka nanatrika fivoriana na nandray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha mandra-pahafenony fito taona. Nanilika izany fameperana ny fivavahana izany anefa ankehitriny ny Fitsarana Tampon’i Nebraska. Ny Fitsarana Tampon’i Norvezy koa dia niaro ny zon’ireo ray sy reny Vavolombelona, teo amin’ny raharaha momba ny zo hitaiza ny zanany. Tamin’ny 29 Martsa 1996, io fitsarana io dia nampahafantatra mazava tsara fa ny fanapahan-kevitra momba ilay tokony homena ny zo hitaiza ny zanany, dia tokony hiorina amin’izay hahasoa indrindra ilay ankizy, fa tsy amin’ny fomba fihevitra manavakavak’ilay fitsarana momba ny fivavahan’ireo ray aman-dreny. Fanampin’izany, tany Belzika, ny Fitsaran’i Mons dia nanapa-kevitra fa ny ankizy iray 11 taona dia nanana zo sy fahafahana hanatanteraka ny safidiny manokana hanaraka ny finoana sy ny fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ny fanapahan-kevitra iray hafa momba ny zo hitaiza ny ankizy, tany Alemaina, ny Fitsarana Ambonin’i Hamm dia nanda ilay teny naroso hoe hisakantsakana ny fitomboan’ilay zaza ny fampianarana ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny raharaha iray hafa, izay nanomboka tany Aotrisy, dia nangatahana famerenam-pitsarana tany amin’ny Fitsarana Eoropeana Momba ny Zon’olombelona, ho fiarovana an’i Ingrid Hoffmann. Voaorina ny modely ara-pitsarana miavaka iray, ary ny Anabavy Hoffmann izao no hany manana zo hitaiza ireo zanany.
Tany Kolombia, dia vao voalohany ny Vavolombelon’i Jehovah no neken’ny lalàna tamin’ny fomba ofisialy, ho fivavahana. Zava-dehibe izany satria, raha tsy nisy an’io, noho ireo fiovana vao haingana teo amin’ny lalàna, dia ho sarotra ny fahazoana visa ho an’ireo misionera na ny fahazoan-dalana tsy handoa haba. Tamin’ny raharaha iray lehibe nitovy tamin’izany, ny sampan’ny Fikambanana any Nicaragua dia nahazo ny toeran’ny Misiona Iraisam-pirenena tamin’iny taom-panompoana iny. Nisy vaovao tsara koa azo avy tany Tanzania, izay nanoratana antsika tamin’ny fomba ofisialy ho “Ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Tanzania”, tamin’ny 5 Oktobra 1995.
Nifarana tamin’ny fomba nahafa-po ny ady ara-pitsarana iray tsy nahazatra, izay naharitra enin-taona, tany Brezila, tamin’iny taom-panompoana iny. Tamin’ny Novambra 1990, ny Fikambanam-pirenena Momba ny Fiantohana Ara-tsosialin’i Brezila dia nampahafantatra ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana fa nanomboka hatreo, ireo mpikambana 853 (1 150 ankehitriny) tao amin’ny fianakavian’ny Betela tany dia tsy hoheverina ho minisitra ara-pivavahana, ka noho izany dia hihatra aminy ny lalàna momba ny mpiasa teo amin’ilay tany. Nanomboka àry ny ady ara-pitsarana lava be iray. Mahafaly fa, tamin’ny 7 Jona 1996, ny Mpanolo-tsaina Ara-pitsaran’ny Tonian’ny Fampanoavana tao Brasília dia namoaka fanapahan-kevitra miaro ny toeran’ny mpianakavin’ny Betela ho minisitra ara-pivavahana miasa an-tsitrapo manontolo andro.
Ny fampahafantarana ireo manam-pahefana momba ny asa sy ny zavatra ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah dia lafiny lehibe iray amin’ny ady ho an’ny fahalalahana amin’ny andro ankehitriny. Fitaovana lehibe tamin’izany Ny Tilikambo Fiambenana 1 May 1996, izay nanazava ny toromarik’i Jesosy mba ‘handoavana ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra’. (Lioka 20:25). Rehefa naharay io Ny Tilikambo Fiambenana io ny manam-pahefana iray tany Ukraine, dia nilaza tamin’ireo rahalahy hoe: “Matetika izahay no niresaka momba io foto-kevitra io ary niezaka hahatakatra ny fihevitrareo. Ankehitriny izahay dia efa namaky ny gazetinareo tamim-pitandremana, ary voasoritra mazava tsara ny toerana tananareo momba ny fanompoana sivily.”
Indraindray dia ilaina ny mamoaka fanazavana fanitsiana, ho valin’ireo ezaka fanomezana filazana diso ataon’ny fahavalon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tany Frantsa, dia maherin’ny 11 000 000 tamin’ny taratasy mivalona iray efatra pejy, mitondra ny lohateny hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah — Izay Tokony ho Fantatrao, no nozaraina nanerana an’io tany io tamin’ny May sy Jona 1996, ka nahatonga ny sarambaben’ny olona hanao teny manorina maro. Naely be dia be koa izy io tany Guadeloupe sy Martinique.
Ny fampahafantarana ampahibemaso be dia be dia hita ho fanampiana lehibe teo amin’ny ady ho an’ny fahalalahana ataontsika amin’ny andro ankehitriny. Rehefa avy nanao ezaka tsy nahomby tany amin’ny fitsaran’i Singapour mba hiarovana ny zon’ireo rahalahintsika ny Fitambara-mpitantana, dia nanome ny fanekeny ny fanelezana taratasy mivalona manokana iray efatra pejy, tamin’ny manam-pahefana voafantina maneran-tany. Izany dia mba hampahafantarana azy ireo momba ny fitondrana tsy ara-drariny an’ireo rahalahintsika any Singapour. Ny fonon’ilay taratasy mivalona mitondra ny lohateny hoe Fanenjehana Ara-pivavahana eto Singapour, dia mampiseho ny sarin’ny iray tamin’ireo “mpanao heloka bevava” voasambotra noho izy nanana zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower. Teo ambanin’ny sarin’ilay anabavy nahatoky sy nitsiky, dia namakiana hoe: “Hoy ny Vavolombelona iray 71 taona tamin’ny mpitsara: ‘Tsy fandrahonana ho an’itỳ fitondram-panjakana itỳ mihitsy ny tenako.’ Kanefa dia nosazina an-tranomaizina izy.”
Tany Érythrée, eo amin’ny moron-tsiraky ny Ranomasina Mena, ireo rahalahintsika, na dia tsy nampijalina an-karihary aza, dia namoy asa sy trano ary tombontsoa nomen’ny fitondram-panjakana, noho ny fialanalanany. Namoaka lahatsoratra iray nidera ny fitomboana ara-toe-karen’i Érythrée ho toy ny “Tantaram-pahombiazana Iray any Afrika” ny The New York Times. Taorian’izay, ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàn’ny Fikambanana dia nampahatsiahy azy ireo ny amin’ilay lohatenikely tao amin’ny lahatsoratr’izy ireo, nanao hoe “Iharan’ny Valy Faty ny Vavolombelon’i Jehovah”, ary nanontany raha tena azo antsoina marina hoe “tantaram-pahombiazana” io tany io. Ho valiny, dia nanonta pirinty ilay taratasin’ny Fikambanana ny The New York Times 7 May 1996, ary ny Times mihitsy no nanome ilay matoan-dahatsoratra feno fahasahiana hoe: “Ataovy hoe Tsy Nahomby i Érythrée Raha ny Amin’ny Zon’olombelona”.
Araka ny hita amin’io tatitra io, dia tondraka ny porofo fa i Satana Devoly dia miezaka hampiasa izao fomba ara-dalàna sy tsy ara-dalàna azo saintsainina rehetra izao, mba hanakantsakanana ny asan’ny mpanompon’i Jehovah. Enga anie isika rehetra hikiry ‘hitolona amin’ireo hery ara-panahy ratsy ireo’ izay mitady hisakana ny olombelona tsy handre ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. (Efes. 6:10-18, NW ). Eo am-panaovantsika izany, dia toy inona moa ny fampiononana omen’ireo tenin’ny apostoly Paoly, ao amin’ny Romana 8:31, manao hoe: “Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?” Ny valiny dia hoe: Tsy misy, satria tsy misy afaka mampandamòka ny fikasan’i Jehovah.
Feno fahavononana mba hanompo any amin’izay ilana fanampiana bebe kokoa
Nandritra iny taon-dasa iny, ireo izay nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower dia nirahina mba hanampy teo amin’ny asa fijinjana ara-panahy, tany amin’ny saha mamokatra maro. Nisy mpivady nirahina tany amin’ny tany 12 any Afrika, tany 8 any amin’ny Ila Bolan-tany Andrefana (Amerika Afovoany sy Atsimo indrindra indrindra), tany 3 any Eoropa Atsinanana, ary 3 any Azia.
Nisy mpisava lalana hafa nanao izay hahafahana hanompo na taiza na taiza nilana azy teo amin’ny tany niaviany ihany. Teto Etazonia, tamin’iny taon-dasa iny, dia mpisava lalana feno fahavononana 1 172 no nanampy mba hitory tany amin’ny faritra tsy nanendrena kongregasiona. Nisy 1 236 hafa nanampy tamin’ny fitoriana tany amin’ny faritany tsy voasa matetika tany amin’ny kongregasiona 294, izay nandefa fangatahana fanampiana manokana tatỳ amin’ny Fikambanana.
Tany Grande-Bretagne, dia mpisava lalana maro no nahatakatra fa misy saha misionera mamokatra any an-toerana. Anisan’izany ireo mpiavy izay nifindra monina avy tany an-tany hafa, tato anatin’ireo taona faramparany. Nisahirana nianatra fiteny 28 ireo mpisava lalana tany Grande-Bretagne, mba hikarakarana io saha tena iraisam-pirenena io.
Notokanana ny Sekoly ho an’ny mpikambana ao amin’ireo Komitin’ny Sampana
Teo am-pamolavolana ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower any Patterson, New York, dia nampidirina tao amin’ireo drafitra ny toerana hampiofanana ny mpikambana ao amin’ireo Komitin’ny Sampana. Nisy fandaharam-pianarana manokana novolavolaina ho an’ireo rahalahy ireo. Ny kilasy voalohany nisy mpianatra 24 dia nisoratra anarana ny zoma 24 Novambra 1995. Ny alatsinainy nanaraka, dia nanomboka ny fianarana an-dakilasy.
Nandritra iny taom-panompoana lasa iny, io sekoly io dia nanao kilasy telo, izay naharitra roa volana avy. Rahalahy avy tamin’ny sampan’ny Fikambanana 60 no nomena fampiofanana tamin’izany. Ireo sampana ireo dia miandraikitra ny fanompoana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 2 825 000. Ny 45 isan-jaton’ny mponina eto an-tany no ao amin’ny faritany nanendrena an’ireo sampana ireo. Koa nahatratra haingana ny faritra maro tamin’ny tany àry ny vokatr’ilay sekoly.
Andraikitra mavesatra no eo an-tsoroky ny mpikambana ao amin’ireo Komitin’ny Sampana. Araka ilay fotopoto-pitsipika nambaran’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Lioka 12:48b (NW ), dia bebe kokoa noho ny mahazatra no takina amin’ireo lehilahy voatendrin’ny fanahy, ka nampiandraiketina be. Noho izany antony izany, dia tena mahasoa ireo fotoam-pampiofanana atao ara-potoana ho azy ireo.
Inona avy no sasany amin’ireo adidy izay eo ambany fiandraiketan’ireo rahalahy ireo? Ny fikarakarana ireo mpianakavin’ny Betela sy trano Betela. Ny fiandraiketana ireo asa birao, anisan’izany ny fifandraisana an-taratasy, ny fanafarana zavatra vita an-tsoratra, ny raharaha momba ny fanompoana ary ny fandikana ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana. Ny asa fanontam-pirinty — ny sasany kely, ny hafa lehibe kokoa. Ny fandefasana boky sy gazety ary fitaovana hafa any amin’ireo kongregasiona. Ny asa fitoriana ilay Fanjakana sy fanaovana mpianatra ataon’ny mpitory sy ny mpisava lalana ary ny misionera. Ny fanaovana fandaharana mba hitsidihan’ny mpiandraikitra mpitety faritany ireo kongregasiona sy groupes isolés, tsy tapaka. Ny fandaminana ireo fivoriamben’ny fizaran-tany sy distrika.
Mandritra ilay fianarana, ireo zavatra rehetra ireo sy ny maro hafa koa, anisan’izany ny fomba fiasan’ny sampana sy ny fandaminana ny saha, dia dinihina amin’ny fomba lalina. Tapany lehibe dia lehibe amin’ilay fianarana ireo fampianarana ara-baiboly. Jerena indray ny lalàn’Andriamanitra sy ireo fotopoto-pitsipiky ny Soratra Masina, izay mifehy ny lafiny rehetra amin’ny fiainan’ny Kristiana. Isaky ny asabotsy maraina, dia omena fanampiana ireo rahalahy mba hanatsarany ny fahaizany mandaha-teny ampahibemaso. Rahalahy za-draharaha avy ato amin’ny fandaminana eto amin’ny foibe sy avy eny amin’ny saha, ary koa mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana, no mpampianatra. Ny takariva dia atokana ho an’ny entimody sy ny fanomanana ireo anjara famelabelarana an-dakilasy.
Ireo anabavy izay manaraka ny vadiny any Patterson dia mandray soa avy amin’ilay fifaneraserana sy avy amin’ny asa anendrena azy ao amin’ny Trano Betela sy any amin’ny sampan-draharaha hafa. Manjary mahita ny fomba fanaovan-javatra eto amin’ny foiben’ny Fikambanana izy ireo. Indray mandeha isan-kerinandro, ny zoma hariva, izy ireo dia miaraka amin’ny vadiny ao amin’ny efitrano fanaovana lahatenin’ilay sekoly, mba hihaino lahateny iray, izay ataon’ny mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana mazàna. Ireo famelabelarana momba ny zavatra ara-panahy ireo dia mampahery sy azo ampiharina indrindra ary tena ankasitrahana tokoa.
Nahita ilay fianarana ho namelombelona sy nandrisika ary tsara ireo mpikambana tao amin’ireo Komitin’ny Sampana. Naneho ny fankasitrahany noho izay nampianarina azy ny kilasy iray, ka nanao hoe: “Iny fianarana narahinay teto amin’ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower iny dia nanoritra tao an-tsainay ilay fandrosoana mahatalanjon’ny fandaminan’i Jehovah, ary nampivelatra ny fahitanay ny asa fitoriana sy fampianarana atao maneran-tany.” Momba ireo zava-nisongadina tamin’ilay fianarana, dia mpianatra maromaro no nanamarika fa ‘ny lafiny niavaka iray dia ny ezaka manokana nataon’ireo mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana mba ho tonga avy tany Brooklyn, ka hampianatra anay tao an-dakilasy sy tamin’ny fanaovana lahateny manokana. Manafana ny fo io fanehoam-piheverana io, ary manome porofon’ny fahalianana lalina ananan’izy ireo amin’izay mahasoa ny vahoakan’Andriamanitra manerana ny tany’.
Ilay kilasy faharoa tamin’ilay sekoly dia naneho ny fahatapahan-keviny toy izao: “Tapa-kevitra izahay ny hampihatra izay nianaranay, amin’ny teny sy ny ohatra, mba hihazonana ilay fandaminana teokratika iraisam-pirenena handeha tsara, ho fiderana an’i Jehovah Andriamanitra, sy ho fampandrosoana ara-panahy ny vahoakany.” Rehefa namarana ny fianarany ilay kilasy fahatelo, dia nitanisa ireo soa nentin’ilay fianarana roa volana, ka nanao hoe: “Tena nampanankarena anay ara-panahy ilay sekoly, no sady nanosika anay hiseho ho mendrika foana ilay andraikitra nankinina taminay.”
Samy nanao tatitra fohy momba ny fandrosoan’ny asa momba ilay Fanjakana any amin’ny faritaniny avy, tamin’ny fianakavian’ny Betela teto amin’ny foibe, ireo mpikambana tao amin’ny Komitin’ny Sampana tao amin’ny kilasy tsirairay. Ireo fitambaran-tranon’ny Betela teto Brooklyn sy tany Patterson ary tany Wallkill (ary koa tany Georgetown, any Ontario, Kanada) dia nampifandraisina an-telefaonina, tamin’ireo fandaharana ireo. Nanome porofo nanaitra ny amin’ny fitahian’i Jehovah ny ezaka ataon’ny vahoakany amim-pahatokiana sy zotom-po ireo fanazavana sy fanandraman-javatra avy tamin’ireo faritra maro samihafa amin’ny tany. Ireny tatitra ireny dia nampiseho koa ny fitiavana feno fahafoizan-tena sy ny firaisan-tsaina ary ny firaisan-kina eo amin’ny asa, ananan’ny fitambaran’ireo rahalahintsika manontolo. — 1 Pet. 2:17, NW; 5:9.
Teo am-pifaranan’iny taom-panompoana iny, dia nisy kilasy iray hafa teo am-panaovana azy. Nisy solontena avy tamin’ny sampan’ny Fikambanana 47 izy io.
Soa avy amin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana
Iny taom-panompoana lasa iny dia nahitana koa fandrosoana lehibe teo amin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Nisy kilasy 85 notarihina tany amin’ny tany 30 samy hafa, nahitana mpianatra avy tamin’ny tany 62. Nampifanarahina tamin’ny zava-misy ilay fandaharam-pianarana, ary mpampianatra maro kokoa no nampiofanina mba handray fanendrena amin’ny hoavy.
Rehefa mitombo hatrany ny asa momba ilay Fanjakana isan-taona, dia kongregasiona maro kokoa no miforona. Mba hikarakarana azy ireo, dia ilaina ny loholona sy ny mpanampy amin’ny fanompoana mahay, izay vonona ny hampiasaina any amin’izay ilana azy ireo indrindra. Mpiandraikitra mpitety faritany maro kokoa koa no ilaina mba hitsidika ireo kongregasiona. Manampy mba hanomanana rahalahy hanao izany ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana.
Ny sampana any Ekoatera dia manao tatitra fa ny sasany amin’ireo nampiofanina tany amin’io tany io dia ‘manompo any amin’izay ilana fahamatorana, ary ny hafa dia tendrena ho any amin’ny faritra mitokana vao niorenan’ny kongregasiona vaovao’. Any Costa Rica, dia “nihanatanjaka ara-panahy kokoa ireo kongregasiona, satria ireo rahalahy ireo dia mitari-dalana eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny asa fitoriana”. Ireo nahazo diplaoma tany Salvador dia “ohatra ho an’ny hafa”, ary ny fampiofanana azony dia “nanampy azy ho tonga mpampianatra tsara kokoa”. Any Meksika, izay nahitana kongregasiona 466 vao niorina tamin’iny taom-panompoana lasa iny, dia misy tatitra manambara fa “tena manampy be dia be eo amin’ny fandaminana ny asa ao amin’ireo kongregasiona sy eo amin’ny fanohanana ny asa eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, ireo nahazo diplaoma”. Nanohina ny fon’ireo kongregasiona any Polonina izay nanendrena rahalahy nahazo diplaoma “ny fandraisan’izy ireo anjara feno amin’ny fanompoana sy ny fanohanan’izy ireo ny kongregasiona”.
Any Extrême-Orient, ireo izay nirahina avy tany Malaisie mba hahazo fampiofanana tany Philippines, dia manohy ny asany any amin’ny tany niaviany ary “feno fandavan-tena sy fahamalinana tsara eo am-panatontosana ny asa nanendrena azy”. Mendri-komarihina fa nihatsara izy ireo teo amin’ny fahaizany mandaha-teny. I Barbade, i Guadeloupe, i Haïti, i Martinique, i Porto Rico, ny Repoblika Dominikana, i Trinité, ary koa i Guyana sy i Guyane, dia samy mandray soa avy amin’ny fanompoana tsara dia tsaran’ireo nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana.
Any Bolivia, dia saika ny antsasak’ireo mpiandraikitra mpitety faritany no nahazo diplaoma tamin’ilay sekoly. Rehefa nila mpiandraikitra ny fizaran-tany maro kokoa ny sampan’i Philippines, dia naka avy tamin’ireo lehilahy mahay teo am-pelatanana, izay nanatrika ireo kilasy voalohany tamin’ilay sekoly. Marina koa izany any amin’ny tany hafa.
Teny feno fahatsorana nataon’ny kilasy maro samihafa tamin’ilay sekoly, no manome taratry ny fankasitrahana lalina an’io fandaharana io. Ireo nahazo diplaoma tany Peroa dia nilaza fa ‘nanomana azy ireo hanolotra fanompoana masina tsara kokoa’ ilay fianarana. Ny kilasy iray teto Etazonia dia nanontany tena toy izao, araka ny voasoratra ao amin’ny Salamo 116:12: “Inona no [havalinay] an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony [taminay]?” Hoy ny sasany tamin’ny valin-tenin’izy ireo: “Tapa-kevitra izahay ny ho mpiandry be fitiavana sy fiahiana, sy ny ho mpitory ny filazantsara be zotom-po ary ny ho mpampianatra kinga, ho tombontsoan’ireo rahalahinay.”
Ireo rahalahy mpitovo izay loholona na mpanampy amin’ny fanompoana nandritra ny roa taona nisesy fara fahakeliny, eo anelanelan’ny 23 sy 50 taona, salama tsara, tena maniry hanompo ho tombontsoan’ilay Fanjakana sy ho an’ny rahalahiny na aiza na aiza ilana azy, ary manana toetra ilaina hafa, dia azo asaina hanaraka ilay sekoly. Any amin’ny tany maro, dia rahalahy tanora maro kokoa no mametra ho tanjona ny hanana ny toetra ilaina ho amin’ilay sekoly. Manome ny porofo izy ireo fa mandray am-po ireo teny ao amin’ny Mpitoriteny 12:1, manao hoe: “Tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao”.
Fanorenana mba hampandrosoana ny fivavahana marina
Nanjary fanaovan-javatra misongadina mifandray amin’ny fivavahana marina ny fanorenana trano. Tamin’ny 1512 al.f.i., teo ambany fitarihan’i Jehovah, ny firenen’ny Isiraely dia nanorina tabernakely azo nobataina, nampiasainy teo amin’ny fivavahany tamin’i Jehovah. Tsy toeram-pivoriana niangonan’ilay firenena mba hampianarina anefa izy io. Teny an-kalamanjana izy ireo no niangona. Tokony ho arivo taona tatỳ aoriana, dia nisy synagoga naorina ho toeram-pivoriana. Nivory tao an-tranon’olona aloha ireo Kristiana tany am-boalohany. Kanefa, mba hanatanterahana ilay fanendrena hitory sy hampianatra soritan’ny Tenin’Andriamanitra fa tokony hataon’ny mpivavaka marina amin’izao androntsika izao, dia hita fa nilaina ny hanana birao sy fanontam-pirinty ary koa toerana ho an’ny sampan-draharaha manohana ireo sampan’asa ireo. Nanjary nilaina koa ny Efitrano Fivoriambe lehibe sy Efitrano Fanjakana kely kokoa. Izany dia nitarika ho amin’ny fanaovana asa fanorenana, ary be dia be tamin’izany no natao tamin’iny taon-dasa iny.
Nandritra ny taom-panompoana 1996, ny Fikambanana dia nanorina trano vaovao na nanitatra ny efa teo, mba hanaovana sampana na birao fikarakarana ny fandikan-teny sy ny kongregasiona, tany amin’ny tany 37. Ny sasany tamin’ireo tetik’asa lehibe dia tany Meksika, Brezila, Rosia, Japon, Frantsa, Espaina, Afrika Atsimo, Etazonia, Venezoela, ary Aostralia. Nisy asa fanomanana natao ho an’ny tetik’asa fanorenana tany amin’ny tany 22. Ankoatra izany, ireo Biraom-paritra Momba ny Fitantanana Ara-teknikan’ny Fikambanana sy ireo ekipan’ny fanorenana dia nanampy teo amin’ny asa fanorenana Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe ary tranon’ny misionera tany amin’ny faritra maro amin’ny tany izay nilana izany indrindra.
Tamin’iny taona iny, dia natao ny fanorenana Efitrano Fivoriambe vaovao tany amin’ny toerana toa an’i Santa Cruz, any Bolivia, sy i Madrid, any Espaina, ary i Dakar, any Sénégal. Tetik’asa fanorenana Efitrano Fivoriambe roa no efa mandroso tsara eto Etazonia, ary misy dimy hafa hatomboka. Na dia mbola tsy vita aza ilay Efitrano Fivoriambe vaovao ao Maputo, any Mozambika, dia efa nampiasaina tamin’ny fivoriamben’ny distrika, natrehin’olona 1 938, izy io tamin’ny Jolay, sy tamin’ny fivoriamben’ny distrika iray hafa, natrehin’olona 10 040 tamin’ny Aogositra. Iny taona iny koa dia nanaovana ny fitokanana Efitrano Fivoriambe iray tao Ouagadougou, any Burkina Faso, sy iray tao Daloa, any Côte d’Ivoire, ary ny faharoa tany Guatemala. Ilay Efitrano Fivoriambe vita any amin’ny nosy Maurice, ao amin’ny Ranomasimbe Indiana, dia manana toerana ampy tsara hanaovana fivoriamben’ny distrika tsy dia lehibe loatra. Ny drafitra mety tsaran’ilay Efitrano Fivoriambe vaovao any Nouméa, any Nouvelle-Calédonie, dia misy Efitrano Fanjakana telo, izay efa ampiasain’ny kongregasiona enina tsy tapaka.
Any Japon, na dia teo aza ny fankahalana mafy ny fivavahana, noho ilay fampihorohoroana nataon’ny antokom-pivavahana, ny Vavolombelon’i Jehovah dia afaka nanorina Efitrano Fivoriambe iray tao Tochigi, tsy lavitra ny tranoben’ny emperora. Rehefa vita ilay asa, dia nisy antokon’olona avy tamin’ny biraom-panjakana maro samihafa teo an-toerana, nitsidika ilay toerana. Nilaza ireo manam-pahefana nitondra azy ireo fa tiany ho hitan’ny tenan’ireo olona ireo fa tsy tahaka ny fivavahana hafa ny Vavolombelon’i Jehovah. Inona no maha-hafa azy? Misy teny mamaly izany ao amin’izay nolazain’i John Barr, mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana, nandritra ny fitokanana ireo Efitrano Fivoriamben’i Tochigi sy i Hokkaido tamin’ny 1996. Nandroso fanapahan-kevitra iray holanina izy, dia ny hampiasana ireo Efitrano Fivoriambe ireo “ho fampandrosoana ny fampianarana sy ny fanabeazana ara-baiboly mba hiainana mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra voasoritra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra”.
Tany amin’ny toerana maro, dia nomena toerana voalohany ny fanorenana Efitrano Fanjakana tsotra nefa voavolavola tsara, tamin’iny taon-dasa iny. Nisy 27 fanampiny vita tany amin’ny nisy an’i Alemaina Atsinanana taloha. Hatramin’izao, dia 47 no efa voaorina any Ukraine, ary misy 56 hafa eo an-dalam-panorenana. Efitrano Fanjakana maro hafa no ilaina any Rosia. Tena haingana be ny fitomboan’ny isan’ny Vavolombelona any, nefa ny tokony ho 85 isan-jaton’ireo kongregasiona eo ambany fanaraha-mason’ny sampan’i Rosia dia tsy manana toeram-pivoriana maharitra. Any Zimbabwe, izay ahitana kongregasiona 800 eo ho eo, dia ilaina ny hivorian’ny maro amin’izy ireo eny an-kalamanjana. Nahatonga ny olona sasany vao liana hiahotra tsy hanatrika fivoriana izany. Noho ny fanampian’ireo Komitim-paritra Momba ny Fanorenana anefa, dia nitombo ho 37 ny isan’ny Efitrano Fanjakana any amin’io tany io. Ho vokany, any amin’ny toerana tsy nisy afa-tsy kongregasiona iray taloha, dia misy kongregasiona telo na efatra mivory ao amin’ny Efitrano Fanjakana iray ankehitriny. Miharihary fa Efitrano Fanjakana maro hafa no mbola ilaina.
I Polonina dia manao tatitra fa Efitrano Fanjakana 64 no notokanana tamin’iny taona iny! Tany Slovakia, dia tena nahavariana ny fanorenana na ny fanamboarana indray trano izay ho tonga Efitrano Fanjakana 95. Ny manam-pahefana sasany tany Slovakia dia tena tia niara-niasa tamintsika. Indray mandeha anefa, dia nanambara ny ben’ny tanàna iray fa raha mbola ny tenany koa no ben’ny tanàna, dia tsy hanana Efitrano Fanjakana ao amin’ny tanànany na oviana na oviana ny Vavolombelon’i Jehovah. Tokony ho enim-bolana tatỳ aoriana, dia nesorina tamin’ny toerany izy, ary ilay fitantanana vaovao dia namadika ny fanapahan-keviny. Eny, tena nifaly noho ny porofon’ny fitahian’i Jehovah ireo rahalahintsika! — Zak. 4:6.
Ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tany Togo dia tokony ho avo efatra heny noho ny isan’ny mpitory. Fampianarana Baiboly maherin’ny roa isaky ny mpitory no tarihina any. Ary Efitrano Fanjakana hivoriana be dia be tokoa no ilaina. Mba hanomezana izany trano sahaza ilaina izany, ny Fikambanana dia nividy lasitra mba hahafahan’ireo rahalahy hanao ny birikiny tany, sy lasitra iray hafa hanaovana taila ho an’ny tafo. Vita ny voalohany tamin’ireo Efitrano Fanjakana ireo, ary mbola misy hafa eo an-dalam-panorenana.
Tamin’ny toe-javatra sasany, ny hany fomba fanorenana teo amin’ny toerana iray dia toa tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa niraisam-pirenena ihany. Izany no izy tany Popondetta, any Papouasie-Nouvelle-Guinée, izay nilana tranon’ny misionera sy Efitrano Fanjakana. Tsy azo naleha afa-tsy tamin’ny sambo na tamin’ny fiaramanidina i Popondetta; ny ankamaroan’ireo fitaovana dia tsy maintsy nohafarana avy tany ivelany. Tonga avy tany Aostralia ireo mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena izay mahalala momba ny asa fanorenana. Tsy nitsitsy aina ireo mpitory teo an-toerana, anisan’izany ny tanora sy ny anabavy. Teo am-piaraha-miasa, dia nihamafy ny fatoram-pirahalahiana iraisam-pirenena. Fasika avy tany amin’ny renirano iray no nosivanina mba hanesorana ireo vato lehibe. Avy eo dia daba no namarana azy. Mpiasa an-tsitrapo 27 000 fara fahakeliny no nilahatra sy nampitampita dabam-pasika sy simenitra ary rano, ho ao anaty mpampifangaro rihibato. Nihanisy endriny tsikelikely ireo trano. Rehefa tonga ny fotoana hitsapana ny fanamafisam-peo, ka nameno ilay Efitrano Fanjakana tsy misy rindrina ny feon’ny Mélodies du Royaume, dia maro no tsy nahatsindry ny fihetseham-pony. Nitsangana fotsiny teo izy ireo, talanjona, no sady nirotsaka ny ranomasony. Avy eo dia napetaka ny andinin-teny ho an’ny taona; nanaraka izany ny soratra hoe Efitrano Fanjakana. Tamin’ny Jona, dia olona 362 no tafavory tao amin’io efitrano io mba hanao fivoriambe — porofo fa misy saha midadasika hojinjaina ao amin’io faritra io izay tsy misy afa-tsy kongregasiona iray amin’izao fotoana izao.
Vita ny sasany tamin’ireo tetik’asa fanorenana fanontam-pirinty sy birao ary tranon’ny Betela hampiasain’ny Fikambanana. Nisy fandaharam-pitokanana natao àry tamin’iny taona iny.
Tany am-piandohan’iny taom-panompoana iny, tamin’ny 18 Septambra, dia nisy fandaharam-pitokanana tsy toy ny mahazatra teto amin’ny foibe maneran-tany. Izany dia fandaharana nanome taratry ny fitarana iraisam-pirenena haingana eo amin’ilay fandaminana manontolo. Tonga tamin’izay ny fotoana hitokanana ilay toeram-ponenan’ny Betela vaovao misy rihana 29 eto Brooklyn. Notapahina ny hevitra fa hety ny hampidirana tao amin’io fandaharana io ny fitokanana trano 22 hafa. Ny 18 tamin’izy ireo dia trano fonenana nohavaozina na vao naorina mihitsy, ary nampiasaina mba hipetrahan’ny fianakavian’ny Betela eto amin’ny foibe. Ny roa hafa dia natsangana mba hikojakojana ireo fiara, ary ny roa farany dia orinasa lehibe. Takariva nahafinaritra ilay izy, niresahan’ireo mpandahateny indray momba ny porofon’ny fitarihan’i Jehovah sy ny fitahiany teo amin’izay rehetra vita. Tsy ireo tafangona teto Brooklyn ihany no nahare ilay fandaharana, fa ny tany amin’ireo tranon’ny Fikambanana ao Patterson sy ao Wallkill, New York, ary tany Georgetown, any Ontario, Kanada, koa. Misy fitantarana amin’ny an-tsipiriany ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 1996.
Misy mpiasa an-tsitrapo 5 581 manompo tsy tapaka eto amin’ny foibe maneran-tany; izy rehetra ireo dia mpikambana ao amin’ny Laharan’ny Mpanompo Manontolo Andro Manokana. Amin’ny fitambarany, dia misy mpianakavin’ny Betela 16 966 maneran-tany. Ireo tranon’ny Fikambanana dia manome azy ireo toerana ipetrahana.
Nisy fandaharam-pitokanana koa natao tany amin’ny sasany amin’ireo sampan’ny Fikambanana. Ny voalohany tamin’izany dia tany Amerika Atsimo.
PARAGOAY: Nandritra ireo 30 taona taorian’ny nitokanana ny sampan’i Paragoay voalohany, dia nitombo ny isan’ireo Vavolombelona 500 tao amin’io tany io, ka nahatratra 5 000 mahery — na dia nisy fandrarana ny asany nandritra ny 12 taona aza. Nilaina ny tranon’ny sampana vaovao. Mba hanomezana izany, dia fitambaran-trano fito no notokanana tamin’ny 13 Janoary 1996, teo amin’ny toerana iray tokony ho folo kilaometatra avy eo Asunción renivohitra. Mpanompon’i Jehovah efa hatramin’ny ela maro no nanatrika teo, anisan’izany ireo misionera izay nanompo tany Paragoay taloha sy ny mpitsidika hafa avy tany ampita.
Tao amin’ny lahatenim-pitokanana nataony, i Lloyd Barry, anisan’ny Fitambara-mpitantana, dia niresaka momba ny asa tanan’ilay Mpanorina Faran’izay Mahay, dia i Jehovah Andriamanitra. Mila mianatra momba azy ny olombelona; asantsika ny manampy azy ireo. Rehefa nosoritan’ny Rahalahy Barry hoe hampiasaina mba hanohanana io asa io ilay fitambaran-trano vaovao, dia nanontany izy hoe: “Tianareo ve ny hanome azy itỳ an’i Jehovah?” Nanaiky tamin-kafanam-po ny mpanatrika.
IRLANDE: Ny fandaharana nitokanana ny tranon’ny sampana vaovao tany Irlande dia natao tamin’ny 4 May 1996. Nandritra ny 100 taona mahery, dia efa nisy mpitory ny vaovao tsara tany Irlande. Tao anatin’ireo folo taona farany anefa no tena nahitana fitomboana haingana. Misy mpitory 4 400 eo ho eo ao amin’ny kongregasiona 114 ankehitriny any Irlande. Mba hikarakarana azy ireo, dia nisy tranon’ny sampana vaovao naorina any amin’ny faritra ambanivohitra tsara tarehy, tokony ho 30 kilaometatra any atsimon’i Dublin, eo amoron’ny tanànan’i Newcastle, any County Wicklow. Voaforona trano telo mifandray ilay fitambaran-trano — trano fonenana iray misy efitrano 20, sy birao maoderina miaraka amin’ny toerana ho an’ny lakozia sy ny fanasan-damba, ary toerana fikojakojana fiara sy fandefasana zavatra vita an-tsoratra.
Mpiasa an-tsitrapo feno fahavononana no nitondra ny fahaiza-manorina rehetra nilaina mba hanaovana ilay asa. Nanatevin-daharana an’ireo mpiasa avy tany ampita ireo rahalahy sy anabavy maro teo an-toerana izay nazoto nikely aina teo amin’ny lafiny iray tamin’ny fanompoana momba ilay Fanjakana izay vaovao ho azy ireo. Nandray anjara tamin’ilay asa ny kongregasiona rehetra tany Irlande. Niala tany an-tranony vao maraina be ireo Vavolombelona avy tany amin’ny kongregasiona lavitra, mba ho eo an-toerana sy ho vonona hiasa tamin’ny valo ora maraina ny asabotsy. Niasa teo amin’ny fanorenana tontolon’ny andro, nandritra ny adiny valo, izy ireo. Tsy nisy nimenomenona momba ny toetr’andro na momba ny asa nanendrena azy. Nazoto nanolo-tena hanao ilay asa fotsiny izy ireo. — Sal. 110:3.
I Gerrit Lösch, anisan’ny Fitambara-mpitantana, no nanao ny lahateny fitokanana. Niresaka momba ireo faminanian’i Isaia izay nanambara mialoha ny fampodiana ny vahoakan’Andriamanitra sy ny fitarana eo anivon’izy ireo, izy. Nandray anjara tamin’ny fahatanterahan’ireo faminaniana ireo tamin’ny fomba maro ny vahoakan’i Jehovah any Irlande, ary mbola manao izany ihany.
INDONEZIA: Ny fitokanana ny tranon’ny Betela dia tena zava-nisongadina tamin’iny taom-panompoana iny ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Indonezia. Rehefa heverina ny tsy fananan’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah fanekena ara-dalàna ao amin’io tany io, dia toa nofinofy fotsiny hatramin’ny ela be ny fanantenana hahazo tranon’ny sampana toy izany. Kanefa dia nanjary nihanilaina maika izany trano izany nanomboka tamin’ny 1990.
Noho ny fanomezan-dalana sy ny fitarihana feno hatsaram-panahy avy tamin’ny Fitambara-mpitantana, dia nekena ihany tamin’ny farany ny fanorenana tranon’ny sampana vaovao. Tsy nahalala izany hoe asa fanorenana izany anefa ireo rahalahy teo an-toerana; koa ahoana àry no hanaovana azy io? Ny firahalahiantsika iraisam-pirenena no nitondra ny valiny. Ny Biraon’ny Fanorenana eto Brooklyn sy ny Biraom-paritra Momba ny Fitantanana Ara-teknika any Aostralia no nanao ireo fanomanana nilaina. Mpiasa iraisam-pirenena hatramin’ny 100 no nitondra ny fahaizana nilaina. Nampiofana rahalahy avy teo an-toerana 40 izy ireo, ary nanao soroka niara-nilanja tamin’izy ireo nandritra ireo roa taona naharetan’ilay fanorenana. Noho ny fanahin’i Jehovah ihany no nahafahan’ireo rahalahy nandresy ireo vato nisakana maro isan-karazany hitany nandritra ilay tetik’asa fanorenana.
Noho izany, dia andro tena nahafinaritra sady nanan-tantara ho an’ireo rahalahy ny faha-19 Jolay nitokanan’i John Barr an’ireo trano vaovao. Teo amin’ireo mpanatrika 285, dia nisy olona 118 izay solontenan’ny sampana na misionera taloha avy tany ampita. Tonga teo mba hiara-mifaly noho ilay fotoan-dehibe koa ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny distrika, ary koa ireo mpianakavin’ny Betela 59, mazava ho azy.
Izao izy manana trano vaovao izao, dia ahitam-bokatra kokoa sy mandaitra kokoa ny asan’ireo rahalahy manompo ny mpitory maherin’ny 12 000 any amin’io faritra amin’ny saha maneran-tany io. Manan-javatra be dia be hatao izy ireo, satria olona efa ho 200 tapitrisa mampiasa fiteny maro samihafa no miparitaka any amin’ireo nosy an’arivony maro any amin’io faritra midadasika io, ka mbola tokony hitondrana ny hafatra momba ilay Fanjakana.
Andro feno hafaliana nifankahitana indray sy nifaneraserana koa ny andro fitokanana. Tamin’ireo roa andro nanaraka, dia niara-nankafy ny Fivoriamben’ny Distrika “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra” ireo solontena. Noho ny fisian’ny mpikambana iray ao amin’ny Fitambara-mpitantana teo anivon’izy ireo, sy ireo firarian-tsoa sy tatitra manokana ary fanandraman-javatra nentin’ireo vahiny sy solontena avy tany ampita, dia tena vonton’ny toe-tsain’ny firahalahiana iraisam-pirenena ilay fivoriambe manontolo. Eny, tena manokana ho an’ny vahoakan’i Jehovah sy nanan-tantara ho an’ny asa momba ilay Fanjakana any amin’io tany io, ny herinandron’ny fitokanana.
ALBANIA: Atao eo ambany fanaraha-maso ankapoben’ny sampan’i Italia ny asa fitoriana ny vaovao tsara any Albania. Noho ny zavatra ilain’io tapany amin’ny saha io anefa, dia hita fa hahitan-tombony ny fananana birao any Albania mihitsy. Noho izany, tamin’ny 12 May 1996, i Milton Henschel, mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana, dia nandaha-teny tamin’ny mpanatrika 1 534 tafangona tao Tirana renivohitra, ho amin’ny fitokanana ireo trano roa izay biraon’ny Fikambanana sady Trano Betela any Albania ankehitriny.
Nanomboka ny fandaharana rehefa nilazana ireo vahiny avy tany amin’ny tany 14 hoe: “Misaotra anareo izahay noho ny fahatongavanareo hiaraka aminay amin’izao fitokanana ny Betelanay vaovao izao. Hitahy anareo anie i Jehovah. Tonga soa eto Albania!” Io fiarahabana feno fitiavana io dia natao tamin’ny fitenin’ny tsirairay tamin’ireo antokon’olona tonga nitsidika.
Nanome fahafahana hifankahalala tamin’ireo mpanompon’i Jehovah efa hatramin’ny ela tany Albania, sy tamin’ireo vaovao kokoa, ilay fandaharana. Anisan’ireo izay nitantara fanandraman-javatra i Linda DiGregorio. Izy sy i Michael, vadiny, izay misionera tany amin’ny Repoblika Dominikana, dia nikasa ny hitsidika ny havan’i Michael tany Albania tamin’ny lohataonan’ny 1992. Kanefa, ny Fitambara-mpitantana dia nangataka azy ireo hanalava ilay dia telo andro tany Albania ho roa na telo volana. “Iny fitsidihana telo andro iny dia nanjary ny fonenanay vaovao!”, hoy i Linda. Rehefa neken’ny lalàna ny asantsika tamin’ny May 1992, dia nanomboka nitory an-karihary isan-trano izy ireo. “Olona be fitiavana sy tia mandray vahiny no nanomboka nanokatra ny varavarany sy ny fony ho an’ny hafatry ny Baiboly”, hoy ny nohazavain’i Linda. “Tsy nanana afa-tsy taratasy mivalona sy gazety sasantsasany izahay, ary tsy nisy Baiboly na boky. Nandray ny fahamarinana anefa ny olona. Nanaiky ny fanasana ho any amin’ireo fivoriana izy ireo, ary efa vita batisa izao ny sasany aminy!”
Dimy volana tatỳ aoriana, dia nisy mpisava lalana manokana tonga avy tany Italia. Nisy hafa koa tonga avy tany Gresy. Nandamina lesona fianarana ny fiteny albaney ny Fikambanana mba hanampiana azy ireo. Tena mafy anefa ny toe-piainana. Mahalana vao nisy herin’aratra ary ny rano dia voafetra. Sarotra ny nahita hanina sy entana hampiasaina. Tsy maintsy nilahatra nandritra ny ora maro ho an’ny zavatra rehetra izy ireo. Hatramin’izay dia nisy mpisava lalana manokana albaney 15 nanatevin-daharana an’ireo mpisava lalana manokana 100 avy tany ampita. Amin’ny fitambarany, izy ireo dia manompo any amin’ny tanàna, lehibe sy kely, 40 ao amin’io tany io ankehitriny. Ampy tsara ny zavatra vita an-tsoratra amatsiana azy ireo, anisan’izany Ny Tilikambo Fiambenana, indroa isam-bolana, amin’ny teny albaney. Tamin’ny Aogositra 1996, dia nahatratra tampon’isa faha-40 nisesy i Albania tamin’ny mpitory 908 — mihoatra 52 isan-jato noho ny tamin’ny taona talohan’io. Nampientana azy ireo indrindra ny fandraisana mpanatrika 6 523 tamin’ny Fahatsiarovana tamin’ny Aprily lasa teo. Misy zavatra be dia be hatao any amin’io saha tena mamokatra io.
Santionany kely amin’izay niseho naneran-tany tamin’ny taon-dasa fotsiny izay. Mahazendana ny hafainganam-pandehan’ilay izy. Tena tanteraka tokoa ilay asa nambaran’i Jesosy Kristy mialoha, ary eo ambany fitarihany dia ho vita soa aman-tsara izy io alohan’ny hahatongavan’ny farany.
[Sary, pejy 4]
Maherin’ny 90 tapitrisa tamin’izy io no natao pirinty
[Sary, pejy 5]
Fandikana boky sy bokikely ho amin’ny fiteny 164 no natao tamin’ny taon-dasa
[Sary, pejy 6]
Nahatratra isa be indrindra hatramin’izay ny gazety natao pirinty sy naely
[Sary, pejy 7]
Avoaka amin’ny fiteny 35 izao ireo vidéos
[Sary, pejy 12]
1. Mpanatrika tany Cluj-Napoca, any Romania
2, 3. Ny sasany tamin’ireo 1 631 natao batisa tany Cluj-Napoca sy Brasov, any Romania
4. Vahoaka feno risi-po tao Népstadion, any Hongria
[Sary, pejy 20, 21]
Atao ao amin’ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower ny sekoly ho an’ny mpikambana ao amin’ireo Komitin’ny Sampana
1. Trano anaovana ilay sekoly
2. Mpampianatra sy mpianatra aorian’ny fianarana an-dakilasy
3. Lakilasy ao amin’ilay sekoly
4. Mpianatra mankany amin’ny efitranony mba hianatra
5. Tokotany
6. Trano fonenana
7. Mpianatra mitantara fanandraman-javatra, amin’ny fanompoam-pivavahana maraina
[Sary, pejy 29]
1. Sampan’i Irlande
2, 3. Sarin’ny sampan’i Paragoay
[Sary, pejy 30]
1. Sampan’i Indonezia
2. Birao any Albania