Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Mandray Anjara Amin’ny Fombafomba Mampiseho Fitiavan-tanindrazana?
Manaja ny fitondram-panjakana sy ny marika famantarana azy ireny ny Vavolombelon’i Jehovah. Manaiky koa izy ireo fa mety hifidy ny hanangan-tsaina na hanao hiram-pirenena ny olon-kafa, na hianiana tsy hivadika amin’ny tanindrazana.
Tsy mandray anjara amin’ny fombafomba mampiseho fitiavan-tanindrazana hoatr’izany anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Hitanay mantsy hoe mifanohitra amin’ny zavatra ampianarin’ny Baiboly izany. Tianay koa raha mba manaja ny zavatra inoanay ny olon-kafa hoatran’ny ataonay manaja ny safidy ataon’izy ireo.
Ho hitantsika ato hoe:
Inona no ampianarin’ny Baiboly momba an’izany?
Misy toro lalan’ny Baiboly anankiroa mahatonga anay hanao an’izany safidy izany. Ireto avy izy ireo:
Andriamanitra irery no tokony hotompoina. Izao no lazain’ny Baiboly: “I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary izy irery ihany no tsy maintsy tompoinao.” (Lioka 4:8) Matetika anefa ireny fianianana sy hiram-pirenena ireny no ahitana fampanantenana hoe tsy hivadika amin’ny tanindrazana mihitsy ka vonona ny hanome ny zava-drehetra ho an’ny taniny. Tsy mety amin’ny feon’ny fieritreretan’ny Vavolombelon’i Jehovah àry ny mandray anjara amin’ny fombafomba mampiseho fitiavan-tanindrazana hoatr’izany.
Mihevitra koa ny Vavolombelon’i Jehovah fa toy ny manompo sampy ny manangan-tsaina. Raran’ny Baiboly anefa ny fanompoan-tsampy. (1 Korintianina 10:14) Misy mpahay tantara milaza fa, raha ny marina, dia famantarana ara-pivavahana ny sainam-pirenena. Nanoratra i Carlton Hayes mpahay tantara fa “ivavahana ny sainam-pirenena.”a Nilaza toy izao koa i Daniel Mannix momba ny Kristianina voalohany: “Tsy nety nanao . . . sorona ho an’ilay emperora [romanina] neken-teny ny Kristianina. Mitovitovy amin’ny tsy fetezana hanangan-tsaina amin’izao andro izao izany.”b
Marina hoe tsy manangan-tsaina ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy izy ireo mihitsy anefa no hanao fanahy iniana hanimba, handoro, na tsy hanaja ny sainam-pirenena na marika hafa mampiavaka firenena iray.
Mitovy daholo ny olona rehetra amin’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Milaza ny Baiboly fa “avy tamin’ny olona anankiray no nanaovany ny firenena rehetra.” (Asan’ny Apostoly 17:26) Mino àry ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy mety ny manindrahindra foko na firenena iray. Hajainay ny olona rehetra na inona na inona fiaviany ary na aiza na aiza misy azy.—1 Petera 2:17.
Ahoana raha mitaky ny lalàna hoe tsy maintsy mandray anjara amin’ilay izy izahay?
Tsy manohitra ny fitondram-panjakana ny Vavolombelon’i Jehovah. Mino izahay fa anisan’ny “lamina napetrak’Andriamanitra” izy ireny ary mbola avelany hisy. (Romanina 13:1-7) Mino koa izahay fa tokony hanaraka ny tenin’ny manam-pahefana ny Kristianina.—Lioka 20:25.
Ahoana anefa raha mitaky anay hanao zavatra raran’Andriamanitra ny lalàna? Azo atao indraindray ny manao fangatahana amin’ny fanjakana hoe ahitsy ny lalàna.c Rehefa tsy misy fanovana azo atao anefa dia mifidy amim-panajana ny hankatò an’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah satria “Andriamanitra no mpitondra anay … fa tsy olona.”—Asan’ny Apostoly 5:29.
Te haneho hevitra amin’ny resaka politika na sosialy ve ny Vavolombelon’i Jehovah matoa tsy mandray anjara amin’izany?
Tsia. Tsy mandray anjara amin’ny adihevitra ara-politika sy ara-tsosialy ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy hoe mikomy amin’ny fitondrana akory izahay matoa tsy manaiky hivoady hoe tsy hivadika amin’ny tanindrazana, na tsy manangan-tsaina na tsy manao hiram-pirenena. Miezaka manaraka ny zavatra inoanay ao amin’ny Baiboly momba an’ireny fanao ireny kosa izahay.
a Essays on Nationalism, pejy 107-108.
b The Way of the Gladiator, pejy 212.
c Jereo, ohatra, ilay lahatsoratra hoe “Ny Herim-pon’izy Mirahavavy Kely no Nahatonga An’ilay Didim-pitsarana Nivoaka Tamin’ny 1943”