Alarobia 18 Aprily
Reseo foana amin’ny tsara ny ratsy.—Rom. 12:21.
Mety ho nijaly isika tamin’ny mbola kely, na manana olana isika izao nefa tsy afa-manoatra. Matokia anefa fa raha miady mafy foana isika, dia hotahin’i Jehovah. (Gen. 39:21-23) Eritrereto ny olana mahazo anao ka mety ho mafy be aminao. Iharan’ny tsy rariny ve ianao na misy mitsaratsara na misy maneso? Sa misy olona mialona anao ka nanendrikendrika anao? Aza kivy. Saintsaino hoe nahoana i Jakoba sy Rahely ary Josefa no faly foana nanompo an’i Jehovah. Nampahery sy nitahy azy ireo i Jehovah, satria sarobidy tamin’izy ireo ny fifandraisana taminy. Niady mafy foana izy ireo sady nanao zavatra nifanaraka tamin’ny vavaka nataony. Efa tena kely sisa dia hifarana ity tontolo ratsy ity, ka vao mainka isika mila matoky hoe ho tanteraka ny fanantenantsika. Vonona hiezaka mafy na hitolona mihitsy àry ve ianao mba hankasitrahan’i Jehovah? w16.09 2:8, 9
16-22 Aprily
MARKA 1-2
Hira 130 sy Vavaka
Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Voavela ny Helokao”: (10 min.)
[Alefaso ilay video Fampidirana ny Bokin’i Marka.]
Mr 2:3-5: Nangoraka an’ilay lehilahy nalemy i Jesosy ka namela ny helony (jy 67 § 3-5)
Mr 2:6-12: Nanasitrana an’ilay lehilahy nalemy i Jesosy, mba hanaporofoana fa manana fahefana hamela heloka izy (“Inona no mora kokoa” fanazavana Mr 2:9, nwtsty)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)
Mr 1:11: Inona no dikan’ilay tenin’i Jehovah tamin’i Jesosy? (“nisy feo avy any an-danitra”, “Ianao no Zanako”, “ianao no sitrako” fanazavana Mr 1:11, nwtsty)
Mr 2:27, 28: Nahoana i Jesosy no nilaza fa “Tompon’ny sabata” izy? (“Tompon’ny sabata” fanazavana Mr 2:28, nwtsty)
Inona no nianaranao momba an’i Jehovah, tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
Inona koa ny harena miafina hitanao?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) Mr 1:1-15
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Fitoriana: (2 min. na latsaka) Vao manomboka miresaka an’ilay hevitra azo resahina ianao dia manohitra ilay olona. Fanoherana fahita eny amin’ny faritaninareo ilay izy, ary miezaka mamaly azy ianao.
Fiverenana Mitsidika Voalohany: (3 min. na latsaka) Ampiasao ilay hevitra azo resahina.
Video Fiverenana Mitsidika Faharoa: (5 min.) Alefaso ilay video ary iaraho midinika.
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
“Tsy Tonga Hiantso ny Marina Aho, fa ny Mpanota”: (7 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso aloha ilay video hoe Niova Ilay Voafonja. Fanontaniana: Inona no nanampy an’i Donald ho sambatra? Tsy nanavakavaka i Jesosy. Ahoana no hanahafantsika azy rehefa mitory?—Mr 2:17.
“Mamela Heloka Tanteraka” i Jehovah (8 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso aloha ilay video hoe Jehovah, Hataoko Loha Laharana Foana Ianao. Fanontaniana: Nahoana i Anneliese no niverina tamin’i Jehovah, ary ahoana no nataony? (Is 55:6, 7) Azonao ampiasaina ve ny tantaran’i Anneliese mba hanampiana olona hiverina amin’i Jehovah? Hazavao.
Fianarana Baiboly: (30 min.) jy toko 17
Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)
Hira 86 sy Vavaka