15 Narodany koa ilay alitara tao Betela sy ilay toerana avo nataon’i Jeroboama zanak’i Nebata, izay nahatonga ny Israely hanota.+ Rehefa avy narodany ilay alitara sy ilay toerana avo, dia nodorany ilay toerana avo ka notorotoroiny ho lasa vovoka. Nodorany koa ny tsato-kazo masina.+