19 Kanefa efa nolavinareo androany ny Andriamanitrareo,+ izay namonjy anareo tamin’ny loza sy ny fahoriana rehetra nanjo anareo. Dia mbola niteny ihany ianareo hoe: “Tsia, fa manendre mpanjaka hifehy anay.” Koa mijoroa eo anatrehan’i Jehovah, araka ny fizarazaranareo isam-poko+ sy isaky ny arivo.’”