Fanamarihana Ambany Pejy
a Io fanoratana anarana io dia nanome ho an’ny Empira Romana fahafahana tsara kokoa hitaky hetra. Noho izany, tsy fantatr’i Aogosto akory fa nanampy tamin’ny fanatanterahana faminaniana iray momba ny mpanapaka iray izay ‘hampandeha mpampiasa iray ho any amin’izay tsara indrindra amin’ny fanjakany’, ny tenany. Io faminaniana io ihany dia nanambara mialoha fa ilay “andriana vita fanekena aminy”, na ny Mesia, dia “hindaosina hiala” amin’ny andron’ilay mpandimby an’io mpanapaka io. Novonoina nandritra ny fotoana nanjakan’i Tiberio, mpandimby an’i Aogosto, i Jesosy. — Daniela 11:20-22.