Fanamarihana Ambany Pejy
a Ny Isaia 9:7–10:4 dia voaforona andininy efatra (fizarazarana ao anatin’ny andalan-teny iray misy ngadona), izay samy miafara amin’izao fiverenan-teny milaza loza izao: “Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.” (Isaia 9:11, 16, 20; 10:4). Io fomba fandaharan-teny an-tsoratra io dia mampitambatra ny Isaia 9:7–10:4 ho “teny” iray ihany. (Isaia 9:7). Mariho koa fa ‘mbola mihinjitra ihany ny tanan’i’ Jehovah, tsy mba hanolorana fampihavanana indray akory, fa mba hitsarana.—Isaia 9:11.