Fanamarihana Ambany Pejy
a “Fantatr’i Satana fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy. Fantany koa fa izy no hanorotoro ny lohany, araka ilay faminaniana. (Ge 3:15) Nanao izay rehetra azony natao àry izy mba hamonoana an’i Jesosy. Hoy anefa ny anjely Gabriela tamin’i Maria: ‘Ny fanahy masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra.’ (Lk 1:35) Niaro ny Zanany i Jehovah. Nandamòka àry ny ezaka natao mba hamonoana an’i Jesosy zazakely.”—Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina (frantsay), Boky 2, pejy 902, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.