Fanamarihana Ambany Pejy
b Marina fa hoatran’ny hoe lava be loatra izany fotoana niandrasan’i Jehovah izany ho antsika amin’izao andro izao. Vetivety ihany anefa izany tamin’izany, satria ela velona be ny olona, ka taranaka vitsivitsy ihany no nifandimby tao anatin’ilay 2 000 taona. Mbola velona, ohatra, i Adama rehefa teraka i Lameka, rain’i Noa. I Lameka kosa mbola nahita an’i Sema zanak’i Noa, ary i Sema nahita an’i Abrahama.—Gen. 5:5, 31; 9:29; 11:10, 11; 25:7.