Fanamarihana Ambany Pejy
a Misy mpanao fikarohana milaza fa i Joda dia nanonona teny avy tao amin’ilay boky apôkrifa hoe Bokin’i Enoka (anglisy). Izao anefa no nomarihin’i R. C. H. Lenski: “Manontany izahay hoe: ‘Avy taiza no niavian’io boky bemiray io, dia ny Bokin’i Enoka?’ Zavatra notefitefena io boky io, ary tsy misy mahazo antoka ny amin’ny datin’ireo tapany maro samihafa ao aminy (...); iza no mahita raha tsy nalaina avy tao amin’ny bokin’i Joda mihitsy aza angamba, ny sasany amin’ireo teny nampiasainy.”