Fanamarihana Ambany Pejy
b Inona no hanampy antsika ho tony, na dia misy olana aza eto amin’ity tontolo ity na eo amin’ny fiainantsika? Manasongadina hevitra telo afaka manampy antsika ny andinin-teny ho an’ny taona 2019. Hiresaka momba an’izany ity lahatsoratra ity, ary hanampy antsika mba tsy hanahy be loatra fa hatoky kokoa an’i Jehovah. Saintsaino àry io andinin-teny io ary ezaho tadidina. Hampahery anao izany, ka hahavita hiatrika an’ireo zava-tsarotra amin’ny hoavy ianao.