Fanamarihana Ambany Pejy
a Mampirisika antsika ‘hanao mpianatra’ ny andinin-teny ho an’ny taona 2020. Ny mpanompon’i Jehovah rehetra no tsy maintsy mankatò an’io didy io. Inona anefa no hanampy antsika hanohina ny fon’ny olona ampianarintsika Baiboly, mba ho lasa mpianatr’i Kristy izy ireo? Ahoana no hanampiantsika azy ireo mba hinamana kokoa amin’i Jehovah? Handinika an’izany isika ato. Horesahintsika ato koa hoe ahoana no hahitana raha tokony hotohizina ny fianarana na tsia.