Toko Faha-3
Inona no Azoko Atao mba Hanomezan’ny Ray Aman-dreniko Ahy Fahalalahana Bebe Kokoa?
IANAO milaza fa efa ampy taona mba hijanonana ela any ivelany amin’ny faran’ny herinandro. Izy ireo manao hoe tsy maintsy mody aloha ianao. Ianao milaza fa maniry hijery ilay sarimihetsika vaovao resahin’ny olona rehetra. Izy ireo manao hoe tsy mahazo mijery izany ianao. Ianao milaza fa nifankahalala tamin’ankizy mahafinaritra sasany tianao hifaneraserana ianao. Izy ireo manao hoe tiany ho hita aloha izany namanao izany.
Rehefa zatovo ianao, dia mety hahatsapa fa toa mangeja ny fiainanao ny ray aman-dreninao. Toa tsy azo sakanana fa arahin’ny hoe “Tsia, tsy mahazo” avokoa izay hoe “Ta hanao izao aho” rehetra lazainao. Ary toa tsy voaro amin’ny “maso mitsikilon’ny” ray aman-dreninao koa izay lafiny rehetra amin’ny fiainanao. Hoy i Debbie, 15 taona: “Tian’i Dada ho fantatra foana izay misy ahy sy ny ora hodiako. Manao izany ny ankamaroan’ny ray aman-dreny. Mila mahafantatra ny zavatra rehetra ve izy ireo? Tokony homeny fahalalahana bebe kokoa aho.”
Ankoatra izany, dia mitaraina ny tanora fa tsy manaja azy ireo ny ray aman-dreniny. Tsy itokiana izy ireo, fa avy hatrany dia lazaina ho meloka tsy misy fitsarana kosa rehefa misy zavatra tsy mety. Tsy omena lalana hifidy ho an’ny tenany izy ireo, fa tototry ny fitsipika an-jatony maro kosa.
“Fahorian-tsaina”
Mitondra anao toy ny ankizy kely ve ny ray aman-dreninao indraindray? Raha izany no izy, dia tadidio fa tsy ela akory izay, dia tena ankizy kely tokoa ianao. Ny fahitan’ny ray aman-dreninao anao ho toy ny zazakely tsy manam-piarovana iray dia mbola mazava tsara ao an-tsainy ary tsy ho voakosoka mora foana. Mbola tsaroany ireo fahadisoan-jaza nataonao ka maniry ny hiaro anao izy — na maniry izany fiarovana izany ianao na tsia.
Tena mahery tokoa izany faniriana hiaro anao izany. Rehefa tsy sahirana manome fialofana na fitafiana na hanina anao i Dada sy i Neny, mazàna dia miady mafy amin’ireo zava-manahirana momba ny fampianarana, ny fampiofanana ary, eny tokoa, ny fiarovana anao. Tsy zavatra mandalo fotsiny velively ny fanehoany fiheverana anao. Tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo ny amin’ny fomba fitaizany anao. (Efesiana 6:4). Ary rehefa toa misy zavatra mandrahona ny toe-piainanao, dia manahy izy ireo.
Diniho ny ray aman-drenin’i Jesosy Kristy. Rehefa avy tany Jerosalema izy ireo dia niainga hody, nefa tsy fantany fa tsy niaraka taminy i Jesosy. Rehefa hitany fa tsy teo izy, dia nikaroka azy tamim-pitandremana — tamin’ahiahy mafy mihitsy aza — izy ireo! Ary rehefa “hitany tao amin’ny tempoly izy” tamin’ny farany, dia hoy ny fihiakan’ny renin’i Jesosy: “Nahoana no nanao toy izao taminay ianao, anaka? Indreto izaho sy ny rainao tao anatin’ny fahorian-tsaina nitady anao.” (Lioka 2:41-48, NW ). Izao àry, raha toa i Jesosy, izay zaza lavorary, ka niteraka tebiteby ho an’ny ray aman-dreniny, dia eritrereto ny ahiahy tsy maintsy aterakao ho an’ny ray aman-dreninao!
Raiso, ohatra, ilay fifanoherana toa tsy mety tapitra momba ny ora tokony hodianao. Angamba ianao tsy mahita ny antony tokony hisian’izany fameperana izany. Kanefa, efa mba nijery ilay raharaha araka ny fomba fijerin’ny ray aman-dreninao azy ve ianao? Ireo ankizy mbola mankany an-tsekoly nanoratra ilay boky hoe Ny Bokin’ny Ankizy Momba ny Ray Aman-dreny (anglisy) dia niezaka nanao izany. Nanao lisitr’izay nantsoiny hoe “ireo hevitra foronin’ny sain’ny ray aman-dreny momba izay ataon’ny zanany rehefa tsy mody ao an-trano amin’ny fotoana tokony ho izy”, izy ireo. Tafiditra ao amin’izany lisitra izany ny hoe ‘mampiasa zava-mahadomelina, voan’ny lozam-piarakodia, mirenireny any an-tanàna, tratran’ny polisy, mandeha mijery sarimihetsika porno, mivarotra rongony, voasavika na voavono, miafara any an-tranomaizina ary manala baraka ny anaran’ny fianakaviana’.
Tsy ny ray aman-dreny rehetra no avy hatrany dia ho tonga amin’ny famaranan-kevitra toa sarotra inoana toy izany. Kanefa tsy marina ve fa tanora maro no tena tafiditra amin’ireo zavatra ireo? Koa tokony ho tsy faly àry ve ianao amin’ny tsipy teny fa mety hanimba ny fijanonana ela any ivelany sy ny fiarahana amin’ny karaza-namana tsy tsara? Na dia ny ray aman-drenin’i Jesosy aza dia naniry hahafantatra izay nalehany!
Ny antony ikenakenany ny zanany
Milaza ny tanora sasany fa manakaiky ny fahaverezan-tsaina ny tahotry ny ray aman-dreniny sao hisy loza hanjo ny zanany! Tadidio anefa fa nandany fotoana sy fientanam-po be dia be taminao izy ireo. Mety hanimba ny sainy ny fieritreretana fa mitombo ianao ka amin’ny farany dia handao azy ireo. Hoy ny nosoratan’ny reny iray: “Sivy ambin’ny folo taona izao ny zanako tokana, ankizilahy, ary mila tsy ho zakako ny fieritreretana fa hiala ato aminay izy.”
Ny ray aman-dreny sasany àry dia mirona hikenakena na hiaro ny zanany amin’ny fomba tafahoatra. Ho tena fahadisoana anefa ny hanehoana fihetsika tafahoatra eo anoloan’izany. Hoy ny tsaroan’ny zatovovavy iray: “Hatreo amin’ny faha-18 taonako, dia tena nifandray am-po izahay sy i Neny. (...) [Kanefa] rehefa nihalehibe kokoa aho dia nanomboka nanan-java-nanahirana. Naniry hahaleo tena kokoa aho, zavatra izay tsy maintsy ho hitany ho toy ny fandrahonana ho an’ny fifandraisanay. Izy kosa nanomboka nanandrana hifikitra tamiko mafy kokoa, ary dia nihanihataka taminy kokoa aho ho setrin’izany.”
Tsara ny manana fahaleovan-tena sasany, kanefa aza miezaka hahazo izany amin’ny fandravana ny fatoran’ny fianakavianao. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manorina ny fifandraisanao amin’ny ray aman-dreninao ho toy ny an’ny olon-dehibe kokoa, ka hiorenan’izany amin’ny fahatakarana ny fomba fihevitry ny hafa, ny fifandeferana ary ny fifanajana? Voalohany aloha, ny fanajana dia miteraka fanajana. Izao no tsaroan’ny apostoly Paoly indray mandeha: “Isika dia nanana ny rain’ny nofontsika ho mpanafay antsika ka efa nanaja azy”. (Hebreo 12:9). Tsy hoe tsy nanao fahadisoana mihitsy akory ny ray aman-drenin’ireo Kristiana voalohany ireo. Nanohy ny teniny toy izao i Paoly (andininy faha-10): “Ny raintsika olombelona (...) dia tsy afaka nanao afa-tsy izay noheveriny fa tsara indrindra”. — The Jerusalem Bible.
Indraindray ireny lehilahy ireny dia nanao fahadisoana teo amin’ny fomba fitsarany zavatra. Kanefa mendrika ny hahazo ny fanajan’ny zanany izy ireny. Toy izany koa ny ray aman-dreninao. Tsy antony tokony hikomianao ny maha-ray aman-dreny mpikenakena azy ireo. Omeo azy ireo ny fanajana irinao haseho amin’ny tenanao.
Tsy fifankahazoan-kevitra
Efa tonga diso aoriana tany an-trano noho ny toe-javatra tsy niankina taminao ve ianao? Naneho fihetsika tafahoatra ve ny ray aman-dreninao teo anoloan’izany? Ny tsy fifankahazoan-kevitra toy izany dia manome anao fahafahana hafa koa hahazo ny fanajany. Tadidio ny fihetsik’i Jesosy fony tanora rehefa nahita azy tao amin’ny tempoly, niara-niresaka tsy nisy hevi-dratsy momba ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny mpampianatra sasany, ny ray aman-dreniny tamin’ny farany. Moa ve i Jesosy nanomboka nikiakiaka tamim-pientanam-po be, nitomany, na nivazizo hoe tsy rariny ny fiahiahian’izy ireo ny antony nanosika azy hanao zavatra? Mariho ny valin-teny nataony tamim-pahatoniana: “Nahoana no nitady Ahy hianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ny Raiko Aho?” (Lioka 2:49). Tsy isalasalana fa nanohina ny fon’ny ray aman-drenin’i Jesosy ny fahamatorana nasehony tamin’izay. “Ny famaliana mora” àry dia tsy vitan’ny hoe “mampianina ny fahatezerana mafy” fa afaka manampy anao hahazo ny fanajan’ny ray aman-dreninao koa. — Ohabolana 15:1.
Fitsipika sy lalàna
Ny fomba andraisanao ireo zavatra takin’ny ray aman-dreninao koa dia misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fomba itondrany anao. Ny tanora sasany midongy, mandainga na tsy mankatò an-karihary. Manandrama maneho fihetsik’olon-dehibe kokoa. Raha ta hahazo lalana hijanona any ivelany ela ianao, dia aza manao fangatahan-jazakely na mivazizo hoe “mahazo mijanona any ivelany ela ny ankizy hafa rehetra”. Nanoro hevitra toy izao ny mpanoratra iray atao hoe Andrea Eagan: “[Lazao] azy ireo ny faran’izay betsaka azonao lazaina ny amin’ny tianao hatao, mba hahazoany tsara ny tarehin-javatra. (...) Raha lazainao azy ireo ny toerana halehanao sy ny olona hiarahanao ary ny antony maha-zava-dehibe aminao ny hijanonanao any ivelany ela kokoa (...), dia mety hanaiky tsotra fotsiny izy ireo.”
Na, raha maniry hanasivana ireo namanao ny ray aman-dreninao — ary ara-drariny ny hanaovany izany — dia aza mikonetaka toy ny ankizy kely. Nanoro hevitra toy izao ny gazetiboky Seventeen: “Ento any an-trano indraindray ireo namanao, amin’izay, rehefa handeha hijery sarimihetsika miaraka amin’i Seta ianao, dia tsy hanana antony hilelalelana avy any an’efitra ny rainao hoe: ‘I Seta a? I Seta iza indray izany?’ ”
“Homena bebe kokoa”
Mitsiky i Jim rehefa miresaka momba an’i Ron zandriny. “Iraika ambin’ny folo volana monja ny elanelanay mirahalahy”, hoy izy, “nefa tsy entin’ny ray aman-dreninay amin’ny fomba mitovy mihitsy izahay. Nomen’izy ireo fahalalahana be dia be aho. Afaka nampiasa ny fiaran’ny fianakaviana aho. Indray mandeha aza aho dia navelany hitondra ny zandrinay lahy hafa iray hanao dia nankany New York.
“Hafa anefa tamin’i Ron”, hoy i Jim manohy ny teniny. “Tsy nomena fahafahana betsaka mihitsy izy. Tsy nieritreritra ny hampianatra azy hitondra fiara akory i Dada rehefa ampy taona ho amin’izany izy. Ary rehefa nihevitra izy fa ampy taona mba hiaraka tamin’ankizivavy, dia tsy navelan’ny ray aman-dreninay.”
Fiangarana ve? Tsia. Hoy i Jim manazava: “Nirona ho tsy hahay handray andraikitra i Ron. Tsy nahay nanapa-kevitra hanao zavatra samy irery izy. Matetika izy no tsy nahavita izay nasaina nataony. Ary raha tsy namaly ny ray aman-dreniko mihitsy aho, i Ron kosa dia nampahafantatra azy ireo foana fa tsy nanaiky izy. Niharan’ny vokatr’izany foana izy.” Hoy i Jesosy ao amin’ny Matio 25:29: “Fa izay rehetra manana dia homena [bebe kokoa, NW ], ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.”
Maniry hanana fahalalahana sy andraikitra bebe kokoa ve ianao? Porofoy àry fa mahay mandray andraikitra ny tenanao. Raiso amim-pitandremana ireo asa asain’ny ray aman-dreninao hataonao. Aza manao toy ilay tanora ao amin’ny iray amin’ireo fanoharan’i Jesosy. Rehefa avy nilazan’ny rainy izy hoe: “Anaka, andeha miasa any amin’ny tanimboaloboko anio”, dia nanao hoe: “Handeha aho, tompoko”, nefa “tsy nandeha izy”. (Matio 21:28, 30). Ampiekeo ny ray aman-dreninao fa, raha mangataka anao hanao zavatra iray izy, na inona izany na inona, dia azony heverina ho toy ny efa vita izany.
“Nasehoko ny ray aman-dreniko fa nahay nandray andraikitra aho”, hoy ny tsaroan’i Jim. “Nirahiny nankany amin’ny banky aho, navelany handoa ny faktioranay, hankany an-tsena ary hividy zavatra. Ary rehefa voatery niasa i Neny, dia nahandro ny sakafonay mihitsy aza aho.”
Manolora tena hanao zavatra
Ahoana raha tsy asain’ny ray aman-dreninao hanao asa toy izany tsotra izao ianao? Manaova fanoloran-kevitra isan-karazany. Manoro hevitra toy izao ny gazetiboky Seventeen: “Manolora tena hahandro sakafo ho an’ny fianakavianao, ary lazao ny ray aman-dreninao fa maniry hanao izay rehetra tafiditra amin’izany ianao: misaintsaina izay handrahoina, manoratra izay hovidina, manombana ny ho vidiny, miantsena, mahandro, manadio.” Ary raha tsy manavanana anao ny mahandro sakafo, dia eritrereto izay zavatra hafa azo karakaraina. Tsy mila ny miandry didy manokana avy amin’ny ray aman-dreninao ianao vao hanao zavatra rehefa mila mpanasa ireo lovia, na mpamafa ny gorodona, na mpampirina ireo efitrano.
Tanora maro no manao asa tapa-potoana amin’ny fotoam-pialan-tsasatra na amin’ny faran’ny herinandro. Raha anisan’izy ireo ianao, moa ve ianao efa nampiseho fa mahay mitahiry sy mitantana ny volanao? Efa nanolotra ny handray anjara an-tsitrapo amin’ny fandaniana noho ny efitranonao sy ny haninao ve ianao? (Mety hahatonga anao hahatakatra ny antony hanaovana izany ny fijerena ny hofan-trano eo amin’ny manodidina anareo.) Mety hidika izany fa ho kely kokoa ny volanao manokana, kanefa rehefa hitan’ny ray aman-dreninao fa mahay mitantam-bola toy ny olon-dehibe ianao, dia tsy isalasalana fa hanome anao fahalalahana bebe kokoa izy ireo.
Mahasara-dreny amin’izay
Tokony ho ny namantsika azontsika itokiana ireo ray aman-drenintsika, loharano hahazoana torohevitra sy anatra be dia be. (Ampitahao amin’ny Jeremia 3:4, NW .) Tsy midika anefa izany fa tsy maintsy miantehitra aminy amin’izao fanapahan-kevitra madinika rehetra izao ianao. Amin’ny fampiasanao ny ‘sainao’ ihany no hahazoanao ny fatokian’izy ireo ny fahaizanao manao fanapahan-kevitra. — Hebreo 5:14.
Koa aza mihazakazaka mankany amin’ny ray aman-dreninao àry isaky ny misy zava-tsarotra madinika, fa miezaha kosa handamina ilay zava-manahirana amin’ny sainao manokana aloha. Aza “maimaika” hanao zavatra fa araho kosa ny torohevitry ny Baiboly mba “handinika fahalalana” aloha. (Isaia 32:4, NW ). Manaova fikarohana, indrindra raha misy fotopoto-pitsipika ara-baiboly tafiditra. Rehefa avy nandanjalanja ilay raharaha tamim-pahatoniana ianao vao manatòna ny ray aman-dreninao. Aza milaza foana hoe: ‘Dada a, inona no tokony hataoko?’ na hoe: ‘Neny a, inona no hataonao raha eo amin’ny toerako ianao?’, fa hazavao kosa ny tarehin-javatra. Ampahafantaro azy ny fomba nisaintsainanao ilay raharaha. Avy eo dia anontanio ny heviny.
Mahita anao miresaka toy ny olon-dehibe, fa tsy toy ny ankizy, izao ny ray aman-dreninao. Nanao dingana lehibe ianao ho amin’ny fanaporofoana fa mihatonga olon-dehibe mendrika ny homena fahalalahana sasany, ianao. Azo antoka fa hanomboka hitondra anao toy ny olon-dehibe izao ireo ray aman-dreninao.
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Nahoana ny ray aman-dreny matetika no miahy aoka izany ny amin’ny fiarovana ny zanany sy ny fahafantarana izay alehany?
◻ Nahoana no zava-dehibe ny itondranao ny ray aman-dreninao amim-panajana?
◻ Inona no fomba tsara indrindra handaminana ireo tsy fifankahazoan-kevitra eo aminao sy ny ray aman-dreninao?
◻ Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manaraka ny fitsipika sy lalàn’ny ray aman-dreninao sady mbola manana fahalalahana ihany?
◻ Amin’ny fomba sasany ahoana avy no azonao anaporofoana amin’ny ray aman-dreninao fa mahay mandray andraikitra ianao?
[Teny notsongaina, pejy 29]
“Tian’i Dada ho fantatra foana izay misy ahy sy ny ora hodiako. (...) Mila mahafantatra ny zavatra rehetra ve izy ireo?”
[Sary, pejy 29]
Mihevitra ve ianao fa mamefy anao ny ray aman-dreninao?
[Sary, pejy 30]
Ny fitoerana ho tony rehefa nisy tsy fifankahazoan-kevitra dia fomba iray hahazoana fanajana