Nandresy ny tranomaizina sy ny fahafatesana ny fitiavanay an’Andriamanitra
Nataon’i Magdalena Kusserow Reuter
NY AMPITSO maraina, dia tsy maintsy hotifirin’ny nazia Wilhelm anadahiko. Ny heloka nataony: tsy fetezana hanao raharaha miaramila tao amin’ny tafika alemana noho ny antony ara-pivavahana. Dimy amby roapolo taona izy, ary fantany tsara fa antomotra ny famonoana azy. Ny harivan’ny 26 aprily, dia nanoratra taratasy fanaovam-beloma ho anay izy; taorian’izany, tony dia tony, dia natory tsara izy. Izao no noraketin’ny taratasiny:
“Ry ray aman-dreny, rahalahy sy anabavy malala,
Fantatrareo rehetra fa mihevitra anareo tokoa aho, ka tonga ao an-tsaiko izany isaky ny mijery ny sarin’ny fianakaviantsika aho. Nanjaka aoka izany ny fifanarahana tao an-tranontsika! Kanefa, ambonin’ny zavatra rehetra, dia tokony ho tia an’Andriamanitra isika, araka ny nandidian’i Jesosy Kristy Mpitarika [Führer] antsika. Raha miandany aminy isika, dia hamaly soa antsika izy.”
Tamin’ny alina farany nahavelomany, dia nieritreritra anay rehetra i Wilhelm: ny ray aman-dreniny, ireo rahalahiny dimy sy ireo anabaviny dimy. Nahaforona fianakaviana lehibe sy niray saina niavaka izahay. Nandritra ny fitsapana rehetra nodiavinay tao anatin’ny fotoana, dia niahy foana izahay, tamin’ny naha-fianakaviana, mba hanome ny toerana voalohany ho an’ny fitiavanay an’i Jehovah.
Ny tranonay: “ny taona volamena”
Nanomboka tamin’ny batisan’izy ireo tamin’ny 1924, ireo ray aman-dreniko, Franz sy Hilda Kusserow, dia Mpianatra ny Baiboly na Bibelforscher (Vavolombelon’i Jehovah) be zotom-po tokoa. Tamin’ny 1924 koa aho no teraka, ny fahafito tao amin’ny fianakaviana iray nisy zanaka iraika ambin’ny folo. Nahafinaritra tokoa ny niainanay ny fahazazanay niaraka tamin’ireo ray aman-dreninay. Koa satria nisotro ronono aloha be ny rainay, dia afaka nanokana fotoana be dia be ho anay izy. Nataony nifanaraka tamin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly izany. Tsy nisy andro iray nandalo ka tsy nandraisanay fampianarana sy torohevitra araka ny Baiboly. Fantatry ny raiko sy ny reniko fa tsy hoe tsy maintsy ho tonga mpivavaka amin’i Jehovah ireo zanaka satria toy izany fotsiny ireo ray aman-dreniny.
Tamin’ny 1931, rehefa namaly ny fanasan’ny Fikambanana Watchtower ny raiko, dia nifindra toerana ny fianakaviana manontolo mba hanorim-ponenana tany amin’ny faritany iray tsy nisy kongregasiona mihitsy tamin’izany fotoana izany. Tany Paderborn sy tany amin’ny manodidina azy, faritany nisy tanàna sy vohitra 200, dia nanan-javatra be dia be hatao izahay tamin’ny fitoriana. Nanao ny asan’ny mpitory maharitra manokana i Annemarie zokiko vavimatoa; samy mpitory maharitra mandavantaona ny raiko sy Siegfried anadahiko izay dimy ambin’ny folo taona.
Niseho teo amin’ny lafiny roa amin’ny tranonay tany Bad Lippspringe ny soratra tamin’ny litera lehibe azo novakina na dia lavitra aza. Nolokoin’ny raiko teo izao fehezanteny amin’ny teny alemana izao: LESEN SIE ‘DAS GOLDENE ZEITALTER’ (VAKIO ‘L’ÂGE D’OR’, anaran’ny gazety Réveillez-vous! taloha). Ilay trano dia niorina teo akaikin’ny lalan’ny ‘tramway’ nampitohy an’i Padernborn tamin’i Detmold. Rehefa hijanona eo anoloan’ny trano ny ‘tramway’, dia niantso toy izao ny mpamily azy: “Fijanonana manaraka: L’ÂGE D’OR!” Ary raha ny marina, ny tranonay niorina teo amin’ny tany iray hektara mahery, nitsangana tao anaty ala sy kirihitr’alan’ny zaridaina mahafinaritra iray, dia nanjary faritry ny fanabeazana anay sy ny asa izay nampifantohana ny zavatra rehetra ho amin’ny taona volamena ho hitantsika eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho avy. — Matio 6:9, 10.
Nifandrindra daholo ny zavatra rehetra
Ao anatin’ny fianakaviana iray maro anaka toy izany, dia tena nilaina ny fandaminana tsara. Nilainay matetika ny nanangona na nioty voankazo sy anana. Tsy maintsy nikarakara ny akoho amam-borona izahay; nitaky ny rononony isan’andro ny zanak’ondry. Ny alika “Fiffi” sy ny saka “Poussi”, “mpikambana” tiana tao anatin’ny fianakaviana koa, dia nitaky fiheverana. Noho izany antony izany, ny raiko dia nanorina fandaharana tamin’ny asa isan-karazany (fikarakarana tokantrano, zaridaina, biby fiompy), nandraisan’ny ankizy tsirairay avy anjara, ka nampifanelanelanina isan-kerinandro ny zazalahy sy ny zazavavy.
Nanokana fotoana ho an’ny fialam-boly koa i Dada, ka anisan’izany ny mozika sy hosodoko mbamin’ny fialam-boly maro be hafa koa. Izany rehetra izany dia teo ambany fitarihan’ny reniko izay mpampianatra ny raharahany. Nanana “violons” dimy izahay, “piano” iray, “orgue” iray, angorodao roa, gitara iray ary sodina maromaro. Eny, tsy vitan’ny hoe niahy ny amin’ny hahavitanay ny enti-modinay tamin’ny fianarana ireo ray aman-dreninay, fa nampidiriny tamin’ny fandaharam-panabeazana anay koa ny mozika sy ny hira.
Kanefa, ny mifono heviny lehibe indrindra eo imasoko amin’izao andro izao dia ny hoe tsy nisy andro iray nifarana mihitsy ka tsy nandraisanay fianarana ara-panahy sasany. Nety ho teo am-pihinanana izany rehefa nahazo valin’ireo fanontanianay izahay, na tamin’ny fianarana tsianjery andinin-teny isan-karazany ao amin’ny Baiboly koa. Tsy nitsahatra ny raiko raha tsy efa marina ny nolazainay. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia nanana fiainam-pianakaviana tonga lafatra izahay, tsara kokoa noho ny voalazan’ny angano. Mazava ho azy fa nanana ny fahalemenay koa izahay, ary matetika ny raiko no nifehy anay tamin’ny teny izay nisy vokany taminay mihoatra noho ny fanitsiana ara-batana. Nampianarina foana izahay mba hiala tsiny noho ny fahadisoanay sy hamela ny hafa. Tsy tsapanay tamin’izany fa ho sarobidy tokoa aminay izany fampiofanana izany.
Ny zandriny indrindra tamin’ny mpianakavy, Paul-Gerhard “kely” dia teraka tamin’ny 1931, noraisin’i Wilhelm, Karl-Werner, Wolfgang, Siegfried sy Hans-Werner rahalahiny, mbamin’i Annemarie, Waltraud, Hildegard, Elisabeth sy izaho anabaviny.
Ny fanombohan’ny fitsapana anay
Tokony ho tamin’izany fotoana izany, dia nandray fahefana tany Alemaina i Adolf Hitler. Toa nahatsinjo fahasahiranana ny raiko, koa nampiomana anay kokoa hatrany izy mba hisetra ireo taon-tsarotra tsinjo. Nasehony taminay tao amin’ny Baiboly fa ny Vavolombelona mahatoky sasany dia tsy maintsy henjehina, hatao an-tranomaizina, na hovonoina mihitsy aza (Matio 16:25; II Timoty 3:12; Apokalypsy 2:10). Tsaroako ho nieritreritra aho fa tsy hoe tsy maintsy hahakasika anay izany. Tsy azoko an-tsaina velively izay notehirizin’ny ho avy.
Nahatsapa ny fandonana voalohany izahay tamin’ny nahafatesan’i Siegfried anadahiko izay maty an-drano teo amin’ny faharoapolo taonany. Avy eo, nanomboka tamin’ny lohataonan’ny 1933, ny “nationaux-socialistes” fantatra kokoa ankehitriny amin’ny anarana hoe nazia, dia nanomboka nanara-maso anay. Nodidian’ny polisy miafina ny handalorana indray ny rindrin’ny trano ivelany mba hanakonana ny soratra teo. Tamin’izany fotoana izany anefa dia ratsy karazana ny loko, hany ka mbola hita taratra ihany ny teny hoe “L’ÂGE D’OR”! Ary dia mbola nanohy nanambara ny mpamily ny “tram” hoe: “Fijanonana manaraka: L’ÂGE D’OR!”
Nihamafy tsikelikely ny fanerena. Ny Vavolombelona hafa nampijalin’ny Gestapo, dia nitady fialofana tao aminay. Tsy nomena ny “pension”-ny ny raiko satria tsy nety nilaza hoe “Heil Hitler”. Teo anelanelan’ny 1933 sy 1945, dia imbalo ambin’ny folo fara fahakeliny ny Gestapo no nisava tao an-tranonay. Nefa moa ve nampitahotra anay ankizy izany? Mitantara toy izao i Waltraud rahavaviko: “Na dia rehefa nihamafy aza ny fanenjehana, dia nohatanjahin’ny ray aman-dreninay ihany izahay ka niara-nianatra ny Baiboly tsy tapaka taminay izy ireo. Nifikitra foana tamin’ny fandaharan’i Dada izahay.”
Niharam-panerena ireo zandriny indrindra
Fa raha ny amin’ireo zandriny indrindra taminay, isan’andro ny fitebitebena dia nampahory anay rehefa hiainga ho any an-tsekoly izahay. Nandidy anay ireo mpampianatra mba hitsaoka ny saina, hanao hira nazia sy haninjitra ny sandry amin’ny filazana hoe “Heil Hitler”. Noho izahay tsy nety nankatò, dia nataon’ny rehetra fihomehezana izahay. Inona no nanampy anay hijoro tsara hatrany? Mifanaraka izahay mba hamaly fa ny tsiambaratelo dia tamin’ny niresahan’ny ray aman-dreninay isan’andro ireo zava-manahirana hitanay (Efesiana 6:4). Nampianariny anay ny tokony hatao sy ny fomba fiarovan-tena amin’ny Baiboly (I Petera 3:15). Matetika izahay no manokana fotoam-panazaran-tena, ka ny sasany mametraka fanontaniana ary ny hafa manome valiny.
Tsaroan’i Elisabeth rahavaviko ny fitsapana mafy niainany: “Inoako fa tsy hohadinoiko na oviana na oviana io andro io; Tamin’ny lohataonan’ny 1939 no nitrangan’izany. Niampanga anay ho tsy voatandrina ara-panahy sy ara-pitondrantena ny talen’ny sekoly ka nanao fandaharana izy mba hanesoran’ny fitsarana iray anay tsy ho ao an-tsekoly sy hitondrana anay tany amin’ny toerana tsy fantatra iray. Telo ambin’ny folo taona aho tamin’izay, sivy taona i Hans-Werner, ary vao fito taona monja i Paul-Gerhard ‘kely’!”
Vao haingana foana izay, efapolo taona mahery atỳ aoriana, Paul-Gerhard dia naharay taratasy avy tamin’ny mpanao raharaham-panjakana mbola nampieritreritra azy foana. Izao no nosoratan’io: “Izaho ilay polisy nitondra anao sy ny rahalahinao ary ny anabavinao tany amin’ny trano fanarenana iray. Nentiko tany ianareo io hariva io ihany.” Hevero ange: ankizy telo tsy nanam-piarovana nalaina tany an-tsekoly tsy nisy fitenenana mihitsy tamin’ny ray aman-dreniny!
Nanandrana namantatra ny toerana nitondrana azy ireo i Neny. Farany, rehefa lasa ny herinandro vitsivitsy, dia hitany soritra izy ireo tao amin’ny foibem-panabeazana iray arahi-maso tany Dorsten. Vetivety dia tsikaritr’ilay tale fa tsara taiza ireo ankizy ka tsy nisy na inona na inona tokony hataony tao amin’ny sekoliny; koa rehefa afaka volana maromaro, dia nalefa ny rahavaviko sy ireo anadahiko. Tsy tonga hatrany an-trano anefa izy ireo. Fa inona no nitranga?
Teo anelanelan’izany, dia nosakanan’ny Gestapo izy ireo ka nafindrany tany Dorsten any Nettelstadt, any akaikin’i Minden, tao amin’ny sekoly nazia iray. Mazava ho azy fa norarana ny fitsidihan’ny ray aman-dreny, kanefa nisahirana fatratra i Neny mba hanohanana ireo zanany, ka tonga hatramin’ny fandefasana taratasy niafina ho azy ireo. Indray andro aza izy dia afaka nihaona mangingina sy niresaka tamin’izy ireo. Taty aoriana dia tafasaraka ireo ankizy rehefa nentina tany amin’ny toerana samy hafa. Na dia tao aza izany, dia nitana ny tsy fivadihany izy ireo tamin’ny tsy fetezana hiarahaba saina na hilaza hoe “Heil Hitler”. Narahiny ny andinin- teny ao amin’ny Asan’ny apostoly 4:12 izay manantitrantitra toy izao ny amin’i Jesosy Kristy: “Tsy misy famonjena [Heil amin’ny teny alemana] amin’ny hafa.”
Voasedra ny fianakaviana manontolo
Teo anelanelan’izany, dia indroa ny raiko no nanala sazy tany an-tranomaizina. Afaka izy tamin’ny 16 aogositra 1940, nefa vetivety foana, satria rehefa afaka valo volana taty aoriana dia voaheloka fanintelony izy ary nampidirina tao amin’ny tranomaizin’i Kassel-Wehlheiden. Na dia izany aza, nandritra ireo volana vitsivitsy nananana fahafahana ireo dia nanana fifaliana izy nanao batisa telo taminay, izany hoe Hildegard, sivy ambin’ny folo taona, Wolfgang, valo ambin’ny folo taona, sy ny tenako, enina ambin’ny folo taona.
Rehefa niverina tany an-tranomaizina i Dada, tao anatin’izany fotoana izany koa dia nampidirina am-ponja i Neny sy Hildegard. Nandalo fitsarana koa ny tenako ary nomelohina hatokan-toerana tany Vechta, tao amin’ny tranomaizina iray voatokana ho an’ny tanora maditra. Fito ambin’ny folo taona aho tamin’izay. Tsy nanan-javatra hatao firy aho tany amin’ny fahababoana. Sarotra tamiko ny nifoha maraina sy tsy nanao na inona na inona nandritra ny andro ka ny hany hitan’ny maso dia rindrina milalotra sokay. Nanandrana nitadidy faran’izay betsaka tamin’izay nianarako aho, ka gaga noho ny harena ara-panahy rehetra tadidiko tao an-tsaiko. Namerina fihirana manontolo aho ary namelabelatra an-tsaina foto-dresaka araka ny Baiboly. Velom-pankasitrahana aoka izany ny ray aman-dreniko aho noho ny niahian’izy ireo ny hahampy fitaovana anay hatramin’ny antsipiriany madinika indrindra!
Nadiva ho tapitra ny enimbolana voalohany nanibohana ahy. Niantso ahy tao amin’ny biraony ilay vehivavy talen’ny tranomaizina. Tao dia nanazava tamiko izy fa halefa aho raha nanao sonia taratasy iray nanamarina fa niala tamin’ny zavatra ninoako aho ka nihevitra izany ho fampianaran-diso. Nanana tombontsoa niaro ny finoako indray aho. Ho hany valiny, dia nangina izy; avy eo dia nanambara tamiko tamin’alahelo izy fa tsy maintsy mametraka ahy eo an-tanan’ny Gestapo ny tenany. Efa-bolana taty aoriana, dia nafindra tany amin’ny toby fitanana tany Ravensbrück aho.
Mbola tany amin’ny tranomaizina hafa foana ny reniko sy Hildegard. Nahita azy ireo indray aho taty aoriana rehefa nafindra tao Ravensbrück izy ireo. Taty aoriana, dia tsy tafasaraka intsony izahay sy Neny mandra-pifaran’ny ady. Tany an-tranomaizina koa Annemarie sy Waltraud. Tamin’izany fotoana izany ny mpianakavy manontolo dia nahita, na ny fefin’ny tranomaizina, na ny fangalarana olona. Tena foana izao ny tranonay lehibe tany Bad Lippspringe nanakoakoan’ny hira sy hehin’ankizy tsy nanana ahiahy taloha. Nolalorina sy naverina nolalorina ny rindriny roa mba hamonoana ny soratra; nanjavona ny L’ÂGE D’OR.
Tao Ravensbrück: sakaiza sy fahavalo
Rehefa tonga tao Ravensbrück aho, na dia tao aza ny fanahiako, dia nanantena hahita Vavolombelona hafa tao aho. Ahoana anefa no hahitako amin’izany eo amin’ireo mpigadra an’arivony maro ireo? Tamin’ny fanalana hao, anankiray tamin’ireo fombafomba fandraisana, ilay mpigadra nandinika ny lohako dia nibitsibitsika tamiko hoe: “Nahoana no eto ianao?” “Bibelforscher aho”, hoy ny navaliko. Tamim-pifaliana niharihary no nitenenany mafy hoe: “Tonga soa aman-tsara, ry rahavavy malala!” Avy eo dia nentina tany amin’ny fitambarana trano bongo natokana ho an’ny Bibelforscher aho, ary tany ny rahavavy Gertrud Poetzinger dia niaro ahy.
Ny ampitso dia nantsoina ho any amin’ny biraon’ny lehiben’ny toby aho. Nipetraka teo ambony latabany ny Baiboly lehibe iray nivoha teo amin’ny andinin-teny ao amin’ny Romana toko faha-13. Nodidiany aho hamaky ny andininy voalohany, izay manambara hoe: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe.” Rehefa voavakiko, dia hoy izy tamiko: “Hazavao amiko izao ny antony tsy itiavanao hankatò ny fahefana lehibe.” Hoy ny navaliko azy: “Amin’izany dia tokony hovakiko aminao ny toko manontolo.” Rehefa nandre izany teny izany izy, dia nakatony haingana ilay Baiboly ka nasainy nandeha aho. Tamin’izany fomba izany no niandohan’ny fivahiniako telo taona sy tapany tany Ravensbrück.
Afa-tsy ny fisetrasetran’ny S.S., dia tsy isalasalana fa ny ririnina no nitondra fotoana ratsy indrindra ho anay. Nokaikerin’ny hatsiaka namirifiry izahay ary tsy maintsy nijoro tao an-tokotany isa-maraina rehefa niantso ny anaranay ireo manamboninahitra. Nanomboka izy ireo tamin’ny efatra ora maraina ary nety ho nitohy ora roa izany na dimy aza. Norarana izahay tsy hanao tanana am-paosy. Voan’ny fivontosan’ny tanana aman-tongotra noho ny hatsiaka aho ka nila fitsaboana.
Hainay koa anefa ny nampiasa izany ora very izany mba hifanatanjahana ara-panahy. Rehefa tsy nety hahare ny feo ireo mpiambina S.S., dia nampitainay am-bava sy an-tsofina ny teny iray ao amin’ny Baiboly, ka izany dia nahatonga anay hampifantoka ny sainay ho amin’ny Tenin’Andriamanitra. Indray andro dia nianaranay rehetra ny Salamo 83 ary naverinay nifandimby, tamin’ny fitandremana mba tsy ho ren’ireo mpiambina. Izany fanampiana ara-panahy izany dia nanome anay hery haharetana. Nefa aoka isika hiverina amin’ny fisehoan-javatra nanamarika ny lohataonan’ny 1940.
Ny maritiora voalohany
Voaheloka ho faty sy novonoina ampahibemaso tao amin’ny zaridainan’ny hopitalin’i Münster Wilhelm zokiko lahimatoa. Izy no maritiora voalohany tao amin’ny fianakaviana. Afaka nitsidika azy izahay sy Neny fotoana fohy talohan’ny hamonoana azy. Nanaitra ny sainay ny fahatoniany sy ny fahavononany. Tiany ny hitondran’i Neny ny kapaotiny, tamin’ny filazana hoe: “Tsy ilaiko intsony io izao.”
Tsy neken’i Hitler ny fangatahana fitsarana ambony fahatelo nataon’i Wilhelm ho fanoherana ny famonoana ho faty, ka ny tanany mihitsy no nanao sonia ny fanendrena hamono. Na dia tamin’ny fotoana namehezana ny masony aza anefa, dia notolorana fahafahana farany handa ny finoany Wilhelm. Nanda izy. Inona no sitrapony farany? Ny hitifiran’izy ireo araka ny mety. Taty aoriana, ny mpisolovavan’ny fitsarana dia nanoratra taminay izao manaraka izao: “Nisetra ny fahafatesana nijoro nahitsy izy, novonoina avy hatrany izy. Nanaitra mafy ny sain’ny tsirairay avy taminay sy ny fitsarana ny fihetsiny. Maty nifanaraka tamin’ny zavatra ninoany izy.”
Tsy nangataka andro ny reniko fa nankany Münster mba hangataka ny faty. Tapa-kevitra mafy izy ny handevina an’i Wilhelm tany Bad Lippspringe. Izao no nolazainy: “Hanao fanambarana lehibe amin’ny olona nahalala azy izahay.” Ary dia nampiany koa hoe: “Handray ny valiny Satana; novonoiny Wilhelm-ko.” Nangataka izy mba hanomezana efatra andro ho an’ny raiko hanatrehany ny fandevenana. Gaga aoka izany izahay fa nekena ny fahazoan-dalana!
Tamin’ny fandevenana, dia nanao vavaka i Dada; avy eo, Karl-Heinz, ny zokiny indrindra nanarakaraka an’i Wilhelm, dia namelabelatra hevitra sasany nampahery notsoahina avy ao amin’ny Baiboly teo anoloan’ny vahoaka maro be niombona alahelo taminay, nivory nanodidina ny fasan’ny anadahiko. Volana vitsivitsy taty aoriana, tsy nandalo fitsarana akory, Karl-Heinz koa dia nalefa tany amin’ny toby fitanana iray, tany Sachsenhausen aloha, avy eo dia tany Dachau.
Ny maritiora faharoa
Wolfgang, anankiray hafa tamin’ireo zokiko lahy, dia niandany tamin’ilay Andriamanitra marina rehefa natao batisa. Fantany tsara tokoa fa nety hitarika azy ho amin’ny fahafatesana izany. Tsy hainy nohadinoina anefa ny ohatra nampiseho herim-po navelan’ny rainy sy ireo rahalahiny, raha ny marina dia ny fianakaviana manontolo. Herintaona sy tapany taorian’ny batisany, ny 27 martsa 1942, avy ao amin’ny fonja nisy azy tany Berlin, dia nanoratra ho anay izao taratasy fanaovam-beloma izao koa izy:
“Zanakalahinareo sy rahalahy ary anadahinareo fahatelo aho. Aza malahelo, fa ho tonga ny fotoana hahatafavory antsika indray (...). Ho toy inona moa ny fahasambarana rehefa ho tafavory isika rehetra (...)! Nosarahina isika, ary tsy maintsy miaritra ny fitsapana ny tsirairay avy amintsika; tsy ho ela dia hovalian-tsoa isika.”
Noheverin’i Hitler fa sazy malefaka loatra ho an’ny tsy mety manao raharaha miaramila noho ny antony ara-pivavahana ny fitifiran’ny antoko-miaramila. Nodidiany ny hanamelohana azy ireny amin’ny fanapahan-doha hatramin’izao. Notapahin-doha tao amin’ny tranomaizin’i Brandebourg àry Wolfgang, maritiora faharoa tao amin’ny fianakaviana. Vao roapolo taona monja izy.
Mitana ny toerana voalohany foana ny fitiavanay an’Andriamanitra
Inona no nitranga tamin’ireo mpianakavy tsy maty tamin’ny andron’ny nazia? Waltraud sy Hans-Werner no voalohany niverina tany Bad Lippspringe rehefa vita ny Ady Lehibe Faharoa. Nifanesy nanaraka izany Hildegard, Elisabeth sy Paul-Gerhard. Dada, tapa-tongotra, dia nody ho any an-trano nipetraka teo afovoan’ny ondry nandeha tamin’ny kalesy fitondrana biby fiompy.
Nitantara toy izao i Waltraud: “Faly aoka izany izahay nahita indray an’i Dada afaka sy teo aminay! Tena narary anefa izy. Tamin’ny jona 1945, ny mpanampy ny mpitsabo iray dia namerina tao aminay avy any Dachau an’i Karl-Heinz anadahinay narary mafy. Ny volana nanaraka, Annemarie dia tafaverina tamin’ny lalana tsy nahitsy avy any amin’ny tranomaizin’i Hambourg-Fuhlsbüttel. Farany, tamin’ny septambra, i Neny sy Magdalena dia nody avy tany Ravensbrück taorian’ny fisehoan-javatra niavaka sy tsy nampoizina maro. Nanan-javatra be dia be hifampilazana izahay!”
Moa ve ny fitiavanay an’Andriamanitra simban’izany fanenjehana sy famoizana rehetra nihatra tamin’ny fianakavianay izany? Tsy izany velively! Na dia narary aza ny raiko dia tsy naka aina raha tsy efa avy nandamina indray ny asa, anisan’izany ny asa fitoriana isan-trano ka namelona indray ireo fivoriana. Nanorina fandaharam-pianakaviana izahay ka nitsinjo ny fikarakarana ireo marary ary nihevitra ny ilana itadiavam-pivelomana. Tamin’ny fanaovana izany anefa dia tsy nohadinoinay fa tokony hitana ny toerana voalohany ny fitiavanay an’Andriamanitra. Nihevitra ny fahafahana hanao asa manontolo andro izahay. Tamin’izany no nahatongavanay sy Elisabeth ho mpitory maharitra manokana tamin’ny 1946, fa i Annemarie sy Paul-Gerhard kosa dia nanomboka ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona.
Ireo voka-dratsin’ny ady
Tsy ela anefa dia tsapa ny akon’ireo fanenjehana tao amin’ny fahasalamanay. Tamin’ny oktobra 1946, dia matin’ny raboka (tuberculose) Karl-Heinz; valo amby roapolo taona izy tamin’izay. Tamin’ny jolay 1950, dia nahavita ny fihazakazahany teto an-tany ny ray malalako, nino mafy fa hanaraka azy ny asany. Ny reniko izay nanana fanantenana ny ho any an-danitra koa, dia maty tamin’ny 1979 (jereo ny Apokalypsy 14:13). Voatery niala tamin’ny asa manontolo andro i Elisabeth, nefa naharitra tamim-pahatokiana tao amin’ny fahamarinana izy mandra-pahafatiny tamin’ny 1980. Tamin’ny 1951, i Neny dia nanomboka ny asan’ny mpitory maharitra, ary na dia efa enimpolo taona mahery aza izy, dia afaka nanohy an’io asa io nandritra ny telo taona sy tapany. Talohan’ny hahafatesany, dia nanana fifaliana lehibe izy nahita ny ankamaroan’ireo zafikeliny nilatsaka hanao ny fanompoana manontolo andro.
Ny zandriko faralahy, Paul-Gerhard, dia niasa tao amin’ny fanontam-pirintin’ny Betelan’i Alemaina mandra-panasa azy hanaraka ny Fianarana ao amin’ny Sekolin’ny misionera ao Galaad. Nahazo ny diplaomany niaraka tamin’ny kilasy faha-19 izy tamin’ny 1952. Rehefa afaka taona vitsivitsy, dia voatery nampitsahatra an’io asa io izy satria narary mafy ny vadiny. Na dia mbola tsy afa-miala eo am-pandriana aza io amin’izao fotoana izao, dia mbola manompo amin’ny maha-loholona ao amin’ny kongregasionany ihany i Paul-Gerhard, ary mpitory maharitra manokana izao i Brigitte zanany vavy. Mpitory maharitra hatramin’ny efatra ambin’ny folo taona izao i Detlef zanany lahy. Manao ny asa manontolo andro hatramin’ny taona maromaro koa izao ny zanakalahin’i Elisabeth roa, Jethro sy Wolfgang.
Raha ny amiko, dia nanomboka niasa tao amin’ny Betela tao Wiesbaden koa aho tamin’ny 1948. Teo anivon’ny fianakavian’ny Betela dia nahatsiaro ho tsy nanana ahiahy aho, tsy nisy hafa amin’ny tany an-trano. Niasa mafy hatramin’ny alina be izahay mba hanalana boky voaray be dia be avy any amin’ny foiben’ny Fikambanana any Brooklyn. Tamin’ny 1950, dia nanambady an’i George Reuter, anadahy iray tao amin’ny Betela, aho. Tamin’izay fotoana izay, dia nanomboka ny vanim-potoana vaovao ho ahy, niainako fotoana nahafinaritra tokoa teo anilan’ny vadiko tamin’ny asan’ny fizaran-tany, distrika sy tamin’ny naha-misionera tany Togo (Afrika), tany Luxembourg ary amin’izao fotoana izao dia atỳ atsimon’i Espaina.
Ary ny sisa amin’ny fianakaviana? Tamin’ny 1960, Annemarie, Waltraud, Hildegard sy Neny dia lasa nonina tany amin’ny tanàn-dehibe iray any Alemaina nahafahan’izy ireo niara-niasa tamin’ny kongregasiona miteny anglisy sy italiana. Hildegard, izay tsy maty rehefa dimy taona teo ho eo no tany an-tranomaizina sy tany amin’ny toby fitanana, dia maty tamin’ny 1979. Nanohy ny asany tamin-jotom-po tamin’ny fananana toe-tsaina tsara tia fahafoizan-tena i Annemarie sy Waltraud.
Tsy azo lavina fa ny fianakavianay, izay nanome ny toerana voalohany ho an’ny fitiavany an’Andriamanitra, dia nanamarina ny tenin’i Jesosy nilazana fa ‘ny devoly dia hanao ny sasany ao an-trano-maizina’ ka hitsapa ny fahatokian’ireo mpanompon’Andriamanitra “hatramin’ny fahafatesana”. Tsy nohadinoinay na oviana na oviana anefa izay nolazain’i Jesosy koa hoe: “Izay maharesy dia tsy hosimban’ny fahafatesana faharoa.” — Apokalypsy 2:10, 11.
Noho izany, dia manana antony tsara tokony hanantenana izahay fa ho tafahaona daholo indray izahay rehetra ao amin’ny “TAONA VOLAMENA” ho avy, izay tsy ho soratra voaloko eo amin’ny rindrina iray fotsiny. Eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia ho zavatra tena izy izany! — Apokalypsy 20:11 ka hatramin’ny 21:7.
[Sary, pejy 11]
Ny sarin’ny fianakaviana manontolo farany. Ankavia miankavanana, ery andamosina: Siegfried, Karl-Heinz, Wolfgang, Dada, Neny, Annemarie, Waltraud, Wilhelm, Hildegard; eo anoloana: Paul-Gerhard, Magdalena, Hans-Werner sy Elisabeth.
[Sary, pejy 12]
Ny tranonay, teo akaikin’ny fijanonan’ny “tram” “L’ÂGE D’OR”.