Ahoana no tsy hiverenana indray amin’ny fahazaran-dratsy
“NANDRESY AHO! Vita ihany ny ady!”
Toy izany no mety ho fihiakan’ny olona iray, mahatsapa fandresena, rehefa niady ka naharesy fahazarana iray tsy faniry.
Fa fahaketrahana toy inona kosa rehefa lavo indray! Mandiso fanantenana tokoa ny mahita fahazaran-dratsy iray izay noheverina ho voaesotra tanteraka miverina tampoka ary vao mainka mahery kokoa!
Efa nahazo anao ve ny niverina indray tamin’ny fahazarana iray izay nirinao ho voatohitra fatratra? Raha eny, dia nisalasala mihitsy angamba ianao tamin’izay raha ho afaka amin’izany tanteraka. Maro be tokoa anefa ireo fanao tsy faniry: ny fahasarotana an-kanina, ny fitiavana zava-mamy fatratra, ny fironana hisotro, ny fahazarana mividy zavatra tsy amim-piheverana, ny fahadisoam-potoana lava, ny filokana, ny sigara sy ny paraky, sns.
“Naninona àry aho no nitambotsotra kanefa efa vita ny mafy indrindra?”
Mety hoheverina fa rehefa afaka ireo dingana voalohany mankamin’ny fanafoanana ny fahazaran-dratsy iray, dia mora kokoa ireo zavatra avy eo. Kanefa mampiseho ny fandinihana maromaro natao momba io raharaha io fa tsy izany hatrany no mitranga.
Izao no vakintsika ao amin’ilay boky hoe Fifehezan-tena (anglisy) nosoratan’i R. Hodgson sy P. Miller: “Mety hipoitra kokoa ao anatin’ireo telo volana voalohany hanarahana fitsaboana ny fahalavoana indray. Nampiseho tokoa ny fandinihana iray fa miverina indray amin’ny fanaony taloha ny 66 % eo ho eo amin’ireo mpifoka, ireo za-dratsy amin’ny alkaola sy ireo mpampiasa zava-mahadomelina, alohan’ny andro faha-90 manaraka ny nanapahany hevitra fa hiova. Kanefa, ireo izay mahavita mifehy ny fahalemeny ao anatin’ny telo ka hatramin’ny enim-bolana voalohany dia tena mety ho afaka hihazona ny tombony azony.”
Fa nahoana ny fiverenan’ny fahazaran-dratsy iray no mbola mananontanona foana aorian’ny volana maro, taona maro mihitsy aza, nahalalana onony? Ny antony aloha dia satria mety hipoitra indray ny loharanom-pihenjanana sasantsasany ary ny fahazarana toy io no nanome anao fanamaivanana vetivety tamin’ny lasa. Noho izany, na dia heverinao aza fa efa nahatohitra fahazarana tsy faniry iray ianao, dia mbà maodimaody ihany amin’ny hahalavoana indray rehefa mandalo fotoan-tsarotra — ohatra fitsimbadihan-javatra eo amin’ny lafiny ara-bola, zava-manahirana ara-pahasalamana, rehefa mety ho fahadisoam-panantenana. Raha toa ka mitambesatra aminao ny fahasorisorenana sy ny fahatsapana tena ho manirery, dia aza gaga raha toa ka mitady hiverina indray ilay fahazaranao taloha.
Anisan’ireo antony mahatonga ny fahalavoana indray, dia aoka hotanisaintsika koa ny hery mitaonan’ny manodidina, ny fifandonana noho ny tsy fitovian-toetra, ireo fihetseham-po tsy manorina sy ireo toe-javatra mahatonga fakam-panahy.
Manohitra ny fahalavoana indray
Na dia nahatohitra fahazaran-dratsy iray aza ianao nandritra ny fotoana sasany, dia tena zava-dehibe ny haharetanao amin’ilay fomba fiadiana izay nanampy anao: na hampiasa izany hatrany ianao, na mety ho ampy fotsiny amin’ny tarehin-javatra sasany ny hamelomanao azy indraindray, toy ny rehefa ao anatin’ny fotoana fihenjanana na fakam-panahy mahery ianao.
Ohatra, raha manandrana mampihena tena ianao, angamba arahinao maso ny fandrosoanao amin’ny fandraisana izany an-tsoratra, sy amin’ny fijerena hoe aiza ho aiza moa ianao isan’andro na isan-kerinandro. Tena ilaina tokoa izany mba hialana amin’ny fahazarana iray; aza ialana io fomba fanaovan-javatra io, na dia rehefa heverinao aza fa efa lasa ny loza.
Moa ve ianao nanorina fandaharam-panomezana valisoa isaky ny mahatohitra fironana iray izay irinao horesena? Angamba hilaina ny hanarahana io fandaharana io, mba hanoherana ireo fahalavoana indray. Nangataka ny fanampian’ny sakaiza iray ve ianao tamin’ny ady nataonao? Avelao àry izy hanampy anao tsy ho lavo indray.
Fomba fiadiana hafa inona koa no hanampy anao tsy hitambotsotra, indrindra rehefa amin’ny fotoana fihenjanana?
Manohera amin’ny alalan’ny fanoloana
Izao no nampirisihan’i R. Stuart, lehiben’ny psikôlôgy ao amin’ny fikambanana Weight Watchers, ho an’ireo olona mikely aina hampihena tena: “Ampiasao amin’ny asa samihafa mahavariana ny sainao. Tena tsara ny asa tanana na fialam-boly iray. Raha mety, dia ataovy akaiky mora raisin’ny tanana ireo fitaovana sy ny drafitr’asa iray efa voaomana; hamela anao hiasa avy hatrany izany rehefa ilay manembona iny ianao.” Angamba hafetsena iray tsara hotadidina ihany izany.
Soloy asa iray mahasoa àry ny fahazaranao taloha. Aza hadinoina fa ilay fahazarana resahina eto dia azo inoana fa nitondra fanamaivanana sasantsasany ho anao rehefa mihasarotra ny fiainanao; mifidiana àry ho solony, asa izay hahatratra amin’ny fomba mandaitra tanjona mitovy amin’io. Mamakia boky, manaova fanatanjahan-tena, mitendre na mitsofa zavamaneno iray, manaova sary hoso-doko na mitsidiha namana. Manomboha dieny izao amin’ny fanaovana ny lisitr’ireo asa hasolo azo atao. Asongadino ireo izay noeritreretinao hotanterahina hatramin’ny farany. Mandraisa anjara amin’ireo asa vaovao ireo araka izay irinao hatao, toy ny nataonao tamin’ny fahazaranao taloha. Ho mora kokoa aminao ny hampiasa izany rehefa mahatsapa fihenjanana ianao. Ho lasa fahazarana marina tokoa ireny asa hasolo ireny raha ny marina, saingy tsara.
Ny maha-zava-dehibe ny hiadiana amin’ny fahakiviana
Koa satria mety ho tena mafy ny fakam-panahy hiverina amin’ireo fahazarana tranainy rehefa eo ambanin’ny fihenjanana ianao, moa ve tsy ho azonao ovana ny endriny sasany amin’ny fiainanao mba hampihenana io fihenjanana io? Na dia misy zava-manahirana izay tsy azonao ialana aza, dia mianara mifehy ny fihetseham-ponao, mba tsy hamelana ny fahakiviana haharesy anao.
Hamaivanina matetika ny herin’ny fahakiviana. Milaza ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly hoe: “Ny faharariany dia zakan’ny fanahin’ny olona ihany; fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany?” (Ohabolana 18:14). Tena marina izany! Matetika tokoa dia tsy ilay zava-manahirana amin’ny maha-zava-manahirana azy no mahosa antsika, fa ny fahakiviana aterany.
Manao izao fanamarihana izao ny ohabolana ara-baiboly hafa iray: “Raha reraka amin’ny andro fahoriana hianao, dia kely ny herinao.” (Ohabolana 24:10). Mampahosa anao ny fihetseham-po tsy manorina tsy voafehy. Mahatonga anao ho mora lavo indray kokoa izany, angamba amin’ny fampirisihana anao hiverina amin’ny fironan-dratsinao mba hahitana fanamaivanana. Izany no antony maha-zava-dehibe ny hiadiana amin’ny fahakiviana!
Kanefa inona no hatao raha mbola lavo indray ianao, na dia teo aza ny fiezahanao?
Ny fihemorana fotsiny tsy midika ho fahalavoana tsy azo arenina
Toa mora tokoa ny miteny anakampo hoe: ‘Efa samy ho very ihany, aleo hajanona.’ Esory ny toe-tsaina toy izany. Aza manatsoaka hevitra avy amin’ny fihemorana iray fotsiny, na maromaro aza, fa tsy ho vitanao mihitsy izany.
Aoka hasehontsika an’ohatra izay lazaintsika: Rehefa miakatra ny tohatra ianao, dia voafingana ary mianjera any amin’ny zana-tohatra iray na roa any ambany kokoa. Miteny anakampo ve ianao hoe: ‘Dia voatery hidina ny zana-tohatra rehetra indray aho ity mba hiverenana hiakatra avy any ambany.’ Mazava ho azy fa tsy ho izany! Koa nahoana àry no manao io fanjohian-kevitra tsy marina io rehefa hoe hiady amin’ireo fahazaran-dratsy?
Matetika no mandimby ny fahalavoana indray ny fahatsapan-tena ho meloka. Aza manitatra io fihetseham-po io amin’ny famaranan-kevitra fa tsy misy vidiny ianao, fa tsy manana finiavana ary tsy mendrika ny hahazo zavatra tsara mihitsy. Aza manaiky ho resin’ny nenina tafahoatra toy izany. Misakana anao tsy hahazo ny hery ilainao mba hiadiana indray izany. Ary izao no ataovy ao an-tsainao: Jesosy Kristy, ilay olona lehibe indrindra nanitsaka ity tany ity, dia tonga mba hanavotra mpanota, fa tsy olona tanteraka. Noho izany, tsy takina amin’ny tsirairay avy amintsika mihitsy aloha, amin’izao fotoana izao, ny hanaovan-javatra amim-pahatanterahana.
Zavatra hafa koa: Mety ho fialana mora atao mba hamerenana indray, ny fahatsapan-tena ho meloka. Manazava hoe mety hitondra hatraiza moa izany i P. McWilliams sy i J. Roger, tao amin’ny bokin’izy ireo hoe Tsy afaka mamela ny tenanao hanana fomba fihevitra tsy manorina ianao (anglisy): “Ny fahatsapan-tena ho meloka (...) dia manome lalana antsika hamerina indray. Rehefa ‘voaloa ny vidin’ny fahadisoana lehibe’ ataontsika, dia afaka mamerina izany indray isika, raha mbola vonona ny handoa ilay vidiny koa. Vidiny inona? Fahatsapan-tena ho meloka bebe kokoa.”
Aza mamela ny fihemorana iray fotsiny ho tonga figorodanana fahalavoana indray mbola ratsy kokoa. Tadidio fa ny fandresena ilay fahazarana no zava-dehibe, amin’ny farany, fa tsy ny fahafantarana raha nihemotra ianao indraindray teny an-dalana.
Amin’io lafiny io, dia fahendrena ny hanapahana hevitra mialoha ny amin’ny fomba fiadiana hampiasainao raha mitranga ny fahalavoana. Hanomana anao hiady aminy raha vao mananontanona izy io fandaharam-piarovana io.
Azo atao izany, ary mendrika ny hiezahana!
Araka izany, ny ady amin’ny fahazaran-dratsy iray dia tsy voafetra fotsiny amin’ny fiaretana fahatsapana tsy fahampiana mampanaintaina. Midika ho fandalovana fahadisoam-panantenana kanefa tsy mamela ilay fahazaran-dratsy haharesy indray izany.
Sarotra? Eny, saingy azo atao tsara. Hanampy anao hanakana na handresy ireo fahalavoana indray, ilay fomba fiadiana izay nanampy anao hanala fahazarana iray, raha tohizinao. Inona no azonao avy amin’izany? Voalohany, dia ny fahamendrehana, izay valisoa tsara tokoa. Avy eo, dia azo antoka koa fa hitombo ny fanajan’ny manodidina anao.
[Sary, pejy 30]
Tsy hoe satria mihemotra zana-tohatra maromaro ny tena dia tsy maintsy miverina miakatra avy any ambany indray.
[Sary, pejy 31]
Mampihena ny mety ho fahalavoana ny tena rehefa voatana amin’ny asa mahavariana.