Ny Fiheveran’ny Baiboly
Zava-dehibe ve ny Fitsaboana Fidinao?
DISO fantatry ny olombelona loatra ny aretina sy ny ratra. Rehefa miatrika ireo fahavalon’ny fahasalamana ireo ny olona maro, dia mitady fanamaivanana amin’ny alalan’ny fitsaboana. Nanaiky i Jesosy Kristy fa mety hitondra soa ny fanaovana toy izany, rehefa nilaza izy fa “tsy ny finaritra no mila [dokotera, NW ], fa ny marary”. — Lioka 5:31.
I Lioka, izay nanoratra ireo teny ireo ao amin’ny Baiboly, koa aza dia dokotera. (Kolosiana 4:14). Angamba nandritra ireo dia niarahan’ny apostoly Paoly taminy, dia nandray soa tamin’ny fahaizana ara-pitsaboana nananan’i Lioka izy. Manome toro lalana momba ny karazam-pitsaboana azon’ny Kristianina ekena anefa ve ny Soratra Masina? Zava-dehibe ve ny fitsaboana fidinao?
Toro lalana araka ny Soratra Masina
Afaka mitari-dalana ny olona mba handraisana fanapahan-kevitra feno fahendrena momba ny fitsaboana ny Baiboly. Ohatra, milaza mazava ny Deoteronomia 18:10-12 fa “fahavetavetana” amin’i Jehovah ny fanaovana sikidy sy ny majika. Nampitandrina ny amin’ny “fanaovana ody ratsy” i Paoly, ary tafiditra amin’izany ireo fanaovan-javatra voarara ireo. (Galatiana 5:19-21). Noho izany, dia tsy manaraka fizaham-pahasalamana na fomba fitsaboana misy fifandraisana amin’ny fanahy ratsy ny Kristianina marina.
Ahariharin’ny Baiboly koa fa mihevitra ny fahamasinan’ny aina sy ny ra ho sarobidy ny Mpamorona. (Genesisy 9:3, 4). Tapa-kevitra ny hanaraka ilay didy mba ‘hifady ny ra’ ny Vavolombelon’i Jehovah, ka manohitra mafy ireo fomba fitsaboana izay mandika ny baikon’ny Baiboly mba hifady ny ra. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29). Tsy midika akory izany hoe mandà ny fitsaboana rehetra izy ireo. Tsia, mitady izay fikarakarana tsara indrindra azo atao kosa aza izy ireo, ho an’ny tenany sy ho an’ny zanany. Mangataka an’ireo matihanina momba ny fahasalamana anefa izy ireo mba hanome fitsaboana izay mifanaraka amin’ny hevitra ara-pivavahana ekeny mafy.
Diniho ny dianao
Nampitandrina i Solomona Mpanjaka fa “ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany”. (Ohabolana 14:15). Na rehefa tsy mifanohitra mivantana amin’ny foto-pitsipika ara-baiboly aza ny fanapahan-kevitra iray momba ny fitsaboana, dia tokony ‘handinika ny diany’ ihany ny olona iray. Tsy ny endri-pitsaboana rehetra akory no mahasoa. Rehefa nilaza i Jesosy fa ‘mila dokotera ny marary’, dia tsy hoe nankasitrahany avokoa izay fitsaboana rehetra nisy tamin’ny androny. Fantany fa nisy endri-pitsaboana tsara ary nisy namitaka.a
Mitovy amin’izany ankehitriny, fa mety tsy handaitra, ary mety ho hosoka mihitsy aza, ny fitsaboana sasany. Mety hampidi-doza tsy amin’ny antony ny tsy fahaiza-mitsara zavatra. Tokony hekena koa fa ny fitsaboana iray izay mahasoa ny olona iray dia mety tsy handaitra amin’ny iray hafa, na mety hampidi-doza azy mihitsy aza. Rehefa tsy maintsy handray fanapahan-kevitra momba ny fitsaboana ny olona malina iray, dia handanjalanja amim-pitandremana ireo safidy ananany, fa tsy ‘hino ny teny rehetra’, eny fa na dia mahazo tolo-kevitra avy amin’ny namana tsara fikasa aza. Haneho “saina mahay mitsara zavatra” kosa izy, ka hitady fanazavana azo itokisana, mba hahafahany hanao safidy miorina amin’ny fahalalana tsara. — Titosy 2:12, NW.
Ekeo ny zava-misy ary mahalalà ny antonony
Ara-dalàna ny hanahiana ny amin’ny fahasalaman’ny tena. Fanehoana fankasitrahana an’ilay aina nomena antsika sy ny Loharanony, dia Andriamanitra, ny fikarakarantsika amim-pahaiza-mandanjalanja ny fahasalamantsika. (Salamo 36:9). Na mitady hahazo fitsaboana mety aza ny Kristianina, dia tokony hampiseho fahaiza-mandanjalanja kosa izy raha ny amin’ny fahasalamana. Ohatra, raha manjary fatra-piahy ny fahasalamana sy ny hananana vatana tomady ny olona iray azo atao hoe salama tsara, dia mety hanjary hanadino ireo “zavatra lehibe kokoa”. — Filipiana 1:10, NW; 2:3, 4.
“Nandany ny fananany rehetra” nitady dokotera hitsabo ny aretiny, ny vehivavy iray narary mafy, tamin’ny andron’i Jesosy. Inona no vokany? Tsy sitrana akory izy, fa niharatsy ny toe-pahasalamany, ka azo antoka fa nahatonga azy ho kivy be izany. (Marka 5:25, 26). Nanao izay rehetra azony natao izy mba hahazoana fanamaivanana, nefa tsy nahomby daholo izany. Manasongadina ny fetran’ny mety ho vitan’ny siansa ara-pitsaboana tamin’ny androny izany. Amin’izao andro izao koa, dia mitovy amin’izany ihany ny toe-javatra misy ny olona maro, na dia eo aza ny fandrosoan’ny fikarohana sy ny teknolojia ara-pitsaboana. Noho izany, dia zava-dehibe ny hanekena ny zava-misy, raha ny amin’ny zavatra azon’ny siansa ara-pitsaboana atao. Tsy misy fahasalamana lavorary amin’izao andro izao. Manaiky ny Kristianina fa mbola ho avy ilay fotoana natokan’Andriamanitra “ho fanasitranana ny firenena maro”. (Apokalypsy 22:1, 2). Noho izany, dia tsy maintsy mamboly fomba fijery voalanjalanja momba ny fitsaboana isika. — Filipiana 4:5.
Mazava àry fa zava-dehibe ireo safidy ataontsika. Noho izany antony izany, rehefa tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra momba ny fitsaboana isika, dia tokony hahitana taratry ny faniriantsika ho salama tsara sy ny faniriantsika hihazona fifandraisana tsara amin’Andriamanitra ny safidy ataontsika. Raha manao izany isika, dia afaka manohy mibanjina amin-toky ny fahatanterahan’ilay fampanantenan’i Jehovah, fa ao amin’ilay tontolo vaovao mahatalanjona ho avy, dia ‘tsy hisy mponina hilaza hoe: Marary aho’. — Isaia 33:24.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ohatra, ao amin’ny rakipahalalana ara-pitsaboana nataon’i Dioscoride tamin’ny taonjato voalohany, dia voalaza fa nahasitrana ny ngorongosy ny fisotroana divay mifangaro tain’osy! Mazava ho azy fa fantatsika ankehitriny fa nanampy trotraka ny fahorian’ilay olona efa nijaly izany.
[Sary, pejy 28]
“The Doctor”, nataon’i Sir Luke Fildes tamin’ny 1891
[Sary nahazoan-dalana]
Tate Gallery, London/Art Resource, NY