-
Ny Niandohan’ilay RaharahaMifohaza!—2003 | 8 Janoary
-
-
Ny Niandohan’ilay Raharaha
TANÀNA KELY ANY akaikin’ny Reniranon’i Ohio, any Etazonia, i Stratton. Mampisaraka an’i Ohio sy Virginie Andrefana io renirano io. Manana ben’ny tanàna i Stratton, na dia 300 latsaka monja aza ny mponina ao aminy. Nanjary nisy olana goavana anefa tao amin’io tanàna kely io, tamin’ny 1999. Noteren’ny manam-pahefana hangataka fahazoan-dalana mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny olon-kafa, alohan’ny handehanany isan-trano hitory hafatra avy ao amin’ny Baiboly.
Raharaha goavana izany! Nahoana? Rehefa mamaky izay nitranga ianao, dia ho hitanao fa tsy ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah haneho hevitra ihany no ho voafetra, noho io lalàna navoakan’ny manam-pahefana io. Ho voafetra koa ny zon’ny olon-drehetra any Etazonia.
Ny niandohan’ilay raharaha
Efa nandritra ny taona maro no nitsidika ny mponin’i Stratton ny mpitory avy amin’ny Fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Wellsville, Stratton. Nanomboka tamin’ny 1979, dia nanana olana tamin’ny manam-pahefana sasany tany an-toerana ry zareo noho izany fitoriany isan-trano izany. Nisy polisy nandroaka Vavolombelona vitsivitsy hiala tao an-tanàna, tany am-piandohan’ireo taona 1990. Hoy io polisy io tamin’izy ireo: “Tsy raharahako mihitsy ny zonareo.”
Nipoaka ilay raharaha tamin’ny 1998, rehefa ny ben’ny tanànan’i Stratton mihitsy no nandrahona vehivavy Vavolombelon’i Jehovah efatra. Avy nitsidika izay olona naniry hanao dinidinika ara-baiboly izy ireo tamin’izay, ary handeha hivoaka ny tanàna. Nilaza ny iray tamin’ireo vehivavy ireo fa niteny ilay ben’ny tanàna hoe raha lehilahy izy ireo, dia efa nogadrainy.
Nisy olana indray tatỳ aoriana satria nisy lalàna iray navoakan’ilay tanàna. Milaza io lalàna io fa tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana any amin’ny ben’ny tanàna izay olona te hivarotra na hitaona olona isan-trano. Tsy andoavam-bola izany fahazoan-dalana izany. Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa, io lalàna io dia fanaovana tsinontsinona ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny fahalalahana haneho hevitra ary hampiely vaovao. Nitory tany amin’ny fitsarana àry izy ireo, rehefa tsy nety nanova ny fampiharana ilay lalàna ny tanànan’i Stratton.
Nentina teo amin’ny mpitsaran’ny Faritra Atsimon’i Ohio ilay raharaha, ny 27 Jolay 1999. Nilaza io mpitsara io fa mifanaraka tsara amin’ny lalàm-panorenana ilay lalàna. Mbola nanantitrantitra izany koa ny Fitsarana Ambony Amerikanina ho an’ny Faritra Fahenina, ny 20 Febroary 2001.
Mba handaminana ilay raharaha àry, dia nangataka tamin’ny Fitsarana Tampony hamerina indray ny fitsarana, ny Watchtower Bible and Tract Society of New York sy ny Fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Wellsville.
[Sarintany/Sary, pejy 3]
(Jereo ny gazety)
Los Angeles
New York
OHIO
Stratton
-
-
Nanaiky Handinika Ilay Raharaha ny Fitsarana TamponyMifohaza!—2003 | 8 Janoary
-
-
Nanaiky Handinika Ilay Raharaha ny Fitsarana Tampony
MAHERIN’NY 7 000 ISAN-TAONA ny raharaha alefa any amin’ny Fitsarana Tampony. Tato anatin’ny taona faramparany dia 80 na 90 amin’ireny, izany hoe 1 isan-jato mahery kely monja, no eken’ny Fitsarana Tampony hamoahana didim-pitsarana an-tsoratra!
Nameno Fangatahana Famerenam-pitsarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny Mey 2001, ka nandefa izany tany amin’ny Fitsarana Tampony. Nanontany izy ireo hoe: “Araka ny lalàm-panorenana, mitovy amin’ny mpivarotra ve ireo mpitory mitety trano miresaka ny zavatra inoany ao amin’ny Soratra Masina, efa nandritra ny taonjato maro? Tsy maintsy maka fahazoan-dalana any amin’ny ben’ny tanàna koa ve izy ireo vao mahazo miresaka momba ny Baiboly na mizara maimaim-poana boky sy gazety ara-baiboly?”
Ny 15 Oktobra 2001, dia nilazana ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna An’ny Fikambanana Watchtower fa neken’ny Fitsarana Tampony ny hamerenana ny fitsarana ny raharaha Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., sy ny namany, miady amin’ny Tanànan’i Stratton sy ny namany!
Ilay olana mahatafiditra ny fahalalahana haneho hevitra no neken’ny Fitsarana Tampony hodinihina, ka izao izany: Tafiditra amin’ny fahalalahana arovan’ny Fanitsiana Voalohany ve ny zo hiresaka amin’ny mpiara-monina, ka mahazo manao izany ny olona na dia tsy miseho any amin’ny manam-pahefana aza?
Tsy maintsy hohazavaina eo anatrehan’ireo mpitsara sivy ao amin’ny Fitsarana Tampon’i Etazonia izao ilay raharaha. Hanana ny mpisolovavany ny Vavolombelona, ary hanana ny azy koa ny Tanànan’i Stratton. Inona no hitranga amin’izay?
[Efajoro, pejy 5]
INONA NO ATAO HOE FANITSIANA VOALOHANY?
“FANITSIANA I (NY FANANGANANA FIVAVAHANA; FAHALALAHANA ARA-PIVAVAHANA; FAHALALAHANA HANEHO HEVITRA, HAMPIELY VAOVAO, HIVORY, HAMETRAKA FITARAINANA) Tsy mahazo manao lalàna momba ny fananganana fivavahana ny Antenimieram-pirenena. Tsy azony atao koa ny mamoaka lalàna mandrara ny fahalalahana ara-pivavahana, mametra ny fahalalahan’ny olona haneho hevitra sy hampiely vaovao, mametra ny zon’ny olona hivory amim-pilaminana na ny zony hitaraina amin’ny Fanjakana mba hanala ny zavatra mampahory azy.”—Ny Lalàm-panorenan’i Etazonia (anglisy).
“Ny Fanitsiana Voalohany no fototry ny demokrasia eto Etazonia. Araka ny Fanitsiana Voalohany, ny Antenimieram-pirenena dia tsy mahazo mamoaka lalàna mametra ny fahalalahana haneho hevitra, hampiely vaovao, hivory amim-pilaminana, na hametraka fitarainana. Olona maro no manaiky fa ny fahalalahana haneho hevitra no lehibe indrindra sady fototry ny fahalalahana hafa rehetra. Araka ilay Fanitsiana Voalohany, dia tsy azon’ny Antenimieram-pirenena atao koa ny mamoaka lalàna hananganana fivavaham-panjakana na hamerana ny fahalalahana ara-pivavahana.” (Rakipahalalan’izao Tontolo Izao, anglisy) Efa nisy didim-pitsarana lehibe nahatafiditra ny Vavolombelon’i Jehovah koa tamin’ilay raharaha Cantwell miady amin’i Connecticut (1940). Tsara homarihina fa nilaza ny Fitsarana Tampon’i Etazonia tamin’izay hoe, samy tsy mahazo mamoaka lalàna mety hifanohitra amin’ny zo resahin’ny Fanitsiana Voalohany ny “Antenimieram-pirenena” (ny governemanta) sy ny manam-pahefana eo an-toerana (fanjakana mizaka tena sy tanàna).
[Sary, pejy 5]
Mahatafiditra ny antony rehetra itetezana trano ilay olana
[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]
Photograph by Franz Jantzen, Collection of the Supreme Court of the United States
-
-
Nohazavaina Teo Anatrehan’ny Fitsarana Tampony Ilay RaharahaMifohaza!—2003 | 8 Janoary
-
-
Nohazavaina Teo Anatrehan’ny Fitsarana Tampony Ilay Raharaha
TAPAKA FA NY 26 Febroary 2002 no hanazavana ilay raharaha eo anatrehan’i William Rehnquist, Filohan’ny Fitsarana Tampony, sy ireo mpitsara valo miara-miasa aminy. Mpisolovava efatra no nisolo tena ny Vavolombelon’i Jehovah.
Nanomboka ny fanazavany ny solontenan’ny mpisolovavan’ny Vavolombelona, ary nanaitra ny fampidiran-dresany: “Asabotsy maraina amin’ny 11 ora izao any amin’ny Tanànan’i Stratton. [Nandondòna intelo teo amin’ilay latabatra teo anoloany izy.] ‘Manahoana tompoko. Noho ny zava-nitranga tato ho ato, dia tonga eto aminao aho mba hilaza fa misy vaovao tsara nolazain’ny Mpaminany Isaia. Niresaka an’io vaovao io i Kristy Jesosy, dia ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra.’”
Hoy izy avy eo: “Meloka izay miresaka izany hafatra izany isan-trano any amin’ny Tanànan’i Stratton, raha tsy naka fahazoan-dalana tamin’ny manam-pahefana.”
‘Tsy mangata-bola ve ianareo?’
Nametraka fanontaniana mivantana tamin’ny mpisolovavan’ny Vavolombelona ny Mpitsara Stephen Breyer, hoe: “Marina tokoa ve fa tsy mangata-bola na ariary aza ny Vavolombelon’i Jehovah sady tsy mivarotra Baiboly na zavatra hafa, fa milaza fotsiny hoe: ‘Te hiresaka aminao momba ny fivavahana aho’?”
Namaly ilay mpisolovava hoe: “Tena azo porofoina, Andriamatoa Filoha, fa tsy nangata-bola ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Tanànan’i Stratton. Toy izany koa any amin’ny tanàna hafa. Milaza fotsiny izy ireo, indraindray, hoe afaka manome izay foiny ilay olona, raha te hanao izany. . . . Tsy mitady vola izahay fa te hiresaka amin’ny olona momba ny Baiboly fotsiny.”
Mila fahazoan-dalana avy amin’ny manam-pahefana ve?
Tena tsara ilay fanontaniana napetraky ny Mpitsara Antonin Scalia, hoe: “Araka ny hevitrao, tsy mila mangataka fahazoan-dalana amin’ny ben’ny tanàna ve izany ny olona raha hiresaka zavatra mahaliana amin’ny mpiara-monina aminy?” Namaly ilay mpisolovava hoe: “Antenainay fa tsy hanaiky ity Fitsarana ity raha misy lalàna avoakan’ny Fanjakana hoe tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana ny olom-pirenena vao mahazo mitsidika ny mpiara-monina aminy mba hiresaka.”
Anjaran’ny ankilany izao no nanazava
Anjaran’ny Tanànan’i Stratton izao ny nilaza ny heviny. Nanazava ny antony namoahana ilay lalàna ny mpisolovavany, hoe: “Namoaka io lalàna io ny Tanànan’i Stratton satria tsy tiany ho voahelingelina ny mponina, ary koa mba tsy hisian’ny asan-jiolahy. Zavatra tsotra no takin’ilay lalàna: Tsy maintsy maka fahazoan-dalana izay rehetra te hitety tranon’olona, ary mitondra izany rehefa mitety trano.”
Ny votoatin’ilay raharaha avy hatrany no noresahin’ny Mpitsara Scalia, ka nanontany izy hoe: ‘Efa nisy raharaha toy ity ve nandalo teto amintsika [Fitsarana Tampony]? Tsy resaka fitaomana olona ihany mantsy ilay izy, fa ao koa ny fangataham-bola sy ny varotra. Mbola anisan’ilay izy koa aza ny firesahana momba an’i Jesosy Kristy sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Efa nisy raharaha toy izany ve nandalo teto amintsika?’
“Mbola tsy nahita raharaha mitovy amin’ity mihitsy aho, tato anatin’ny roanjato taona”, hoy izy. Namazivazy azy Andriamatoa Rehnquist, Filohan’ny Fitsarana, hoe: “Ianao aza tsy ampy roanjato taona akory.” Nihomehy daholo ny olona tao amin’ny fitsarana. Hoy ihany ny Mpitsara Scalia: “Betsaka ny zavatra tafiditra amin’ilay izy ka tena vaovao amiko.”
Hevitra tsara ve?
Nivantana ny fanontanian’ny Mpitsara Anthony Kennedy, hoe: “Hevitra tsara ve, hoy ianao, ny hoe tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana amin’ny manam-pahefana aho vao mahazo miresaka amin’ny olona etsy akaiky etsy? Tsy fantatro ny ankamaroan’ny olona eo, nefa aho hiresaka amin’izy ireo, ohatra, hoe: ‘Mampieritreritra ahy ny momba ny fanangonana fako eto an-tanàna’, na hoe, ‘Lasa ny saiko momba ny Solombavam-bahoakantsika’, na resaka mitovitovy amin’izany. Tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana amin’ny manam-pahefana ve aho aloha vao afaka hiresaka an’izany? Hafahafa izany amiko.”
Notohizin’ny Mpitsara Sandra O’Connor toy izao izany fanontaniana izany: “Ary ahoana ireny ankizy mangataka zavatra isan-trano ireny? Tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana koa ve ry zareo?” Niara-namelabelatra an’io hevitra io avy eo, ny Mpitsara O’Connor sy Scalia. Nanontany koa ny Mpitsara O’Connor hoe: “Ary ahoana raha hindrana siramamy iray kaopy amin’ny mpiara-monina? Tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana ve aho vao mahazo mindrana siramamy iray kaopy amin’ny mpiara-monina amiko?”
Mpitaona olona ve ny Vavolombelona?
Nanontany ny Mpitsara David Souter hoe: “Fa nahoana no mihatra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah io lalàna io? Fa angaha ry zareo mpitaona olona, na mpivarotra mitety trano na mpivaro-mandeha, sa mpikarama? Tsy mpanao an’ireo mihitsy ry zareo, sa tsy izany?” Namaky tamin’ny an-tsipiriany an’ilay lalàna ny mpisolovavan’i Stratton. Nilaza izy avy eo fa nokilasin’ny fitsaram-paritra ho mpitaona olona ny Vavolombelon’i Jehovah. Namaly azy ny Mpitsara Souter hoe: “Malalaka be mihitsy izany ny famaritanao ny atao hoe mpitaona olona, raha lazainao fa anisany ny Vavolombelon’i Jehovah.”
Namaky ny famaritan’ny diksionera ny atao hoe mpitaona olona ny Mpitsara Breyer, mba hampisehoana fa tsy mihatra amin’ny Vavolombelona ilay izy. Hoy izy avy eo: “Tsy hitako tao amin’ilay fanazavana an-tsoratra nomenao ny antony hitakiana amin’ireo olona ireo [Vavolombelon’i Jehovah] haka fahazoan-dalana any amin’ny lapan’ny tanàna, nefa izy ireo tsy mitady vola, tsy mivarotra, tsy mitaona olona. Fa nahoana izy ireo no takin’ny tanànan’i Stratton hanao izany?”
“Fahazoan-dalana” hiresaka
Nanazava ny mpisolovavan’i Stratton hoe navoaka ilay lalàna satria “tsy tian’ny tanànan’i Stratton ho voakorontana ny mponina ao aminy.” Nohazavainy fa natao hiarovana azy ireo amin’ny mpisoloky sy ny jiolahy io lalàna io. Novakin’ny Mpitsara Scalia ilay lalàna mba hampisehoana fa azon’ny ben’ny tanàna anontaniana tsara ny mombamomba izay olona maka fahazoan-dalana sy izay tian’ilay olona hatao. “Ho fantatra tsara amin’izay hoe fahazoan-dalana hanao inona no tadiaviny.” Izao no fanamarihany avy eo: “Tsy azoko hoe nahoana ny olona iray no tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana raha te handresy lahatra ny mpiara-monina aminy.”
Hoy ihany ny Mpitsara Scalia: “Tokony horaisina any amin’ny lapan’ny tanàna koa ve izany ny peta-tondron’ny olona tsirairay alohan’ny handondònany varavarana? Tsy dia atahorana hanao asan-jiolahy akory ireo olona ireo, ka izany ve no hitakiana amin’ny mponina rehetra hangataka fahazoan-dalana any amin’ny lapan’ny tanàna, alohan’ny handondònana varavarana? Tsy mety mihitsy izany.”
Miaro ny mponina tokoa ve ilay lalàna?
Tapitra ny 20 minitra natokana ho an’ny mpisolovavan’i Stratton, ka nomeny ny fampanoavana, ny fitenenana. Nanazava ny fampanoavana fa miaro ny mponina ilay lalàna, satria olon-tsy fantatra ilay tonga ao an-trano “sady tsy nasaina akory.” Nilaza izy avy eo hoe: “Heveriko àry fa rariny ilay tanàna raha hilaza hoe ‘mampanahy anay izany.’ ”
Nilaza ny Mpitsara Scalia hoe: “Izao izany ny hevitr’ilay tanàna: Tsy maintsy maka fahazoan-dalana any amin’ny ben’ny tanàna foana [ny Vavolombelon’i Jehovah], na dia handondòna any am-baravaran’ny olona manirery vonona handray azy ireo sy mitady olona hiresahana aza.”
“Fepetra kely fotsiny”
Nanasongadina hevitra tena tsara ny Mpitsara Scalia, nandritra izany fanadihadiana izany. Hoy izy: “Ekentsika rehetra angamba fa ny tany misy mpitondra tsy refesi-mandidy ihany no milamina indrindra. Tsy dia misy asan-jiolahy any, ary iarahantsika mahalala izany. Betsaka kosa ny tsy fanarahan-dalàna any amin’ny tany misy fahalalahana. Ny fanontaniana anefa dia hoe: Hihena tokoa ve ny tsy fanarahan-dalàna raha ampiharina ilay lalàna hoe tsy mahazo mandondòm-baravarana, raha tsy mangataka fahazoan-dalana?” Namaly ny fampanoavana hoe “fepetra kely fotsiny io.” Hoy anefa ny Mpitsara Scalia: ‘ “Fepetra kely fotsiny hoe?” Mbola tsy nahita tanàna namoaka lalàna toy izany mihitsy isika, ka nentina tetỳ amin’ny fitsarana. Tsy fepetra kely io, amiko.’
Resy lahatra ihany ny fampanoavana, rehefa avy niteny ny iray tamin’ireo mpitsara, ka hoy izy: “Misalasala ihany aho hilaza hoe azo sakanana tsotra izao tsy handondòm-baravarana ny olona.” Izay no namaranany ny teniny.
Rehefa nilaza ny heviny ny mpisolovavan’ny Vavolombelona, dia nasongadiny fa tsy hahafantarana ny tena antony handehanan’ny olona isan-trano ilay lalàna. Hoy izy: “Afaka mankany amin’ny lapan’ny tanàna aho, ka miteny fotsiny hoe: ‘[Ranona] no anarako’, dia mahazo fahazoan-dalana aho ary afaka mitety trano.” Nomarihiny koa fa manana fahefana tsy hanome fahazoan-dalana ny ben’ny tanàna, na milaza aza ilay olona fa tsy anisan’ny fikambanana iray izy. ‘Afaka manapa-kevitra araka izay tiany àry ny ben’ny tanàna’, hoy izy. Nampiany avy eo hoe: “Tena mifandray amin’ny fahalalahana fototra voalazan’ny Fanitsiana Voalohany, tompoko, ny asanay [Vavolombelon’i Jehovah].”
Namarana ny fotoana Andriamatoa Rehnquist, taoriana kelin’izay, ka hoy izy: “Eo am-pelatanan’ny [Fitsarana Tampony] izao ny raharaha.” Adiny iray mahery kely no naharetan’ny fanazavana rehetra. Hita fa zava-dehibe io adiny iray io rehefa nivoaka ny didim-pitsarana an-tsoratra, tamin’ny volana Jona 2002.
[Sary, pejy 6]
Andriamatoa Rehnquist, Filohan’ny Fitsarana
Mpitsara Breyer
Mpitsara Scalia
[Sary nahazoan-dalana]
Rehnquist: Collection, The Supreme Court Historical Society/Dane Penland; Breyer: Collection, The Supreme Court Historical Society/Richard Strauss; Scalia: Collection, The Supreme Court Historical Society/Joseph Lavenburg
[Sary, pejy 7]
Mpitsara Souter
Mpitsara Kennedy
Mpitsara O’Connor
[Sary nahazoan-dalana]
Kennedy: Collection, The Supreme Court Historical Society/Robin Reid; O’Connor: Collection, The Supreme Court Historical Society/Richard Strauss; Souter: Collection, The Supreme Court Historical Society/Joseph Bailey
[Sary, pejy 8]
Efitrano fitsarana
[Sary nahazoan-dalana]
Photograph by Franz Jantzen, Collection of the Supreme Court of the United States
-
-
Manaiky ny Fahalalahana Haneho Hevitra ny Fitsarana TamponyMifohaza!—2003 | 8 Janoary
-
-
Manaiky ny Fahalalahana Haneho Hevitra ny Fitsarana Tampony
ANDRO LEHIBE NY 17 Jona 2002, satria tamin’io ny Fitsarana Tampony no namoaka ny heviny an-tsoratra. Inona no fanapahan-kevitra noraisiny? Nampahafantatra izany ireo lohatenin-gazety. Hoy ny gazety The New York Times: “Tsy Navelan’ny Fitsarana Hoferana ny Fitsidihan’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Izao no nolazain’ny gazety The Columbus Dispatch any Ohio: “Nolavin’ny Fitsarana Tampony ny Fitakiana Fahazoan-dalana.” Hoy kosa ny gazety The Plain Dealer, any Cleveland, any Ohio ihany: “Tsy Mila Fahazoan-dalana avy Amin’ny Lapan’ny Tanàna ny Mpitety Trano.” Ary hoy ny gazety USA Today: “Nandresy ny Fahalalahana Haneho Hevitra.”
Nofoanana ny didim-pitsarana navoakan’ny fitsaram-paritra sy ny Fitsarana Ambony! Mpitsara 8 no nanaiky izany ary 1 no nanda. Ny Mpitsara John Stevens no nanoratra ny fanazavan’ny Fitsarana, nahatratra 18 pejy. Nanamafy mazava tsara io fanazavana io fa arovan’ny Fanitsiana Voalohany ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanazava ny Fitsarana fa tsy nangataka fahazoan-dalana ny Vavolombelona satria milaza izy ireo fa “ny Soratra Masina no mandidy azy hitory.” Naka teny tao amin’ny fanazavana an-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny Fitsarana, hoe: “Toy ny manao tsinontsinona an’Andriamanitra izahay raha mangataka fahazoan-dalana any amin’ny lapan’ny tanàna alohan’ny hitoriana.”
Nohazavain’ny Fitsarana hoe: “Nofoanan’ny Fitsarana foana izay lalàna mandrara ny fitetezan-trano sy fizarana bokikely, nandritra ny 50 taona mahery. Nahatafiditra ny fahalalahana haneho hevitra arovan’ny Fanitsiana Voalohany ny ankamaroan’ireny raharaha ireny, ka ny Vavolombelon’i Jehovah no nitondra azy ireny teny amin’ny Fitsarana. Takina amin’ny fivavahan’izy ireo mantsy ny fitoriana isan-trano. Tamin’ilay raharaha Murdock miady amin’i Pennsylvanie, . . . (1943), ohatra, dia nomarihinay fa milaza ny Vavolombelon’i Jehovah hoe ‘manahaka an’i Paoly izy ireo, ka mampianatra “eo imason’ny olona sy ao amin’ny isan-trano.” Asan’ny Apostoly 20:20. Arahin’izy ireo ara-bakiteny ilay didin’ny Soratra Masina hoe: “Mandehana any amin’izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra.” Marka 16:15. Mino izy ireo fa mankatò ny didin’Andriamanitra rehefa manao izany.’”
Naka izao teny izao tao amin’ilay didim-pitsarana tamin’ny 1943 indray ny Fitsarana avy eo: “Mitovy amin’ny fotoam-pivavahana any am-piangonana sy ny toriteny eny ambony polipitra io asa ara-pivavahana io, araka ny Fanitsiana Voalohany. Tokony halalaka toy ireo fanao any amin’ny fivavahana efa ela sy be mpanaraka izy io.” Naka teny tao amin’ny didim-pitsarana tamin’ny 1939 koa ny Fitsarana, ka hoy izy: “Tsy malalaka intsony fa lasa voasakantsakana ny fizarana bokikely raha tsy maintsy maka fahazoan-dalana vao mahazo manao izany. Fanaovana tsinontsinona ny fahalalahana fototra arovan’ny lalàm-panorenana izany.”—Izy ireo no manao sora-mandry.
Nanao izao fanamarihana tena tsara izao ny Fitsarana avy eo: “Tsy neken’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy ny hamerana ny zony haneho hevitra malalaka, tamin’ireo raharaha ireo. Tsy niaro ny zony irery anefa izy ireo tamin’izany.” Nohazavaina koa fa “tsy ny Vavolombelona ihany no ‘olon-tsotra’ mety tsy ho afaka haneho ny heviny noho ny fisian’ny lalàna toy ireny.”
Nanazava koa ny Fitsarana fa ilay lalàna “dia manao tsinontsinona ny fitsipika arovan’ny Fanitsiana Voalohany sy ny fahalalahana amin’ny ankapobeny mihitsy. Milaza mantsy izy io fa tsy maintsy mampahafantatra ny fanjakana ny olona hoe te hiresaka amin’ny mpiara-monina aminy, izay vao mahazo fahazoan-dalana hanao izany. . . . Mifanipaka tanteraka amin’ny fahalalahana nolovantsika sy narovan’ny lalàm-panorenantsika hatramin’izay, ny lalàna toy izany.” Nohazavainy koa avy eo ny “voka-dratsin’ny fitakiana fahazoan-dalana toy izany.”
Atahorana ny asan-jiolahy
Ahoana ny amin’ilay filazana hoe miaro amin’ny mpangalatra sy ny jiolahy ilay fahazoan-dalana? Manazava ny Fitsarana hoe: “Ekena aloha fa ara-dalàna raha matahotra isika. Niharihary tamin’ireo didim-pitsarana tany aloha anefa fa tokony hoeritreretintsika koa ny ho fiantraikan’ny fepetra raisintsika eo amin’ny zo arovan’ny Fanitsiana Voalohany.”
Nanazava koa ny Fitsarana hoe: “Toa tsy ho voasakana tsy handondòm-baravarana sy hiresaka zavatra hafa tsy voalaza ao amin’ilay lalàna ny jiolahy, na dia tsy manana fahazoan-dalana aza. Angamba mody hanontany toerana izy, na hangataka hampiasa ny telefaonina. . . . Na angamba naka fahazoan-dalana ihany izy, saingy anarana hafa no nampiasainy ka tsy tratra izy.”
Nampahatsiahy ny didim-pitsarana rehetra tamin’ireo taona 1940 ny Fitsarana, ka nanao hoe: “Narovan’ny Fitsarana foana ny mpiara-mivavaka amin’ireo olona nametraka fitarainana [Vavolombelon’i Jehovah] nandritra ny Ady Lehibe II, tamin’ireo antony tsy dia nisy dikany nitoriana azy ireo. Hita tamin’ny didim-pitsarana navoaka tamin’izany, fa zava-dehibe ny fahalalahana arovan’ny Fanitsiana Voalohany, izay tafiditra koa amin’ity raharaha ity.”
Inona no fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampony? Izao izany: “Tsy manan-kery intsony ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Ambony. Averina any amin’izy ireo ity raharaha ity ka hangatahina izy ireo hanao zavatra mifanaraka amin’ilay didim-pitsarana. Izay no baikon’ny Fitsarana Tampony.”
“Momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana.” Izay àry no niafaran’ilay raharaha, araka ny nilazan’ny gazety Chicago Sun-Times azy. Mpitsara 8 no nanaiky ilay didim-pitsarana, ary 1 no nanda.
Inona no hitranga manomboka izao?
Ahoana no fahitan’ny Vavolombelon’i Jehovah avy any amin’ny Fiangonan’i Wellsville an’iny fandresena tany amin’ny Fitsarana Tampony iny? Tsy hirehareha mihitsy izy ireo mba tsy ho sanganehana ny mponin’i Stratton. Tsy mitana lolompo amin’ireo mponina tsara fanahy ireo ny Vavolombelona. Hoy i Gregory Kuhar, Vavolombelona avy any Stratton: “Tsy naniry hampakatra fitsarana mihitsy izahay tamin’ny voalohany. Hita anefa fa tsy mety ilay lalàna. Tsy ho tombontsoanay ihany no nanaovanay an’iny, fa ho tombontsoantsika rehetra.”
Hita fa tena niezaka mafy nanao izay tsy hampahatezitra ny mponin’i Stratton ny Vavolombelona. Hoy ny Vavolombelona iray atao hoe Gene Koontz: “Ny 7 Martsa 1998 izahay no nitory farany tany Stratton, izany hoe efa-taona mahery izay. Izaho mihitsy no efa norahonana hoe hosamborina. Imbetsaka koa izahay no nandre fa nisy Vavolombelona nampitahorin’ny polisy toy izany koa. Nangataka mba hijery ilay lalàna izahay, nefa tsy nahazo valiny mihitsy.”
Hoy ihany izy: “Te hihavana amin’ny mpiara-monina aminay foana izahay. Raha misy tsy te hotsidihinay amin’izy ireo, dia hajainay ny safidiny. Misy olona sariaka anefa any sady te handre ny hafatra ao amin’ny Baiboly.”
Hoy i Gregory Kuhar: “Tsy filana ady tamin’ny mponin’i Stratton no antony nampakaranay fitsarana an’iny raharaha iny. Tianay fotsiny raha hekena ara-dalàna ny zonay haneho hevitra malalaka, araka ny Lalàm-panorenana.”
“Manantena izahay”, hoy izy, “fa hiverina tsy ho ela any Stratton. Tiako erỳ raha izaho no mandondòm-baravarana voalohany rehefa miverina any izahay. Noho ny didin’i Kristy, dia tsy maintsy hiverina any izahay na inon-kidona na inon-kihatra.”
Nisy vokany tany amin’ny tanàna hafa koa ny fiafaran’ilay raharaha “Watchtower miady amin’ny Tanànan’i Stratton.” Rehefa nahafantatra ilay didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Tampony ny manam-pahefana any amin’ny tanàna sasany any Etazonia, dia neken’izy ireo fa tsy manan-kery intsony koa ny lalàna navoakany mba hamerana ny asa fitoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any aminy. Tsy misy olana intsony izao ny asa fitoriana any amin’ny tanàna 90 eo ho eo, any Etazonia.
[Efajoro, pejy 9]
“NANDRESY INDRAY NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH”
Nanoratra ireo teny ireo tao amin’ny Internet i Charles Haynes, manam-pahaizana ambony sady talen’ny fampianarana any amin’ny Foibe Miaro ny Fanitsiana Voalohany. Eo ambanin’ilay lohateny hoe “Ny Fahalalahan’ny Fivavahana” no misy ireo teny nosoratany ireo. Hoy koa izy: “Nahazo ny fandreseny faha-48 teny amin’ny Fitsarana Tampony [ny Vavolombelon’i Jehovah], tamin’ny herinandro. Noho ireny fandresena niavaka nifanesy ireny, dia nihabetsaka ny toe-javatra azo ampiharana ny Fanitsiana Voalohany, mba hiarovana ny fahalalahan’ny Amerikanina rehetra. Tadidio fa raha afaka mametra ny fahalalahan’ny fivavahan’ny olona iray ny fanjakana, dia ho vitany koa ny hametra ny fahalalahan’ny fivavahana hafa, ary na ny fivavahana rehetra mihitsy aza. . . . Marina aloha fa manana zo tsy hihaino sy hanidy ny varavarany ny olona. Tsy zon’ny fanjakana anefa ny milaza hoe iza no tokony handondòna isam-baravarana. Isaorana be dia be àry ny Fitsarana Tampony noho izay nataony.”
Izao no namaranan’i Haynes ny teniny: “Tokony hankasitraka ny Vavolombelon’i Jehovah isika rehetra. Imbetsaka izy ireo no nompana, noroahina tao an-tanàna, ary niharan’ny herisetra mihitsy aza. Mbola miady ho an’ny fahalalahany ara-pivavahana foana anefa izy ireo (ka miady ho antsika koa). Rehefa mandresy izy ireo, dia isika rehetra no mandray soa.”
[Efajoro/Sary, pejy 10, 11]
NY HEVITRY NY GAZETY MOMBA ILAY DIDIM-PITSARANA
◼ “Momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana; Tsy Ilana Fahazoan-dalana ny Fitoriana Isan-trano
Nino ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izao, fa momba azy Andriamanitra, rehefa mandondòna isam-baravarana izy ireo. Momba azy ireo koa izao ny Fitsarana Tampon’i Etazonia.”—Chicago Sun-Times, 18 Jona 2002.
◼ “Nandresy ny Fahalalahana Haneho Hevitra
Tokony hisaotra ny Vavolombelon’i Jehovah ianao amin’ny manaraka, na dia eo am-pisakafoana aza ianao no tonga izy ireo. Tsy ampy iray tapitrisa akory izy ireo [eto Etazonia], nefa izy ireo angamba no niezaka mafy mihoatra noho ny fikambanana hafa mba hiarovana ny fahalalahan’ny Amerikanina rehetra haneho hevitra. Nanao izany izy ireo satria te hanaraka ny toro lalan’ny fivavahany. . . .”
“Mpankany amin’ny Fitsarana Tampony ny Vavolombelon’i Jehovah. Ho fanoherana ny tsy rariny nataon’ny maro an’isa no nitondran’izy ireo raharaha 24 mahery tany amin’ny Fitsarana Tampony tao anatin’ny 65 taona, ary nandresy foana izy ireo.”— USA TODAY, 18 Jona 2002.
◼ “Nambara fa Zo Mifanaraka Amin’ny Lalàm-panorenana ny Fandehanana Isan-trano. Nandresy ny Vavolombelon’i Jehovah
Nambaran’ny Fitsarana Tampony tamin’ny alatsinainy fa araka ny lalàm-panorenana, dia manana zo hitety trano hanambara ny hevitra ijoroany ny mpanao politika, mpivavaka, Skoto, ary ny olon-kafa, ka tsy mila maka fahazoan-dalana amin’ny manam-pahefana eo an-toerana.”—San Francisco Chronicle, 18 Jona 2002.
◼ “Fitsarana Tampony: Tsy Azo Sakanana Tsy Hitety Trano ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Skoto
WASHINGTON—Nambaran’ny Fitsarana Tampony androany, fa arovan’ny Lalàm-panorenana ny zon’ny misionera sy ny mpanao politika, ary ny olon-kafa handondòna isam-baravarana, ka tsy ilana fahazoan-dalana amin’ny manam-pahefana eo an-toerana. . . .”
“Nanatsoaka hevitra ny fitsarana fa tafiditra amin’ireo zo haneho hevitra malalaka voalazan’ny Fanitsiana Voalohany, ny zo hiresaka mivantana amin’ny olona any an-tranony. Mpitsara 8 no nanaiky izany ary 1 no nanda.”—Star Tribune, Minneapolis, 18 Jona 2002.
[Sary, pejy 9]
Mpitsara Stevens
[Sary nahazoan-dalana]
Stevens: Collection, The Supreme Court Historical Society/Joseph Bailey
-