-
Sao dia efa Tafahoatra Izao Ataonay Izao?Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
-
-
Toko 4
Sao dia efa Tafahoatra Izao Ataonay Izao?
Marina sa diso izao:
Tsy tokony hifampikasika mihitsy ny mpifankatia.
□ Marina
□ Diso
Rehefa manao firaisana ihany ny mpifankatia, vao atao hoe mijangajanga.
□ Marina
□ Diso
Tsy tena mifankatia ny olon-droa, raha tsy manao zavatra manaitra ny filan’ny nofo.
□ Marina
□ Diso
AZO inoana fa efa imbetsaka ianao no nieritreritra an’izany, indrindra raha misy olona miaraka aminao. Mety ho sarotra aminareo ny mamantatra hoe inona no fihetsika mety sy tsy mety, rehefa mifaneho fitiavana. Aleo hojerentsika ny valiny omen’ny Tenin’Andriamanitra amin’ireo fehezanteny telo etsy aloha. Ho fantatrareo amin’izay raha efa tafahoatra na tsia ny zavatra ataonareo.
● Tsy tokony hifampikasika mihitsy ny mpifankatia.
Diso. Tsy raran’ny Baiboly ny fifanehoam-pitiavana, raha madio sy tsy tafahoatra. Voalaza ao, ohatra, fa nisy tovovavy solemita sy tovolahy mpiandry ondry nifankatia. Nadio fitondran-tena foana izy roa, talohan’ny fanambadiany. Nifaneho fitiavana ihany anefa izy ireo. (Tonon-kiran’i Solomona 1:2; 2:6; 8:5) Misy mpifankatia mihevitra koa ankehitriny, fa mety ny manao an’izany, rehefa tena tapa-kevitra ny hivady.a
Tsy maintsy mitandrina tsara anefa izy ireo. Mety hahatonga azy haloto fitondran-tena mantsy ny mifanoroka na mifamihina na manao fihetsika hafa manaitra ny filan’ny nofo. Tsy hitahita akory dia mety tsy hahafehy tena izy roa, ka ho resin’ny fakam-panahy, na dia tsy mieritreri-dratsy aza amin’ny voalohany.—Kolosianina 3:5.
● Rehefa manao firaisana ihany ny mpifankatia, vao atao hoe mijangajanga.
Diso. Maromaro ny hevitr’ilay teny grika nadika hoe “fijangajangana” (pôrneia). Izy io dia firaisana ataon’ny olona tsy mpivady, sy fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny filahiana na ny fivaviana. Tsy izay miray amin’ny olona tsy vadiny ihany àry no mijangajanga, fa izay mikasikasika ny filahiana na fivavian’olon-kafa koa, na manao firaisana amin’ny vava na amin’ny lava-pitombenana.
Tsy ny fijangajangana ihany anefa no raran’ny Baiboly. Hoy ny apostoly Paoly: “Miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fitondran-tena baranahiny.” Hoy izy avy eo: “Tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra izay mpanao an’ireo.”—Galatianina 5:19-21.
Inona no atao hoe “fahalotoana”? Ny hevitr’izy io amin’ny teny grika dia hoe izay fahalotoana rehetra, na amin’ny teny na amin’ny atao. Efa maloto, ohatra, ny olona iray raha manatsofoka ny tanany ao anaty akanjon’olon-kafa, ka mikasikasika ny vatany, na manala ny akanjon’io olona io, na manafosafo ny faritra mahamenatra amin’ny vatany, toy ny nono. Ny mpivady ihany no mahazo mifanafosafo nono sy mankafy izany, araka ny Baiboly.—Ohabolana 5:18, 19.
Misy indray tanora tsy menatra mandika ny fitsipik’Andriamanitra, ka minia manao an’ireo karazam-pahalotoana voalaza etsy aloha. Misy mihitsy aza mitady olona maro be hanaovana an’ireo, nefa tsy mety afa-po. Izany ilay antsoin’ny apostoly Paoly hoe “fitondran-tena baranahiny.” Ny dikan’izy io amin’ny teny grika dia hoe fanao manafintohina, filibana, tsy fanajana, ary filan’ny nofo tsy voafehy. Mazava ho azy fa tsy tianao ny ho lasa “tsy mahalala menatra intsony”, ka manaram-po amin’ny “fitondran-tena baranahiny hanao izao karazam-pahalotoana rehetra izao, sady tsy mety afa-po fa mbola te hanao foana.”—Efesianina 4:17-19.
● Tsy tena mifankatia ny olon-droa, raha tsy manao fihetsika manaitra ny filan’ny nofo.
Diso. Misy mihevitra fa mihamafy ny fifankatiavan’ny olon-droa, raha manao fihetsika manaitra ny filan’ny nofo izy ireo. Diso izany. Lasa tsy mifanaja sy tsy mifampatoky kosa izy ireo. Diniho izay nitranga tamin’i Lala. Hoy izy: “Tonga tao aminay ilay ankizilahy niaraka tamiko, tamin’ny mamanay tsy tao. Mody hoe hijery tele izy. Notazoniny fotsiny aloha ny tanako. Tampoka teo anefa, dia nosafosafoiny daholo ny vatako. Tsy sahy nanohitra azy aho, sao tezitra izy dia handeha.”
Ahoana ny hevitrao? Tena tia an’i Lala ve io ankizilahy io, sa te hanao izay hahafa-po ny filan’ny nofony fotsiny? Tena tia anao ve ny olona mitady hitarika anao haloto fitondran-tena?
Mandika ny lalàn’Andriamanitra ny ankizilahy iray, raha manery ny ankizivavy iarahany tsy hanaraka ny fitsipiky ny Baiboly, sy hanao zavatra tsy eken’ny eritreriny. Tsy tena tia an’ilay ankizivavy koa izy. Tsy manana hazondamosina ny ankizivavy manaiky hanaovan’ny ankizilahy izay tiany. Efa azo lazaina hoe nanao “fahalotoana” koa izy, na nijangajanga mihitsy aza.b—1 Korintianina 6:9, 10.
Mifanaraha tsara dieny mialoha
Raha misy olona iarahanao àry, inona no azonareo atao mba tsy hanaovanareo fihetsika tsy mendrika? Mifanaraha tsara dieny mialoha hoe inona ihany no fihetsika azo atao. Hoy ny Ohabolana 13:10: ‘Hendry izay mila hevitra amin’ny hafa.’ Eritrereto izao: Efa mirehitra be ve ny tranonao, vao hiezaka hamono ny afo ianao? Aza andrasana ho efa mafy be àry ny filan’ny nofo, vao mifanaraka hoe inona no fihetsika azo atao na tsia.
Marina fa sarotra na mahamenatra mihitsy aza ny miresaka an’izany, indrindra raha vao manomboka miaraka ianareo. Tsy hahita olana lehibe anefa ianareo, raha mametraka fepetra mialoha. Toy ny hoe miezaka mamono afo ianareo, dieny mbola tsy mitatra be ilay izy. Mety haharitra koa ny fifandraisanareo, raha zatra mifampiresaka mivantana ianareo. Ary hahafinaritra anareo ny manao firaisana rehefa lasa mpivady ianareo, satria ianareo efa samy niezaka nifehy tena sy nanam-paharetana ary nitady izay hahasoa ny hafa.—1 Korintianina 7:3, 4.
Tsy mora ny mankatò ny fitsipik’Andriamanitra. Matokia anefa fa mahasoa anareo izany. Milaza mantsy i Jehovah ao amin’ny Isaia 48:17 fa izy ‘Ilay mampianatra anareo mba hahitanareo soa, Ilay mampandeha anareo amin’ny lalana tokony halehanareo.’ Izay tena hahasoa anareo no tadiavin’i Jehovah!
JEREO ILAY BOKY TEO ALOHA, TOKO 24, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY
Tsy olona hafahafa ny tanora tsy manao firaisana alohan’ny fanambadiana. Hendry kosa izy ireo. Nahoana?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Manafintohina ny olona any amin’ny tany sasany, ny mahita mpifankatia mifaneho fitiavana eny imasom-bahoaka. Tsy maintsy mitandrina àry ny Kristianina mba tsy hanafintohina olona.—2 Korintianina 6:3.
b Mety ho ilay ankizivavy koa anefa no hampirisika an’ilay ankizilahy hanao izany.
ANDININ-TENY
“Ny fitiavana ... tsy manao izay tsy mahamendrika.”—1 Korintianina 13:4, 5.
SOSO-KEVITRA
Miaraha amin’ny olona iray hafa na maromaro, rehefa miaraka ianareo. Aza mijanona irery ao amin’ny toerana na trano na fiara tsy misy olona. Mety hahalatsaka amin’ny fakam-panahy izany.
FANTATRAO VE... ?
Mila miresaka momba ny firaisana ianareo, raha efa mpifamofo. Efa lasa fahalotoana anefa ilay resaka, raha natao hanairana ny filan’ny nofo fotsiny. Marina foana izany na dia atao amin’ny alalan’ny hafatra na antso an-telefaonina aza ilay izy.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Izao no hataoko mba tsy halaim-panahy haloto fitondran-tena aho: ․․․․․
Izao no hataoko, raha mitady hanery ahy haloto fitondran-tena ilay olona iarahako: ․․․․․
Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Avelanao hikasikasika anao araka izay tiany ve ny ankizilahy na ankizivavy iray? Sa inona ihany no avelanao hataony?
● Inona no maha samy hafa ny fijangajangana sy ny fahalotoana ary ny fitondran-tena baranahiny?
[Teny notsongaina, pejy 46]
Namaky lahatsoratra ara-baiboly momba ny fitondran-tena izahay sy ny fofombadiko. Faly izahay satria nanampy anay hanana feon’ny fieritreretana madio foana izany.’’—Finaritra
[Efajoro, pejy 44]
Ahoana Raha efa Tafahoatra ny Nataonay?
Ahoana raha efa nanao fihetsika tsy mendrika ianareo? Aza mieritreritra hoe ho vitanareo irery ny handamina ilay olana. Nitsotra toy izao ny ankizivavy iray: “Nivavaka foana aho hoe: ‘Ampio izahay tsy hamerina intsony.’ Indraindray ihany anefa izahay vao nahafehy tena.” Miresaha àry amin’ny ray aman-dreninareo. Manome izao torohevitra tsara izao koa ny Baiboly: ‘Antsoy ny anti-panahin’ny fiangonana.’ (Jakoba 5:14) Afaka manoro hevitra sy mananatra anareo mantsy izy ireny, mba hifandraisanareo tsara indray amin’Andriamanitra.
[Sary, pejy 47]
Avelanao hirehitra be ve ny tranonao vao hiezaka hamono ny afo ianao? Aza andrasana ho efa mafy be àry ny filan’ny nofo, vao mifanaraka hoe inona no fihetsika azo atao na tsia
-
-
Ratsy ve ny Manao Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
-
-
Toko 5
Ratsy ve ny Manao Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?
“Tena te hanandrana hanao firaisana aho.”—Meva.
“Hoatran’ny hoe ankizy hafahafa aho, satria mbola tsy nanao firaisana mihitsy.”—Hery.
“MBOLA tsy nanao firaisana mihitsy ve ianao?” Mety ho menatra ianao raha misy manontany an’izany! Heverin’ny olona ho hafahafa mantsy ny ankizy mbola tsy nanao firaisana. Tsy mahagaga raha maro be ny tanora tsy ampy 20 taona akory, dia efa manao an’izany!
Mafy ny faniriana, ny ankizy koa manery
Mandidy antsika ‘hifady ny fijangajangana’ ny Baiboly. Fantatrao tsara izany, raha Kristianina ianao. (1 Tesalonianina 4:3) Mety mbola ho sarotra aminao ihany anefa ny mifehy ny fanirianao hanao firaisana. Hoy i Hasina: “Tsy haiko fa mieritreritra ho azy momba ny firaisana aho indraindray.” Aza matahotra fa voajanahary izany.
Mahasorena anefa ny hoe esoin’ny ankizy sy ampijaliny, satria mbola tsy nanao firaisana! Ahoana, ohatra, raha misy milaza aminao fa tsy tena lehilahy na tsy tena vehivavy ianao raha tsy efa nanao firaisana? Hoy i Patricia: “Ataon’ny ankizy izay hinoanao hoe mahafinaritra sady anisan’ny fiainana ny manao firaisana. Hafahafa ianao aminy, raha tsy manao firaisana amin’ity olona rehetra ity.”
Misy zavatra mety tsy horesahin’ny namanao mihitsy anefa. Hoy, ohatra, i Mirana, izay nanao firaisana tamin’ilay ankizilahy niarahany: “Menatra be aho, taorian’ilay izy. Lasa halako ny tenako sy ilay ankizilahy.” Mateti-pitranga izany, tsy araka ny eritreretin’ny tanora maro. Mazàna no miteraka alahelo sy vokany mahatsiravina hafa, ny firaisana alohan’ny fanambadiana!
Hoy anefa ny tanora iray atao hoe Sandy: “Nahoana àry Andriamanitra no nampisy faniriana hanao firaisana ao amin’ny tanora, nefa tsy avelany hanao an’izany izy ireo raha tsy efa manambady?” Tsara io fanontaniana io. Diniho anefa izao:
Ny faniriana hanao firaisana ihany ve no faniriana ao anatinao? Tsia. Nasian’i Jehovah Andriamanitra faniriana sy fihetseham-po maro be ao anatinao.
Tsy maintsy tanterahinao foana ve izay faniriana ao aminao? Tsia, satria nataon’Andriamanitra hahay hifehy tena koa ianao.
Inona àry no dikan’izany? Mety tsy ho afaka hanakana ny faniriana sasany tsy hipoitra ianao, nefa afaka mifehy tena mba tsy hanatanteraka an’izany. Raha manao firaisana foana ianao, isaky ny te hanao izany, dia toy ny olona mikasi-tanana ny hafa isaky ny tezitra. Sady ratsy izany no hadalana!
Tsy nirin’Andriamanitra mihitsy ny hampiasantsika amin’ny fomba ratsy ny filahiana sy ny fivaviana. Tokony ‘hahay hifehy tena, amin’ny fahamasinana sy ny haja ny tsirairay’, hoy ny Baiboly. (1 Tesalonianina 4:4) “Misy fotoana itiavana ary misy fotoana ankahalana.” Misy fotoana koa àry hanatanterahana ny faniriana hanao firaisana, ary misy fotoana hifehezana izany. (Mpitoriteny 3:1-8) Matokia fa ho vitanao ny hifehy tena!
Ahoana anefa raha misy olona tsy mino hoe mbola tsy nanao firaisana ianao, ka mananihany hoe: “Dia tena mbola tsy nanao an’izany tokoa ve ianao?” Aza menatra. Raha te hanambany anao fotsiny izy, dia lazao hoe: “Ie! Mbola tsy nanao firaisana aho, ary tsy mahamenatra ahy izany!” Na koa hoe: “Fiainako izany, ka aleo tsy hidiranao.”a (Ohabolana 26:4; Kolosianina 4:6) Misy kosa olona mba te hahazo fanazavana. Azonao atao amin’izay ny manazava ny fitsipiky ny Baiboly arahinao.
Angamba ianao mahita fomba hafa hamaliana an’ilay hoe: “Dia tena mbola tsy nanao firaisana tokoa ve ianao?” Soraty eto izany, raha misy.
․․․․․
Fanomezana sarobidy
Inona no tsapan’Andriamanitra rehefa misy manao firaisana alohan’ny fanambadiana? Eritrereto hoe nividy fanomezana ho an’ny namanao ianao. May hahita azy io anefa izy, ka nosokafany ilay izy nefa mbola tsy nomenao azy akory! Tsy halahelo ve ianao? Eritrereto àry izay tsapan’Andriamanitra raha manao firaisana alohan’ny fanambadiana ianao. Fanomezana avy aminy ny firaisana, ka rehefa manambady ianao vao tiany hankafy azy io.—Genesisy 1:28.
Inona àry no tokony hataonao raha maniry hanao firaisana ianao? Mianara mifehy tena. Vitanao izany! Mivavaha amin’i Jehovah. Afaka manampy anao hahay hifehy tena kokoa ny fanahiny. (Galatianina 5:22, 23) Tadidio fa “tsy hiahotra ny hanome zava-tsoa ho an’izay mandeha tsy misy tsiny” izy. (Salamo 84:11) Hoy i Ismaël: “Rehefa mitady hieritreritra aho hoe hoatran’ny tsara ny manao firaisana alohan’ny fanambadiana, dia saintsainiko ny voka-dratsiny eo amin’ny fifandraisako amin’i Jehovah. Hitako avy eo fa tsy misy hatakaloko an’io fifandraisana io, na fahotana mahafinaritra toy inona aza.”
Tsy olona hafahafa ianao, raha mbola tsy nanao firaisana. Tsy mendrika sy mahamenatra ary mampidi-doza kosa ny firaisana alohan’ny fanambadiana. Aza mino ny hevi-dison’ity tontolo ity àry. Adala mantsy, hono, izay mankatò ny fitsipiky ny Baiboly. Raha tsy manao firaisana alohan’ny fanambadiana ianao, dia ho salama sy hilamin-tsaina, ary indrindra hifandray tsara amin’Andriamanitra.
JEREO ILAY BOKY TEO ALOHA, TOKO 24, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsara homarihina fa rehefa nanontanian’i Heroda i Jesosy, dia naleony tsy namaly. (Lioka 23:8, 9) Aleo koa manao toy izany indraindray rehefa misy mametraka fanontaniana manafintohina.
ANDININ-TENY
‘Raha misy tapa-kevitra ao am-pony ny hitoetra ho virjiny, dia tsara ny ataony.’—1 Korintianina 7:37.
SOSO-KEVITRA
Aza minamana amin’ny olona tsy tena mankatò ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena, na dia mpiray finoana aminao aza izy.
FANTATRAO VE... ?
Mety ho sarotra amin’ny olona zatra nanao firaisana talohan’ny fanambadiana ny hiova, rehefa manambady izy. Matetika kosa no tsy mivadika amin’ny vadiny ny olona zatra nankatò ny fitsipik’Andriamanitra, tamin’izy mbola mpitovo.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Izao no hataoko mba tsy hanaovako firaisana mihitsy, raha tsy efa manambady aho: ․․․․․
Izao no hataoko raha mbola mitady hampirisika ahy hanao firaisana ny namako: ․․․․․
Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Nahoana no misy maneso ny olona mbola tsy nanao firaisana mihitsy?
● Nahoana no sarotra ny mitandrina mba tsy hanao firaisana alohan’ny fanambadiana?
● Inona avy no soa ho azonao, raha tsy manao firaisana alohan’ny fanambadiana ianao?
● Ahoana no hanazavanao an’ireo soa ireo amin’ny zandrinao?
[Teny notsongaina, pejy 51]
Mitadidy foana aho hoe ‘tsy manana lova ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra, na ny mpijangajanga na ny olona mpanaraka fanao maloto.’ Izany no manampy ahy ho tapa-kevitra tsy haloto fitondran-tena.’’ (Efesianina 5:5)—Diary
[Efajoro, pejy 49]
Fanampiana Hisaintsaina
Inona no Tena Mitranga avy Eo?
Matetika no afenin’ny namanao sy ny mpamoaka filma na boky be mpitia, ny voka-dratsin’ny firaisana alohan’ny fanambadiana. Diniho ireto toe-javatra ireto. Inona no tena mitranga amin’ireo tanora ireo, rehefa avy manao firaisana izy?
● Faly erỳ ny mpiara-mianatra aminao iray milaza hoe efa nanao firaisana tamin’ny ankizivavy be dia be. Mahafinaritra, hono, ilay izy, sady tsy nisy vokany ratsy. Inona anefa no tena nitranga taminy sy tamin’ireo ankizivavy ireo avy eo? ․․․․․
● Manao firaisana ny tanora roa tsy mpivady, amin’ny faran’ny filma iray, mba hampisehoana fa mifankatia izy ireo. Inona no hitranga avy eo, raha tsy filma ilay izy, fa tena nisy? ․․․․․
● Manasa anao hanao firaisana aminy ny ankizilahy iray tsara tarehy. Milaza izy fa tsy hotenitenenina amin’olona ilay izy. Aoka hatao hoe nanaiky ianao, ary manafina ny nataonareo. Inona no tena hitranga avy eo? ․․․․․
[Sary, pejy 54]
Raha manao firaisana alohan’ny fanambadiana ianao, dia toy ny hoe manokatra fanomezana mbola tsy nomena anao akory
-
-
Fa Maninona àry Aho?Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
-
-
Toko 6
Fa Maninona àry Aho?
“Tsy tiako fa nihalava haingana loatra aho. Tsara aloha ilay mihalava e! Fa mahasosotra koa ilay izy, satria nivonkina foana ny hozatra tao amin’ny tongotro!”—Hasina.
“Miova ny vatanao, dia mba manantena ianao hoe tsy hisy hahita ilay izy. Iny anefa fa misy milaza aminao hoe: ‘Lasa mivelabelatra ange indrỳ izany e!’ Tsy voatery hoe te hananihany anao ilay olona, nefa te hisitri-belona ianao!”—Shania.
EFA mba nifindra trano ve ianareo mianakavy? Mafy taminao ilay izy, sa tsy izany? Niova daholo mantsy ny zavatra nahazatra anao, toy ny trano, sekoly, ary namana. Elaela angamba ianao vao tamana.
Miova koa ny fiainanao, rehefa tonga ny fotoanan’ny fahamaotiana. Manomboka manana vatan’olon-dehibe ianao amin’izay. Anisan’ny fiovana lehibe indrindra eo amin’ny fiainana izany. Toy ny hoe “mifindra trano” ianao amin’io fotoana io. Marina fa mahafinaritra ilay hoe mihalehibe, nefa mety hitebiteby koa ianao, ary mety ho elaela vao zatra. Inona tokoa no mitranga amin’io fotoana mahafinaritra nefa mampikorontan-tsaina io?
Fiovana eo amin’ny ankizivavy
Ho an’ny ankizivavy, dia matetika no manomboka ilay fiovana lehibe, rehefa 12 taona eo ho eo izy. Mora hita ny fiovana sasany. Hisy volo haniry, ohatra, eo amin’ny fivavianao. Hormonina no mahatonga izany. Hihalehibe ny nono, andilana, fe, ary ny fitombenanao. Hiova tsikelikely ho vatam-behivavy ny vatanao, fa tsy vatan’ankizy kely intsony. Tsy mampahatahotra izany, fa tena voajanahary. Midika koa izany fa manomboka vonona ho amin’ny fiterahana ny vatanao!
Ho tonga fotoana na fadimbolana ianao, rehefa manomboka kelikely ny fahamaotiana. Mety hampahatahotra anao io zava-mitranga lehibe eo amin’ny fiainanao io, raha tsy resahina aminao mialoha. Hoy i Samantha: “Tsy fantatro mihitsy izany hoe tonga fotoana izany taloha, ka noheveriko hoe maloto aho tamin’izaho tonga fotoana voalohany. Nisasa ela be aho, sady niteny hoe: ‘Tsss... Maharikoriko!’ Niferinaina aho nieritreritra hoe ho tonga fotoana foana isam-bolana!”
Tadidio anefa fa manomboka vonona ho amin’ny fiterahana ny vatanao, matoa ianao tonga fotoana. Efa ho vehivavy lehibe ianao izao, na dia afaka taona maro aza vao ho vonona tsara ny hiteraka. Na izany aza, dia mety ho sahiran-tsaina ianao rehefa tonga fotoana voalohany. Hoy i Fanja: “Ny tena tsy tiako dia ilay izaho mbetika faly mbetika malahelo. Sorena aho satria tsy haiko tamin’izany hoe naninona aho no falifaly be nandritra ny andro, nefa nigogogogo nitomany indray ny alin’iny.”
Raha izany koa no tsapanao, dia mahareta. Ho zatra ihany ianao rehefa mandeha ny fotoana. Hoy i Aina, 20 taona: “Nekeko ihany tamin’ny farany hoe tsy maintsy mandalo amin’izany ny vehivavy rehetra, ary nataon’i Jehovah tonga fotoana aho mba hahafahako hiteraka. Elaela ianao vao manaiky an’ilay fiovana, ary tena sarotra izany ho an’ny ankizivavy sasany. Ekenao ihany anefa ilay izy amin’ny farany.”
Efa mitranga aminao koa ve ny sasany amin’ireo fiovana noresahina teo ireo? Raha misy fanontanianao, dia soraty eto.
․․․․․
Fiovana eo amin’ny ankizilahy
Ho hita be eo amin’ny bika aman’endrikao fa ao anatin’ny fotoanan’ny fahamaotiana ianao. Mety hivoaka menaka, ohatra, ny hoditrao ka hisy mony.a Hoy i Matthias, 18 taona: “Kivy mihitsy aho amin’ilay feno mony. Mahasosotra! Tsy mety afaka ilay izy. Asa raha ho afaka ihany indray andro any! Indraindray koa mamela lavadavaka ilay izy, ka lasa tsy tian’ny ankizy ianao.”
Tsy ratsy daholo anefa ny fiovana eo amin’ny vatanao. Hihalehibe sy hihamatanjaka ianao, ary hihamivelatra ny sorokao. Mety hisy volo haniry koa eny amin’ny tongotra, tratra, tarehy, ary any ambany helikao. Izao anefa: Tsy izay be volo ihany no atao hoe tena lehilahy. Misy koa tsy dia misy volo. Mety ho nolovana tamin’ny ray aman-dreny fotsiny ilay izy.
Mety hikaviavia ianao, satria misy faritra amin’ny vatanao mitombo haingana kokoa noho ny hafa. Latsaka ho azy, ohatra, indraindray ny zavatra eny an-tananao. Izany indrindra no nahazo an’i Haja. Nilaza izy fa toy ny hoe androany ny atidohany no mibaiko ny tanany, nefa tsy mihetsika ilay izy raha tsy afaka herinandro!
Manomboka vaky feo koa ianao. Miovaova ny feonao mandritra ny fotoana kelikely. Mety ho be feo, ohatra, ianao, nefa tampoka eo dia lasa kely feo indray. Ihomehezo fotsiny ilay izy, dia tsy ho menatra loatra ianao. Aza matahotra fa tsy hiova intsony ny feonao amin’ny farany.
Manomboka miasa koa ny taovam-pananahanao, ka mihalehibe ny filahianao, ary lasa maniry volo manodidina azy io. Mamokatra ranoka atao hoe tsirinaina, ny taovam-pananahana. Misy tsirilahy bitika an-tapitrisany ao anatin’io ranoka io. Mivoaka eo amin’ny filahiana ireo tsirilahy ireo, rehefa manao firaisana ny lehilahy. Rehefa mitambatra amin’ny tsirivavy ny tsirilahy, dia lasa misy zaza miforona ao an-kibon’ny vehivavy.
Mihabetsaka foana ny tsirinaina ao anatinao. Levona ny sasany, fa misy kosa mivoaka ho azy etỳ ivelany, rehefa matory ianao. Voajanahary izany, ary resahin’ny Baiboly mihitsy aza. (Levitikosy 15:16, 17) Midika izany fa miasa tsara ny taovam-pananahanao, ary efa ho lehilahy lehibe ianao.
Efa mitranga aminao koa ve ny sasany amin’ireo fiovana noresahina teo ireo? Raha misy fanontanianao, dia soraty eto.
․․․․․
Fihetseham-po vaovao
Rehefa manomboka miasa ny taovam-pananahan’ny tanora, dia lasa mieritreritra ankizilahy na ankizivavy foana izy. Hoy i Matthias: “Rehefa nihalehibe aho, dia tsy haiko fa lasa voamariko hoe be dia be ny ankizivavy mahafatifaty. Tsy tiako maizina ilay izy, satria fantatro fa tsy afaka miaraka amin’ny ankizivavy aho raha tsy efa lehibe.” Hiresaka bebe kokoa momba izany ny Toko 29. Tena ilainao anefa aloha izao ny mianatra mifehy ny fanirianao hanao firaisana. (Kolosianina 3:5) Marina fa sarotra ilay izy, nefa ho vitanao!
Misy zavatra hafa tsy maintsy hitranga aminao koa mandritra ny fahamaotiana. Mora mahatsapa ho tsy misy ilana azy, ohatra, ny tanora. Maro koa ny ankizy manirery sy kivy indraindray. Raha mitranga aminao izany, dia resaho amin’ny ray aman-dreninao na olon-dehibe hafa atokisanao. Soraty eto ny anaran’izay olon-dehibe tianao hiresahana.
․․․․․
Ny zava-dehibe indrindra
Marina fa hihalava ianao, ary hihatsara ny bika aman’endrikao. Tsy izany anefa no tena zava-dehibe, fa ny fitomboanao eo amin’ny lafiny ara-tsaina, ara-pihetseham-po, ary indrindra ny ara-panahy. Hoy ny apostoly Paoly: “Fony aho zaza, dia niteny toy ny zaza, nieritreritra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza. Fa amin’izao izaho efa olon-dehibe izao, dia nesoriko ny toetran-jaza.” (1 Korintianina 13:11) Mazava ny tiany holazaina, dia hoe tsy ampy ny manana vatan’olon-dehibe. Tsy maintsy mianatra manao zavatra, miteny, ary mieritreritra toy ny olon-dehibe ianao. Mitandrema sao variana loatra amin’ny bika aman’endrikao, ka hadinonao ny manatsara ny toetranao!
Tadidio koa fa ‘ny fo no jeren’i Jehovah.’ (1 Samoela 16:7) Milaza ny Baiboly fa sady lava no tsara tarehy i Saoly Mpanjaka. Tsy nahavita ny asa nanendrena azy anefa izy, ary tsy nampiseho hoe tena lehilahy. (1 Samoela 9:2) I Zakaiosy kosa nanana herim-po nanova ny fiainany, na dia “fohy kely” aza, ka lasa mpianatr’i Jesosy. (Lioka 19:2-10) Hita àry fa ny toetra no tena zava-dehibe.
Tsarovy fa sady tsy azo hafainganina, no tsy azo hahemotra ny fahamaotiana. Aza sorena na matahotra àry, rehefa misy fiovana eo amin’ny vatanao. Ataovy kosa izay hahatonga anao ho zatra azy ireny, ary aza kivy. Ihomehezo fotsiny ilay izy. Tsy aretina akory ny fahamaotiana, ary tsy ianao no voalohany nandalo tamin’izany. Nahavita nandalo an’io fotoan-tsarotra io ny olon-kafa. Matokia fa ho vitanao koa izany. Ho lasa olon-dehibe ianao, rehefa tapitra io fotoana mampikorontan-tsaina io!
Ahoana raha tsy tianao ny bika aman’endrikao, rehefa mijery fitaratra ianao? Inona no hanampy anao tsy hiasa saina loatra amin’izany?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Misy mony koa ny ankizivavy. Tsy ho be mony loatra ianao, raha karakarainao tsara ny hoditrao.
ANDININ-TENY
“Hidera anao aho, satria mahagaga sy mahatalanjona ny fomba nanaovanao ahy.”—Salamo 139:14.
SOSO-KEVITRA
Efa manomboka mitombo izao ny vatanao, ka aza manao akanjo manaitaitra ny filan’ny nofo. Miakanjoa “amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena” hatrany.—1 Timoty 2:9.
FANTATRAO VE... ?
Miovaova ny taona anombohan’ny fahamaotiana. Mety ho 8 taona ilay ankizy, nefa koa mety ho efa 14 taona na mihoatra.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Efa mihalehibe aho izao, ka ireto avy no toetra tena tokony hananako: ․․․․․
Izao no hataoko mba hanatsarako ny fifandraisako amin’i Jehovah: ․․․․․
Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Nahoana no sahirana ny tanora rehefa manomboka miova ny vatany sy ny fihetseham-pony?
● Inona no fiovana hitanao hoe mafy indrindra?
● Nahoana no mety hihena ny fitiavanao an’Andriamanitra, mandritra an’io fotoana io? Inona anefa no azonao atao mba tsy hitrangan’izany?
[Teny notsongaina, pejy 61]
Betsaka ny zavatra tsy ampoizina mitranga aminao rehefa mihalehibe ianao. Tsy tena fantatrao izay fiovana hiseho amin’ny vatanao. Miezaka manaiky an’ilay izy anefa ianao rehefa mandeha ny fotoana, ka lasa zatra amin’ny farany.’’—Aina
[Efajoro, pejy 63, 64]
Hiresaka firaisana amin’i Dada sy Neny hoe?
“Raha te hanontany momba ny firaisana aho, dia tsy ny dada sy mamanay mihitsy no hiresahako.”—Fara.
“Tsy ho sahy hiresaka an’izany aminy mihitsy aho.”—Dimby.
Voa mafy ianao raha mitovy hevitra amin’i Fara sy Dimby. Te hahalala momba ny firaisana mantsy ianao, nefa ny olona tena mahalala an’izany no tsy tianao hanontaniana! Tsy iza izany fa ny ray aman-dreninao! Maro angamba ny zavatra mampahatahotra anao, toy ny hoe:
Inona izao no hoeritreretiny momba ahy?
“Tsy tiako ry zareo raha miahiahy hoe maditra aho.”—Jessica.
“Tiany ho zaza foana ianao, ka tsy hahalala na inona na inona mihitsy. Tsy hoatr’izany intsony ianao aminy, raha vao manontany momba ny firaisana.”—Fara.
Inona no ho vokany eo aminy?
“Matahotra aho sao tonga dia hieritreri-dratsy ry zareo ka hiteniteny ahy, nefa mbola tsy tapitra akory ny teniko.”—Gloria.
“Tsy dia mahay manafina ny ao am-pony ny ray aman-dreniko, ka tsy tiako ny hahita azy ho tezitra. Mbola tsy tapitra akory aza angamba ny teniko, dia efa hitady teny hibedesana ahy dadanay.”—Onisoa.
Sao dia ho diso fandray ny teniko izy?
“Mety tonga dia ho tezitra ry zareo ka hiteny hoe: ‘Sao dia efa nanao firaisana tany àry ianao?’, na hoe: ‘Teren’ny ankizy hanao an’izany angaha ianao?’ Mba te hahalala fotsiny anefa ianao.”—Liva.
“Matahotra foana dadanay isaky ny miresaka ankizilahy aho. Tonga dia firaisana no resahiny amiko. Hoy aho anakampo: ‘Izay indray i Dada! Izaho ange tsy niteny hoe hanambady azy na hanao firaisana aminy e! Nilaza fotsiny aho hoe bôgôsy izy.’ ”—Lalie.
Hampahery anao angamba ny hahalala fa tsy ianao ihany no menatra hiresaka momba ny firaisana amin’ny ray aman-dreninao. Izy ireo koa mba mety ho menatra hiresaka izany aminao! Nisy fanadihadiana natao, ka ny 65 isan-jaton’ny ray aman-dreny nanontaniana, no nilaza fa niresaka momba ny firaisana tamin’ny zanany, nefa 41 isan-jato monja ny ankizy nahatadidy hoe niresahana momba izany.
Toa manaporofo izany fa misy ray aman-dreny menatra hiresaka momba ny firaisana. Nahoana? Satria tsy niresaka momba izany taminy koa angamba ny ray aman-dreniny! Aza omena tsiny àry izy. Nahoana raha ianao mihitsy no miresaka aminy voalohany? Ahoana anefa no hatao?
Fomba hanombohan-dresaka
Betsaka ny zavatra fantatry ny ray aman-dreninao momba ny firaisana, ka manana torohevitra maro momba izany izy. Mila hainao fotsiny ny manombo-dresaka. Andramo izao:
1 Tsory amin’izy ireo fa te hiresaka aminy ianao, nefa matahotra. Afaka miteny, ohatra, ianao hoe: “Mba te hiresaka aminareo aho, fa matahotra kely sao hoeritreretinareo hoe...”
2 Lazao avy eo hoe nahoana no izy no niresahanao. “Misy zavatra tiako hanontaniana, ary aleoko ianareo no mamaly azy fa tsy olon-kafa.”
3 Apetraho ny fanontanianao, aorian’izay. “Saika hanontany fotsiny aho hoe...”
4 Rehefa tapitra ilay resaka, dia lazao fa mbola te hiresaka aminy ianao amin’ny manaraka. “Mbola afaka miresaka aminareo indray ve aho, raha misy tiako hanontaniana?”
Apetraho foana io fanontaniana io, na dia fantatrao aza fa “eny” no ho valiny. Raha renao milaza izany mihitsy mantsy izy, dia hatoky ianao fa mbola ho afaka hiresaka ianareo, ka ho sahy hanatona azy indray ianao. Ampiharo àry ireo soso-kevitra ireo! Mety hitovy hevitra amin’i Tiana ianao. Efa 24 taona izy izao. Hoy izy: “Tamin’izahay sy mamanay niresaka, dia niteny anakampo aho hoe: ‘Tahaka izay ihany aho tsy nanontany azy.’ Faly anefa aho izao fa tsy nisy zavatra nafeniny tamiko mihitsy. Tena niaro ahy izany!”
[Sary, pejy 59]
Toy ny olona mifindra trano ianao, rehefa manomboka manana vatan’olon-dehibe. Ho zatra ihany anefa ianao
-