-
Efa Mahazo Mampiaraka ve Aho?Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
-
-
Toko 1
Efa Mahazo Mampiaraka ve Aho?
“Izay rehetra alehanao dia ahitanao ankizy mampiaraka. Lasa te hampiaraka koa ianao. Ny ankizilahy koa moa bôgôsy be daholo!”—Hoby.
“Tonga dia mitory fitiavana tsotra izao ny ankizivavy sasany. Te hanaiky aho indraindray. Raha hiera amin’ny dada sy mamanay anefa aho, dia efa haiko ny holazainy.”—Fano.
EFA nisy olona tianao ve? Na nilaza fa tia anao? Tena te hiaraka aminy ianao, na dia mbola kely aza. Hoy i Jennifer: “Vao 11 taona aho dia efa te hanao sipa.” Hoy koa i Bako: “Hoatran’ny hoe ankizy hafahafa ianao any am-pianarana, raha tsy mampiaraka!”
Ary ianao? Efa mahazo mampiaraka ve ianao? Ity aloha misy fanontaniana mila valiantsika:
Inona no atao hoe “mampiaraka”?
Asio marika izay valiny marina:
Miaraka foana ianao sy ny ankizilahy iray na ankizivavy iray. Mampiaraka ve izany aminao?
□ Eny
□ Tsia
Misy ankizilahy na ankizivavy tianao. Izy koa tia anao. Mifandefa hafatra na mifampiantso an-telefaonina imbetsaka ianareo isan’andro. Mampiaraka ve izany aminao?
□ Eny
□ Tsia
Isaky ny tafaraka amin’ny namanao maromaro ianao, dia ankizilahy iray na ankizivavy iray foana no iresahanao. Mampiaraka ve izany aminao?
□ Eny
□ Tsia
Azo inoana fa tsy sarotra taminao ny namaly an’ilay fanontaniana voalohany. Mety ho nisalasala kely anefa ianao talohan’ny namaliana ny ambiny. Fa inona tokoa moa no atao hoe mampiaraka? Ny tiantsika horesahina dia hoe: Manao zavatra imbetsaka miaraka amin’ny ankizilahy na ankizivavy iray tianao, ary izy koa tia anao. Eny daholo àry no valin’ireo fanontaniana telo tetsy aloha. Efa mampiaraka ianareo raha mifaneho fitiavana, ary mifampiresaka foana. Marina foana izany na miresaka an-telefaonina fotsiny ianareo na mihaona mihitsy, ary na miafina na tsia. Efa afaka mampiaraka ve anefa ianao? Diniho ireto fanontaniana telo ireto, dia ho hitanao ny valiny.
Nahoana ianao no te hampiaraka?
Fomba ahafahan’ny mpifankatia mifankahalala bebe kokoa ny mampiaraka, ary tsy mampaninona izany any amin’ny tany maro. Inona anefa no tokony ho tanjona rehefa mampiaraka? Natao hanampiana azy ireo hamantatra izy io raha afaka ny hivady izy na tsia.
Marina fa heverin’ny tanora sasany ho kilalao ny hoe mampiaraka. Mahafinaritra azy fotsiny ny miaraka amin’ny ankizilahy na ankizivavy, fa tsy mieritreritra ny hanambady izy. Misy aza te hampideradera fotsiny hoe azony ny ankizilahy na ny ankizivavy niriny. Ny hafa indray te hisongadina. Tsy tena tia an’ilay olona iarahany anefa ny tanora toy izany, ka matetika no tsy maharitra ilay fifandraisana. Hoy i Anja: “Herinandro na tapa-bolana dia misaraka ny tanora maro mampiaraka. Mieritreritra ry zareo fa tsy natao haharitra ny fiarahan’olon-droa. Toy ny hoe miomana ho amin’ny fisaraham-panambadiana izy, fa tsy ho amin’ny fanambadiana.”
Tena misy vokany eo amin’ny olona iarahanao izay ataonao. Mitandrema àry sao milalao fitia. Eritrereto izao: Tianao ve raha hataon’ny olona toy ny kilalao fotsiny ny fitiavanao? Lalaovin’ny ankizy vetivety fotsiny ny kilalao omena azy, ary ariany avy eo. Hoy i Fitia: “Mieritreritra aho indraindray hoe fialam-boly mahafinaritra fotsiny izany mampiaraka izany. Tsy mahafinaritra mihitsy anefa ilay izy, rehefa milalao fotsiny ny anankiray nefa ny iray tena tia.”
Fa firy taona moa ianao no te hampiaraka sahady?
Firy taona ny tanora vao afaka mampiaraka, araka ny hevitrao? ․․․․․
Apetraho amin’ny ray aman-dreninao io fanontaniana io, ary soraty eto ny valin-teniny. ․․․․․
Mety ho kely noho ilay isa faharoa ilay isa voalohany nosoratanao. Raha tsy izany, dia angamba ianao anisan’ireo tanora tsy maika ny hampiaraka, fa miandry ho lehibe kokoa ka efa mahafantatra tsara ny tenany. Izany no nataon’i Danielle, 17 taona. Hoy izy: “Raha nitady vady aho tamin’ny roa taona, dia tsy ho nitovy mihitsy tamin’ny ankizilahy tiako tamin’izany ny tiako amin’izao. Ary na hatramin’izao aza, dia mbola tsy haiko tsara hoe hoatran’ny ahoana ny vady tiako. Hiandry kely aho, ka rehefa hitako hoe tsy miovaova intsony aho vao hieritreritra ny hampiaraka.”
Misy antony hafa koa mahatsara ny miandry. Misy teny hoe “fotoana fivelaran’ny fahatanorana”, ao amin’ny Baiboly. Manomboka maniry mafy hitia olona sy hanao firaisana ny tanora, amin’io fotoana io. (1 Korintianina 7:36) Raha mifankazatra be amin’ny ankizilahy na ankizivavy iray ianao amin’izay, dia hihamafy ny fanirianao, ka mety ho resin’ny fakam-panahy haloto fitondran-tena ianao. Marina fa tsy mampaninona ny tanora sasany izany. Maro aza no maika hanandrana hoe hoatran’ny ahoana izany manao firaisana izany. Aza manahaka azy ireo anefa! (Romanina 12:2) Mampirisika anao ‘handositra ny fijangajangana’ mantsy ny Baiboly. (1 Korintianina 6:18) ‘Hanalavitra ny nofonao ny loza’, raha avelanao ho tapitra ny “fotoana fivelaran’ny fahatanorana” vao mampiaraka ianao.—Mpitoriteny 11:10.
Efa vonona hanambady ve ianao?
Mandiniha tena tsara, alohan’ny hamaliana an’io fanontaniana io. Diniho ireto:
Fifandraisana amin’ny olona. Ahoana no fomba itondranao ny ray aman-dreninao sy ny mpiray tam-po aminao? Tsy mahafehy tena ve ianao matetika rehefa milaza ny hevitrao, ka mampiasa teny mahery na maneso? Inona no mety holazainy, raha hanontaniana momba izany izy? Izay fomba itondranao ny fianakavianao ihany mantsy no hitondranao ny vadinao.—Vakio ny Efesianina 4:31.
Toetra. Be fanantenana ve ianao sa mora kivy? Mahay mandefitra ve ianao, sa tsy manaiky mihitsy raha tsy ny sitraponao no atao? Tsy mora taitaitra ve ianao rehefa sendra olana? Manam-paharetana ve ianao? Miezaha hanana ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra dieny izao. Hanampy anao izany, rehefa manambady ianao.—Vakio ny Galatianina 5:22, 23.
Vola. Mahay mitsitsy vola ve ianao? Sa mitrosa foana? Mateza amin’ny asanao ve ianao? Raha tsia, nahoana? Ilay asa ve no mahatonga izany, sa ilay mpampiasa? Sa kosa misy fanaonao na toetranao mila ovana? Raha mbola tsy hainao ny mitsitsy ny volanao, ahoana moa no hahaizanao izany rehefa manan-tokantrano ianao?—Vakio ny 1 Timoty 5:8.
Fivavahana. Raha Vavolombelon’i Jehovah ianao, inona no ataonao mba hifandraisana hatrany amin’Andriamanitra? Moa ve ianao mamaky Baiboly, mitory sy mampianatra, ary mandray anjara amin’ny fivoriana? Tokony ho tena tia an’i Jehovah ianao, mba ho vady tsara.—Vakio ny Mpitoriteny 4:9, 10.
Inona no azonao atao?
Mahita ny ataon’ny ankizy ianao indraindray, na teren’ny namanao, ka te hampiaraka, nefa mbola tsy vonona. Toy ny mpianatra vao manomboka taom-pianarana ianao, nefa terena hanala fanadinana sahady. Tsy rariny izany! Mila fotoana ianarana lesona ianao, mba ho voavalinao tsara ireo fanontaniana any amin’ilay fanadinana.
Toy ny fanadinana ny mampiaraka. Tsy kilalao izy io, araka ny efa hitantsika. Alohan’ny hiarahanao amin’ny olona iray àry, dia mila fotoana ianarana “lesona” iray tena lehibe ianao. Inona izany? Ny fomba ifandraisana tsara amin’ny namana. Ho hainao kokoa any aoriana any, ny hampaharitra ny fifandraisanao amin’izay olona hitanao fa mety aminao. Maharitra mantsy ny tokantrano, rehefa mpinamana be ny mpivady.
Aza mihevitra hoe voateritery ny fiainanao, raha miandry kely ianao vao mampiaraka. Hahasoa anao kosa izany, satria afaka mankafy kokoa ny fahatanoranao ianao. (Mpitoriteny 11:9) Hanam-potoana hanatsarana ny toetranao ianao, ary indrindra ny fifandraisanao amin’i Jehovah.—Fitomaniana 3:27.
Afaka mifanerasera amin’ny ankizilahy na ankizivavy ihany anefa ianao. Rehefa manao fety, ohatra, dia miaraha maromaro, ary manasà ankizilahy sy ankizivavy. Tokony hisy olon-dehibe hanara-maso anareo. Hoy i Anita: “Mahafinaritra kokoa, rehefa maromaro no miaraka. Tsara kokoa ny mana-namana be dia be.” Hoy koa i Vony: “Tena tsara ilay miaraka maromaro, satria lasa mahafantatra olona samy hafa toetra ianao.”
Harary fo kosa ianao, raha mampiaraka avy hatrany, na dia mbola tsy tokony hanao izany aza. Aza maika àry. Ampiasao kosa ny fahatanoranao, mba hianarana ny fomba hifandraisana amin’ny olona sy hampaharitra izany. Ho fantatrao tsara amin’izay ny tenanao sy ny karazana vady tadiavinao, ka ho vonona tsara ianao rehefa tapa-kevitra ny hampiaraka.
JEREO ILAY BOKY TEO ALOHA, TOKO 29 SY 30, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY
Te hampiaraka ve ianao, nefa mitady hanafina izany amin’ny ray aman-dreninao? Misy vokany ratsy izany, tsy araka ny eritreretinao mihitsy.
ANDININ-TENY
‘Ny malina mandinika ny diany.’—Ohabolana 14:15
SOSO-KEVITRA
Mieritreritra ny hiaraka amin’olona iray sy hanambady azy ve ianao? Vakio ny 2 Petera 1:5-7. Mifidiana toetra iray ao, ary miezaha hanana izany. Rehefa afaka iray volana, dia jereo raha tsapanao hoe tena ilainao ilay toetra. Diniho koa hoe inona no ezaka efa vitanao mba hananana azy io.
FANTATRAO VE... ?
Hita tamin’ny fandinihana maro, fa ao anatin’ny dimy taona dia mety hisara-panambadiana ny tanora, raha latsaka ny 20 taona no mivady.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Mila manana an’ireto toetra ireto aho, vao hanambady: ․․․․․
Izao no tokony hataoko mba hananana azy ireo: ․․․․․
Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba an’ireo: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Tsy afaka mifanerasera amin’ny ankizilahy na ankizivavy mihitsy ve ianao? Hazavao.
● Inona no torohevitra omenao ny mpiray tam-po aminao, raha te hampiaraka izy, nefa mbola kely?
● Raha miaraka amin’ny olona iray ianao, nefa tsy mieritreritra ny hanambady azy, inona no mety ho vokany eo aminy?
[Teny notsongaina, pejy 18]
Tsy tokony hampiaraka ianao, raha tsy efa hainao tsara hoe tena tianao ilay olona, ary fantatrao fa haharitra ny fiarahanareo. Tokony ho ilay olona no ho tianao, fa tsy ny hoe hampiaraka fotsiny.’’—Oly
[Sary, pejy 16, 17]
Raha mampiaraka ianao nefa tsy vonona hanambady, dia toy ny ankizy mahazo kilalao. Lalaoviny vetivety ilay izy, dia ariany
-
-
Ratsy ve ny Mampiaraka Nefa Manafina?Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
-
-
Toko 2
Ratsy ve ny Mampiaraka Nefa Manafina?
Sahiran-tsaina i Ando satria taratara taminy i Tefy, mpiara-mianatra taminy. Hoy i Ando: “Bôgôsy be izy. Nilaza tamiko ny namako fa tsy hahita ankizilahy hendry hoatr’azy mihitsy aho. Ankizivavy maromaro no efa nitetitetika hiaraka taminy, fa tsy nisy tiany. Izaho ihany no tiany.”
Nanasa an’i Ando hiaraka taminy i Tefy, tsy ela taorian’izay. Nanazava i Ando fa Vavolombelon’i Jehovah izy, ka tsy mahazo miaraka amin’ny ankizilahy tsy mitovy finoana aminy. “Nahita hevitra anefa i Tefy”, hoy i Ando. “Hoy izy tamiko: ‘Ary maninona raha miaraka isika, fa tsy miteniteny amin’ny dada sy mamanareo fotsiny?’ ”
INONA no hataonao, raha olona tianao no milaza izany aminao? Ho gaga angamba ianao raha hilazana fa nanaiky i Ando, tamin’ny voalohany. Hoy izy: “Nanantena aho fa raha miaraka izahay, dia ho afaka hanampy azy ho tia an’i Jehovah aho.” Inona no nitranga? Ho hitantsika izany avy eo. Hojerentsika aloha hoe nahoana no misy tanora mampiaraka nefa manafina.
Nahoana?
Nahoana ny ankizy sasany no mampiaraka, nefa manafina? Tsotra ny antony, araka ny tenin’ny ankizilahy iray atao hoe David: “Efa hain’ilay ankizy fa tsy hanaiky mihitsy ny dada sy mamany, dia aleony tsy miteniteny.” Nilaza antony hafa i Jane. Hoy izy: “Manafina ny ankizy sasany, mba hampisehoana hoe mahaleo tena izy. Mieritreritra mantsy izy hoe efa lehibe, ka raha hitany hoe entina toy ny zazakely, dia aleony manao izay tiany, fa tsy miteny amin’ny ray aman-dreniny.”
Mahita antony hafa mahatonga ny ankizy hanafina ve ianao? Tanisao eto izany, raha misy.
․․․․․
Fantatrao anefa fa mandidy anao hankatò ny ray aman-dreninao ny Baiboly. (Efesianina 6:1) Tsy avelan’izy ireo hampiaraka ve ianao? Tsy maintsy misy antony tsara mahatonga izany. Aza gaga anefa raha mbola mieritreritra ihany ianao hoe:
● Voa mafy aho satria izaho irery no tsy mba mampiaraka.
● Misy ankizy tiako nefa tsy mitovy finoana amiko.
● Te hiaraka amin’ny ankizy mitovy finoana amiko aho, na dia mbola kely aza ka tsy afaka manambady.
Fantatrao angamba hoe inona no holazain’ny ray aman-dreninao momba izany. Fantatrao koa fa marina ny azy. Na izany aza, dia mety hitovy hevitra amin’i Malala ianao. Hoy izy: “Ampirisihin’ny ankizy hampiaraka aho, na mahita ny ataony, ka misalasala indraindray raha tena tsy mety tokoa ny mampiaraka. Hafahafa be amin’ny ankizy amin’izao fotoana izao izany hoe tsy mampiaraka izany. Sady tsy tsara koa ilay hoe tsy mba miaraka amin’olona!” Mampiaraka ny ankizy sasany noho izany, ary manafina an’ilay izy amin’ny ray aman-dreniny. Ahoana no ataony?
“Nilazan-dry zareo izahay hoe: ‘Aza miteniteny’ ”
Voatery mamitaka ilay ankizy mba tsy ho tratra. Ny telefaonina na ny Internet no tena ampiasain’ny sasany, mba tsy hahatratrarana azy. Toy ny mpinamana fotsiny ry zareo eny imason’olona, fa hafa mihitsy rehefa mifanoratra amin’ny e-mail, na mifandefa hafatra na mifampiresaka an-telefaonina.
Misy indray tanora roa mody manao fotoana amin’ny ankizy maromaro, mba hahafahany hampiaraka fotsiny. Hoy i Njaka: “Ankizy maromaro izahay indray mandeha no nisy nanasa ho any amin’ny toerana iray. Tany izahay vao nahita hoe hay mba hahafahan’ny ankizy roa hampiaraka no tena anton’ilay izy. Nilazan-dry zareo izahay hoe: ‘Aza miteniteny.’ ”
Matetika àry no misy namana manampy an’ilay ankizy mampiaraka. Hoy i Carole: “Tsy maintsy misy namana iray, fara fahakeliny, mahafantatra an’ilay izy. Tsy sahy miteniteny anefa io, mba tsy hampahatezitra an’ilay ankizy.” Mandainga tsotra izao kosa ny sasany. Hoy i Beby, 17 taona: “Be dia be no mandainga momba izay alehany, mba tsy hahalalan’ny dada sy mamany hoe mampiaraka izy.” Izany mihitsy no nataon’i Misaki, 19 taona. Hoy izy: “Tsy maintsy namoron-dainga tamin’ny ray aman-dreniko aho, nefa namboamboariko tsara ilay izy. Nitandrina kosa aho, mba tsy handainga mihitsy tamin-javatra hafa, sao tsy hatokisan-dry zareo intsony.”
Misy vokany ratsy ilay izy
Alaim-panahy hampiaraka nefa hanafina ve ianao? Sa efa manao an’izany mihitsy? Tsara àry raha dinihinao ireto:
Inona no ho vokatr’ilay izy? Moa ve ianao mikasa hanambady an’ilay olona, nefa tsy hampiandry azy ela be? Hoy i Yvan, 20 taona: “Raha tsy mieritreritra ny hanambady ianao nefa mampiaraka, dia toy ny manao dokam-barotra entana iray, nefa hay tsy hamidinao akory ilay izy.” Inona no mety ho vokany? Hoy ny Ohabolana 13:12: “Marary ny fo raha mihemotra foana ny fahatanterahan’ny zavatra antenaina.” Tena irinao ve ny hankarary ny fon’ny olona tianao? Misy antony hafa koa tokony hitandremanao. Raha mampiaraka ianao nefa manafina, dia tsy ho afaka hanampy anao ny ray aman-dreninao na ny olon-dehibe hafa tia anao. Mety ho mora halaim-panahy haloto fitondran-tena ianao noho izany.—Galatianina 6:7.
Ahoana no fiheveran’i Jehovah Andriamanitra an’ilay izy? Hoy ny Baiboly: “Ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imason’ilay hanao ampamoaka antsika.” (Hebreo 4:13) Koa na afeninao aza hoe mampiaraka ianao, na ny namanao, dia efa fantatr’i Jehovah izany. Vao mainka tokony hatahotra ianao raha mandainga. Halan’i Jehovah Andriamanitra mantsy ny lainga. Voalaza mazava tsara ao amin’ny Baiboly fa anisan’ny zavatra halany ny “lela fandainga”!—Ohabolana 6:16-19.
Aza manafina
Tsara raha miresaka amin’ny ray aman-dreninao ianao, na amin’ny Kristianina matotra iray, raha misy olona iarahanao nefa tsy misy mahalala. Ary raha ny namanao no mampiaraka, dia aza miray tsikombakomba aminy. (1 Timoty 5:22) Ahoana tokoa moa raha misy vokany ratsy ny fiarahan-dry zareo? Tsy ho tompon’andraikitra ihany ve ianao?
Eritrereto hoe voan’ny diabeta ny namanao, nefa mangalatra mihinana zava-mamy be loatra. Ahoana raha tratranao izy, nefa miangavy anao tsy hiteniteny? Inona no tokony ho zava-dehibe aminao: Hanafina ny ataony, sa hamonjy ny ainy?
Aza afenina àry raha misy namanao fantatrao hoe mangalatra mampiaraka. Aza matahotra hoe tsy ho mpinamana intsony ianareo. Raha tena namana izy, dia tsy maintsy ho tsapany any aoriana any, fa izay tena hahasoa azy no notadiavinao.—Salamo 141:5.
Manafina sa mba malina fotsiny?
Tsy voatery ho mpamitaka daholo izay mampiaraka nefa tsy milaza izany. Eritrereto hoe misy tovolahy sy tovovavy te hifankahalala bebe kokoa. Tsy tiany ho fantatr’olona loatra anefa ny fiarahany, amin’ny voalohany. Hoy i Thomas: “Tsy tiany angamba raha adalain’ny olona ry zareo hoe: ‘Rahoviana ihany no hatao ny raharahanareo e?’ ”
Tsy tsara mantsy raha mandodona azy ireo ny hafa. (Tonon-kiran’i Solomona 2:7) Izany no mahatonga ny olona sasany tsy hisehoseho amin’ny voalohany. (Ohabolana 10:19) Hoy i Anna, 20 taona: “Manam-potoana tsara izy ireo amin’izay, mba hahitana raha tena vonona hiroso amin’ny fanambadiana na tsia. Rehefa tapa-kevitra izy ireo vao hasehony fa miaraka izy.”
Misy anefa olona manana zo hahafantatra hoe misy olona iarahanao. Anisan’izany ny ray aman-dreninao sy ny ray aman-dreniny. Tsy tokony hafeninao amin’izy ireo izany. Raha tsy sahinao ny milaza aminy, dia tokony hofantarinao ny antony. Sao dia efa hainao kosa fa misy antony tsara tsy haneken’ny ray aman-dreninao an’ilay izy?
“Fantatro ny tokony hataoko”
Niova hevitra i Ando, ilay voaresaka terỳ aloha, rehefa nahare izay nataon’ny Kristianina iray nangalatra nampiaraka. Hoy i Ando: “Rehefa reko hoe nisaraka tamin’ilay ankizilahy izy, dia fantatro ny tokony hataoko.” Mora tamin’i Ando ve ny nisaraka? Tsia! Hoy izy: “Mbola tsy nisy ankizilahy tena tiako hoatran’iny hatramin’izay. Nitomany foana aho isan’andro, nandritra ny herinandro maromaro.”
Tia an’i Jehovah anefa i Ando. Marina fa tsy nankatò azy izy, nefa tena naniry hanao ny tsara. Nihasitrana ny ratram-pony tatỳ aoriana. Hoy izy: “Mifandray tsara amin’i Jehovah aho izao. Tena misaotra azy aho fa manome tari-dalana antsika izy, amin’ny fotoana tena ilantsika izany!”
Aoka hatao hoe efa vonona hanambady ianao, ary efa nahita olona tianao. Ahoana anefa no hahalalanao raha tena mety aminao io olona io?
ANDININ-TENY
‘Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra izahay.’—Hebreo 13:18.
SOSO-KEVITRA
Tsy voatery hataonao ren-tany ren-danitra hoe miaraka ianareo. Ilazao kosa ireo olona manana zo hahalala izany. Anisan’izany ny ray aman-dreninao sy ny ray aman-dreniny.
FANTATRAO VE... ?
Maharitra ny fifandraisana rehefa mifampatoky ny olona. Tsy hatoky anao intsony ny ray aman-dreninao, raha mampiaraka ianao nefa manafina. Mety tsy haharitra koa ny fiarahanao sy ilay olon-tianao.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Inona no tokony hataoko, raha mampiaraka amin’ny ankizy Vavolombelon’i Jehovah aho, nefa manafina? ․․․․․
Izao no hataoko, raha misy namako mangalatra mampiaraka: ․․․․․
Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Jereo indray ireo fehezanteny natao sora-matevina eo amin’ny pejy 22. Iza amin’ireo no mahazo anao indraindray?
● Inona no azonao atao amin’izany, nefa tsy voatery hangalatra hampiaraka?
● Raha misy namanao fantatrao fa mampiaraka nefa manafina, inona no hataonao mba hanampiana azy? Nahoana ianao no nifidy izany vahaolana izany?
[Teny notsongaina, pejy 27]
Tsy nangalatra nampiaraka intsony aho. Marina fa mafy tamiko ny nandeha nianatra, satria nahita an’ilay ankizilahy foana aho. Mahita ny zava-drehetra sy izay ho vokany anefa i Jehovah Andriamanitra, fa tsy toa antsika. Mila matoky azy fotsiny isika.’’—Ando
[Sary, pejy 25]
Raha miray tsikombakomba amin’ny namanao mangalatra mampiaraka ianao, dia toy ny miray tsikombakomba amin’ny namanao voan’ny diabeta, nefa mangalatra mihinana zava-mamy be loatra
-
-
Mety Amiko ve Izy?Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
-
-
Toko 3
Mety Amiko ve Izy?
Makà fotoana kely, ary fenoy ny banga eto ambany:
Olona manao ahoana no tianao ho vadinao? Iza amin’ireo eo ambany ireo no tena tianao hananany? Mifidiana efatra, ary asio ✔ eo akaikiny.
□ Tsara tarehy □ Tena tia an’Andriamanitra
□ Sariaka □ Azo itokisana
□ Be mpitia □ Tsara fitondran-tena
□ Be vazivazy □ Tia manatratra tanjona
Efa nisy olona nahataratara anao ve tamin’ianao mbola ankizy? Jereo indray ny lisitra eo ambony, ary asio × ny lafin-javatra iray tena tianao tamin’ilay olona.
TSY misy ratsy ireo zavatra voatanisa eo ambony ireo, na iray aza. Tsara daholo izy rehetra. Tamin’ianao mbola ankizy anefa, dia toetra na zavatra tsy dia lehibe loatra, toy ireo hita eo ankavia, no tena nahatonga anao ho taratara tamin’olona iray. Sa tsy izany?
Misaina kokoa anefa ianao, rehefa mihalehibe. Olona manana toetra tsara kokoa, toy ireo hita eo ankavanana, no tianao. Lasa voamarikao, ohatra, fa hay tsy azo itokisana ilay ankizivavy mahafatifaty indrindra eo an-tanàna. Hay koa ratsy fitondran-tena ilay ankizilahy be mpitia indrindra any am-pianarana. Toetra tsara kokoa noho ireo eo ankavia, no tena jeren’ny olona mato-tsaina, rehefa hifidy vady izy. Efa tsy ao anatin’ilay antsoina hoe fotoana fivelaran’ny fahatanorana intsony mantsy izy.
Fantaro aloha ny tenanao
Ny tenanao aloha no mila fantarinao tsara, izay ianao vao afaka mandinika hoe iza no mety aminao. Valio ireto mba hahafantaranao bebe kokoa momba anao:
Inona no toetra tsarako? ․․․․․
Inona no toetra ratsiko? ․․․․․
Ahoana no tiako hitondran’ny vadiko ahy? Manao ahoana ny fifandraisako amin’i Jehovah? ․․․․․
Tsy ho mora aminao ny mamantatra ny tenanao, nefa hanampy anao ny fanontaniana toy ireo. Rehefa fantatrao kokoa ny tenanao, dia ho mora kokoa aminao ny hahita olona afaka hanampy anao hanatsara ny toetranao.a Ary ahoana raha mieritreritra ianao hoe efa nahita olona toy izany?
Mety foana ve na iza na iza?
“Mba maniry hiaraka aminao aho.” Efa nisy nilaza an’izany taminao ve? Sosotra angamba ianao, na koa faly be, arakaraka ilay olona. Aoka hatao hoe manaiky ianao. Ahoana no hahalalanao atỳ aoriana, raha io olona io na tsia no mety aminao?
Eritrereto hoe te hividy kiraro ianao. Nankany amin’ny mpivarotra ianao, ary nahita kiraro tianao. Nandramanao ilay izy, kanjo tery loatra. Diso fanantenana tanteraka ianao. Ahoana no hataonao? Mbola hovidinao ihany ve ilay izy? Sa hitady hafa ianao? Aleonao tsy mividy an’ilay kiraro fa mitady hafa. Harary fotsiny ny tongotrao raha manao kiraro tsy antonona anao ianao!
Mitovy amin’izany koa ny fifidianana vady. Maromaro ihany angamba ny olona mahafinaritra anao. Aza mieritreritra anefa hoe mety foana izay fidinao amin’ireo. Olona tena mifanentana aminao sy hanampy anao hanatratra ny tanjonao mantsy no tadiavinao, ka hahafinaritra anao ny miaraka aminy. (Genesisy 2:18; Matio 19:4-6) Efa nahita olona toy izany ve ianao? Ahoana no hahafantaranao raha mety aminao izy na tsia?
Fantaro ny tena toetrany
Diniho amin’ny saina tsy miangatra ilay olona tianao. Mitandrema anefa! Mety hinia tsy hijery afa-tsy ny toetra tsarany mantsy ianao. Aza maika àry, fa miezaha hamantatra ny tena toetrany. Tsy ho mora aminao izany, nefa aza gaga. Eritrereto hoe nahazo vola be ianao, ka te hividy trano na fiara. Inona aloha no hataonao? Ny ivelany fotsiny ve no hojerenao, sa mbola misy zava-dehibe noho izany? Tsy tokony hojerena koa ve ny ao anatiny? Ohatra hoe manao ahoana marina ny maotera?
Mbola zava-dehibe lavitra noho ny mifidy fiara ny mifidy vady. Tsy dia mamantatra ny tena toetran’ilay olona tiany anefa ny tanora maro. Ny zavatra itovian’izy ireo kosa no tonga dia hitany. Miteny, ohatra, izy hoe: ‘Mitovy ny mozika tianay.’ ‘Mitovy ny fialam-boly tianay.’ ‘Mitovy hevitra foana izahay!’ Efa hitantsika anefa fa tsy izany fotsiny no hojeren’ny olona mato-tsaina, satria efa tsy ao anatin’ny fotoana fivelaran’ny fahatanorana intsony izy. Hiezaka hamantatra ny ‘toetra miafina ao [am-pon’ilay olona]’ tiany kosa izy.—1 Petera 3:4; Efesianina 3:16.
Aza variana mieritreritra ny zavatra itovianareo. Diniho kosa izay mitranga rehefa tsy mitovy hevitra ianareo. Mety ho fantatrao kokoa izy amin’izay. Diniho, ohatra, hoe inona no ataony rehefa mifamaly ianareo. Manizingizina ny heviny ve izy, ka manampatra ny ‘hatezerany’ na ‘manevateva’ anao? (Galatianina 5:19, 20; Kolosianina 3:8) Sa mandefitra kosa izy mba hampijanona ilay fifamaliana, ka vonona hanaiky ny hevitrao, raha mbola tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra izany?—Jakoba 3:17.
Ity koa misy zavatra hafa mila jerenao: Tereny an-kolaka hanaraka ny sitrapony foana ve ianao? Manjakazaka ve izy, sa saro-piaro? Tsy manaiky ve izy raha tsy mahalala izay rehetra ataonao? Hoy i Harisoa: “Misy mpifankatia miady satria tsy milaza izay toerana rehetra alehany ilay iray. Efa tokony ho tonga saina ianao raha izany no mitranga aminao.”—1 Korintianina 13:4.
Ny toetran’ilay olona sy ny fitondran-tenany no noresahintsika hatreto. Mila mamantatra ny lazany koa anefa ianao. Ahoana no fahitan’ny hafa azy? Tsara raha miresaka amin’ny olona mahafantatra tsara azy ianao, anisan’izany ny Kristianina matotra eo anivon’ny fiangonana. Ho fantatrao amin’izay na “tsara laza” izy na tsia.—Asan’ny Apostoly 16:1, 2.
Soraty eto ny valin’ireo fanontaniana etsy aloha momba ilay olona miaraka aminao. Hahalalanao zavatra betsaka momba azy izany.
Toetra ․․․․․
Fitondran-tena ․․․․․
Laza ․․․․․
Tsara koa raha dinihinao ny efajoro hoe “Mety Amiko ve iny Lehilahy Iny?” eo amin’ny pejy 39, sy “Mety Amiko ve iny Vehivavy Iny?” eo amin’ny pejy 40. Hanampy anao ireo hahita raha mety aminao ilay olona na tsia.
Aoka indray hatao hoe efa avy nandinika an’ireo rehetra ireo ianao, ary nahita fa tsy mety aminao ilay olona. Ity àry misy fanontaniana lehibe mety ho tonga ao an-tsainao:
Tokony hisaraka aminy ve aho?
Misy mahatsara azy indraindray ny misaraka. Diniho izay nanjo an’i Fatima. Hoy izy: “Nanontany foana izay nalehako sy izay nataoko ary izay olona niaraka tamiko, ilay ankizilahy niarahako. Tiako izany tamin’ny voalohany. Tafahoatra anefa ny nataony tatỳ aoriana, satria tsy nahazo niaraka tamin’iza na iza afa-tsy izy aho. Hatramin’ny fianakaviako aza nahasaro-piaro azy, indrindra fa dadanay. Nisaraka taminy aho nony farany. Hoatran’ny hoe nisy entana mavesatra be nesorina tamiko!”
Jereo koa ny nanjo an’i Sarah. Tsikariny fa tia manesoeso sy sarotsarotiny ary tsy mahalala fomba i Jaona, ilay ankizilahy niarahany. Hoy i Sarah: “Nifanao fotoana tao an-trano izahay indray mandeha. Tara adiny telo be izao izy! Mamanay no nampandroso azy nefa tsy noarahabainy akory, fa tonga dia hoy izy tamiko: ‘Andao fa tara isika.’ Tsy izy no nolazainy fa tara, fa izahay sy izy. Tokony ho niala tsiny izy, na mba nanazava ny antony nahatara azy. Fa ny tena tsy tantiko dia mamanay tsy nohajainy akory!” Tsy hoe tsy maintsy misaraka anefa ianareo, raha indray mandeha monja ilay olona no nahatezitra anao. (Salamo 130:3) Hitan’i Sarah anefa fa hay efa tsy mahalala fomba mihitsy i Jaona. Tapa-kevitra àry izy fa hisaraka aminy.
Ahoana raha hitanao koa fa tsy ho vady tsara ilay olona miaraka aminao? Aza odiana tsy fantatra izany! Aleo misaraka, na dia tena mafy aza ilay izy. Hoy ny Ohabolana 22:3: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.” Jereo ireo toetra eo ambanin’ilay hoe “Mitandrema Raha Mahita An’ireto”, eo amin’ny pejy 39 sy 40. Aoka hatao hoe ahitanao iray na maromaro amin’ireo ilay olona. Aleo àry misaraka aminy, fara faharatsiny, mandra-piovany. Marina fa tsy ho mora izany. Natao haharitra anefa ny fanambadiana, ka aleo mijaly vetivety toy izay hanenina mandra-pahafaty!
Ahoana no hilazanao ny fanapahan-kevitrao?
Ahoana no hilazanao aminy fa hisaraka ianareo? Fidio tsara aloha ny toerana sy ny fotoana hiresahanareo. Ahoana izany? Eritrereto hoe ahoana raha ianao no teo amin’ny toerany. (Matio 7:12) Tianao ve raha eo imason’olona ianao no hilazany fa vita hatreo ny aminareo? Mazava ho azy fa tsia. Aleo koa tsy hafatra an-telefaonina na e-mail no alefa, raha tsy hoe misy antony tsy maintsy hanaovanao izany angaha. Mitadiava kosa fotoana sy toerana hahafahanareo hiresaka. Raharaha lehibe mantsy ilay izy.
Inona àry no tokony holazainao? Nampirisika ny Kristianina ny apostoly Paoly, mba ‘hilaza ny marina’ amin’ny namany avy. (Efesianina 4:25) Aoka àry ianao ho hentitra nefa hahay handanjalanja. Lazao mazava tsara hoe nahoana ianareo no tokony hisaraka, araka ny hevitrao. Tsy voatery hitanisa ny fahadisoany ianao, na koa hototofanao fanakianana izy. Aza miteny hoe: “Ianao tsy...”, na hoe: “Ianao tsy ... mihitsy.” Asongadino kosa izay tsapanao sy izay eritreretinao, ka milazà teny toy ny hoe: “Olona ... no mety amiko”, na “Tokony hisaraka isika, araka ny hevitro, satria...”
Asehoy fa hentitra ianao. Aza mamela azy handresy lahatra anao hiova hevitra. Tadidio fa antony lehibe no nahatonga anao hisaraka aminy. Mitandrema àry raha mitady tetika hampiova hevitra anao izy. Hoy i Lalaina: “Mody nanao nampalahelo be foana ilay ankizilahy, tamin’izaho nisaraka taminy. Tiany hangoraka azy angamba aho. Nalahelo azy tokoa aloha aho e! Fa tsy nataoko nampiova hevitra ahy izany.” Tazòny hatramin’ny farany àry ny teninao. Aoka ny teninao rehefa tsia dia tsia.—Jakoba 5:12.
Ahoana no hiatrehana ny hoavy?
Aza gaga raha malahelo be mandritra ny fotoana kelikely ianao, aorian’ilay fisarahana. Mety hitovy amin’izay tsapan’ny mpanao salamo mihitsy aza ny tsapanao. Hoy izy: “Sahiran-tsaina aho ka mitanondrika tanteraka. Ary mandehandeha amin’alahelo foana aho.” (Salamo 38:6) Mety hisy namanao hampirisika anao hiaraka indray amin’ilay olona. Te hanampy anao angamba ry zareo. Mitandrema anefa! Ianao no hizaka ny vokatry ny fanapahan-kevitrao fa tsy ny namanao, na tia anao aza izy ireo. Aza matahotra àry mitazona ny teninao, na dia malahelo aza ianao noho izay nitranga.
Matokia fa ho afaka ny alahelonao, rehefa ela ny ela. Mandra-pahatongan’izany, dia ireto misy zavatra azonao atao, mba hahazakanao ny alahelonao.
Resaho amin’ny olona azo atokisana izay ao am-ponao.b (Ohabolana 15:22) Resaho amin’i Jehovah koa ilay izy. (Salamo 55:22) Manaova zavatra foana. (1 Korintianina 15:58) Aza mitokantokana! (Ohabolana 18:1) Miaraha avy hatrany amin’ny olona maromaro mahay mampahery. Miezaha mafy mieritreritra zavatra tsara foana.—Filipianina 4:8.
Mety hahita olon-kafa indray ianao, any aoriana any. Azo inoana fa hitandrina kokoa ianao amin’izay. Manantena izahay fa io ilay olona mety aminao!
JEREO ILAY BOKY TEO ALOHA, TOKO 31, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY
Rehefa miaraka ianareo, ahoana no ataonareo mba hifanehoana fitiavana? Ahoana no hahalalanareo raha mety izany na tsia?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Hanampy anao hamantatra ny tenanao koa ireo fanontaniana ao amin’ny Toko 1, eo ambanin’ilay hoe “Efa vonona hanambady ve ianao?”
b Ny ray aman-dreninao angamba izany na olon-dehibe hafa, anisan’izany ny anti-panahy. Mety ho efa nanjo azy mihitsy aza izao mahazo anao izao, tamin’izy mbola tanora.
ANDININ-TENY
“Na ny zaza aza dia mampiseho amin’ny ataony raha madio sy mahitsy ny fanaony.”—Ohabolana 20:11.
SOSO-KEVITRA
Miaraha manao zavatra, mba hifankahalalanareo. Ohatra:
● Miara-mianatra ny Tenin’Andriamanitra.
● Miara-mivory sy manompo.
● Miara-manadio na manorina Efitrano Fanjakana.
FANTATRAO VE... ?
Hita tamin’ny fikarohana natao hatramin’izay, fa ny mpivady tsy mitovy finoana no tena misaraka.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Izao no hataoko, raha tia olona tsy mitovy finoana amiko aho: ․․․․․
Izao no hataoko, mba hahafantarako ny lazan’ilay olona iarahako: ․․․․․
Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Inona avy no toetra tsara anananao, ka fantatrao fa hahasoa ny tokantranonao?
● Inona avy no toetra tena tianao hananan’izay ho vadinao?
● Inona no mety hitranga, raha manambady olona tsy mitovy finoana aminao ianao?
● Ahoana no hahalalanao ny toetra sy ny fitondran-tena ary ny lazan’ilay olona iarahanao?
[Teny notsongaina, pejy 37]
Mitovy amin’ny fomba itondran’ilay olona ny fianakaviany no fomba hitondrany anao koa.’’—Tony
[Efajoro, pejy 34]
“Aza Manaiky Hiray Zioga”
“Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino.” Azo inoana fa ekenao hoe tsara io toro lalana ao amin’ny 2 Korintianina 6:14 io. Na izany aza, dia angamba ianao mbola tia olona tsy mpino ihany, izany hoe tsy mitovy finoana aminao. Nahoana? Mahafatifaty anao fotsiny angamba izy. Hoy i Marc: “Hitako foana ilay ankizivavy isaky ny nanao spaoro izahay tany am-pianarana. Tonga izy dia nanatona ahy, ary nampiresaka. Vetivety izahay dia lasa mpinamana.”
Fantatrao tsara ve ny tenanao? Mino ve ianao fa mahasoa ny fitsipika arahinao ao amin’ny fivavahanao? Ary efa mato-tsaina ve ianao, ka tsy manaiky ho jamban’ny fitiavana? Raha izany, dia azo inoana fa fantatrao izay tokony hataonao. Tsy hanatsara ny fifandraisanao amin’Andriamanitra ilay olona, na mahafatifaty sy mahafinaritra ary tsara fitondran-tena toy inona aza.—Jakoba 4:4.
Marina fa tsy mora ny misaraka amin’ny olona efa notiavinao elaela. Izany no nanjo an’i Karen. Hoy izy: “Nitomany foana aho isan’andro. Tany amin’ilay ankizilahy foana ny saiko, na dia tany am-pivoriana aza. Tiako be izy, ka nieritreritra aho hoe aleoko maty toy izay hisaraka aminy.” Tsy ela anefa dia hitan’i Karen fa marina ny tenin’ny reniny hoe misy vokany ratsy ny fiarahana amin’ny olona tsy Vavolombelona. Hoy i Karen: “Soa ihany aho fa nisaraka taminy. Matoky aho fa hanome izay ilaiko i Jehovah.”
Miaraka amin’ny olona tsy Vavolombelona koa ve ianao, ary mafy aminao ny hisaraka aminy? Matokia fa tsy voatery hiady irery ianao! Miresaha amin’ny ray aman-dreninao. Izany no nataon’i Tovo, tamin’izy taratara tamin’ny ankizivavy iray tany am-pianarany. Hoy izy: “Nangataka torohevitra tamin’ny dada sy mamanay aho, nony farany. Izany no nanampy ahy hanadino azy.” Afaka manampy anao koa ny anti-panahy. Nahoana raha miresaka amin’ny iray amin’izy ireo?—Isaia 32:1, 2.
[Efajoro/Sary, pejy 39]
Fanampiana Hisaintsaina
Mety Amiko ve iny Lehilahy Iny?
Ireto no tokony hofantarinao voalohany:
□ Ahoana no ampiharany ny fahefana ananany?—Matio 20:25, 26.
□ Inona no tanjony?—1 Timoty 4:15.
□ Miezaka manatratra izany ve izy izao?—1 Korintianina 9:26, 27.
□ Ahoana no itondrany ny fianakaviany?—Eksodosy 20:12.
□ Iza avy no namany?—Ohabolana 13:20.
□ Inona foana no zavatra resahiny?—Lioka 6:45.
□ Tia vola ve izy?—Hebreo 13:5, 6.
□ Inona no fialam-boly tiany?—Salamo 97:10.
□ Ahoana no ampisehoany fa tia an’i Jehovah izy?—1 Jaona 5:3.
Lafin-javatra hafa:
□ Mazoto miasa ve izy?—Ohabolana 6:9-11.
□ Mahay mitsitsy vola ve izy?—Lioka 14:28.
□ Tsara laza ve izy?—Asan’ny Apostoly 16:1, 2.
□ Tia manampy olona ve izy?—Filipianina 2:4.
Mitandrema raha mahita an’ireto:
□ Mora tezitra ve izy?—Ohabolana 22:24.
□ Mitady hitarika anao haloto fitondran-tena ve izy?—Galatianina 5:19.
□ Mamono ve izy na manao teny mandratra?—Efesianina 4:31.
□ Mieritreritra ve izy fa tsy mahafinaritra ny fiaraha-mikorana, raha tsy misy toaka?—Ohabolana 20:1.
□ Saro-piaro sy tia tena ve izy?—1 Korintianina 13:4, 5.
[Efajoro/Sary, pejy 40]
Fanampiana Hisaintsaina
Mety Amiko ve iny Vehivavy Iny?
Ireto no tokony hofantarinao voalohany:
□ Ahoana no ampisehoany fa manaiky fahefana izy, eo anivon’ny fianakaviany sy ny fiangonana?—Efesianina 5:21, 22.
□ Ahoana no itondrany ny fianakaviany?—Eksodosy 20:12.
□ Iza no namany?—Ohabolana 13:20.
□ Inona foana no zavatra resahiny?—Lioka 6:45.
□ Tia vola ve izy?—1 Jaona 2:15-17.
□ Inona no tanjony?—1 Timoty 4:15.
□ Miezaka manatratra izany ve izy izao?—1 Korintianina 9:26, 27.
□ Inona no fialam-boly tiany?—Salamo 97:10.
□ Ahoana no ampisehoany fa tia an’i Jehovah izy?—1 Jaona 5:3.
Lafin-javatra hafa:
□ Mazoto miasa ve izy?—Ohabolana 31:17, 19, 21, 22, 27.
□ Mahay mitsitsy vola ve izy?—Ohabolana 31:16, 18.
□ Tsara laza ve izy?—Rota 3:11.
□ Tia manampy olona ve izy?—Ohabolana 31:20.
Mitandrema raha mahita an’ireto:
□ Tia ady ve izy?—Ohabolana 21:19.
□ Mitady hitarika anao haloto fitondran-tena ve izy?—Galatianina 5:19.
□ Manao teny mandratra ve izy na mamono?—Efesianina 4:31.
□ Mieritreritra ve izy fa tsy mahafinaritra ny fiaraha-mikorana, raha tsy misy toaka?—Ohabolana 20:1.
□ Saro-piaro sy tia tena ve izy?—1 Korintianina 13:4, 5.
[Sary, pejy 30]
Tsy izay kiraro rehetra hitanao no ho antonona anao. Tsy izay olona rehetra hitanao koa no mety aminao
[Sary, pejy 31]
Raha hividy fiara ianao, ny ivelany fotsiny ve no hojerenao, sa mbola misy zava-dehibe noho izany? Ary ahoana raha hifidy vady?
-