Tsy i Jehovah no Tokony Homen-tsiny
“Tahaka ny fiantràn’ny ray ny zanany no fiantràn’i Jehovah izay matahotra Azy; fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” — SALAMO 103:13, 14.
1, 2. Iza moa i Abrahama, ary ahoana no nahatonga an’i Lota zana-drahalahiny hipetraka tao amin’ny tanàna ratsin’i Sodoma?
TSY tompon’andraikitra amin’ny zava-tsarotra mety ho hitantsika noho ny fahadisoantsika i Jehovah. Momba izany, dia diniho izay nitranga efa ho 3 900 taona lasa izay. Nanjary nanankarena be i Abrahama (Abrama) sakaizan’Andriamanitra sy i Lota zana-drahalahiny. (Jakoba 2:23). Raha ny marina dia maro be aoka izany ny fananany sy ny biby fiompiny, hany ka “tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany monina”. Ambonin’izany dia nisy ady teo amin’ny mpiandry ondrin’izy roa lahy. (Genesisy 13:5-7). Inona no azo natao tamin’izany?
2 Mba hamaranana ilay ady, dia nanipy hevitra ny hisarahan-toerana i Abrahama, ary navelany hanao ny safidy voalohany i Lota. Na dia i Abrahama aza no zokiolona kokoa ka tokony ho ara-dalàna ny namelan’ny zana-drahalahiny azy haka ny faritra tsara indrindra, dia nifantina ny faritra tsara indrindra i Lota — dia ny tany rehetra azon-drano teny amoron’ny Jordana Ambany. Namitaka ny fisehoana ivelany, satria teo akaiky teo ireo tanànan’i Sodoma sy Gomora nikororosy ara-pitondrantena. Tamin’ny farany dia nifindra nankao Sodoma i Lota sy ny fianakaviany, ary izany dia nahatonga azy ireo nisetra loza ara-panahy. Ankoatra izany, dia lasan-ko babo izy ireo rehefa nandresy ny mpanjakan’i Sodoma i Kedorlaomera Mpanjaka sy ny mpiandany taminy. Namonjy azy ireo i Abrahama sy ny olony, kanefa dia niverina tany Sodoma ihany i Lota sy ny fianakaviany. — Genesisy 13:8-13; 14:4-16.
3, 4. Inona no nanjo an’i Lota sy ny mpianakaviny rehefa nandrava an’i Sodoma sy i Gomora Andriamanitra?
3 Noho ny fampiasana tamin’ny fomba ratsy ny maha lahy sy ny maha vavy, ary noho ny fikororosiana ara-pitondran-tena tao Sodoma sy Gomora, dia nanapa-kevitra ny handrava ireo tanàna ireo i Jehovah. Tamim-pamindram-po, dia naniraka anjely roa izay nitarika an’i Lota sy ny vadiny ary ny zanany vavy roa tany ivelan’i Sodoma Izy. Tsy nahazo niherika izy ireo, kanefa dia nanao izany ny vadin’i Lota, angamba nanembona ireo zavatra ara-nofo nilaozany. Tamin’izay dia tonga vongan-tsira nitsangana izy. — Genesisy 19:1-26.
4 Famoizan-javatra toy inona moa no nozakain’i Lota sy ireo zanany vavy! Nandao ireo lehilahy nadiva hanambady azy ireo zazavavy. Tsy nanana ny vadiny sy ny harenany ara-nofo izao i Lota. Raha ny marina, dia voatery niaina tany anaty zohy niaraka tamin’ny zanany vavy izy tamin’ny farany. (Genesisy 19:30-38). Izay hitany fa tsara aoka izany dia niseho ho ny mifanohitra amin’izany indrindra. Na dia niharihary aza fa nanao fahadisoana lehibe sasany i Lota, dia nantsoina hoe “Lota marina” izy tatỳ aoriana. (2 Petera 2:7, 8). Ary azo antoka fa tsy i Jehovah Andriamanitra no tokony homen-tsiny noho ny fahadisoan’i Lota.
“Raha ny fahadisoana, iza re no mahalala izany?”
5. Ahoana no hevitr’i Davida mikasika ny fahadisoana sy ny fahasahisahian-dratsy?
5 Noho isika tsy tanteraka sy mpanota, dia manao fahadisoana isika rehetra. (Romana 5:12; Jakoba 3:2). Sahala amin’i Lota, dia mety ho voafitaky ny fisehoana ivelany isika ka mety ho diso eo amin’ny fitsarana zavatra. Noho izany dia nitalaho toy izao i Davida mpanao salamo: “Raha ny [fahadisoana, NW ], iza re no mahalala izany? Ataovy tsy manan-tsiny aho amin’ny ota tsy fantatra [“miafina”, NW ]. Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina [“feno”, NW ] tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin’izay fahadisoana lehibe.” (Salamo 19:12, 13). Fantatr’i Davida fa nety ho nanao ota izay tsy fantany akory ny tenany. Noho izany, dia nangatahany famelana ireo fahotana izay nety ho niafina na dia tamin’ny tenany mihitsy aza. Rehefa nanao fahadisoana lehibe izy satria nanosika azy hanaraka lalan-dratsy ny nofony tsy tanteraka, dia naniry mafy ny fanampian’i Jehovah izy. Naniry ny hanakanan’Andriamanitra azy tsy hanao ota sahisahy izy. Tsy nirin’i Davida ho tonga fihetsika nanapaka tao aminy ny fahasahisahian-dratsy. Naniry ny ho feno kosa izy teo amin’ny fifikirany tamin’i Jehovah Andriamanitra.
6. Fampiononana inona no azo tovozina avy amin’ny Salamo 103:10-14?
6 Amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah nanolo-tena antsika amin’izao andro izao, isika koa dia tsy tanteraka ka noho izany dia manao fahadisoana. Sahala amin’i Lota, ohatra, dia mety hanao safidy ratsy isika raha ny amin’ny toeram-ponenantsika. Angamba isika mamela handalo fotsiny ny fahafahana hanitatra ny fanompoana masina ataontsika ho an’Andriamanitra. Na dia mahita ny fahadisoana toy izany aza i Jehovah, dia mahafantatra ireo izay manana fo mirona ho amin’ny fahamarinana izy. Na dia manao ota lehibe aza isika kanefa mibebaka, dia mamela heloka sy manome fanampiana i Jehovah ary manohy mihevitra antsika ho olona tia an’Andriamanitra. “Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, na mamaly antsika araka ny helotsika”, hoy ny nambaran’i Davida. “Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra ambonin’ny tany no haben’ny famindrampony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. Tahaka ny fiantràn’ny ray ny zanany no fiantràn’i Jehovah izay matahotra Azy; fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” (Salamo 103:10-14). Mety hamela antsika hanonitra ny fahadisoana vitantsika koa ny Raintsika be famindram-po any an-danitra, na mety hanome antsika fahafahana hafa iray izy mba hanitarana ny fanompoana masina ataontsika ho fiderana azy.
Ny fahadisoana amin’ny fanomezan-tsiny an’Andriamanitra
7. Nahoana isika no mizaka fahoriana?
7 Rehefa tsy mandeha tsara ny zava-drehetra, dia fironana eo amin’ny olombelona ny manome tsiny olona na zavatra noho izay mitranga. Ny sasany aza manome tsiny an’Andriamanitra mihitsy. Tsy mitondra zava-tsarotra ho an’ny olona anefa i Jehovah. Manao soa izy fa tsy zavatra manimba. Eny, “Izy mampiposaka ny masoandro amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina”! (Matio 5:45). Ny antony iray lehibe indrindra mahatonga antsika mizaka fahoriana dia satria isika miaina eo amin’ny tontolo iray miasa eo ambanin’ny fotopoto-pitsipika feno fitiavan-tena ary mipetraka eo ambany fahefan’i Satana Devoly. — 1 Jaona 5:19.
8. Inona no nataon’i Adama rehefa tsy nandeha tsara ny zava-drehetra ho an’ny tenany?
8 Tsy fahendrena ary mampidi-doza mihitsy aza ny fanomezan-tsiny an’i Jehovah Andriamanitra noho ny zava-tsarotra nentin’ny fahadisoana nataontsika amin’ny tenantsika. Mety hamoizantsika ny fiainantsika mihitsy aza ny fanaovana izany. I Adama, ilay lehilahy voalohany, dia tokony ho niaiky fa avy tamin’Andriamanitra ireo zava-tsoa rehetra noraisiny. Eny, tokony ho feno fankasitrahana lalina an’i Jehovah i Adama noho ny fiainana fotsiny sy noho ireo fitahiana nifaliany tao amin’ny fonenana iray toy ny saha, dia ny zaridainan’i Edena. (Genesisy 2:7-9). Inona no nataon’i Adama rehefa tsy nandeha tsara ny zava-drehetra satria tsy nankatò an’i Jehovah izy ary nihinana tamin’ilay voankazo voarara? Nitaraina toy izao tamin’Andriamanitra i Adama: “Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho”. (Genesisy 2:15-17; 3:1-12). Azo antoka fa tsy tokony hanome tsiny an’i Jehovah toy ny nataon’i Adama isika.
9. a) Raha sendra zava-tsarotra isika noho ny nanaovantsika zavatra tsy tamim-pahendrena, avy amin’inona isika no afaka manovo fampiononana? b) Araka ny Ohabolana 19:3, inona no ataon’ny sasany rehefa mitondra fahasahiranana ho an’ny tenany ihany izy?
9 Raha sendra zava-tsarotra isika satria tsy nampiseho fahendrena izay nataontsika, dia afaka manovo fampiononana isika avy amin’ny fahafantarana fa mahatakatra ny fahalementsika tsara kokoa noho ny tenantsika i Jehovah, ary hanavotra antsika avy amin’ny tarehin-javatra sarotra misy antsika izy raha manolotra fifikirana tsy mizarazara ho azy isika. Tokony hankasitraka ny fanampiana avy amin’Andriamanitra azontsika isika, fa tsy hanome tsiny an’Andriamanitra noho ireo tarehin-javatra sarotra sy fahasahiranana izay nentintsika ho an’ny tenantsika. Amin’io lafiny io dia hoy ny ohabolana feno fahendrena iray: “Ny fahadalan’ny olona no mahasimba ny alehany, ka amin’i Jehovah no sosotra ny fony.” (Ohabolana 19:3). Hoy ny fandikan-teny hafa iray: “Misy olona manimba tena amin’ny asa mampiseho hadalana ataon’ny tenany ary avy eo izy dia manome tsiny ny TOMPO.” (Today’s English Version). Mbola hoy koa ny fandikan-teny hafa iray: “Ny tsy fahalalan’ny olona no manakorontana ny raharahany ka amin’i Jehovah izy no misafoaka.” — Byington.
10. Tamin’ny ahoana ny hadalan’i Adama no ‘nanimba ny alehany’?
10 Tamin’ny fanarahana ny fotopoto-pitsipik’io ohabolana io, i Adama dia nanao zavatra tamim-pitiavan-tena ary ny fisainany adala no ‘nahasimba ny alehany’. Niodina tamin’i Jehovah Andriamanitra ny fony, ary nanorina ny lalany manokana feno fitiavan-tena sy mahaleo tena izy. Eny, nanjary tsy nahay nankasitraka aoka izany i Adama hany ka nanome tsiny ny Mpamorona azy izy ary tamin’izany dia nanao ny tenany ho fahavalon’ilay Avo Indrindra! Ny fahotan’i Adama dia nitondra fahasimbana ho an’ny lalan’ny tenany sy ny an’ny fianakaviany. Fampitandremana toy inona moa no ao amin’izany! Ireo izay mirona hanome tsiny an’i Jehovah noho ny tarehin-javatra tsy faniry dia afaka manontany tena tsara hoe: Miaiky ny maha-avy amin’Andriamanitra ireo zava-tsoa ananako ve aho? Moa ve aho misaotra fa manana aina toy ny iray amin’ireo zavaboariny? Sao dia ny fahadisoako manokana kosa no nitondra zava-tsarotra ho an’ny tenako? Moa ve aho mendrika ny hahazo sitraka na fanampiana avy amin’i Jehovah noho ny fanarahako ny fitarihany, araka izay voazava tsara ao amin’ny Teniny ara-tsindrimandry, dia ny Baiboly?
Loza na dia ho an’ny mpanompon’Andriamanitra aza
11. Meloka ny amin’inona mikasika an’Andriamanitra moa ireo mpitondra fivavahana jiosy tamin’ny taonjato voalohany?
11 Ireo mpitondra fivavahana jiosy tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., dia nihambo ho nanompo an’Andriamanitra nefa nanao tsirambina ny teny fahamarinany sy niankina tamin’ny fahaizany mahataka-javatra manokana. (Matio 15:8, 9). Noho i Jesosy Kristy nampiharihary ny fisainany diso, dia namono nahafaty azy izy ireo. Tatỳ aoriana izy ireo dia naneho fahatezerana lehibe tamin’ireo mpianany. (Asan’ny Apostoly 7:54-60). Nihasimba aoka izany ny lalan’ireo lehilahy ireo hany ka, tamin’ny farany izy dia tezitra mafy tokoa tamin’i Jehovah mihitsy. — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:34, 38, 39.
12. Ohatra inona no mampiseho fa manandrana manome tsiny an’i Jehovah noho ireo fahasahiranana mahazo azy na dia ny olona sasany miaraka amin’ny kongregasiona kristiana aza?
12 Nisy mihitsy aza olona sasany tao amin’ny kongregasiona kristiana nampitombo fisainana nampidi-doza, tamin’ny fanandramana nitana an’Andriamanitra ho tompon’andraikitra tamin’ireo fahasahiranana hitany. Hitan’ireo loholona voatendry tao amin’ny kongregasiona iray, ohatra, fa nilaina nomena torohevitra araka ny Soratra Masina feno hatsaram-panahy nefa hentitra ny vehivavy tanora efa manambady iray noho ny fiarahany tamin’ny lehilahy iray teo amin’izao tontolo izao. Nandritra ny dinidinika iray, dia nanome tsiny an’Andriamanitra ho tsy nanampy azy hahatohitra ny fakam-panahy nentin’ny fanohizany niaraka tamin’ilay lehilahy izy. Raha ny marina dia nilaza izy fa tezitra mafy tamin’Andriamanitra! Tsy nisy vokany ny fampisaintsainana azy tamin’ny alalan’ny Soratra Masina sy ny fiezahana nanampy azy imbetsaka, ary nitarika ho amin’ny fandroahana azy tao amin’ny kongregasiona kristiana tatỳ aoriana ny fahalotoam-pitondran-tena.
13. Nahoana no manalavitra toetra tia mitaraina?
13 Ny toe-tsaina tia mitaraina dia mety hitarika ny olona iray hanome tsiny an’i Jehovah. Nanana toe-tsaina ratsy mitovy karazana amin’izany ireo “olona tsy tia an’Andriamanitra” tafiditra an-tsokosoko tao anatin’ny kongregasiona tamin’ny taonjato voalohany, ary izany dia narahin’ny karazam-pisainana simba ara-panahy hafa. Araka ny nolazain’i Joda mpianatra, ireny olona ireny dia “namadika ny hatsaram-panahin’Andriamanitsika amin’izay tsy mendrika akory ho fanalana tsiny ny fitondran-tena ratsy ary nivadika tamin’ny hany Tompontsika, dia Jesosy Kristy.” Nilaza toy izao koa i Joda: “Ireny olona ireny dia mpimonomonona, mpitaraina ny amin’ny toe-piainana misy azy.” (Joda 3, 4, 16, NW ). Ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika dia hivavaka amim-pahendrena mba hananany toe-tsaina mahay mankasitraka, fa tsy toetra tia mitaraina izay mety hampahasosotra azy ireo amin’ny farany ka hahatonga azy hamoy ny finoana an’Andriamanitra sy hahatandindomin-doza ny fifandraisany aminy.
14. Ahoana no mety ho fihetsiky ny olona iray raha tafintohina noho ny Kristiana namany izy, kanefa nahoana no tsy izany no fomba mety?
14 Mety hihevitra ianao fa tsy hitranga aminao izany. Na dia izany aza, ireo zavatra izay tsy mandeha tsara noho ny fahadisoantsika na noho ny an’ny hafa dia mety hahatonga antsika hanome tsiny an’Andriamanitra amin’ny farany. Mety ho tafintohina noho izay nolazain’ny mpiray finoana aminy na izay nataony, ohatra, ny olona iray. Ilay olona tafintohina — angamba olona iray izay efa nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana nandritra ny taona maro — dia mety hiteny toy izao amin’izay: ‘Raha ao amin’ny kongregasiona io olona io, dia tsy hanatrika ireo fivoriana aho.’ Mety hanjary sosotra aoka izany ny olona iray ka hiteny anakampo hoe: ‘Raha mitohy ny zavatra toy izao, dia tsy maniry ny ho anisan’ny kongregasiona aho.’ Kanefa, tokony hanana izany fihetsika izany ve ny Kristiana? Raha olona tsy tanteraka iray no nanafintohina, nahoana no sosotra amin’ny kongregasiona iray manontolo izay voaforon’ny olona eken’Andriamanitra sy manompo azy amim-pahatokiana? Nahoana ny olona iray nanolo-tena ho an’i Jehovah no tokony hitsahatra tsy hanao ny sitrapon’Andriamanitra ka amin’izany dia ho sosotra amin’Andriamanitra? Inona no fahendrena amin’ny famelana olona iray na fitambarana fisehoan-javatra hanimba ny fifandraisana tsara ananan’ny tena amin’i Jehovah? Azo antoka fa ho hadalana sy ho fahotana ny fitsaharana tsy manolotra fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah Andriamanitra na inona na inona antony. — Jakoba 4:17.
15, 16. Meloka noho ny amin’inona i Diotrefa, kanefa ahoana no nitondran’i Gaio tena?
15 Alao sary an-tsaina ny tenanao ao anatin’ilay kongregasiona nisy an’i Gaio, Kristiana be fitiavana iray. ‘Nanao asa nahatoky’ izy tamin’ny fanitarana ny fahaizany nampiantrano vahiny tamin’ireo mpiara-mivavaka nitsidika — izay olon-tsy fantatra koa ambonin’izany! Miharihary anefa fa tao amin’io kongregasiona io ihany no nisy an’i Diotrefa, ilay lehilahy niavonavona. Tsy ho nandray tamim-panajana na inona na inona avy tamin’i Jaona, iray amin’ireo apostolin’i Jesosy Kristy, izy. Raha ny marina, dia nibedibedy foana nanaratsy an’i Jaona mihitsy aza izy. Hoy ilay apostoly: “Ary tsy afa-po amin’izany ihany, fa ny tenany [i Diotrefa] dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta-handray azy dia rarany sy roahiny hiala amin’ny fiangonana”. — 3 Jaona 1, 5-10.
16 Raha tonga tany amin’ilay kongregasiona i Jaona, dia nikasa ny hampahatsiaro izay nataon’i Diotrefa izy. Teo anelanelan’izay, ahoana no fihetsik’i Gaio sy ireo Kristiana tia nandray vahiny hafa tao amin’izany kongregasiona izany? Tsy misy filazana ao amin’ny Soratra Masina hoe nisy tamin’izy ireo nilaza hoe: ‘Raha mbola ao amin’ny kongregasiona koa i Diotrefa, dia tsy maniry ny ho anisan’izany aho. Tsy hahita ahy any amin’ny fivoriana ianareo.’ Tsy isalasalana fa nifahatra mafy i Gaio sy ny hafa nitovy taminy. Tsy namela na inona na inona hahatonga azy ireo hitsahatra tsy hanao ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo, ary azo antoka fa tsy nanjary tezitra mafy tamin’i Jehovah izy ireo. Tsia dia tsia tokoa, ary izy ireo dia tsy latsaka tao anatin’ny hafetsena feno hakingana nataon’i Satana Devoly izay ho nifaly raha nanjary nivadika tamin’i Jehovah izy ireo ka nanome tsiny an’Andriamanitra. — Efesiana 6:10-18.
Aza manjary tezitra mafy amin’ny Jehovah mihitsy!
17. Ahoana no tokony hataontsika raha misy olona na tarehin-javatra manafintohina na tsy mahafaly antsika?
17 Na dia tsy mahafaly na manafintohina ny mpanompon’Andriamanitra iray aza ny olona sasany na ny tarehin-javatra sasany ao anatin’ny kongregasiona, dia hahasimba ny lalan’ny tenany tokoa ilay tafintohina raha mitsahatra tsy miaraka amin’ny olon’i Jehovah. Ny olona toy izany dia tsy hampiasa araka ny tokony ho izy ny fahaizany mahataka-javatra. (Hebreo 5:14, NW). Koa aoka ianao ho tapa-kevitra ny hiatrika ireo fahoriana rehetra amin’ny maha-mpihazona tsy fivadihana anao. Aoka ianao hitana tsy fivadihana amin’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy ary ny kongregasiona kristiana. (Hebreo 10:24, 25). Tsy mety ho hita any an-toeran-kafa ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay.
18. Na dia tsy fantatsika foana aza ny fomba fiasan’Andriamanitra, afaka mahazo antoka ny amin’inona moa isika raha ny amin’i Jehovah Andriamanitra?
18 Tadidio koa fa tsy maka fanahy na iza na iza amin’ny zava-dratsy i Jehovah. (Jakoba 1:13). Andriamanitra, izay tena sary velona mampiseho ny fitiavana, dia manao ny tsara, indrindra fa ho an’ireo tia azy. (1 Jaona 4:8). Na dia tsy takatsika foana aza ny fomba fiasan’Andriamanitra, dia mahazo matoky isika fa tsy ho diso ny hanao izay tsara indrindra ho an’ny mpanompony na oviana na oviana i Jehovah Andriamanitra. Hoy i Petera: “Manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoan’andro; ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo”. (1 Petera 5:6, 7). Eny, tena miahy ny olony tokoa i Jehovah. — Salamo 94:14.
19, 20. Ahoana no tokony hataontsika, na dia mahaketraka antsika aza indraindray ny fitsapana antsika?
19 Noho izany, dia aza mamela na inona na inona, na iza na iza hahatafintohina anao. Milaza tsara ny mpanao salamo fa “be fiadanana izay tia ny lalanao [ny an’i Jehovah], ary tsy misy mahatafintohina azy.” (Salamo 119:165). Samy mandalo fitsapana isika rehetra, ary izy ireny dia mety hahatonga antsika ho somary ketraka sy ho very hevitra ihany indraindray. Aoka anefa tsy havelanao hitombo ao am-ponao mihitsy ny fahasosorana, indrindra fa amin’i Jehovah. (Ohabolana 4:23). Noho ny fanampiany sy mifototra amin’ny Soratra Masina, dia karakarao izay zava-manahirana azonao alamina ary iareto ireo izay tsy mety afaka. — Matio 18:15-17; Efesiana 4:26, 27.
20 Aoka ianao tsy hamela ny fihetseham-ponao hahatonga anao hanao zavatra amin-kadalana, ka amin’izay dia hahasimba ny lalanao. Mitenena ary manaova zavatra amin’ny fomba izay hampifaly ny fon’Andriamanitra. (Ohabolana 27:11). Mangataha fanampiana amin’i Jehovah amin’ny vavaka mafana, amin’ny fahafantarana fa tena miahy anao tokoa izy amin’ny maha-mpanompony anao ary hanome anao ny fahiratan-tsaina ilaina mba hijanonana ao amin’ny lalan’ny fiainana miaraka amin’ny olony. (Ohabolana 3:5, 6). Ambonin’izany rehetra izany, dia aoka ianao tsy hanjary tezitra mafy amin’Andriamanitra. Rehefa tsy mandeha tsara ny zava-drehetra, dia tsarovy mandrakariva fa tsy i Jehovah no tokony homen-tsiny.
Ahoana no Havalinao?
◻ Fahadisoana inona no nataon’i Lota, kanefa ahoana no niheveran’Andriamanitra azy?
◻ Ahoana no hevitr’i Davida mikasika ny fahadisoana sy ny fahasahisahian-dratsy?
◻ Rehefa tsy mandeha tsara ny zava-drehetra, nahoana isika no tsy tokony hanome tsiny an’Andriamanitra?
◻ Inona no hanampy antsika tsy hanjary ho tezitra mafy amin’i Jehovah?
[Sary, pejy 15]
Rehefa nisaraka tamin’i Abrahama i Lota dia nanao safidy ratsy nikasika ny toeram-ponenany