-
Fahatsinjovan-javatra mahatalanjona ho an’ny olombelona: paradisam-pahafinaretanNy Tilikambo Fiambenana—1989 | 1 Novambra
-
-
Fahatsinjovan-javatra mahatalanjona ho an’ny olombelona: paradisam-pahafinaretana
“Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” — GENESISY 1:28.
1, 2. Noho ny fikendrena inona no iasan’Andriamanitra amim-pitiavana ho tombontsoan’ny olombelona, ary asa inona no nankininy tamin’i Adama?
“ANDRIAMANITRA dia fitiavana”, hoy ny Baiboly Masina. Miahy amim-pitiavana sady tsy misy fitadiavana tombony ny olombelona izy ary miasa tsy an-kijanona mba hahafahany ho velona mandrakizay, salama sy miadana ao amin’ny paradisam-pahafinaretana eto ambonin’ny tany (1 Jaona 4:16; jereo Salamo 16:11). Nanana fiainana nilamina sady nanatontosa asa nahaliana sy mahafinaritra ny lehilahy tanteraka voalohany, Adama. Nangataka azy hamboly ny zaridaina kanto tao Edena ny Mpamorona ny olombelona, avy eo dia nanankina taminy asa hafa, asa manokana izay nisy zava-tsarotra. Izany no asehon’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly amin’ireto teny ireto:
2 “Ary tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay nanononan-dralehilahy ny zava-manan-aina rehetra, dia izany no anarany. Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny voro-manidina mbamin’ny bibi-dia rehetra.” — Genesisy 2:19, 20.
3. Nahoana moa no tsy nahatsiaro tahotra na i Adama na ny biby?
3 Nantsoin-dralehilahy hoe sous ny soavaly, shôr ny omby, sèh ny ondry, ‘éz ny osy, ‘ôph ny vorona, yônah ny voromailala, toukki ny vorombola, ’aryéh na ’ari ny liona, dov ny bera, qôph ny rajako, kèlèv ny alika, nahash ny bibilava, ary toy izany hatranya. Rehefa nijery teo amin’ny ony izay nikoriana avy tao amin’ny zaridainan’i Edena izy, dia nahita trondro izay nantsoiny hoe dagah. Na dia tsy nanana fitaovam-piadiana aza ralehilahy, dia tsy natahotra ireny biby fiompy na biby dia na vorona ireny. Ireo biby koa tetsy an-kilany dia tsy natahotra azy. Fantany noho ny fahatsapana voa-janahary fa ambony karazana ny olona. Zavaboarin’Andriamanitra izay nanome azy ny aina izy ireo, ary tsy nahatsiaro filana na faniriana hampijaly azy na hanala ny ainy ny olombelona.
4. Mahatonga hieritreritra inona moa ny nanomezan’i Adama anarana ny biby an-tanety rehetra sy ny voro-manidina, ary tsy maintsy ho karazana asa manao ahoana izany ho azy?
4 Tsy lazain’ny fitantarana amintsika hoe nandritra ny fotoana toy inona no nampisehoana tamin-dralehilahy ny biby fiompy sy ny biby dia mbamin’ny voro-manidina eny amin’ny lanitra. Teo ambany fitarihan’Andriamanitra no nizoran’ny zava-drehetra. Tsy isalasalana fa naka fotoana hianarana momba ny biby tsirairay avy i Adama, tamin’ny fandinihana ny fahazarany sy ny endrika mampiavaka azy ary avy eo dia nifidy anarana mety aminy manokana. Nety ho naka fotoana betsaka taminy izany. Asa tena nahaliana ho an’i Adama ny fifankazarana toy izany tamin’ireo zavaboary velona maro karazana misy eto ambonin’ny tany, ary tsy maintsy nanana fahaizana ara-tsaina sy fahaizana niteny niavaka izy mba hanavahana ny tsirairay aminy tamin’ny fanomezana anarana mety ho azy.
5-7. a) Fanontaniana inona avy no azo inoana fa nipoitra? b) Valiny toy inona no nomena ao amin’ny fitantarana ny amin’ny famoronana hita ao amin’ny Genesisy 1:1-25?
5 Tamin’ny filaharana nanao ahoana anefa no namoronana ireo zavaboary velona rehetra ireo? Moa ve ny biby an-tanety noforonina taloha sa taorian’ny voro-manidina? Oviana no nisehoan’ny olombelona raha oharina amin’ireny zavaboary ambany rehetra ireny? Inona no nataon’Andriamanitra mba hanomanana ny vohon’ny tany alohan’ny hisehoan’ny zavaboary velona samihafa toy izany, mba hampisy rivotra izay hahafahan’ny vorona manidina ambony be toy izao, mba hanomezana rano hosotroina sy zavamaniry hohanina, mba hanaovana fanazavana lehibe hanazava ny andro sady hamela ny olona hahita ary mba hanaovana ny fanazavana kely izay natokana handravaka ny alina? Nahoana ny toetr’andro no tsara aoka izany ka nahatonga ny olona ho afaka hivezivezy, hiasa ary hatory tsy nisy fialofana sady tsy nitafy?
6 Tsy voatery haminany ny valin’ireo fanontaniana ireo ny olona. Mendrika ny hahazo fanazavana feno fahendrena avy amin’ny loharano nomen-dalana tena nahalala izay nitranga ny sainy ta-hahalala zavatra. Tsy navela tao anatin’ny tsy fahalalana io zanak’Andriamanitra io, nefa azo inoana fa tsapany ho fanajana ny fahaizana lehibe nananany ny fitantarana miavaka mikasika ny famoronana araka izay ahitana azy ao amin’ny Genesisy 1:1-25.
7 Tsy maintsy ho nahatsapa fankasitrahana lalina i Adama noho ny fahalalana an’io fitantarana mahaliana fatratra mikasika ny famoronana io izay nanazava zavatra maro. Araka ny nanoratana azy, io fitantarana io dia nahatonga azy hahatakatra fa nisy vanim-potoana lava telo (izay nantsoin’Andriamanitra hoe andro mifanaraka amin’ny fomba famerany ny fotoana) talohan’ny vanim-potoana famoronana fahefatra nampitrangan’Andriamanitra ny fanazavana roa lehibe teny amin’ny lanitra. Hamaritan’ny olona ny andro 24 ora izay fohy lavitra izany. Io andro fohy kokoa ho hitan’ny olona eto an-tany io dia nifanitsy tamin’ny fotoana lany teo anelanelan’ny filentehan’ny fanazavana lehibe tsirairay avy. Takatr’i Adama koa fa ho velona taona maro izy ary tsy isalasalana fa nanomboka nanisa izany avy hatrany izy. Namela azy hanao izany ilay fanazavana lehibe hita teny amin’ny habakabaky ny lanitra. Nefa raha oharina amin’ireo andro nanaovan’Andriamanitra asa famoronana teto an-tany, izay vanim-potoana lava kokoa, dia fantatr’ilay lehilahy voalohany fa velona tamin’ny andro fahenina izy. Tsy mbola reny ny amin’ny fifaranan’io andro fahenina izay natokana ho an’ny famoronana ny biby an-tanety rehetra sy ny famoronana mitokana ny olona io. Ankehitriny dia tena takany ny filaharan’ny namoronana ny zavamaniry, ny hazandrano, ny voro-manidina ary ny biby an-tanety. Tsy nampiseho izay nomanin’Andriamanitra tamim-pitiavana ho an’ny olona ao amin’ny paradisa eto an-tany tamin’ny fomba feno sy manontolo anefa ny fisian’i Adama irery tao amin’ny zaridainan’i Edena.
Famoronana ny vehivavy voalohany
8, 9. a) Inona no hitan’ilay lehilahy lavorary teo amin’ireo biby, inona anefa no fanatsoahan-keviny tamin’izany? b) Nahoana moa no nety raha tsy nangataka vady tamin’Andriamanitra ilay lehilahy? d) Teny ahoana no ilazalazan’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly ny famoronana ny vehivavy voalohany?
8 Ilay lehilahy voalohany, izay nanana fahaiza-mandinika sy saina tanteraka, dia nahita fa lahy sy vavy ireo voro-manidina sy biby an-tanety ary niara-niantoka ny fitombon’ny karazany izy ireny. Tsy mba toy izany anefa ny aminy. Raha nanjary naniry hanana namana izy noho io fandinihana io dia tsy nahita izay nifanentana taminy teo amin’ireo biby, na dia teo amin’ireo rajako lehibe aza. Tsy isalasalana fa nanatsoaka hevitra avy tamin’izany Adama fa tsy nanana namana izy. Tsy ho nentin’Andriamanitra teo aminy ve izany raha nisy? Noho izy noforonina nisaraka tamin’ny karazam-biby rehetra, dia fantatr’ilay lehilahy fa tsy maintsy hafa izy. Tsy nirona hanapaka raharaha toy izany samy irery izy, na ho tonga sahisahy ka hangataka vady tamin’ny Mpamorona azy. Nety ny nataon’ilay lehilahy tanteraka rehefa namela an’Andriamanitra hikarakara an’io raharaha io izy satria, fotoana fohy taorian’izay, dia hitany fa efa nanao ny famaranan-keviny ny amin’io toe-javatra io Izy. Milaza toy izao ny fitantarana mikasika izany sy izay nitranga tamin’izay:
9 “Nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy. Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony. Ary ny taolan-tehezana izay nalain’i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy. Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko ity; ity dia hatao hoe ‘vehivavy’, satria lehilahy no nanalana azy. Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo. Ary nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy.” — Genesisy 2:20-25.
10. Inona no nambaran’ilay lehilahy lavorary rehefa nentina teo aminy ny vehivavy izay lavorary koa, ary toa milaza inona izany?
10 Naneho ny fahafaham-pony lalina i Adama rehefa nentina teo aminy toy ny mpanampy nifanentana taminy ny vehivavy tanteraka. Izao no nambarany: “Ankehitriny dia taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko ity.” Ireo teny notononiny rehefa nahita ny vadiny vao noforonina ireo dia toa milaza fa niandry elaela izy vao nahazo ny olona nahafinaritra nifanentana taminy. Nantsoin’i Adama hoe “Vehivavy” (’ishshah na, ara-bakiteny, “lehilahy vavy”) io fanampy sahaza azy io “satria lehilahy no nanalana azy”. (Genesisy 2:23, Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, fanontana anglisy misy fakàn-teny tamin’ny 1984, fanamarihana ambany pejy.) Tsy nihevitra ny tenany ho anisan’ny fianakavian’ny zavaboary manidina na biby an-tanety izay nentin’Andriamanitra teo anatrehany mba homeny anarana i Adama. Hafa noho ny an’ireo ny nofony. Ity vehivavy ity kosa anefa dia tena nitovy karazana taminy, nitovy nofo aminy. Ilay taolan-tehezana izay nalain’Andriamanitra avy tao amin’ny ilany dia namoaka ra nitovy tamin’izay nikoriana tao amin’ny lalan-dràny (jereo Matio 19:4-6). Hatramin’izao dia hisy olona izay ho azon’i Adama isehoana ho mpaminanin’Andriamanitra sady ho azony ampahafantarina ny fitantarana mahatalanjona momba ny famoronana.
11-13. a) Koa satria nahazo vady i Adama, fanontaniana inona avy no mitranga? b) Inona no nomanin’Andriamanitra ho an’ny mpivady voalohany? d) Inona no ho sakafon’ny fianakavian’olombelona lavorary?
11 Noho ny fikendrena inona anefa no nanomezan’ny Mpamorona ny olombelona vady azy? Moa ve mba hananany mpanampy sahaza azy, namana mitovy karazana aminy sy mba tsy hijaliany noho ny fitoerana manirery fotsiny? Manazava izay nomanin’Andriamanitra ny fitantarana amin’ny famerenana amintsika ireo teny nitsofany rano ny fanambadiany:
12 “Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany. Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy. Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.”
13 “Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin’ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana ho anareo ireny. Ary ny amin’ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny zava-manan-aina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, dia efa nomeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany; dia nisy izany.” — Genesisy 1:26-30.
Fahatsinjovan-javatra mikasika ny hoavin’ny mpivady voalohany
14. Koa satria nitso-drano azy Andriamanitra, hoavy manao ahoana no nisokatra teo anoloan’ny lehilahy sy ny vehivavy lavorary, ary afaka naka sary an-tsaina ara-drariny ny amin’inona izy ireo?
14 Nahatalanjona aoka izany ny lehilahy tanteraka sy ny vadiny izay tanteraka koa ny nandre an’Andriamanitra niresaka taminy, nilaza izay nantenainy taminy ary nitso-drano azy! Noho ny tsodrano nataon’Andriamanitra dia tsy ho zava-poana ny fiainan’izy ireo fa ho afaka hanao izay nangatahana taminy kosa izy. Nisy hoavy kanto nisokatra teo anoloany. Tao amin’ny fonenany, ny zaridainan’i Edena, ireo mpivady vao dia tsy isalasalana fa nieritreritra ny amin’ny toe-piainana hanjaka eto an-tany rehefa ho nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra mikasika azy izy ireo. Rehefa nandefa ny fisainany hatrany amin’ny hoavy lavitra izy ireo, dia naka sary an-tsaina, tsy ny “saha tao Edena tany atsinanana” fotsiny, fa ny tany manontolo feno lehilahy sy vehivavy ravoravo (Genesisy 2:8). Tsy maintsy nientanentana ny fon’izy ireo rehefa nieritreritra fa ho zanany, ho taranany avokoa izy rehetra. Ho lavorary ny rehetra, tsy hisy tsininy ara-batana, tanora lalandava, feno fahasalamana sy tanjaka ary fifaliana miaina. Ho nifaneho fitiavana tanteraka izy rehetra, ho nanompo tamim-piraisan-kina ny Mpamorona azy lehibe, ny Rainy any an-danitra, ary izany dia miaraka amin’ireo ray aman-dreniny olombelona voalohany. Tsy maintsy dibo-kafaliana ny fon’ilay lehilahy sy ilay vehivavy voalohany teo am-pieritreretana ny fanorenana fianakaviana toy izany!
15, 16. a) Nahoana no ho nisy sakafo tondraka ho an’ny fianakavian’olombelona? b) Koa satria tsy maintsy hitombo ny fianakavian’olombelona sambatra, asa inona no hiandry azy any ivelan’ny zaridainan’i Edena?
15 Hisy sakafo tondraka ho an’ny mpikambana rehetra amin’izany fianakavian’olombelona hameno ny tany izany. Efa nanana izany be dia be i Adama sy Eva nanodidina azy ireo tao amin’ny saha Edena. Nomen’Andriamanitra sakafo nahasalama sady ambony karazana izy ireo tamin’ny fanomezana ny zavamaniry manintsam-boa rehetra mbamin’ny hazo fihinam-boa. — Jereo Salamo 104:24.
16 Noho ny fitomboan’isa eo amin’ny fianakaviany sambatra, dia ho nanitatra ny zaridaina hatrany amin’ireo tany any ivelan’i Edena ny mpikambana aminy, satria nasehon’ny tenin’Andriamanitra fa, tany ivelan’io zaridaina io, ny tany dia lava volo na, fara faharatsiny, tsy voakarakara na tsy voavoly tsara. Izany no nahatonga ny Mpamorona azy hiteny taminy mba ‘hampanompo’ ny tany eo am-pamenoana azy. — Genesisy 1:28.
17. Nahoana no ho nisy sakafo tondraka ho an’ny mponina mitombo isa hatrany, ary toe-javatra inona no hitombo arakaraka ny hanitarana ilay zaridaina?
17 Arakaraka ny hanitaran’ny mpamboly sady mpiambina lavorary ny zaridaina no hahatonga ny tany voakarakara hamokatra betsaka ho an’ny mponina mitombo isa hatrany. Amin’ny farany, ilay zaridaina miitatra hatrany dia ho nandrakotra ny tany manontolo izay ho nanjary paradisa kanto ary nitoetra ho ny fonenana mandrakizay ho an’ny olombelona. Raha jerena avy eny amin’ny lanitra ny bolantany dia ho nitovy tamin’ny vatosoa kanto, ary ho nanambara izany ho tena tsara ny Mpamorona any an-danitra. — Jereo Joba 38:7.
18. Nahoana moa no tsy ho nisy antony natahorana mihitsy tao amin’ny zaridainan’i Edena nitarina manerana ny tany, ary toe-piainana milamina toy inona no ho nanjaka tao?
18 Ho nilamina toy io zaridainan’i Edena nisy ny mpivady vao io ny tany manontolo. Tsy ho nilaina ny hatahotra ireny biby an-tanety sy ireny voro-manidina rehetra ireny izay nodinihin’i Adama, ilay lehilahy voalohany, mba homena anarana. Toy ireo ray aman-dreniny olombelona voalohany, ny mponina lavorary rehetra ao amin’ny Paradisa izay handrakotra ny tany manontolo dia hanjaka eo amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, ny voro-manidina eny amin’ny lanitra ary ny zavamananaina mihetsiketsika ambonin’ny tany, na dia ireo biby dia any an-tsaha aza. Noho ny fanekeny avy hatrany ny olona izay ‘noforonina tahaka ny endrik’Andriamanitra’ ireo zavaboary velona ambany ireo dia hihavana aminy. Amin’ny fanjakana eo aminy, ireo tompony malemy fanahy sady lavorary dia ho nanamora ny fisian’ny rivo-piainana milamina eo amin’ny biby noforonina. Ny hery tia fihavanana entin’ireny tompo olombelona natao araka ny endrik’Andriamanitra ireny dia ho nihatra teo amin’ireo zavaboary velona ambany ireo mba hiarovana azy. Ambonin’ny zava-drehetra anefa dia hihavana amin’Andriamanitra izay tsy hitsahatra hitahy azy ny olombelona lavorary. — Jereo Isaia 11:9.
Mitsahatra amin’ny asany Jehovah
19. a) Inona no tsy maintsy takatr’ireo mpivady voalohany mikasika ny sitrapon’Andriamanitra? b) Inona no nasehon’i Jehovah mikasika ny fotoana?
19 Tamin’ny fisaintsainana izay ho nitranga tamin’ny tany araka ny sitrapon’Andriamanitra dia tsy maintsy takatry ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany fa ho nila fotoana izy ireo mba hanatanterahana ny asa mahatalanjona nankinin’Andriamanitra taminy. Hafiriana anefa? Nahafantatra izany ny Mpamorona azy sady Rainy any an-danitra. Nasehony taminy fa tapitra ny andro hafa iray anisan’ny fitohitohizana lehibe amin’ireo andro famoronana, ary teo amin’ny “hariva” izy ireo, teo amin’ny fiandohan’ny andro vaovao iray araka ny fomba fanamarihan’Andriamanitra an’ireo vanim-potoana ireo. Tokony ho notahina sy natokana ho amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra izay madio sady marina io andro vaovao io. Nitadidy io lafin-javatra io ny lehilahy tanteraka izay mpaminanin’Andriamanitra. Toy izao tokoa no vakintsika ao amin’ilay fitantarana araka ny tsindrimandrin’Andriamanitra:
20. Inona no lazain’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly mikasika ny “andro fahafito”?
20 “Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, — andro fahenina izany. Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy. Ary tamin’ny andro fahafito dia vitan’Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin’ny andro faha-fito Izy tamin’ny asany rehetra izay efa nataony. Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin’izany no nitsaharan’Andriamanitra tamin’ny asany rehetra izay noforoniny tamin’ny nanaovany azy. Ary izao no tantaran’ny lanitra sy ny tany tamin’ny namoronana azy, dia tamin’ny andro nanaovan’i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra.” — Genesisy 1:31 ka hatramin’ny 2:4.
21. a) Milaza ve ny Baiboly fa efa nofaranan’Andriamanitra ny andro fitsaharany ka tsara indrindra io andro io? Hazavao. b) Fanontaniana inona no mitranga?
21 Tsy milaza ny fitantarana ao amin’ny Baiboly fa nofaranan’Andriamanitra ny andro fitsaharany, na hitany fa tsara indrindra izany ka nisy hariva ary nisy maraina: andro fahafito izany. Mba hifanitsiany amin’ireo andro famoronana enina teo aloha, ny andro fahafito dia tokony mbola hambara ho tsara indrindra satria tsy mbola nifarana izy io. Nefa moa ve Jehovah Andriamanitra afaka manambara izany ho tsara indrindra amin’izao fotoana izao? Andro fitsaharana nilamina ho azy ve izany? Inona no holazaina ny amin’ny fahatsinjovana hoavy mahatalanjona izay tsinjon’ilay lehilahy sy ilay vehivavy voalohany tamin’ny andro nivadian’izy ireo tao amin’ny Paradisa? Aoka hojerentsika izay nitranga amin’ny fandinihana ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Hita ao amin’ny soratra hebreo ao amin’ny Genesisy sy ao amin’ireo boky hafa ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ao amin’ny Soratra masina amin’ny fiteny hebreo ireo anarana ireo.
Ahoana no havalinao?
◻ Ankoatra ny fikarakarana ny saha, asa inona no nankinin’Andriamanitra tamin’i Adama, ary toy inona ny habeny?
◻ Nampahafantatra inona moa ny fitantarana ny amin’ny famoronana hita ao amin’ny Genesisy 1:1-25?
◻ Ahoana no namoronana ny vehivavy voalohany, ary inona no nambaran’i Adama tamin’ny andro nanambadiany?
◻ Fahatsinjovana hoavy manao ahoana no nananan’ny mpivady voalohany?
◻ Ahoana no nanehoan’Andriamanitra fa nifarana ny andro famoronana hafa iray?