Miomana ho amin’ny fanafahana mba ho ao amin’ny tontolo vaovao iray
“Tsarovy ny vadin’i Lota.” — LIOKA 17:32.
1. Ohatra ara-tantara ny amin’ny fanafahan’Andriamanitra inona no asongadin’ny fianarantsika androany, ary ahoana no mety handraisantsika soa avy amin’izany?
REHEFA avy niresaka ny amin’ny fanafahana mahatalanjona nataon’i Jehovah ho an’i Noa sy ny fianakaviany ny apostoly Petera dia nanonona ohatra ara-tantara hafa iray. Nanintona ny saina ho amin’ny fiarovana an’i Lota marina izy fony natao tonga lavenona i Sodoma sy Gomora, araka ny amakiantsika azy ao amin’ny 2 Petera 2:6-8. Notehirizina ny tsipirian’izany ho tombontsoantsika (Romana 15:4). Ny fandatsahantsika am-po izay nitranga mifandray amin’izany fanafahana izany dia afaka manampy antsika ho voatsimbina mba ho ao amin’izao tontolo izao vaovaon’Andriamanitra.
Ny fihetsitsika eo anoloan’ny fomba fiainan’izao tontolo izao
2. Fitondrantena inona tao Sodoma sy Gomora no nitarika an’Andriamanitra handringana azy?
2 Nahoana no naringana ireo tanàna ireo mbamin’ny mponina tao aminy? Nambaran’ny apostoly Petera ny fanaranam-po amin’ny “fijejojejoana”. (2 Petera 2:7.) Araka ny tondroin’ny fampiasana ny teny grika nandikana an’io teny io, ny mponina tany Sodoma sy Gomora dia nanaram-po tamin’ny fanaovan-dratsy tamin’ny fomba nampiseho tsy fanajana nihantsy, hatramin’ny fanarabiana ny lalàna sy ny fahefana mihitsy aza. Milaza ny Joda 7 fa ‘nijangajanga tafahoatra’ ka ‘lasa nanaraka nofo hafa’ izy ireo. Niharihary ny fahavetavetan’ny fitondrantenan’izy ireo rehefa nanodidina ny tranon’i Lota ny lehilahy tao Sodoma “hatramin’ny tanora ka hatramin’ny antitra [lahiantitra, MN ], dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna”, ary nangataka ny hamoahany ireo vahininy mba hanomezana fahafaham-po ny filàny maloto. Niantsoantso fandrahonana tamin’i Lota izy noho ny fanoheran’io ny fangatahana maloto nataon’izy ireo. — Genesisy 13:13; 19:4, 5, 9.
3. a) Ahoana no nahatonga an’i Lota sy ny fianakaviany hipetraka amin’ny faritra feno faharatsiana toa an’i Sodoma? b) Nanao ahoana ny fihetsik’i Lota teo anatrehan’ny fitondrantena maloton’ny olona tao Sodoma?
3 Nifindra tany amin’ny faritra akaikin’i Sodoma i Lota tamin’ny voalohany noho ny fanambinana ara-nofo nety ho azo tao. Tatỳ aoriana dia nanorim-ponenana tao amin’ilay tanàna mihitsy izy (Genesisy 13:8-12; 14:12; 19:1). Tsy nankasitraka ny fanao vetavetan’ireo lehilahy tao an-tanàna anefa izy, ary ireo tsy nihevitra azy ho ny iray taminy, satria niharihary fa tsy nandray anjara tamin’ny fiainany ara-tsôsialy i Lota sy ny fianakaviany. Izao no voalaza ao amin’ny 2 Petera 2:7, 8: “Fa Lota marina, izay ory dia ory noho ny fijejojejoan’ny olona ratsy fanahy (...) (fa izany lehilahy marina izany, raha nitoetra teo aminy, dia nahory loatra ny fanahiny marina isan-andro isan-andro noho ny nahitany sy ny nandrenesany ny fandikan’ireo ny lalàna).” Fitsapana mafy ho an’i Lota izany toe-javatra izany, satria, tamin’ny naha-olo-marina azy, dia nankahala fitondrantena toy izany izy.
4. a) Amin’ny ahoana no itovian’ny toe-javatra ankehitriny amin’izay nisy tany Sodoma fahiny? b) Raha sahala amin’i Lota marina isika, ahoana no tokony ho fihetsitsika eo anoloan’ny toe-javatra ratsy ankehitriny?
4 Amin’izao androntsika izao koa, dia mikororosy ny fari-pitondrantenan’ny fitambaran’olona. Any amin’ny tany maro, dia mitombo hatrany ireo miditra amin’ny fananana firaisana aloha na ivelan’ny fanambadiana. Tafiditra lalina ao anatin’izany fomba fiaina izany na dia ny tanora mbola mianatra aza, ary esoiny izay tsy miaraka aminy. Mampahafantatra miharihary ny tenany ireo lehilahy mpandry amin’ny lehilahy ary milahatra eny amin’ny araben’ny tanàn-dehibe mba hangatahana ny fanekena azy ho ara-dalàna. Nandray anjara tamin’izany fihetsiketsehana izany ny klerjy. Amin’ny fomba ofisialy dia tsy maro ny fiangonana manendry olona fantatra ho sodomita sy mpijangajanga. Raha ny marina anefa, araka ny asehon’ny fitantarana an-gazety matetika, dia tsy sarotra velively ny mahita sodomita, sy mpijangajanga, ary mpanitsakitsa-bady ao amin’ny laharan’ny klerjy. Raha ny marina, dia nisy mpitondra fivavahana nafindra tanàna na noterena hiala mihitsy aza noho ny zavatra mahatafintohina eo amin’ny lahy sy ny vavy. Tsy manohana ny faharatsiana toy izany ireo tia ny fahamarinana; ‘mankahala ny ratsy’ izy ireo. (Romana 12:9.) Malahelo indrindra izy ireo rehefa mitondra fahafaham-baraka ho an’ny anaran’Andriamanitra ny fitondrantenan’ny olona milaza ho manompo azy ka mahatonga ny olona milaza ho manompo azy ka mahatonga ny olona tsy mahafanta-javatra hiala amim-pankahalana amin’izay mety ho fivavahana. — Romana 2:24.
5. Fanontaniana inona no valian’ny fandringanan’i Jehovah an’i Sodoma sy Gomora?
5 Isan-taona isan-taona, dia miharatsy hatrany ny tarehin-javatra. Hisy farany ho an’izany ve? Izany tokoa! Izay nataon’i Jehovah tamin’i Sodoma sy Gomora fahiny dia mampiseho mazava fa, amin’ny fotoana voatendriny, dia hanatanteraka ny fitsarany izy. Haringany tanteraka ny ratsy fanahy, fa hafahany kosa ny mpanompony tsy mivadika.
Iza na inona no mitana ny toerana voalohany eo amin’ny fiainana?
6. a) Fianarana ara-potoana inona no hita ao amin’ny tantaran’ireo tovolahy izay tokony hanambady ny zanakavavin’i Lota? b) Ahoana no nisedran’ny fihetsik’ireo ho vadiny ny zanakavavin’i Lota?
6 Ireo maneho tena fifikirana amin’Andriamanitra ihany no ho voatsimbina. Raha ny amin’izany, dia hevero izay nolazain’ny anjelin’i Jehovah tamin’i Lota talohan’ny naharavan’i Sodoma sy Gomora: “Mbola manana ato koa va hianao? dia izay vinantonao-lahy sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, ary na zovy na zovy anananao ato an-tanàna, ento miala amin’ity tanàna ity; fa horavanay ity tanàna ity.” Niresaka tamin’ireo tovolahy izay tokony hanambady ny zanany vavy àry i Lota. Nandodona azy imbetsaka izy nanao hoe: “Miaingà, mialà amin’ity tanàna ity; fa horavan’i Jehovah ity tanàna ity.” Ny fifandraisan’izy ireo tamin’ny ankohonan’i Lota dia nanome fahafahana manokana azy ireo ho voavonjy, nefa ny tenany manokana no tokony hanao zavatra. Tokony hanome porofo azo tsapaina ny amin’ny fankatoavany an’i Jehovah izy ireo. “Tahaka ny mpanao vazivazy” teo imason’izy ireo anefa i Lota. (Genesisy 19:12-14.) Azonao alaina sary an-tsaina izay tsapan’ny zanakavavin’i Lota rehefa nahafantatra izay nitranga izy. Nisedra ny fahatokiany teo anatrehan’i Jehovah izany.
7, 8. a) Nanao ahoana ny fihetsik’i Lota rehefa nandodona azy handositra niaraka tamin’ny fianakaviany ireo anjely, ary nahoana izany no tsy fanehoam-pahendrena? b) Mba hahazoana fanafahana, inona no zavatra niankinan’ny aina ho an’i Lota sy ny fianakaviany?
7 Vao nangiran-dratsy, ny ampitson’iny, dia nandodona mafy an’i Lota ireo anjely. Hoy izy ireo taminy: “Miaingà, ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy izay eto, fandrao mba haringana hianao noho ny heloky ny tanàna.” Mbola “nitaredretra” ihany anefa izy. (Genesisy 19:15, 16.) Nahoana? Inona no nitana azy? Moa ve izany ny tombontsoa ara-nofo nananany tao Sodoma — dia izay nanintona azy indrindra tao amin’io faritra io tamin’ny voalohany? Raha nifikitra tamin’izany izy, dia ho ringana niaraka tamin’i Sodoma.
8 Noho ny indrafo, dia notantanan’ny anjely ireo anisan’ny ankohonany ary nandodona azy izy hivoaka tany ivelan’ny tanàna. Rehefa tany ivelany, dia nandidy toy izao ny anjelin’i Jehovah: “Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika hianao, na mijanona eny amin’ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana hianao.” Mbola nisalasala ihany i Lota. Farany, rehefa nomen-dalana handeha ho any amin’ny toerana tsy dia lavitra loatra izy sy ny fianakaviany, dia nandositra izy. Tsy azo natao intsony ny nangataka andro; niankinan’ny aina ny fankatoavana.
9, 10. a) Nahoana no tsy ampy ny fiarahany tamin’ny vadiny mba hiantohana fiarovana ho an’ny vadin’i Lota? b) Rehefa maty ny vadin’i Lota, fisedrana inona indray no nentin’izany ho an’i Lota sy ireo zanany vavy?
9 Na dia izany aza, dia tsy mbola feno akory ny fanafahana azy ireo rehefa niala avy tao Sodoma izy. Izao no ambaran’ny Genesisy 19:23-25 amintsika: “Ary ny masoandro efa niposaka tamin’ny tany, raha tonga tao Zoara Lota. Ary Jehovah nandatsaka tamin’i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin’i Jehovah tany an-danitra, ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary ny zava-maniry teo amin’ny tany.” Taiza anefa ny vadin’i Lota?
10 Nandositra niaraka tamin’ny vadiny izy. Na dia izany aza, moa ve izy nanaiky tanteraka izay nataon’io? Tsy misy na inona na inona mampiseho fa nankasitraka tamin’ny fomba iray ny faharatsiam-pitondrantenan’i Sodoma izy. Kanefa, moa ve ny fitiavany an’Andriamanitra natanjaka kokoa noho ny fifikirany tamin’ny tranony sy ny zavatra ara-nofo nananany tao? (Jereo Lioka 17:31, 32.) Teo amin’ny fitsapana no nanjary niharihary izay tao am-pony. Azo inoana fa efa teo akaikin’i Zoara izy ireo, angamba rehefa nadiva hiditra tao an-tanàna mihitsy no tsy nankatò ka niherika ary nijery tany aoriana izy. Araka ny voalazan’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly, dia ‘tonga vongan-tsira nitsangana izy’. (Genesisy 19:26.) Izao dia voasedra indray ny tsy fivadihan’i Lota sy ny zanany vavy. Moa ve ny firaiketam-pon’i Lota tamin’ny vadiny maty, na ny fihetseham-pon’ireo zazavavy tamin’ny reniny maty mafy kokoa noho ny fitiavany an’i Jehovah izay nahatonga io loza io? Moa ve izy ireo hanohy hankatò an’Andriamanitra na dia nivadika aza ny olona tena akaiky azy ireo? Tamim-patokiana tanteraka an’i Jehovah, dia tsy nitodika tany aoriana izy ireo.
11. Inona no nianarantsika teto raha ny amin’ny fanafahana omen’i Jehovah?
11 Eny, hain’i Jehovah ny manafaka amin’ny fitsapana ny olona manana fifikirana amin’Andriamanitra. Hainy ny manafaka fianakaviana iray manontolo izay tafaray ao anatin’ny fanompoam-pivavahana madio; hainy koa ny fomba hanafahana ny isam-batan’olona. Rehefa tena tia azy ireo, dia anehoany fiheverana lehibe amin’ny fifandraisany aminy. “Fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” (Salamo 103:13, 14). Ny fanafahany anefa dia ho an’ireo olona mifikitra amin’Andriamanitra ihany, dia izay manana ny tena fifikirana, ka ny fankatoavany dia fisehoan’ny tsy fivadihana.
Fanomanana feno fitiavana ho amin’ny fanafahana lehibe kokoa
12. Fanomanana feno fitiavana inona no hataon’i Jehovah alohan’ny hitondrany ny fanafahana izay andrandraintsika fatratra?
12 Tsy nandringana ny ratsy fanahy rehetra mandrakizay i Jehovah tamin’izay nataony tamin’ny andron’i Noa sy Lota. Araka ny voalazan’ny Soratra masina, izany dia nametraka ohatra ny amin’ny zavatra ho avy fotsiny. Alohan’ny hahatongavan’izany, dia be lavitra noho izay nokasainy hatao hahasoa ny olona tia azy ny tao an-tsain’i Jehovah. Haniraka ny Zanany lahitokana, Jesosy Kristy ho eto an-tany izy. Eo i Jesosy no hanadio ny anaran’Andriamanitra ho afaka amin’ny fanalam-baraka amin’ny fanehoana ilay karazana fifikirana izay tokony sady azon’i Adama naseho tamin’Andriamanitra tamin’ny naha-olombelona tanteraka azy; hanao izany ao anatin’ny toe-javatra sarotra lavitra anefa i Jesosy. Natolotr’i Jesosy ny fiainan’olombelona tanteraka nananany ho sorona mba hahafahan’ny taranak’i Adama maneho finoana hahazo izay verin’i Adama. Avy eo, dia hofidin’Andriamanitra ny “ondry vitsy” avy amin’ny olombelona mahatoky izay hiaraka amin’i Kristy any amin’ny Fanjakany any an-danitra, ary hangonina avy amin’ny firenena rehetra ny “olona betsaka” mba hahaforona ny fototra ho an’ny fitambaran’olona vaovao (Lioka 12:32; Apokalypsy 7:9). Rehefa vita izany, Andriamanitra dia ho nahatanteraka ny fanafahana lehibe nasehon’ireo zava-nitranga nifandray tamin’ny Safodrano sy ny fandravana an’i Sodoma sy Gomora.
Ilaina maika izao ny manao zavatra amim-pahatapahan-kevitra
13, 14. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny nampiasan’i Petera ho ohatra, ny fandringanana ny olona tsy tia an’Andriamanitra tamin’ny andron’i Lota sy Noa?
13 Fantatr’izay mianatra ny Tenin’Andriamanitra fa nahavita asa fanafahana tamin’ny toe-javatra maro ho an’ny mpanompony i Jehovah. Tamin’ny ankabeazan’ny zava-niseho anefa, dia tsy nilaza ny Baiboly nanao hoe: ‘Ary toy ny tamin’izany fotoana izany, dia ho toy izany koa amin’ny fanatrehan’ny Zanak’olona.’ Nahoana ny apostoly Petera izay nahazo tsindrimandry tamin’ny alalan’ny fanahy masina no tsy nanavaka afa-tsy ohatra roa ihany? Inona no mampiavaka izay nitranga tamin’ny andron’i Lota sy i Noa?
14 Ahitana filazana mazava ao amin’ny Joda 7 izay amakiantsika fa “Sodoma sy Gomora mbamin’ny tanàna nanodidina azy, (...) dia aseho ho fananarana amin’ny iaretany fijaliana [sazy ara-pitsarana, MN ] amin’ny afo maharitra mandrakizay.” Eny, mandrakizay ny fandringanana ny mpanota rehetra tao amin’ireo tanàna ireo, toy ny haha-izany ny fandringanana ny ratsy fanahy amin’ny faran’ity fandehan-javatra ankehitriny ity (Matio 25:46, MN ). Tafiditra ho anisan’ny fitsarana mandrakizay toy izany koa ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa (2 Petera 2:4, 5, 9-12; 3:5-7). Noho izany, tamin’ny fandringanana ny olona tsy tia an’Andriamanitra tamin’ny andron’i Lota sy Noa dia nasehon’i Jehovah fa hanafaka ny mpanompony izy amin’ny fandringanana mandrakizay ireo mpanao ny tsy marina. — 2 Tesaloniana 1:6-10.
15. a) Fampitandremana maika inona no omena an’izay zatra manao ratsy? b) Nahoana no hampiharina ny didim-pitsarana amin’izay rehetra mikiribiby amin’ny tsy fahamarinana?
15 Tsy mitondra fahafinaretana ho an’i Jehovah na ho an’ny mpanompony akory ny fandringanana ny ratsy fanahy. Amin’ny alalan’ny Vavolombelony no ananaran’i Jehovah ny olona hoe: “Mialà, mialà amin’ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty hianareo?” (Ezekiela 33:11). Kanefa rehefa tsy maneho faniriana hihaino io fanasana feno fitiavana io ny olona, fa mikiribiby amin’ny fomba fiainany feno fitiavan-tena ihany, dia mitaky ny hampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany ny fanajany ny anarany masina sy ny fitiavany ny mpanompony mahatoky izay ampijalin’ny olona tsy tia an’Andriamanitra.
16. a) Nahoana no afaka matoky isika fa tena akaiky ny fanafahana nambara mialoha? b) Ho amin’inona ary ho aiza no hisian’ny fanafahana?
16 Efa tena akaiky ny fotoana hitondran’Andriamanitra fanafahana! Miharihary mazava ireo fihetsika sy fisehoan-javatra nambaran’i Jesosy mialoha ho famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra. Niseho voalohany ny endriny samy hafa amin’io famantarana io efa maherin’ny 75 taona lasa izay, ary nilaza i Jesosy fa tsy ho lany mihitsy “izao taranaka izao” alohan’ny hitrangan’ny fampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany eo amin’ity tontolo tsy tia an’Andriamanitra ity. Rehefa hitan’i Jehovah fa efa notorina tamin’ny fetra ampy manerana ny tany onenana manontolo ny hafatry ny Fanjakana ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia ho tonga ny faran’ity tontolo ratsy fanahy ity, ary hiaraka amin’izany ny fanafahana ny olona mifikitra amin’Andriamanitra (Matio 24:3-34; Lioka 21:28-33). Fanafahana avy amin’inona anefa? Avy amin’ny fitsapana izay niaretany avy tamin’ireo ratsy fanahy, sy avy tamin’ny toe-javatra izay loharanom-pahoriana ho azy ireo isan’andro amin’ny maha-olona tia ny fahamarinana azy. Ho fanafahana mba ho ao amin’ny tontolo vaovao izay tsy hisian’ny aretina sy ny fahafatesana intsony koa izany.
Fanampian’Andriamanitra ho fitsinjovana ny fanafahana
17. a) Fanontaniana lehibe inona no tokony hataontsika amin’ny tenantsika? b) Ahoana no azontsika anaporofoana fa, sahala amin’i Noa, isika dia hetsehin’ny ‘tahotra an’Andriamanitra’?
17 Ny fanontaniana izay tokony hoheverin’ny tsirairay amintsika dia izao: ‘Vonona ho amin’izany zavatra hataon’Andriamanitra izany ve ny tenako?’ Raha mitoky amin’ny tenantsika manokana isika na amin’ny fiheverantsika manokana ny amin’ny fahamarinana, dia tsy vonona isika. Kanefa, raha sahala amin’i Noa isika ka hetsehin’ny ‘tahotra an’Andriamanitra’, dia hanaiky amim-pinoana ny fitarihana omen’i Jehovah antsika isika, ary izany no hitarika ho amin’ny fanafahana antsika. — Hebreo 11:7.
18. Nahoana ny fianarana ny tena fanajana ny fahefana teokratika no tapany lehibe amin’ny fanomanana antsika ho amin’ny fanafahana mba ho ao amin’izao tontolo izao vaovao?
18 Izao no ambaran’ny Salamo 91:1, 2 rehefa milazalaza amin’ny fomba mahafinaritra ny amin’ireo mifaly amin’ny fiarovana omen’i Jehovah na dia amin’izao fotoana izao aza: “Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha. Izaho hilaza an’i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy ary Andriamanitro, Izay hitokiako.” Misy antokon’olona izay arovan’i Jehovah toy ny zana-borona eo ambanin’ny elatra maherin’ny ray aman-dreniny. Matoky tanteraka an’i Jehovah izy ireo. Ekeny fa izy no Avo Indrindra, ny Tsitoha. Ho vokatr’izany dia hajainy ny fahefana teokratika ary manaiky izany izy na avy amin’ny ray aman-dreny izany na avy amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47.) Marina ve izany raha ny amin’ny tsirairay amintsika? Sahala amin’i Noa, moa ve isika mianatra manao ‘araka izay rehetra andidian’Andriamanitra’ antsika ka manao zavatra araka ny fombany? (Genesisy 6:22). Raha izany no izy, dia manaiky ny fanomanana omen’Andriamanitra antsika ho amin’ny fanafahana mba ho ao amin’ny tontolo vaovao sy marina isika.
19. a) Inona ny fonao ara-panoharana, ary nahoana no iankinan’ny aina ny hitandremantsika izany? b) Ahoana no azontsika andraisan-tsoa avy amin’ny ohatr’i Lota raha ny amin’ny fihetsitsika eo anoloan’ny fitaoman’izao tontolo izao?
19 Tafiditra amin’izany fanomanana izany koa ny fitandremana ny fontsika ara-panoharana. “Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo.” (Ohabolana 17:3). Ampiany isika hahatakatra fa tsy ny fisehoantsika ivelany akory no inona, fa izay ao anatintsika, dia ny fo izany. Na dia tsy manaram-po amin’ny fanaovana herisetra sy ny fahalotoam-pitondrantena sahala amin’izao tontolo izao manodidina antsika aza isika, dia tokony hitandrina isika mba tsy ho voasintona na ho voavilin’ireny zavatra ireny. Sahala amin’i Lota, dia tokony hahatsiaro alahelo noho ny fisian’ny asa tsy fankatoavan-dalàna toy izany isika. Izay mankahala ny ratsy dia tsy mitady lalana hanaranam-po amin’izany; fa ny olona izay tsy mankahala izany kosa dia mety hifehy tena tsy hanao izany, nefa maniry ny hanao izany any an-tsainy. “Hianareo izay tia an’i Jehovah, mankahalà ny ratsy.” — Salamo 97:10.
20. a) Ahoana no ampitandreman’ny Baiboly antsika amin’ny fomba fiaina tia fatratra ny zavatra ara-nofo? b) Ahoana no hahafahantsika hilaza fa tafiditra lalina ao am-pontsika ny fianarana iankinan’ny aina avy ao amin’ny Baiboly mikasika ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo?
20 Amim-pitiavana no ampianaran’i Jehovah antsika hanalavitra, tsy ny fitondrantena maloto fotsiny, fa ny fomba fiaina tia fatratra ny zavatra ara-nofo koa. ‘Mianìna amin’ny hanina sy ny fitafiana’, hoy ny Teniny. (1 Timoty 6:8.) Vatery nandao ny tranony i Noa sy ireo zanany lahy rehefa niditra tao anatin’ny sambo fiara. I Lota sy ny fianakaviany koa dia voatery nandao ny tranony sy ny fananany mba hamonjena ny ainy. Amin’inona no nametrahantsika ny fitiavantsika? “Tsarovy ny vadin’i Lota.” (Lioka 17:32). Nampirisika toy izao i Jesosy: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany.” (Matio 6:33). Manao izany ve isika? Raha ny fitsipi-pahamarinan’i Jehovah no mitarika antsika, ary raha ataontsika ho raharaha voalohany eo amin’ny fiainantsika ny fanambarana ny vaovao tsaran’ny Fanjakany, amin’izay isika vao manaiky tokoa ny fanomanany vahoaka ho amin’ny fanafahana mba ho ao amin’izao tontolo izao vaovaony.
21. Nahoana isika no afaka matoky ara-drariny fa ho tanteraka tsy ho ela ny fampanantenan’Andriamanitra fanafahana?
21 Izao no nambaran’i Jesosy amin’ireo olona mifikitra amin’Andriamanitra izay hahita ny fahatanterahan’ny famantarana ny fanatrehany ao amin’ny herin’ny Fanjakany: “Miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.” (Lioka 21:28). Hitanao ve ny fahatanterahan’io famantarana io amin’ny tsipiriany rehetra? Manàna àry fatokiana fa efa tena akaiky ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra fanafahana! Aoka ianao hiaiky tanteraka fa “fantatr’i Jehovah izay hanafahana ny olona mifikitra amin’Andriamanitra amin’ny fitsapana” — 2 Petera 2:9, MN.
Inona no nianaranao?
◻ Sahala amin’i Lota, ahoana no tokony ho fihetsitsika eo anoloan’ny fomba fiainan’izao tontolo izao?
◻ Fisedrana inona no hitan’i Lota sy ny fianakaviany na dia teny am-pandosirana an’i Sodoma aza?
◻ Ahoana no anamafisan’ireo ohatra nampiasain’i Petera ny ilàna hilaharana amim-pahatapahan-kevitra haingana eo anilan’i Jehovah izao?
◻ Eo am-panomanana ny vahoakany ho amin’ny fanafahana, lesona iankinan’ny aina inona no ampianarin’i Jehovah?
[Sary, pejy 18]
Arovan’Andriamanitra ny vahoakany sahala amin’ny zana-borona eo ambanin’ny elatra maherin’ny ray aman-dreniny