Abrahama — Ohatra iray ho an’izay mitady ny fisakaizan’Andriamanitra
‘Tsy mba nalemy finoana izy, fa natoky indrindra fa izay nolazain’Andriamanitra, dia hainy hatao koa.’ — ROMANA 4:19-21.
1. Nahoana Satana no manandrana hampihem-bidy ny fitantarana ny amin’ny fiainan’i Abrahama?
NY TENIN’Andriamanitra voarakitra ao amin’ny Soratra Masina dia “velona sy mahery”. (Hebreo 4:12.) Noho izany, na dia voasoratra efa 3 500 taona mahery aza izao izy io, ny fitantarana ny fifandraisana nananan’i Jehovah tamin’i Abrahama dia loharanom-pampaherezana ho an’izay rehetra mitady ny fisakaizan’Andriamanitra (Romana 15:4). Fantatr’i Satana, ilay fahavalo lehibe, tsara tokoa izany ka nampiasa ireo filoham-pivavahana izy mba hanandrana hampihem-bidy an’io fitantarana io, hanao izay hiheverana azy ho angano. — 2 Korintiana 11:14, 15.
2. Ahoana no niheveran’ny mpianatr’i Jesosy ny tantaran’i Abrahama?
2 Koa satria anisan’ny “soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra” ny tantaran’i Abrahama, dia marina sady “mahasoa koa ho fampianarana” ny kristiana izany (2 Timoty 3:16; Jaona 17:17). Neken’ireo mpianatr’i Jesosy voalohany tokoa izany, satria im-74 no manisy fitenenana ny amin’i Abrahama ny Soratra grika kristiana. Ny toko faha-11 amin’ny taratasy ho an’ny Hebreo, toko manatanjaka ny finoana, dia miresaka lava kokoa an’i Abrahama noho izay mety ho mpanompon’Andriamanitra hafa talohan’ny andro kristiana.
3. Voninahitra niavaka inona no nananan’i Abrahama?
3 Abrahama dia tsy toy ny “mpaminany” hafa satria nampiasa azy Jehovah ho “fanoharana” lehibe, ka tamin’izany ilay patriarka dia nanana voninahitra niavaka, hampiseho ara-paminaniana ny tenan’Andriamanitra mihitsy (Genesisy 20:7; Galatiana 4:21-26). Izany no niresahan’i Jesosy ny amin’ny toerana eo “an-tratran’i Abrahama” mba hanoharana ny toe-piainan’ireo izay ankasitrahan’Andriamanitra. — Lioka 16:22.
Ny asam-pinoany voalohany
4. Araka ny Baiboly, inona no nolazain’Andriamanitra tamin’i Abrama fony izy nifandray taminy voalohany?
4 Abrama, izany no anarany tamin’ny voalohany, dia nihalehibe tao “Oran’ny Kaldeana”. Raha mbola nonina tao amin’io tanàna io izy, dia niseho taminy Jehovah Andriamanitra ka nanao taminy hoe: “Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao hankany amin’ny tany izay hasehoko anao; dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa hianao; ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” — Genesisy 12:1-3; 15:7; Asa. 7:2, 3.
5. a) Tamin’ny ahoana no nanohina lalina an’i Abrama ny fampanantenan’Andriamanitra? b) Nanao ahoana ny fandraisan’i Abrama an’ilay fampanantenana?
5 Tena fisedrana tokoa izany fanasana izany. Ny fanekena azy dia nidika ho fandaozana toerana iray nisy izay nahafinaritra sy ny fianakaviany, ho an’i Abrama, mba hiaina any lavitra, any an-tanin’olona. Tohina lalina tamin’ny fampanantenana nomen’Andriamanitra azy tamim-pitiavana anefa i Abrahama. Noho ny fahanterany sy ny naha-momba ny vadiny dia toa voatokana ho faty tsy ho ela ny anarany. Ny teny fikasan’Andriamanitra anefa dia nanome antoka azy ny amin’ny mifanohitra amin’izany: “Firenena lehibe” no hivoaka avy aminy. Ankoatra izany, ny fampanantenan’Andriamanitra dia nirakitra vaovao tsara kanto iray, ho an’ny olombelona rehetra, satria nanambara fotoana izay hitahiana ny firenena rehetra izy io (Galatiana 3:8). Nino ny teny fikasan’i Jehovah i Abrama ka nandao renivohitra iray tena nandroso. “Niainga izy, hoy ny Baiboly, nefa tsy fantany izay halehany.” — Hebreo 11:8.
6. a) Ao amin’ny Genesisy 11:31, nahoana no nomena an’i Tera ny andraikitry ny fifindrana (Asa. 7:2-4)? b) Amin’ny lafiny inona avy no ohatra ho an’ny vehivavy kristiana amin’ny andro ankehitriny i Saraha?
6 Nisy vokany teo amin’ny olona nanodidina azy ny finoan’i Abrama. Ny ankohonany ary koa Tera rainy sy Lota zana-drahalahiny, dia niainga niaraka taminy. Kanefa, satria Tera no filohan’ny fianakavian’ilay patriarka dia izy no nomena ny andraikitry ny fifindrana (Genesisy 11:31). Nahazo fanohanana niavaka i Abrama, avy amin’i Saray vadiny, anarana izay novana ho Saraha tatỳ aoriana. Nanaiky hanana fomba fiaina tsotsotra kokoa izy tamin’ny androm-piainany sisa (Genesisy 13:18; 24:67). Tsy nahagaga raha toa tamin’ny nahafatesany ka “tonga Abrahama hisaona an’i Saraha sy hitomany azy”. (Genesisy 23:1, 2.). Io vehivavy izay nanana finoana mafy orina io sady nanaiky tamin’ny fo manontolo ny vadiny dia aseho ho toy ny ohatry ny tena hatsaran-tarehy ara-panahy ho an’ny vehivavy kristiana. — Hebreo 11:11, 13-15; 1 Petera 3:1-6.
7. Amin’izao androntsika izao, tamin’ny fomba ahoana no nampisehoan’ny kristiana finoana tahaka ny an’i Abrahama sy Saraha?
7 Amin’izao androntsika izao, dia kristiana maro no maneho finoana toy izany amin’ny fanolorana ny tenany an-tsitrapo mba hitory ny hafatr’Andriamanitra, any amin’ireo faritra mila mpitory ny Fanjakana kokoa, handray anjara amin’ny asa fanontana sy fandefasana ireo boky manazava ny Baiboly sy hanorina trano vaovao ilaina hanatanterahana ireo asa ireo (Matio 24:14). Ireny kristiana ireny dia manaraka daholo an’ity baiko ity: “Mandehana (...) dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra.” Rehefa nonina tany an-tanin’olona izy ireny dia matetika tsy maintsy nianatra nanaraka fari-piainana hafa. Ny hafa dia namoy tombontsoa ara-nofo mba hanaovana mpianatra any amin’ny faritra misy azy. — Matio 28:19, 20.
Asam-pinoana hafa koa
8. Tamin’ny tarehin-javatra inona no nisehoan’i Jehovah tamin’i Abrahama fanindroany?
8 Nijanona tao amin’ny tanànan’i Harana i Abrama ka nitoetra tao hatreo amin’ny nahafatesan’i Tera rainy (Genesisy 11:31, 32). Avy eo, dia nita an’i Eofrata niaraka tamin’ny ankohonany izy ary nizotra nianatsimo. Tamin’ny farany dia tonga “hatrany Sekema” izy, teo anivon’ny tany Kanana. Tsy maintsy ho faritra kanto tokoa izy io! Sekema dia tao amin’ny lohasaha lonaka teo anelanelan’ny tendrombohitra roa mitomandavana izay ny tendrony avo indrindra dia ny tendrombohitra Gerizima sy Ebala. Nantsoina hoe “paradisan’ny Tany nampanantenaina” izy io. Teo amin’io toerana nety tsara io no niseho tamin’i Abrama indray Jehovah ka nanao taminy hoe: “Ny taranakao no homeko ity tany ity.” — Genesisy 12:5-7.
9. Tamin’ny fomba niavaka inona no nanohizan’i Abrama nampiseho ny finoany? b) Fianarana inona no tsoahintsika avy amin’ny ohatra nomeny?
9 Tamin’izay dia nanao asam-pinoana hafa indray Abrama. Milaza ny fitantarana fa “nanorina alitara teo izy ho an’i Jehovah”. (Genesisy 12:7.) Toa midika izany fa nanao fanatitra biby izy satria ny teny hebreo nadika hoe “alitara” dia midika hoe “toerana fanaovana fanatitra”. Tatỳ aoriana, dia namerina asam-pinoana mitovy amin’izany Abrama tany amin’ny faritra maro amin’ilay tany. Ankoatra izany, dia “niantso ny anaran’i Jehovah” izy. (Genesisy 12:8; 13:18; 21:33.) Ny fitenenana hebreo nadika hoe “miantso ny anaran’i Jehovah” dia manana heviny koa hoe “manambara (mitory) ilay anarana”. Tsy maintsy nanambara tamim-pahasahiana ny anaran’ny Andriamaniny, Jehovah, teo anoloan’ny ankohonany sy teo anatrehan’ny Kananita ilay patriarka (Genesisy 14:22-24). Tahaka izany koa amin’izao androntsika izao, izay rehetra mitady ny fisakaizan’Andriamanitra dia tokony hiantso ny anarany amim-pinoana. Ilainy, ankoatra ny zavatra hafa, ny mandray anjara amin’ny fitoriana ampahibemaso, amin’ny ‘fanaterana fanati-piderana (...) ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany’. — Hebreo 13:15; Romana 10:10.
10. a) Tamin’ny fomba hafa ahoana avy no nanehoan’i Abrama ny finoany? b) Ohatra inona no navelany ho an’ny raim-pianakaviana kristiana (1 Timoty 3:12)?
10 Nampiseho ny finoany tamin’ny fomba maro hafa koa Abrama. Namoy zavatra izy mba hiarovana ny fiadanana, nefa natrehiny tamin-kerim-po koa ny tarehin-javatra sarotra (Genesisy 13:7-11; 14:1-16). Na dia nanan-karena aza izy dia tsy fatra-pitia zavatra ara-nofo (Genesisy 14:21-24). Mifanohitra amin’izany fa nazoto nampiantrano vahiny sady nanohana tamim-pahalalahan-tanana ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah izy (Genesisy 14:18-20; 18:1-8). Ambonin’izany rehetra izany, dia filoham-pianakaviana faka tahaka izy ary nanaraka ny toromarik’i Jehovah, tamin’ny nandidiany ny zanany sy ny taranany nandimby azy mba hitandrina ny “làlan’i Jehovah hanao izay marina”. (Genesisy 18:19.) Tamin’izany ny ankohonan’i Abrama dia nanaraka lalana nifanohitra tanteraka tamin’ny an’ny Kananita nonina tao amin’ireo tanànan’i Sodoma sy Gomora nanodidina, izay nanaram-po tamin’ny fanao eo amin’ny lahy sy ny vavy mahavoafady. Tsy ho nanaiky ny fanaovana fahotana lehibe toy izany teo anivon’ny ankohonany i Abrama. Ny hoe nanahafan’ny mpianakaviny azy tamin’ny niantsoany tamim-pinoana ny anaran’i Jehovah, dia manamarina fa nitondra tsara ny ankohonany izy. — Genesisy 16:5, 13; 24:26, 27; 25:21.
“Tsy mba nalemy finoana izy”
11. Inona no nahafahan’i Abrama niaritra ireo fahoriany nandritra ny zato taona nolaniny tany “an-tanin’olona”?
11 Ny finoana natanjaka nananan’i Abrama dia nanampy azy hiaritra ny fahoriana nahazo azy nandritra ny fivahiniany zato taona teo anivon’ny olona izay nihevi-tena ho tompon-tany (Genesisy 12:4; 23:4; 25:7). Mitantara ny Baiboly hoe: ‘Nivahiny tany amin’ny tany nolazain’ny teny fikasana izy, toy ny any an-tanin’olona, mitoetra an-day, mbamin’Isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany taminy; fa nanantena hahazo ny tanàna [ny Fanjakan’Andriamanitra] misy fanorenana izy. Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany. Ary raha tàhiny nahatsiaro ny tany nialany izy dia ho nahita andro hiverenany.’ — Hebreo 11:9, 10, 15; jereo Hebreo 12:22, 28.
12. Fahafahana hiverina tany Ora inona moa no niseho tsy ela tamin’i Abrama, ary inona no fanapahan-kevitra nataony?
12 Vao haingana Abrama no tonga tany Kanana raha niseho ny mosary lehibe ka nanome azy ‘fahafahana hiverina’ tany Ora izany. Io tanàna io, izay voatondraky ny ranon’i Eofrata dia tsy niankina nivantana tamin’ny orana. Toy izay anefa hiverina tany, Abrama dia nametraka ny finoany tamin’i Jehovah ka nankany amin’ny lalana nifanohitra taminy: Egypta. Nampidi-doza izany satria nanana vady tsara tarehy izy sady ny tenany koa dia vahiny, ka notandindomin-doza ny ainy tao amin’io tany io. Naneho fahamalinana anefa izy, tamin’ny fangatahana an’i Saray vadiny mba hanafina ny hoe izy no vadiny. Notahin’i Jehovah Abrama noho ny finoany ary tsy ela taorian’izay dia afaka niverina tany amin’ny Tany nampanantenaina sady nahazo fananana be tsy mbola nisy toy izany izy. — Genesisy 12:10 ka hatramin’ny 13:2; 20:12.
13. Inona no nasehon’ny fahamomban’i Saray sy ny hoe nafenin’i Abrama ny naha-vadiny azy?
13 Ireo fisehoan-javatra ireo koa dia mahaforona fampisehoana tantara ara-paminaniana izay nandraisan’i Abrama anjara tsy tamim-pahalalana, ho fianarantsika. Saray, izay mbola momba, dia nampiseho ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra, azo oharina amin’ny vehivavy iray, fandaminana voaforon’ny anjely mahatoky. Tsy maintsy niandry 4 000 taona mahery io vehivavy tsara tarehy ara-panoharana io vao niteraka ny tena taranak’ilay Abrahama Lehibe, dia Jehovah Andriamanitra. Ny fanenjehana niharihary nahazo ny mpanompon’Andriamanitra nahatoky nandritra ireny taona rehetra niandrasana ireny dia nahatonga hihevitra indraindray fa nafenin’i Jehovah ny maha-vadiny an’io vehivavy io. — Genesisy 3:15; Isaia 54:1-8; Galatiana 3:16, 27, 29; 4:26.
14. a) Inona no nataon’i Saray tamin’ny farany noho izy momba? b) Inona no niseho tamin’ny faha-99 taonan’i Abrama, ary nahoana?
14 Rehefa nonina folo taona tany an-tanin’olona i Abrama dia mbola tsy nanana zanaka handova azy foana izy. Rehefa tsy hitan’i Saray intsony izay hatao, dia namporisihiny izy hanana taranaka amin’i Hagara mpanompony. Neken’i Abrama ny fangatahany, koa teraka Isimaela (Genesisy 12:4; 16:1-4, 16). Nefa ilay taranaka nampanantenaina, izay hitondra fitahiana dia tokony hipoitra amin’ny alalan’ny olon-kafa. Teo amin’ny faha-99 taonan’i Abrama dia novan’Andriamanitra ho Abrahama ny anaran’ilay patriarka, satria hoy izy “efa nataoko ho rain’ny firenena maro hianao”. Novany ho Saraha koa ny anaran’i Saray ary nampanantena azy izy fa hiteraka zazalahy. — Genesisy 17:1, 5, 15-19.
15. a) Nahoana no nihomehy i Abrahama tamin’ny fieritreretana fa hiteraka zazalahy aminy i Saraha? b) Ahoana indray no nampisehoan’i Abrahama fa nanana finoana mafy orina izy?
15 Abrahama (ary tatỳ aoriana Saraha) dia nihomehy rehefa nieritreritra an’izany satria efa maty ny fahafahan’izy sy Saraha hiteraka (Genesisy 17:17; 18:9-15). Tsy hoe tsy fahampiam-pinoana anefa ny fihomehezany. Manazava ny Baiboly hoe: ‘Tsy mba nalemy finoana izy. Fa noho ny teny fikasan’Andriamanitra dia nampaherezin’ny finoana izy ka nanome voninahitra an’Andriamanitra ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa.’ (Romana 4:18-21). Ny androtrio ihany dia noporofoin’i Abrahama fa nanana finoana mafy orina izy. Nangatahin’i Jehovah mba hoforana ny tenany sy ny lehilahy rehetra tao amin’ny ankohonany maro be, ho famantarana ny fanekena nataony taminy (Genesisy 15:18-21; 17:7-12, 26)? Inona no nataon’i Abrahama rehefa avy nodidin’Andriamanitra hanao izany fandidiana naharary izany izy? “Dia noforany androtrizay indrindra ireo araka izay nolazain’Andriamanitra taminy.” — Genesisy 17:22-27.
16. a) Inona no niseho tamin’ny andro nanotazana an’Isaka? b) Mampiseho inona ny nandroahana an’i Hagara sy Isimaela?
16 Ny taona nanaraka dia niteraka an’Isaka i Saraha, anarana midika hoe “fihomehezana”. (Genesisy 21:5, 6.) Dia tonga ny fotoana hanotazana azy. Nandritra ny fanasana natao tamin’io fotoana io, Isimaela izay nialona an’Isaka dia nanenjika azy. Tamin’izay dia nangataka tamim-pikirizana tamin’i Abrahama i Saraha mba horoahiny Hagara, ilay andevovavy, sy ny zanany tsy ho eo amin’ny ankohonany. Nanohana izany fangatahana izany Jehovah Andriamanitra. Na dia nalahelo aza Abrahama dia nanaiky avy hatrany (Genesisy 21:8-14). Araka ny Galatiana 4:21-30, io fisehoan-javatra io dia nanambara fa ilay Abrahama Lehibe dia hamarana ny fifandraisana nananany tamin’ny firenen’Isiraely araka ny nofo. Tahaka ny sisa amin’ny olombelona, dia teraka tao amin’ny fanandevozan’ny ota ny Isiraelita (Romana 5:12). Nefa, ankoatra izany, dia nolaviny Jesosy Kristy, ilay tena Taranak’i Abrahama, izay tonga hanafaka azy ireo (Jaona 8:34-36; Galatiana 3:16). Ary toy ny nanenjehan’Isimaela an’Isaka, dia tahaka izany koa, fa nanenjika ny Isiraely ara-panahy, dia ny kongregasiona kristiana vao niforona, izay nahaforona ny tapany faharoa amin’ny taranak’i Abrahama, izy ireo. — Matio 21:43; Lioka 3:7-9; Romana 2:28, 29; 8:14-17; 9:6-9; Galatiana 3:29.
Ny fisedrana mafy indrindra ny finoany
17. Baiko inona avy eo no nisedra mafy ny finoan’i Abrahama?
17 Tena azo inoana fa tsy nisy mihitsy ray olombelona nanam-pitiavana lehibe ho an’ny zanany tahaka ny nananan’i Abrahama be taona tamin’izay, ho an’Isaka. Fahatairana tokoa ho azy rehefa nanome azy izao baiko izao Andriamanitra: “Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka, ka mankanesa any amin’ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra odorana ao amin’ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao.” — Genesisy 22:1, 2.
18. Inona no nataon’i Abrahama rehefa nodidin’i Jehovah hanao sorona an’Isaka izy?
18 Angamba sarotra tamin’i Abrahama ny nahatakatra ny anton’io baiko nahavaky fo io. Kanefa dia mbola nampiseho indray mandeha indray izy fa nankatò avy hatrany (Genesisy 22:3). Nila telo andro nanasatra tokoa izy mba hahatongavana teo amin’ilay tendrombohitra nofidin’Andriamanitra. Teo dia nanorina alitara iray izy ka nandahatra teo amboniny ny kitay hanaovana ny fanatitra odorana. Teo anelanelan’izany, dia tsy maintsy nampahalalainy an’Isaka izay ho afaka nandositra mora foana, ny baikon’Andriamanitra. Namela ny rainy be taona hamatotra ny tongony aman-tanany ary hampandry azy tambonin’ny alitara anefa Isaka (Genesisy 22:4-9). Ahoana no azo anazavana ny fankatoavana toy izany?
19. a) Ahoana no azo anazavana ny fankatoavana sy ny herim-pon’Isaka? b) Amin’izao androntsika izao, fianarana inona no azon’ny fianakaviana kristiana tsoahina avy amin’ny fifandraisana nisy teo amin’i Abrahama sy Isaka?
19 Araka izay asehon’ny Genesisy 18:19, Abrahama dia nanao ny andraikiny tamin’Isaka tamim-pahatokiana. Tsy isalasalana fa nosoritany tao an-tsain’ny zanany ny fikasan’i Jehovah hanangana ny maty (Genesisy 12:3; Hebreo 11:17-19). Tetsy an-kilany koa, Isaka dia tian’i Abrahama rainy fatratra ka naniry tokoa hahafaly azy amin’ny zavatra rehetra, indrindra raha ny amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Fianarana miavaka tokoa re izany ho an’ny fianakaviana kristiana amin’izao androntsika izao! — Efesiana 6:1, 4.
20. Ahoana no nampisehoan’i Abrahama ny fankatoavany, ary ahoana no namalian-tsoa azy?
20 Nahatratra ny fara tampony ny fisedrana. Nandray ny antsy Abrahama. Ary rehefa saika hamono ny zanany izy, dia nosakanan’i Jehovah ka hoy izy taminy: “Hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra hianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao.” (Genesisy 22:11, 12). Valisoa toy inona moa ho an’i Abrahama ny nandre ny tenan’Andriamanitra mihitsy nilaza ny amin’ny fahamarinany! Izao dia azony antoka fa nahafeno izay notakin’Andriamanitra tamin’ny olombelona tsy tanteraka izy. Ary mbola zava-dehibe kokoa noho izany, dia voamarina ny nanombanan’i Jehovah ny finoany teo aloha (Genesisy 15:5, 6). Taorian’izany, dia nataon’i Abrahama fanatitra odorana ho solon’Isaka ny ondrilahy iray nomen’i Jehovah tamin’ny fomba mahagaga. Avy eo dia nandre an’i Jehovah nanamafy tamin’ny alalan’ny fianianana ireo fampanantenana nifandray tamin’ny fanekena nataony taminy izy. Tato aoriana dia nantsoina hoe sakaizan’i Jehovah izy. — Genesisy 22:13-18; Jakoba 2:21-23.
21. Sary ara-paminaniana inona no nomen’izany fisedrana izany, ary tokony hamporisika antsika hitady inona moa izany?
21 Ny sorona neken’i Abrahama hatao dia ‘ohatra’. (Hebreo 11:19.) Nampiseho ny sorona nampangirifiry sy lafo vidy nataon’i Jehovah Andriamanitra izany, rehefa naniraka ny Zanany malala tetỳ an-tany izy mba ho faty tetỳ tamin’ny naha-“Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao”. (Jaona 1:29.) Ny fahavononan’Isaka ho faty dia nanambara fa ilay Isaka Lehibe, Jesosy Kristy, dia hanaiky amim-pitiavana ny sitrapon’ny Rainy any an-danitra (Lioka 22:41, 42; Jaona 8:28, 29). Ary farany, tahaka ny nandraisan’i Abrahama ny zanany velona teo amin’ny alitara, dia toy izany koa fa noraisin’i Jehovah avy tamin’ny maty ny zanany malala tamin’ny naha-zavaboary ara-panahy azy be voninahitra (Jaona 3:16; 1 Petera 3:18). Famporisihana toy inona moa izany ho an’ireo izay mitady ny fisakaizan’Andriamanitra amin’izao androntsika izao!
22. Ahoana no nahitan’ny antokon’olombelona voafidy soa avy tamin’ny fitiavan’Andriamanitra tsy manam-paharoa?
22 Koa satria naneho finoana an’izany asam-pitiavana tsy manam-paharoa nataon’ilay Abrahama Lehibe, dia Jehovah Andriamanitra, izany ny antokon’olombelona voafidy iray, dia hamarinina amin’ny maha-zanak’Andriamanitra (Romana 5:1; 8:15-17). Nalaina avy tamin’ny Jiosy aloha, avy eo tamin’ny Jentilisa izy ireo, ka notahina tokoa tamin’ny alalan’ny Taranak’i Abrahama, Jesosy Kristy (Asa. 3:25, 26; Galatiana 3:8, 16). Mahaforona ny tapany faharoa amin’ny taranak’i Abrahama koa izy ireo (Galatiana 3:29). Amin’ny farany dia ho 144 000 ny isany, ary tahaka an’i Jesosy, dia atsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra izy ireo, rehefa nampiseho ny tsy fivadihany hatramin’ny fahafatesana. — Romana 6:5; Apokalypsy 2:10; 14:1-3.
23. a) Ahoana no maha-voatahy sahady ny olona an-tapitrisany maro amin’ny alalan’ny sisa amin’ny taranak’i Abrahama (2 Korintiana 5:20)? b) Fitahiana hafa inona avy no miandry ny “olona betsaka”?
23 Nandritra izany fotoana izany ihany dia olona an-tapitrisany maro avy amin’ny firenena rehetra no ‘voatahy’ tamin’ny nandraisany tsara ny fanompoana tanterahin’ny sisa vitsy amin’ny taranak’i Abrahama amim-pitiavana (Genesisy 22:18). Nihetsi-po tokoa izy ireo nahalala fa misy olona mpanota azo hamarinina amin’ny maha-sakaizan’Andriamanitra. Araka izany, dia ‘vahoaka betsaka amin’ny olombelona avy amin’ny firenena rehetra’ no mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. “Ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry”. Tahaka ny sisa amin’ny kristiana voahosotra, izy ireo koa dia manolotra ho an’Andriamanitra ‘fanompoana andro aman-alina’. Io vahoaka betsaka io dia mamelona fanantenana kanto ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany amin’ny maha-“zanak’Andriamanitra”. (Apokalypsy 7:9-17; 21:3-5; Romana 8:21; Salamo 37:29.) Nefa alohan’ny hahatongavan’ireo fitahiana ireo ho tena izy, dia tsy maintsy mitranga ny fisehoan-javatra tena lehibe. Izany no hasehon’ny lahatsoratra manaraka antsika.
Famerenana
◻ Ahoana no nisedrana ny finoan’i Abrahama sy ny fianakaviany?
◻ Amin’izao androntsika izao, ahoana no ampisehoan’ny kristiana finoana toy izany?
◻ Tamin’ny fomba hafa ahoana avy no nanehoan’i Abrahama finoana?
◻ Amin’ny ahoana Abrahama sy Saraha ary Isaka no ohatra ho an’ireo fianakaviana kristiana?
◻ Inona no nasehon’ny asam-pinoana lehibe indrindra nataon’i Abrahama?