Tena Azo Atao ve ny Hiaina Mandrakizay?
“Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?” — MATIO 19:16.
1. Inona no azo lazaina mahakasika ny halavan’ny fiainantsika olombelona?
TALOHAN’NY ady iray tamin’ny taona 480 al.f.i., dia nisafo ny tafiny i Ksersesy I Mpanjakan’i Persa, izay fantatra amin’ny hoe Ahasoerosy, ao amin’ny Baiboly. (Estera 1:1, 2). Latsa-dranomaso, hono, io mpanjaka io teo am-pijerena ny miaramilany, araka ny voalazan’ilay Grika mpahay tantara atao hoe Hérodote. Nahoana? “Malahelo aho”, hoy i Ksersesy, “rehefa mieritreritra ny hafohin’ny fiainan’olombelona. Amin’ireo lehilahy rehetra ireo mantsy, dia tsy hisy na dia iray aza mbola ho velona rehefa afaka zato taona any.” Azo inoana fa voamariky ny tenanao koa fa mahonena ny hafohin’ny fiainana, nefa koa tsy misy olona maniry hihantitra sy harary ary ho faty. Raha mba izao tokoa mantsy isika no afaka miriaria amin’ny fiainana, ao anatin’ny fahasalaman’ny fahatanorana sy ny fahasambarana! — Joba 14:1, 2.
2. Inona no fanantenana ananan’ny maro, ary nahoana?
2 Tsara homarihina fa nisy lahatsoratra iray hoe “Maniry ho Velona Izy Ireo”, tao amin’ny The New York Times Magazine tamin’ny 28 Septambra 1997. Nanonona ny tenin’ny mpanao fikarohana iray izay nilaza toy izao izy io: “Tena mino aho fa isika no mety ho taranaka voalohany hiaina mandrakizay”! Mino koa angamba ianao fa azo atao ny hiaina mandrakizay. Mety ho izany no fihevitrao, satria mampanantena ny Baiboly fa afaka miaina mandrakizay eto an-tany isika. (Salamo 37:29; Apokalypsy 21:3, 4). Na izany aza anefa, dia misy olona mino fa azo atao ny hiaina mandrakizay, noho ny antony hafa ankoatra izay hita ao amin’ny Baiboly. Ny fandinihana ny vitsivitsy amin’izany antony izany dia hanampy antsika hahatakatra fa tena azo atao ny hiaina mandrakizay.
Novolavolaina hiaina mandrakizay
3, 4. a) Nahoana no mino ny olona sasany fa tokony ho afaka hiaina mandrakizay isika? b) Inona no nolazain’i Davida mahakasika ny fomba namoronana azy?
3 Ny antony iray inoan’ny olona maro fa tokony ho afaka hiaina mandrakizay ny olombelona, dia mifandray amin’ny fomba mahatalanjona nanaovana antsika. Ohatra, tena mahagaga tokoa ny fomba niforonantsika tao an-kibon-drenintsika. Ny manam-pahaizana malaza iray momba ny fizotran’ny fahanterana dia nanoratra toy izao: “Rehefa avy nanao ireo fahagagana izay nitondra antsika avy teo amin’ny fahatorontoronina ho eo amin’ny fahaterahana, ny natiora, ka nitondra antsika indray ho amin’ny fahamasahana eo amin’ny maha lahy na ny maha vavy sy ny toetran’olon-dehibe, dia nifidy ny tsy hamolavola izay toa fizotran-javatra tsotsotra kokoa, ka tsy nihazona ho mandrakizay ireo fahagagana ireo.” Eny, rehefa dinihina ny fomba mahagaga nanaovana antsika, dia mbola mitoetra ilay fanontaniana hoe: Fa dia nahoana loatra no tsy maintsy maty isika?
4 An’arivony taona maro lasa izay, dia nisaintsaina ny amin’ireo zava-mahagaga ireo indrindra i Davida, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, na dia tsy afaka nahita ara-bakiteny ny tao an-kibo, toy izay vitan’ny mpahay siansa ankehitriny, aza izy. Nahalasa fisainana an’i Davida ny fomba namoronana ny tenany, fony izy ‘novolavolaina tao an-kibon-dreniny’, araka ny nosoratany. Tamin’io fotoana io, hoy izy, no ‘nahariana ny voany’. Niresaka koa ny amin’ny fomba namoronana ny ‘taolany’ (NW ) izy, fony “natao tao amin’ny miafina” aho, hoy ny fanamarihany. Avy eo, i Davida dia niresaka ny amin’ny hoe “fanjary tsaikako” (NW ) ary nanamarika toy izao, mahakasika an’io fanjary tsaika tao an-kibon-dreniny io: “Voasoratra (...) avokoa ny [tapany rehetra aminy, NW ]”. — Salamo 139:13-16.
5. Fahagagana inona avy no tafiditra amin’ny fiforonantsika ao an-kibo?
5 Mazava ho azy fa tsy nisy planina nosoratana ara-bakiteny momba ny fomba namoronana an’i Davida tao an-kibon-dreniny akory. Rehefa nisaintsaina ny amin’ny fomba nanaovana ny ‘voany’ sy ny ‘taolany’ ary ny tapany hafa amin’ny tenany anefa i Davida, dia toa toy ny hoe nanaraka planina iray ny fizotran’ny fiforonan’ireo zavatra ireo. Azo lazaina hoe efa “voasoratra” avokoa ny zavatra rehetra. Ilay sela vao nitsaika tao an-kibon-dreniny dia toy ny hoe nanana efitra ngezabe feno boky mirakitra toromarika amin’ny an-tsipiriany, mahakasika ny fomba famoronana zazakely olombelona iray, ka nampitaina tamin’ny sela tsirairay vao niforona ireny toromarika sarotra ireny. Araka izany, dia mampiasa izao teny an’ohatra izao ny gazetiboky Science World: ‘Manana toerana fitahirizan-javatra izay tsy ahitana afa-tsy planina, ny sela tsirairay ao amin’ny fanjary tsaika iray eo an-dalam-pitomboana.’
6. Inona no porofo fa ‘mahatalanjona ny nanaovana’ antsika, araka ny nosoratan’i Davida?
6 Miasa amin’ny fomba mahagaga ny vatantsika. Efa mba nieritreritra ny amin’izany ve ianao? Nanamarika toy izao ilay biôlôjista atao hoe Jared Diamond: “Ireo sela mandrakotra ny aty tsinaintsika dia misolo indray mandeha isaky ny andro vitsivitsy, ireo sela mandrakotra ny aty tataviantsika, indray mandeha isaky ny roa volana, ary ireo liomenantsika, indray mandeha isaky ny efa-bolana.” Hoy ny fanatsoahan-keviny: “Isan’andro, dia mandravarava [ny tenantsika] ny natiora, ary manambatambatra [azy] indray avy eo.” Inona marina no hevitr’izany? Midika izany fa na firy taona na firy taona mety hiainantsika, na 8, na 80, na 800 taona mihitsy aza, dia mitoetra ho tanora dia tanora ny vatantsika. Hoy ny fanombantombanana nataon’ny mpahay siansa iray, indray mandeha: “Ao anatin’ny herintaona, dia 98 isan-jato eo ho eo amin’ireo ataoma ao anatintsika amin’izao fotoana izao, no ho voasolo ataoma hafa izay ampidirintsika ao amintsika avy amin’ny rivotra fohintsika sy ny sakafo hanintsika ary ny zavatra sotrointsika.” Marina tokoa fa “mahatalanjona ny nanaovana” antsika, araka ilay fiderana nataon’i Davida. — Salamo 139:14.
7. Inona no fanatsoahan-kevitry ny sasany, miorina amin’ny fomba namolavolana ny vatantsika?
7 Miorina amin’ny fomba namolavolana ny vatantsika, dia nilaza toy izao ny manam-pahaizana iray momba ny fizotran’ny fahanterana: “Tsy hita miharihary ny antony itrangan’ny fizotran’ny fahanterana.” Toa tena tokony hiaina mandrakizay tokoa isika. Ary izany, hay, no antony iezahan’ny olombelona hanatratra io tanjona io amin’ny alalan’ny teknôlôjiany. Tsy ela loatra izay, dia nanoratra tamin-toky toy izao ny Pr. Alvin Silverstein, ao amin’ilay bokiny hoe Conquest of Death (Fandresena ny Fahafatesana): “Hanala sarona ny zava-miafina momba ny fototry ny fiainana isika. Hahatakatra (...) ny fomba ahatongavan’ny olona iray ho antitra isika.” Inona no ho vokany? Hoy ny faminavinany: “Tsy hisy olona ‘antitra’ intsony, satria ilay fahalalana izay hahafahana handresy ny fahafatesana, dia hitondra fahatanorana haharitra mandrakizay koa.” Toa tsy mampino ve ilay hevitra hoe hiaina mandrakizay, rehefa heverina ny fanadihadiana ataon’ny siansa maoderina, mahakasika ny fomba nanaovana ny olombelona? Misy antony hafa mbola mafonja lavitra, tokony hinoana fa azo atao ny hiaina mandrakizay.
Ny faniriana hiaina mandrakizay
8, 9. Inona no faniriana voajanahary nananan’ny olona nandritra ny tantara manontolo?
8 Efa mba voamarikao ve fa faniriana voajanahary ao amin’ny olombelona ny hoe hiaina mandrakizay? Hoy ny nosoratan’ny dokotera iray tao amin’ny gazety alemà iray: “Azo inoana fa efa nisy hatramin’ny nisian’ny olombelona mihitsy ilay vetsovetsom-po hiaina mandrakizay.” Milazalaza toy izao ny zavatra ninoan’ny Eoropeanina sasany fahiny ny The New Encyclopædia Britannica: “Hiaina mandrakizay ao amin’ny lapa iray mamirapiratra sy voatafo volamena ny olo-mendrika.” Ary toy inona moa ny ezaka be nataon’ny olona mba hanomezana fahafaham-po izany faniriana hiaina mandrakizay izany!
9 Manamarika ny The Encyclopedia Americana fa 2 000 taona mahery lasa izay, tany Chine, “dia samy nanao tsirambina ny asany ny Emperora sy ny vahoaka, notarihin’ireo pretra taoista, mba handehanana hitady ny ody faty” — ilay lazaina fa loharanon’ny fahatanorana. Eny tokoa, nandritra ny tantara manontolo, dia nino ny olona fa ho afaka ny ho tanora lalandava ny tenany, tamin’ny fihinanana fifangaroan-javatra maro samihafa na tamin’ny fisotroana rano sasany mihitsy aza.
10. Inona no ezaka maoderina natao mba hahafahana hanana fiainana miitatra?
10 Tsy ambaka noho izany ny ezaka ataon’ny olona amin’ny andro maoderina mba hanomezana fahafaham-po ilay faniriana raiki-tampisaka ao amin’ny olombelona, dia ny hiaina mandrakizay. Ny fitahirizana ao anaty gilasy ny fatin’olona matin’aretina no ohatra miavaka iray. Natao izany, noho ny fanantenana ny hamelona indray ilay maty any aoriana any, rehefa ho hita ny fanafodin’ilay aretina. Nanoratra toy izao ny olona iray mpanohana io fanao antsoina hoe cryogénisation io: “Raha voamarina ny fijerentsika lafy tsaran-javatra, ka manjary fantatra ny fomba hanasitranana na hanamboarana ny fahavoazana rehetra, anisan’izany ireo fahosana ateraky ny fahanterana, dia hanana fiainana hiitatra hatrany amin’ny hoavy tsy voafetra ireo ‘maty’ ankehitriny.”
11. Nahoana ny olona no maniry hiaina mandrakizay?
11 Mety hanontany ianao hoe: Nahoana io faniriana hiaina mandrakizay io no raiki-tampisaka ao amin’ny fisainantsika? Satria ve “nampidirin[’Andriamanitra] tao amin’ny sain’ny olombelona ny mandrakizay”? (Mpitoriteny 3:11, Revised Standard Version). Mendrika ny hosaintsainina lalina tokoa izany! Eritrereto fotsiny ange izao e: Nahoana isika no manana faniriana raiki-tampisaka ny hiaina mandrakizay, raha tsy fikasan’ny Mpamorona antsika ny hanao izay hahatanteraka izany faniriana izany? Ho fanehoam-pitiavana avy aminy ve ny hamorona antsika hanana faniriana hiaina mandrakizay, nefa avy eo dia hanakivy antsika amin’ny tsy famelana antsika na oviana na oviana hahatanteraka izany faniriana izany? — Salamo 145:16.
Iza no tokony hitokisantsika?
12. Matoky ny amin’inona ny olona sasany, nefa heverinao ve fa marim-pototra izany?
12 Aiza, na amin’inona, no tokony hametrahantsika ny fitokisantsika, mba hahazoana ny fiainana mandrakizay? Amin’ny teknôlôjian’olombelona amin’ny taonjato faha-20 na ny faha-21 ve? Ilay lahatsoratra hoe “Maniry ho Velona Izy Ireo”, tao amin’ny The New York Times Magazine, dia niresaka momba ilay “andriamanitra atao hoe teknôlôjia”. Niresaka koa momba ny “risi-pon’ny olona eo anoloan’ny mety ho vitan’ny teknôlôjia” ilay lahatsoratra. Voalaza mihitsy aza fa nisy mpikaroka iray izay “matoky be fotsiny (...) fa ny teknika fikirakirana rafi-pandovan-toetra, dia hanjary ho azo ampiasaina ara-potoana tsara mba hamonjena antsika, ka hampitsahatra ny fizotran’ny fahanterana, na angamba hampiverina ilalana azy io”. Raha ny tena izy anefa, dia hita fa tsy nahomby tanteraka ny fiezahan’olombelona hampitsahatra ny fizotran’ny fahanterana, na handresy ny fahafatesana.
13. Amin’ny ahoana ny firafitry ny atidohantsika no manondro fa natao hiaina mandrakizay isika?
13 Midika ve izany fa tsy misy fomba hahazoana ny fiainana mandrakizay? Tsy izany velively! Misy fomba iray! Tokony hampiaiky antsika ny amin’izany ny firafitry atidohantsika mahatalanjona, mbamin’ny fahafahan’izy io miana-javatra saika tsy manam-petra. I James Watson, manam-pahaizana momba ny biôlôjian’ny môlekiola, dia niantso ny atidohantsika hoe “ny zavatra be kojakojany indrindra hitantsika hatramin’izay, teto amin’izao rehetra izao misy antsika”. Nilaza toy izao kosa i Richard Restak, manam-pahaizana momba ny rafi-pitatitra: “Na aiza na aiza eo amin’izao rehetra izao fantatra, dia tsy ahitana zavatra mifanahantsahana kely akory amin’izy io.” Nahoana isika no manana atidoha iray afaka manangona sy mandray fanazavana mila tsy hanam-petra, sy vatana iray natao hiasa mandrakizay, raha tsy nokasaina hanana fiainana mandrakizay isika?
14. a) Inona no fanatsoahan-kevitra nataon’ireo mpanoratra ny Baiboly, mahakasika ny fiainan’olombelona? b) Nahoana isika no tokony hitoky amin’Andriamanitra, fa tsy amin’olombelona?
14 Inona àry no hany fanatsoahan-kevitra azon’ny saina ekena sy mifanaraka amin’ny zava-misy, tsy maintsy raisintsika? Moa ve izany tsy ny hoe novolavolaina sy noforonin’ny Mpanao iray faran’izay mahery sady manan-tsaina isika mba hahafahantsika hiaina mandrakizay? (Joba 10:8; Salamo 36:9; 100:3; Malakia 2:10; Asan’ny Apostoly 17:24, 25). Koa moa àry ve isika tsy tokony hanaraka amim-pahendrena ilay didy ara-tsindrimandry nomen’ny mpanao salamo ao amin’ny Baiboly, manao hoe: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy”? Nahoana isika no tsy tokony hitoky amin’ny olombelona? Satria, nanoratra toy izao ilay mpanao salamo: “Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.” Eny tokoa, na dia mety ho afaka hiaina mandrakizay aza ny olombelona, dia tsy afa-manoatra eo anoloan’ny fahafatesana izy ireo. Nanatsoaka hevitra toy izao ny mpanao salamo: “Sambatra izay (...) manantena an’i Jehovah Andriamaniny”. — Salamo 146:3-5.
Tena fikasan’Andriamanitra ve izy io?
15. Inona no mampiseho fa fikasan’Andriamanitra ny hiainantsika mandrakizay?
15 Mety hanontany anefa ianao hoe: Tena fikasan’i Jehovah ve ny hiainantsika mandrakizay? Eny tokoa! Imbetsaka ny Teniny no mampanantena izany. “Fiainana mandrakizay no [fanomezana omen’Andriamanitra, NW ]”, hoy ny fanomezan-toky omen’ny Baiboly antsika. Nanoratra toy izao i Jaona, mpanompon’Andriamanitra: “Izao no teny fikasana izay nataon[’Andriamanitra] tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay.” Tsy mahagaga raha nanontany an’i Jesosy toy izao ny tovolahy iray: “Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?” (Romana 6:23; 1 Jaona 2:25; Matio 19:16). Raha ny marina, ny apostoly Paoly dia nanoratra momba ny “fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola”. — Titosy 1:2.
16. Amin’ny heviny ahoana Andriamanitra no mety ho nampanantena fiainana mandrakizay “hatry ny fony fahagola”?
16 Inona no hevitry ny hoe nampanantena fiainana mandrakizay “hatry ny fony fahagola” Andriamanitra? Misy mihevitra fa ny tian’ny apostoly Paoly holazaina dia hoe efa fikasan’Andriamanitra talohan’ny namoronany an’i Adama sy i Eva, mpivady voalohany, ny hiainan’ny olombelona mandrakizay. Raha toa anefa ka fotoana iray taorian’ny namoronana ny olombelona sy tamin’ny fotoana nanambaran’i Jehovah ny fikasany no noresahin’i Paoly, dia mbola mazava ihany fa anisan’ny sitrapon’Andriamanitra ny hiainan’ny olombelona mandrakizay.
17. Nahoana i Adama sy i Eva no noroahina tao amin’ny saha Edena, ary nahoana no nametrahana kerobima teo amin’ny fidirana nankany?
17 Lazain’ny Baiboly fa tao amin’ny saha Edena, dia “nampanirin’i Jehovah Andriamanitra teo amin’ny tany (...) ny hazon’aina”. Ny antony nomena fony i Adama noroahina tsy ho ao amin’ilay saha, dia mba tsy hahatonga azy ‘haninjitra ny tanany, ka haka koa ny hazon’aina, ary hihinana azy io, ka ho velona’ — eny, mandrakizay! Rehefa avy nandroaka an’i Adama sy i Eva tsy ho ao amin’ny saha Edena i Jehovah, dia nametraka “kerobima sy ny lelafon’ny sabatra mihebiheby hiambina ny làlana mankany amin’ny hazon’aina”. — Genesisy 2:9; 3:22-24.
18. a) Ho nidika ho inona ho an’i Adama sy i Eva ny fihinanana tamin’ny hazon’aina b) Nampiseho inona ny fihinanana tamin’iny hazo iny?
18 Raha navela hihinana tamin’io hazon’aina io i Adama sy i Eva, dia ho nidika ho inona ho azy ireo izany? Ny tombontsoa hiaina mandrakizay tao amin’ny Paradisa! Hoy ny fanombanan’ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly: “Ilay hazon’aina dia tsy maintsy ho nisy hery nahasoa nahafahan’ny vatan’olombelona tsy ho tratran’ny fahosana entin’ny fahanterana na ny fihasimbana izay miafara amin’ny fahafatesana.” Nilaza mihitsy aza izy fa “tao amin’ny paradisa, dia nisy raokandro afaka nanafoana ny vokatry” ny fizotran’ny fahanterana. Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe afaka nanome fiainana ilay hazon’aina, raha izy fotsiny amin’izao. Iny hazo iny kosa, dia natao hampisehoana fotsiny fa niantoka fiainana mandrakizay ho an’izay havela hihinana ny voany, Andriamanitra. — Apokalypsy 2:7.
Tsy niova ny fikasan’Andriamanitra
19. Nahoana i Adama no maty, ary nahoana koa isika taranany no maty?
19 Rehefa nanota i Adama, dia veriny ny zo hahazo fiainana mandrakizay, ho an’ny tenany sy ho an’ny taranany rehetra mbola tsy teraka. (Genesisy 2:17). Nanjary nisy tsininy sy tsy lavorary izy rehefa tonga mpanota, vokatry ny tsy fankatoavany. Nanomboka tamin’io fotoana io ny vatan’i Adama dia nanjary toy ny milina iray voafahana ho amin’ny fahafatesana. Araka ny voalazan’ny Baiboly, dia “fahafatesana no tambin’ny ota”. (Romana 6:23). Tsy vitan’izany ihany fa ny taranaka tsy lavorary naterak’i Adama, dia nanjary toy ny milina voafahana ho amin’ny fahafatesana koa, fa tsy ho amin’ny fiainana mandrakizay. Manazava toy izao ny Baiboly: ‘Avy tamin’ny olona iray [Adama] no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’ — Romana 5:12.
20. Inona no manondro fa natao hiaina mandrakizay eto an-tany ny olombelona?
20 Ahoana anefa raha tsy nanota i Adama? Ahoana raha nankato an’Andriamanitra izy, ka nomeny lalana hihinana tamin’ilay hazon’aina? Taiza izy no ho nahazo ilay fiainana mandrakizay, fanomezan’Andriamanitra? Tany an-danitra ve? Tsia! Tsy nilaza na inona na inona momba ny fakana an’i Adama ho any an-danitra Andriamanitra. Teto an-tany ny asa nampanaovina azy. Hazavain’ny Baiboly fa “nampanirin’i Jehovah Andriamanitra teo amin’ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana”. Milaza koa ny Baiboly hoe: “Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy.” (Genesisy 2:9, 15). Rehefa avy noforonina ho vadin’i Adama i Eva, dia samy nasaina hanao asa fanampiny teto an-tany izy mivady. Hoy Andriamanitra tamin’izy mivady: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” — Genesisy 1:28.
21. Zavatra mahatalanjona inona avy no azon’ireo olombelona voalohany nifaliana?
21 Eritrereto ange ireo zava-mahatalanjona nivelatra teo anoloan’i Adama sy i Eva teto an-tany, noho ireo toromarika avy tamin’Andriamanitra ireo e! Hitaiza zanakalahy sy zanakavavy salama tanteraka tao amin’ny Paradisa an-tany izy ireo. Rehefa nihalehibe ireo zanany malalany, dia mba handray anjara koa amin’ny fanomezana taranaka, sy hiara-miasa amin’izy mivady eo amin’ny fanaovana asa an-jaridaina nahafinaritra mba hikarakarana io Paradisa io. Hanaiky ny olombelona avokoa ny biby rehetra, ka tena hahafa-po ny olombelona izany. Eritrereto ny fifaliana nanitatra ny sisin-tanin’ny saha Edena mba ho tonga paradisa ny tany manontolo amin’ny farany! Ho finaritra ve ianao hiara-miaina amin’ny ankizy lavorary, ao amin’ny fonenana an-tany kanto toy izany, tsy misy fanahiana ny hihantitra sy ho faty? Aoka ny fironana voajanahary ao am-ponao no hamaly izany fanontaniana izany.
22. Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa tsy nanova ny fikasany ho an’ny tany Andriamanitra?
22 Rehefa tsy nankato ka noroahina tao amin’ny saha Edena àry i Adama sy i Eva, moa ve Andriamanitra nanova ilay fikasany, dia ny hiainan’ny olombelona mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany? Tsy izany velively! Raha nanao izany Andriamanitra, dia ho niaiky fa resy, raha ny amin’ny fahaizany hanatanteraka ny fikasany tany am-boalohany. Afaka mahazo antoka isika fa manefa izay ampanantenainy Andriamanitra, araka ny nambaran’ny tenany toy izao: “Ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.” — Isaia 55:11.
23. a) Inona no vao mainka manamafy fa fikasan’Andriamanitra ny hoe hiaina mandrakizay eto an-tany ny olona mirona hanao ny marina? b) Inona no hodinihintsika manaraka?
23 Ny hoe tsy niova ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany dia voalaza mazava ao amin’ny Baiboly, izay anomezan’Andriamanitra izao fampanantenana izao: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” Na dia i Jesosy Kristy aza, dia nilaza tao amin’ilay Toriteniny teo An-tendrombohitra fa handova ny tany ny malemy fanahy. (Salamo 37:29; Matio 5:5). Ahoana kosa anefa no ahafahantsika hahazo ny fiainana mandrakizay, ary inona no tsy maintsy ataontsika mba hananana izany fiainana izany? Izany no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana no mino ny maro fa azo atao ny hiaina mandrakizay?
◻ Inona no tokony hampiaiky antsika fa natao hiaina mandrakizay isika?
◻ Inona no fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany, ho an’ny olombelona sy ny tany?
◻ Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa hanatanteraka ny fikasany tany am-boalohany Andriamanitra?