-
Mpirahavavy Ory Nefa ‘Nahatsangana ny Tranon’ny Israely’Ny Tilikambo Fiambenana—2007 | 1 Oktobra
-
-
Hanan-janaka ihany ve i Rahely?
Fahoriana izany tsy miteraka izany taloha. Nampanantena an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba Andriamanitra, fa avy amin’ny fianakaviany no hipoiran’ilay “taranaka” hitahiana ny firenena rehetra. (Genesisy 26:4; 28:14) Tsy niteraka anefa i Rahely. Nilaza i Jakoba fa Andriamanitra ihany no afaka manome azy zanakalahy, mba handraisany anjara amin’ny fahatanterahan’io fampanantenana io. Tsy nanam-paharetana anefa i Rahely. Hoy izy: “Indro Bila ankizivaviko, vadio izy; dia hiteraka eo am-pofoako izy, mba hahazoako zaza aminy.”—Genesisy 30:2, 3.
Mety tsy ho azontsika ny antony nanaovan-dRahely izany. Hita tamin’ireo taratasy fisoratam-panambadiana fahiny tany Proche-Orient anefa, fa fanaon’ny vehivavy tsy niteraka ny nanome ny mpanompovaviny ho an’ny vadiny mba hiteraka mpandova ho azy.a (Genesisy 16:1-3) Noheverina ho zanak’ilay tompom-bady indraindray ny zanak’ilay mpanompo.
Faly erỳ i Rahely rehefa niteraka zazalahy i Bila, ka hoy izy: “Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny zazalahy aho.” Nataony hoe Dana ny anarany, izay midika hoe “Mpanome Rariny.” Hita fa nivavaka momba ny fahoriany koa i Rahely. Niteraka ny zanany faharoa i Bila, tatỳ aoriana. Naftaly no anaran’izy io ary midika hoe “Fitolomako.” Hoy i Rahely: ‘Fitolomana mafy dia mafy no nitolomako tamin’ny rahavaviko, ka nahery aho.’ Hita avy amin’izany fa tena nifankahala izy mirahavavy.—Genesisy 30:5-8.
Nihevitra angamba i Rahely fa nanao zavatra nifanaraka tamin’ny vavaka nataony izy rehefa nanome an’i Bila ho an’i Jakoba. Tsy izany anefa no fomba tian’Andriamanitra hanomezana zanaka azy. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tokony hanam-paharetana isika rehefa mitalaho amin’i Jehovah. Mety tsy ho araka ny eritreretintsika ny valim-bavaka omeny, ary amin’ny fotoana tsy ampoizintsika indrindra.
-
-
Mpirahavavy Ory Nefa ‘Nahatsangana ny Tranon’ny Israely’Ny Tilikambo Fiambenana—2007 | 1 Oktobra
-
-
a Izao, ohatra, no hita tao amin’ny taratasy iray tany Nuzi, Irak: “Nomena ho vadin’i Shennima i Kelim-ninu. ... Raha tsy miteraka i Kelim-ninu, dia afaka maka vehivavy [mpanompovavy] avy any Lullu izy, mba ho vadin’i Shennima.”
-