-
Tian’Andriamanitra ny hiainan’ny olombelona amim-pahasambarana ao amin’ny paradiNy Tilikambo Fiambenana—1989 | 1 Novambra
-
-
Tian’Andriamanitra ny hiainan’ny olombelona amim-pahasambarana ao amin’ny paradisa iray
“Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy.” — GENESISY 2:15.
1. Tamin’ny voalohany, inona moa no sitrapon’Andriamanitra ny amin’ny olombelona mankatò?
TAMIN’NY voalohany, ny sitrapon’ny Mpamorona, sady mbola sitrapony ihany, dia ny tsy hahitan’ny olona mankatò fahanterana mihitsy, fa ny hitanany mandrakizay ny tanjaky ny fahatanorana, ny tsy hahitany fahasorisorenana, fa ny hananany asa mahaliana hotontosaina mandrakariva, ny hifankatiavany amim-pahatsorana sy tsy fiheverana ny tombontsoan’ny tena, raha fintinina dia ny hiainany ao anatin’ny fahatanterahana — ao amin’ny paradisa iray! — Genesisy 2:8; jereo Lioka 23:42, 43, MN.
2. a) Inona moa no tsy maintsy nataon’ny lehilahy voalohany rehefa tsapany fa velona izy? b) Oviana moa no noforonina ny lehilahy voalohany, taiza, ary tamin’ny fotoana toy inona tao anatin’ny taona?
2 Mba hiaikena ny amin’izany, dia aoka isika hitodika any amin’ny andro nahariana an’i Adama ka nandinihany ny vatany sy izay rehetra hitany, reny ary tsapany nanodidina azy ka nahatsapany fa velona izy. Araka ny fandaharan-taonan’ny Baiboly masina, io fisehoan-javatra io dia nitranga 6 000 taona lasa teo ho eo izay, tamin’ny 4026 alohan’ny fanisan-taona iraisana, tao amin’ny faritra iray misy an’i Torkia ankehitriny, any atsimo andrefan’izay antsoina hoe Azia ankehitriny, tsy lavitra ny moron’i Eofrata sy Tigra, noho izany dia any amin’ny ila bolantany Avaratra. Tokony ho tany amin’ny 1 oktobra izany, satria ireo fanisanandro tranainy indrindra dia nanomboka nanisa ny fotoana teo akaikikaikin’io daty io.
3. a) Tao anatin’ny toe-javatra nanao ahoana moa no nahatongavan’ny olombelona teo amin’ny fiainana? b) Inona no anarana nanjary nentin’ny lehilahy voalohany, ary inona no heviny?
3 Tonga teo amin’ny fiainana ny lehilahy voalohany, niforona tamin’ny fomba feno, nomena toe-batana sy fahasalamana ary toe-tsaina tonga lafatra. Ny anarana niantsoana azy imbetsaka ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly, ʼAdhama, dia manintona ny saintsika ho amin’ny zavatra namoronana azy. Ny vovotany na tany nanalana azy tokoa dia nantsoina hoe ʼadhamah. Rariny àry ny hiheverana fa ny teny nanjary anarana manokan’io lehilahy voalohany io, Adama, dia midika hoe “olona nalaina avy amin’ny tany”. Toy inona moa ny tsy maintsy ho fihetseham-pon’i Adama rehefa nanomboka ny ho velona izy, tonga olona nahatsiaro tena sy nanan-tsaina!
4. Tsy tao anatin’ny toe-javatra hafahafa inona moa ny lehilahy voalohany rehefa tonga teo amin’ny fiainana? Tsy zanak’inona àry izy?
4 Rehefa tonga teo amin’ny fiainana io lehilahy voalohany io, Adama, tonga teo amin’ny fahavelomana nananana fahatsiarovan-tena sy fahiratan-tsaina, ka nampihiratra ny masony, dia tsy teo amin’ny tratra voloina, nosakambinin’ny sandry lava sy matanjaky ny zavaboary tahaka ny rajako ho niantsapazany ka ho nifampijery taminy ary ho nantsoiny tamim-pitiavana hoe Neny. Tsy nahita masoandro tao anatin’ny toe-javatra hafahafa toy izany i Adama. Tsy nahatsiaro tena ho nanana fatoram-pihavanana tamin’ny rajako mihitsy izy na dia tatỳ aoriana aza, rehefa nahita voalohany tamin’izany. Tamin’ny andro namoronana azy, dia tsy nisy na inona na inona nahatonga hihevitra fa taranaka na teraka lavitra avy amin’ny rajako na zavaboary karazan’izany izy. Ho gaga foana ve àry ilay lehilahy voalohany, Adama, noho ny fomba nahatongavany teo amin’ny fahavelomana? Tsia.
5. Inona moa no fantatr’i Adama tsara ny amin’ilay zaridaina sahala amin’ny saha nisy azy, sy ny amin’ny tenany?
5 Takatra ny nety ho nanontanian’i Adama tena hoe tamin’ny fomba ahoana no nisian’ny zavatra nahafinaritra rehetra nanodidina azy. Tonga tao amin’ny zaridaina iray sahala amin’ny saha, tao amin’ny paradisa iray tsy nataony na namboariny izy. Ahoana no nisehoany? Koa satria izy nanan-tsaina tonga lafatra, fahaiza-mamakafaka zavatra, dia azo inoana fa tiany ny hahafantatra izany. Tsy mbola nanao fanandraman-javatra mihitsy anefa izy tamin’ny lasa. Fantany fa tsy nanao ny tenany na nampitombo izany izy. Tsy fomban’ny tenany ihany no nampiasainy mba hisandratana ho eo amin’izany toerana izany. — Jereo Salamo 100:3; 139:14.
6. Inona moa no tsy maintsy ho tsapan’i Adama rehefa velona tao amin’ny fonenana tonga lafatra iray teto an-tany izy?
6 Tamin’ny voalohany angamba ilay lehilahy voalohany, Adama, dia variana loatra tamin’izany fahatsapan-javatra vaovao sy nahafaly izany, dia ny ho velona tao amin’ny fonenana tonga lafatra iray teto an-tany, ka tsy nanontany tena ny amin’ny fiandohana sy anton’ny fahavelomany. Tsy voasakana tsy hampiseho ny fifaliany izy ka nahatsikaritra fa nisy teny nivoaka ny vavany. Reny ny tenany niteny tamin’ny fitenin’olombelona, nanao fanamarihana ny amin’ny zavatra nahatalanjona hitany sy reny. Nahafinaritra tokoa ny niaina tao amin’io saha paradisa io! Nefa raha mbola nahatsapa fahafinaretana izy noho ny fahitana zavatra maro be tamin’ny fijerena, ny fihainoana, ny fanimboloana sy ny fikasihana izay rehetra manodidina azy, dia tsy maintsy ho nisy fanontaniana tonga tao an-tsainy. Raha isika no teo amin’ny toerany, dia ho hitantsika fa mifono zava-miafina ny zavatra rehetra, zava-miafina tsy ho fantatsika irery.
Tsy misy zava-miafina ny amin’ny fisian’olombelona
7. Nahoana moa no tsy velona eritreritra naharitra i Adama noho izy niaina tao amin’ny saha paradisa iray?
7 Tsy naharitra ela ny fahagagan’i Adama noho ny tarehin-javatra nisy azy, velona sy irery, tsy nisy olona hita maso sahala aminy mihitsy tao amin’ilay saha paradisa. Nandre feo izy, nisy niteny tamin’ny fiteny azony. Fa iza izany? Tsy hitany ilay niteny. Avy any amin’ny faritra tsy hita maso ilay feo ka niteny taminy. Ny an’ny Mpamorona azy, ny an’Ilay nanao azy izany. Ary afaka namaly azy izy tamin’ny fampiasana io fiteny io koa. Nanomboka niresaka tamin’Andriamanitra Mpamorona àry izy. Tsy nila vata fampielezam-peo toy ny amboarina amin’izao androntsika izao izy vao handre ny feon’Andriamanitra. Niresaka nivantana taminy izay olombelona noforoniny Andriamanitra.
8, 9. a) Fanontaniana inona avy moa no nety ho nahazoan’i Adama valiny, ary mari-piheveran-dray inona no naseho taminy? b) Valin-teny inona no azon’i Adama avy tamin’ny Rainy any an-danitra?
8 Fantatr’ilay lehilahy izao fa tsy irery izy, ka tsy maintsy ho nanome toky azy izany. Azony natao ny nilaza ireo fanontaniana maro nahavelona eritreritra azy tamin’ilay Fisiana tsy hita maso niresaka taminy. Iza no namorona azy, dia izy sy io zaridaina nahafinaritra io? Nahoana no napetraka tao izy, ary ahoana no tokony hanaovany ny fiainany? Nisy zava-kendrena ve tamin’izany? Nahazo fiheverana sy fikarakaran-dray i Adama, io lehilahy voalohany io, satria nahazoany valiny nahafa-po ireo fanontaniany. Toy inona moa ny tsy maintsy ho fahafinaretan’ny Mpamorona azy, dia Ilay nanome azy ny fiainana, ny Rainy tany an-danitra, nandre azy nanomboka niteny, nanonona ireo teniny voalohany! Toy inona moa ny fifaliany nandre ny zanany niteny taminy! Tsy maintsy ho izao ny fanontaniany voalohany: “Ahoana no nahatongavako tamin’ny fahavelomana?” Tamim-pahafinaretana no namalian’ilay Ray any an-danitra izany ka nanekeny fa zanany, “zanak’Andriamanitra”, io olombelona voalohany io. (Lioka 3:38.) Niseho ho Rain’ny lehilahy voalohany, Adama, i Jehovah. Izao, amin’ny ambangovangony, ny valiny azon’i Adama avy tamin’ny Rainy any an-danitra ka nampitainy tamin’ny taranany:
9 “Ary vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona [fanahy velona, MN] izy. Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny. Ary nampanirin’i Jehovah Andriamanitra teo amin’ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon’aina teo afovoan’ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra.” — Genesisy 2:7-10b.
10, 11. a) Toe-javatra inona moa no fantatr’i Adama mazava, nefa inona avy no fanontaniana mbola tsy voavaly? b) Inona avy no valiny nomen’ilay Ray any an-danitra an’i Adama?
10 Adama, nanana saina nahiratra sy vaovao, dia nandray tamim-pahalianana tokoa izany fanazavana nahafa-po izany. Fantany izao fa tsy avy any amin’ny faritra tsy hita maso niresahan’ny Mpamorona azy izy, fa noforonina avy amin’ny tany nonenany, noho izany dia nalaina avy amin’ny tany. Jehovah no Rainy, Loharanon’ny ainy. “Fanahy velona” izy. Noho izy nandray ny fiainana avy amin’i Jehovah Andriamanitra, dia “zanak’Andriamanitra” izy. Ireo hazo nanodidina azy tao amin’ny saha Edena dia namokatra voankazo tsara ho fihinana, izay azony nohanina mba hitanana ny ainy, hitoerana ho fanahy velona. Fa nahoana izy no tokony ho velona hatrany, ary nahoana izy no natao teo amin’ny tany, tao amin’io saha Edena io? Noho izy lehilahy voaforona tamin’ny fomba feno, nanan-tsaina, nanana fahaizana ara-batana, dia mendrika ny hahafantatra izany izy. Raha tsy izany, ahoana no hahafahany manatratra ny zava-kendrena eo amin’ny fiainany ka hahazo sitraka amin’ny Mpamorona azy sady Rainy amin’ny fanaovana ny Sitrapony? Hita ao amin’ireto teny manaraka ireto ny valin’ireo fanontaniana mampiseho fahendrena ireo:
11 “Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy. Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” — Genesisy 2:15-17.
12. Ny amin’ny soa inona avy moa no tsy maintsy ho nisaoran’i Adama ny Mpamorona azy, ary ahoana no hahafahany hanome voninahitra an’Andriamanitra?
12 Tsy maintsy ho nisaotra ny Mpamorona azy i Adama noho ny nanankinany taminy raharaha nahasoa tao amin’io saha Edena kanto io. Fantany izao ny sitrapon’ny Mpamorona azy, ka ho afaka hanao zavatra ho Azy eto an-tany izy. Nanana andraikitra izy izao, dia ny hiasa ny saha Edena sy ny hikarakara azy, nefa ho asa mahafinaritra izany. Amin’ny fanatanterahana izany, dia ho azony atao ny hitana ny saha Edena ao anatin’ny toe-javatra hanome voninahitra sy hidera Ilay nanao azy, dia Jehovah Andriamanitra. Raha vantany vao hampahanoana azy ny asany, dia ho afaka hanaram-po amin’ny voankazo ao amin’ilay saha izy. Hanavao ny heriny izy ka amin’izany dia hiaina sambatra hatrany, tsy hisy farany — ho mandrakizay. — Jereo Mpitoriteny 3:10-13.
Fahatsinjovana fiainana mandrakizay
13. Fahatsinjovan-javatra inona no nananan’ilay lehilahy voalohany, ary nahoana?
13 Hiaina mandrakizay hoe? Tokony ho fahatsinjovan-javatra mila tsy ho azo inoana izany ho an’ny olombelona tanteraka. Fa nahoana no tsy ho toy izany? Tsy nikasa velively ny hanafoana io sahan’i Edena voamboatra nahafinaritra io ny Mpamorona azy. Nahoana izy no ho nanafoana ny asany kanefa izany tsara tokoa sady naneho tsara erỳ ny fahaizany mamorona zava-kanto? Araka ny fandrindran-kevitra, dia tsy nikasa ny hanao toy izany izy (Isaia 45:18). Ary satria tokony hovolena hatrany io zaridaina tsy manam-paharoa io, dia tokony hikarakara azy ny mpamboly sady mpiambina iray tahaka an’ilay lehilahy tanteraka, Adama. Raha tsy nihinana mihitsy ny voankazo voarara avy amin’ny “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” io lehilahy tanteraka io dia tsy ho faty. Ho afaka ny ho velona mandrakizay izy.
14. Raha manao inona moa Adama no hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa?
14 Nanana fahafahana ny hiaina mandrakizay tao amin’ny saha Edena, dia ny Paradisa, i Adama. Ho afaka ny hifaly mandrakizay izy raha nankatò tanteraka hatrany ny Mpamorona azy, ka tsy nihinana mihitsy tamin’ny voan’ny hazo nandrarany azy. Nirin’Andriamanitra ny hankatoavan’ny olombelona tanteraka hatrany sy ny hiainany mandrakizay. Tsy natao hiteraka ny fahafatesany akory ny fandrarana tsy hihinana tamin’ny voan’ny “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy”, fa mba hitsapana ny fankatoavana tanteraka asehon’ny olombelona amin’ny Rainy fotsiny. Izany dia nanome ho an’ny olombelona fahafahana hanaporofo ny fitiavany an’Andriamanitra Mpamorona azy.
15. Nahoana moa Adama no afaka nanantena ny hahita hoavy mamirapiratra sy handray soa avy amin’ny Mpamorona azy?
15 Afa-po tokoa ilay lehilahy tanteraka satria tsy vokatry ny kisendrasendra fotsiny fa nanana Ray tany an-danitra, nohazavaina tanteraka ny amin’ny zava-kendrena teo amin’ny fiainany ary sambatra nanana fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay tao amin’ny Paradisa, ka hitan’ilay lehilahy tanteraka nivoha teo anoloany ny hoavy mamirapiratra. Nihinana ny voan’ireo hazo izay tsara ho fihinana izy, ary tsy nikasika “ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy”. Naniry hiantehitra tamin’ny Mpamorona azy izy mba hahalalana izay tsara. Tsy nanasatra akory ny asany natao hambolena ny saha Edena. Nahafinaritra izany ary nanatontosa azy ilay lehilahy tanteraka.
Fanazavana tsy tena ilaina
16-18. Tsy nahatsiaro ho voatery hamantatra “zava-miafina” inona avy moa i Adama, ary nahoana?
16 Nihilana ny fahazavan’ny andro rehefa nilentika ilay fanazavana lehibe amin’ny antoandro izay hain’i Adama navahana teny amin’ny lanitra ny fandehany. Nilatsaka ny haizina, tonga ny alina, ary nanjary hitan’ny masony ny volana. Tsy nampitahotra azy izy io; nanapaka ny alina ny fanazavana kely (Genesisy 1:14-18). Tsy isalasalana fa nanidina tao amin’ilay zaridaina ny angamenavava tamin’ny fandefasana fahazavana tsy mafana, tahaka ny jiro bitika mipendrampendrana.
17 Rehefa latsaka ny alina ka nandrakotra azy ny haizina, dia nahatsapa fa nila ny hatory i Adama, sahala amin’ireo biby nanodidina azy. Rehefa nifoha izy, dia noana indray, ary nandray izay ho azo antsoina hoe sakafo maraina tamin’ny fahazotoana nihinana voan’ireo hazo nanomezan-dalana azy hohaniny.
18 Nahazo hery indray izy, afa-bizana tanteraka noho ny alina nialan-tsasatra tsara, ka nampitodika ny sainy ho amin’ny andro fiasana niandry azy. Rehefa nandinika ny zava-maitso nanodidina azy izy dia tsy nieritreritra fa tokony hofantariny ny zava-miafina ny amin’izay hantsoina hoe fanamboarana mahavelona (photosynthèse), an’arivony taona maro atỳ aoriana. Amin’io fiovaovan-javatra mifono zava-miafina io, ny zavatra miloko maitso amin’ny zavamaniry, ny famaitso (chlorophylle) aminy, dia mampiasa ny herin’ny fahazavan’ny masoandro mba hamokarana sakafo ho an’ny olombelona sy ny biby. Ao anatin’izany fotoana izany koa, dia raisiny ny eton’arina (gaz carbonique) avoakan’izy ireny ary avoakany ny ôksizenina izay fohin’izy ireny. Ho zava-miafina amin’ny olombelona angamba izany fiovaovan-javatra izany, kanefa tsy nila velively ny nanazava izany i Adama. Zava-niafina izany, avy amin’ny Mpamorona ny olombelona izay nahafantatra izany sy nanao izay hahatongavan’izany mba hahasoa ny zavaboary velona nataony teto an-tany. Mba hahafa-po ny fahiratan-tsainy tonga lafatra, dia ampy ho an’ny lehilahy voalohany àry ny nahafantatra fa Andriamanitra Mpamorona no nampitombo ny zavamaniry ka nanankina taminy ny asa fikarakarana ireny karazan-javamaniry ireny izay nisy tao amin’ny saha Edena. — Jereo Genesisy 1:12.
Irery, nefa feno fifaliana
19. Na dia tsapan’i Adama aza fa irery izy, tsy nisy olona sahala aminy teto an-tany, inona no tsy nataony?
19 Tsy vita akory ny fampianaran’ny Rainy any an-danitra ny olombelona. Nikarakara ny saha Edena izy, nefa tsy nisy mihitsy olona sahala aminy niaraka taminy na nanampy azy. Raha ny amin’ny karazany, ny karazana olombelona, dia irery izy. Tsy lasa nitady olona sahala aminy anefa izy mba handray soa amin’ny fiarahana aminy. Tsy nangataka tamin’Andriamanitra, Rainy any an-danitra, koa izy mba hanome azy rahalahy na anabavy. Tsy nahatonga azy ho lasa adala ny tsy fisian’olombelona hafa na nanaisotra taminy ny fifaliana miaina sy miasa. Nankamamy ny fiarahana tamin’Andriamanitra izy. — Jereo Salamo 27:4.
20. a) Inona no nitondra fifaliana sy fahafinaretana lehibe indrindra ho an’i Adama? b) Nahoana moa no tsy ho asa an-terivozona manorisory ho an’i Adama ny fiainana toy izany? d) Ny amin’inona no hovelabelarin’ny lahatsoratra manaraka?
20 Fantatr’i Adama fa nandinika azy ny Rainy tany an-danitra ary nihevitra ny asa nataony. Ny fahafinaretany lehibe indrindra dia ny hahazo sitraka tamin’ny Andriamaniny sady Mpamorona azy, izay ny voninahiny dia hita eo amin’ny asa famoronana mahatalanjona rehetra manodidina azy (jereo Apokalypsy 15:3). Ny fiainana toy izany hatrany dia tsy ho asa an-terivozona manorisory ho an’io lehilahy nahay nandanjalanja tanteraka io izay afaka niresaka tamin’ny Andriamaniny. Nomen’Andriamanitra azy ny asa mahaliana, mahavariana, izay hitondra ho azy fahafahampo sy fahafinaretana faran’izay lehibe. Ny lahatsoratra manaraka dia hiresaka misimisy kokoa ny amin’ireo fitahiana sy fahatsinjovan-javatra amin’ny hoavy nomen’ny Mpamorona an’i Adama tao amin’ny Paradisa.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Io teny io dia nalaina avy amin’ny fitantarana ny famoronana amin’ny fiteny tamin’ny voalohany, ao amin’ny Baiboly Masina. — Genesisy 1:26, Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, fanontana amin’ny teny anglisy misy fakàn-teny tamin’ny 1984, fanamarihana eo ambany pejy.
b Nanampy teny toy izao i Mosesy mpaminany, izay nanoratra izany fanazavana izany ao amin’ny bokin’ny Genesisy tamin’ny taonjato faha-16 alohan’ny fanisan-taona iraisana, momba io ony tany Edena io, mifanaraka amin’izay fantatra tamin’ny androny:
“Ny anaran’ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena; ary tsara ny volamena amin’izany tany izany; ary ny bedola sy ny vato beryla. Ary ny anaran’ny ony faharoa dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra. Ary ny anaran’ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin’i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata.” — Genesisy 2:11-14.
Ahoana no havalinao?
▫ Nahoana moa no tsy nanontany tena ela ny amin’ny fomba nahatongavany teo amin’ny fiainana i Adama?
▫ Asa inona no nankinin’Andriamanitra tamin’i Adama ary ahoana no tsy maintsy ho nandraisany izany?
▫ Fahatsinjovan-javatra amin’ny hoavy inona no natolotra ny lehilahy voalohany, ary nahoana?
▫ Nahoana Adama no tsy nanokana ny fiainany hanazavana zava-miafina?
▫ Nahoana moa Adama no tsy namoy ny fifaliany teo amin’ny fiainana rehefa tsapany fa izy irery no lehilahy teto an-tany?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]
Sary NASA