Toko 34
Voazava ny Zava-miafina Mahatalanjona
1. a) Nanao ahoana ny fihetsik’i Jaona rehefa nahita an’ilay mpivaro-tena lehibe sy ilay bibidia mampahatahotra nitaingenany? Nahoana? b) Manao ahoana ny fihetsik’ireo voahosotra ankehitriny rehefa mahita an’ilay faminaniana tanteraka?
NANAO ahoana ny fihetsik’i Jaona rehefa nahita an’ilay mpivaro-tena lehibe sy ilay bibidia mampahatahotra nitaingenany? Hoy izy: “Ary gaga be aho raha vantany vao nahita azy.” (Apokalypsy 17:6b) Tsy hisy olona ho afaka hamorona fahitana toy izany mihitsy! Nefa io tokoa fa misy mpivaro-tena maharikoriko, mitaingina bibidia mahatsiravina sy mena midorehitra, any an-tany efitra! (Apokalypsy 17:3) Gaga be koa ireo voahosotra toa an’i Jaona rehefa mahita ny fahatanterahan’ilay fahitana. Raha afaka mahita izany ny olona eo amin’ity tontolo ity dia ho nilaza hoe: ‘Sarotra inoana!’ ary ho nanamafy ireo mpitondra hoe: ‘Tsy mampino!’ Tanteraka ankehitriny anefa ilay fahitana mahavariana. Tanteraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra ny ampahany tamin’ilay faminaniana, ka azony antoka fa ho tanteraka hatramin’ny farany izany.
2. a) Inona no nolazain’ilay anjely tamin’i Jaona rehefa hitany fa gaga izy? b) Inona no nampahafantarina an’ireo voahosotra, ary tamin’ny fomba ahoana no nanaovana izany?
2 Hitan’ilay anjely fa gaga be i Jaona. Hoy ihany i Jaona: “Koa hoy ilay anjely tamiko: ‘Nahoana ianao no gaga? Holazaiko anao ny zava-miafina momba an-dravehivavy sy ilay bibidia mitondra azy izay manan-doha fito sy tandroka folo.’ ” (Apokalypsy 17:7) Hanazava ilay zava-miafina amin’izay ilay anjely! Liana be i Jaona, rehefa nohazavain’ilay anjely taminy ny lafiny samihafa amin’ilay fahitana sy ireo zava-mahagaga madiva hiseho. Nampahafantarina an’ireo voahosotra toa an’i Jaona, izay manompo eo ambany fitarihan’ny anjely koa, ny hevitr’ilay faminaniana. “Tsy avy amin’Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy [na teny]?” Toa an’i Josefa, lehilahy nahatoky, dia mino isika fa avy amin’Andriamanitra tokoa izany. (Genesisy 40:8; ampitahao amin’ny Daniela 2:29, 30.) Toy ny eo ambony sehatra ny vahoakan’Andriamanitra, ary hazavain’i Jehovah amin’izy ireo ny hevitr’ilay fahitana sy ny vokatr’izany eo amin’ny fiainany. (Salamo 25:14) Ara-potoana tsara ny fanazavany ny zava-miafina momba ilay vehivavy sy ilay bibidia.—Salamo 32:8.
3, 4. a) Inona no lahateny nataon’i N. Knorr tamin’ny 1942, ary inona ilay bibidia mena midorehitra? b) Inona no tenin’ilay anjely tamin’i Jaona, ary nohazavain’i N. Knorr?
3 Nanao ny Fivoriamben’ny Tontolo Vaovao ny Vavolombelon’i Jehovah tany Etazonia, ny 18-20 Septambra 1942, raha mbola nafana ny Ady Lehibe II. Nampifandraisina an-telefaonina tamin’ny tanànan’i Cleveland, izay foiben’ilay fivoriambe, ny tanàna 50 mahery. Nisy 129 699 ny tampon’isan’ny mpanatrika. Natao tany amin’izay tany afaka nandamina fivoriambe koa ilay fandaharana, na dia nisy aza ny ady. Maro ny vahoakan’i Jehovah tamin’izany no nino fa hiafara amin’ny ady Hara-magedona ilay ady. Koa nahaliana ny maro àry ilay lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Haharitra ve Ilay Fiadanana?” Ahoana no nahasahian’i N. Knorr, prezidà vaovaon’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, niresaka fiadanana nefa tao anatin’ny ady izao tontolo izao?a Satria ‘nitandrina mafimafy kokoa’ ny teny ara-paminanian’Andriamanitra ireo voahosotra.—Hebreo 2:1; 2 Petera 1:19.
4 Nanazava an’ilay faminaniana ve ilay lahateny hoe “Haharitra ve Ilay Fiadanana?” Nohazavain’i N. Knorr fa ny Fikambanam-pirenena ilay bibidia mena midorehitra ao amin’ny Apokalypsy 17:3. Nilaza ny hoavin’io fikambanana io koa izy, rehefa nanazava ny tenin’ilay anjely tamin’i Jaona hoe: “Ilay bibidia hitanao dia efa teo, fa tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka izy, ka ho any amin’ny fandringanana.”—Apokalypsy 17:8a.
5. a) Hazavao ny dikan’ny hoe “efa teo” ilay bibidia ary “tsy eo” indray avy eo. b) Ahoana no namalian’i N. Knorr an’ilay fanontaniana hoe “Hijanona ao amin’ilay lavaka ve ny Fikambanam-pirenena?”
5 “Ilay bibidia ... dia efa teo.” Efa nisy tokoa ny Fikambanam-pirenena nanomboka tamin’ny 10 Janoary 1920, ary firenena 63 teo ho eo no anisan’izy io. Nifandimby nametra-pialana anefa i Japon sy Alemaina ary Italia, sady nesorina tsy ho mpikambana koa ny Firaisana Sovietika teo aloha. Natombok’ilay mpitondra jadona nazia ny Ady Lehibe II tamin’ny Septambra 1939.b Toy ny hoe latsaka tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka ny Fikambanam-pirenena, satria tsy nahavita nitandro ny fandriampahalemana. Tsy nisy intsony izy io tamin’ny 1942. Tamin’io taona io mihitsy i Jehovah no nanambara tamin’ny vahoakany ny hevitra manontolon’ilay fahitana. Tsy lasa aloha loatra ilay fanazavana na tara loatra! Afaka nilaza i N. Knorr nandritra ilay Fivoriamben’ny Tontolo Vaovao fa “tsy eo” ilay bibidia, araka ny nambaran’ilay faminaniana. Nanontany izy avy eo hoe: “Hijanona ao amin’ilay lavaka ve ny Fikambanam-pirenena?” Nanonona ny Apokalypsy 17:8 izy, sady namaly hoe: “Mbola hipoitra indray io fikambanana io.” Izany tokoa no nitranga, ka voamarina ny faminanian’i Jehovah!
Niakatra avy tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka
6. a) Oviana no niakatra avy tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka ilay bibidia mena midorehitra, ary inona no anarany vaovao? b) Nahoana ny Firenena Mikambana no lazaina fa ilay bibidia mena midorehitra niakatra avy tao an-davaka?
6 Niakatra avy tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka tokoa ilay bibidia mena midorehitra. Firenena 50 no nanaiky tamin’ny fomba nanetriketrika ny Sata Mifehy ny Firenena Mikambana (ONU), ny 26 Jona 1945, tany San Francisco, any Etazonia. Ny “hitandro ny fandriampahalemana sy ny filaminana iraisam-pirenena” no tanjon’ilay fikambanana. Maro no itovizan’ny Fikambanam-pirenena sy ny ONU. Hoy Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao: “Misy itovizana ny ONU sy ny Fikambanam-pirenena, izay natsangana taorian’ny Ady Lehibe I. ... Maro tamin’ireo firenena nanangana ny ONU no efa nanangana ny Fikambanam-pirenena. Natao hitandrovana ny fandriampahalemana eo amin’ireo firenena, toy ny Fikambanam-pirenena koa ny ONU. Mitovy amin’ny an’ny Fikambanam-pirenena ny sampan-draharahany.” Tena ilay bibidia mena midorehitra niakatra avy tao an-davaka tokoa àry ny ONU. Nisy 63 ny mpikambana tao amin’ny Fikambanam-pirenena, fa maherin’ny 190 kosa ny an’ny Firenena Mikambana, izay manana andraikitra lehibe kokoa noho ny Fikambanam-pirenena.
7. a) Porofoy fa nitolagaga ny mponina amin’ny tany, rehefa niakatra avy tao an-davaka indray ilay bibidia mena midorehitra. b) Inona no tanjona tsy tratran’ny ONU, ary inona no nolazain’ny sekretera jeneraliny teo aloha momba izany?
7 Nahavelom-panantenana ny maro ny ONU tamin’ny voalohany, araka ny tenin’ilay anjely hoe: “Ary rehefa hitan’ny mponina amin’ny tany fa efa teo ilay bibidia, fa tsy eo izao, ary anefa mbola ho eo, dia hitolagaga izy ireo. Nanomboka tamin’ny nanorenana izao tontolo izao anefa no efa tsy voasoratra tao amin’ny horonam-bokin’ny fiainana ny anaran’izy ireo.” (Apokalypsy 17:8b) Nampitolagaga ny mponina amin’ny tany ilay fikambanana, izay manana ny foibeny mijoalajoala eny amoron’ny Reniranon’i East River, any New York. Tsy tratran’ny ONU anefa ilay tanjony, dia ny hitondra ny tena fandriampahalemana sy filaminana. Ny tahotra ny “hifandripaka” no tena nahatonga an’izao tontolo izao hitandro ny fandriampahalemana, nandritra ny taonjato faha-20. Vao mainka mifaninana manao fitaovam-piadiana anefa ireo firenena. Nitaraina toy izao i Javier Pérez de Cuéllar, sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana teo aloha, tamin’ny 1985, izany hoe 40 taona taorian’ny nijoroan’ilay Fikambanana: “Manjary misy olona mahery fihetsika toy ny taloha indray ankehitriny, nefa tsy hitantsika izay hatao momba izany.”
8, 9. a) Nahoana no tsy hitan’ny ONU izay hatao, ary inona no nolazain’Andriamanitra fa madiva hitranga amin’izy io? b) Nahoana no tsy nosoratana ao amin’ny “horonam-bokin’ny fiainana” ny anaran’ireo nanorina ny ONU sy ny an’ny mpankasitraka azy? d) Inona no hataon’ny Fanjakan’i Jehovah?
8 Tsy hitan’ny ONU izay hatao. Nahoana? Satria tsy ilay nanome aina ny olona no nanangana azy io. Tsy haharitra ela io fikambanana io, satria efa nilaza Andriamanitra fa “ho any amin’ny fandringanana” izy io. Tsy nosoratan’Andriamanitra ao amin’ny horonam-bokin’ny fiainana ny anaran’ireo nanorina ny ONU sy ny an’ny mpankasitraka azy. Olona mpanota sy mety maty ihany ireo, ary manamavo ny anaran’Andriamanitra ny ankamaroany. Koa ahoana moa no hahavitan’ny ONU izay nolazain’i Jehovah Andriamanitra fa hotanterahiny tsy ho ela amin’ny alalan’ny Fanjakan’i Kristy?—Daniela 7:27; Apokalypsy 11:15.
9 Misandoka ho solontenan’ny Fanjakan’ny Mesia ny ONU. I Jesosy Kristy, ilay Andrianan’ny Fiadanana, no mpitondra ao amin’io Fanjakana haharitra mandrakizay io. (Isaia 9:5, 6) Hisy ady vaovao foana, na dia mahavita mampisy fandriampahalemana vetivety aza ny ONU. Izany no maha izy ny olombelona mpanota. “Nanomboka tamin’ny nanorenana izao tontolo izao anefa no efa tsy voasoratra tao amin’ny horonam-bokin’ny fiainana ny anaran’izy ireo.” Hitondra fiadanana mandrakizay eto an-tany kosa ny Fanjakan’i Jehovah hoentin’i Kristy. Noho ny vidim-panavotan’i Jesosy, dia hatsangany ireo maty, izany hoe ny marina sy ny tsy marina izay hotsaroan’Andriamanitra. (Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15) Anisan’ny hatsangana ireo tsy nivadika na teo aza ny fanafihan’i Satana sy ny taranany, mbamin’ireo mbola hanaporofo ny fankatoavany. Tsy ho hita ao amin’ny horonam-bokin’ny fiainana mihitsy ny anaran’ireo tsy mety miala amin’i Babylona Lehibe, sy ny an’ireo mivavaka amin’ilay bibidia.—Eksodosy 32:33; Salamo 86:8-10; Jaona 17:3; Apokalypsy 16:2; 17:5.
Fandriampahalemana sy filaminana: Fanantenana poakaty
10, 11. a) Inona no nambaran’ny ONU tamin’ny 1986, ary nankatò izany ve ireo firenena? b) Firy ny “fianakaviambe” nivory tany Assise, any Italia, mba hivavaka ho an’ny fandriampahalemana? Mihaino ny vavaka toy izany ve Andriamanitra? Hazavao.
10 Mba hahavelom-panantenana ny olona, dia nambaran’ny Firenena Mikambana fa “Taona Iraisam-pirenena ho An’ny Fandriampahalemana” ny taona 1986, sady nomeny foto-kevitra hoe “Fitandroana ny Fandriampahalemana sy Fitsinjovana ny Hoavin’ny Olombelona.” Nentanina ireo firenena mba tsy hiady mandritra ny herintaona, fara fahakeliny. Nankatò izany ve izy ireo? Olona dimy tapitrisa no maty an’ady tamin’ny 1986 fotsiny, araka ny tatitry ny Fikambanana Iraisam-pirenena Mikatsaka Fandriampahalemana! Zara raha nohajain’ireo firenena ilay teny filamatra tamin’iny taona iny, na dia nisy vola madinika sy hajia manokana ho fahatsiarovana aza, navoaka tamin’izay. Nanao izay hampahalaza an’iny taona iny anefa ny fivavahana, izay tsy mitsahatra mitady sitraka amin’ny ONU. Nidera ny asan’ny ONU ny Papa Jean-Paul II tamin’ny 1 Janoary 1986, ary nanambara fa hatao taonan’ny fandriampahalemana ilay taona vaovao. Novoriny tany Assise, any Italia, ny mpitondra fivavahana samihafa, tamin’ny 27 Oktobra, mba hivavaka ho an’ny fandriampahalemana.
11 Mamaly ny vavaka toy izany ve Andriamanitra? Iza tokoa no nivavahan’ireo mpitondra fivavahana ireo? Ho samy hafa ny valin-teniny raha nanontany azy ianao. Nisy andriamanitra an-tapitrisany ve nahare sy namaly ireo vavaka natao tamin’ny fomba samy hafa ireo? Maro tamin’ireo mpandray anjara no nanompo Andriamanitra telo izay iray, izay ivavahan’ny Kristianisma Anarana.c Nivavaka tamin’andriamanitra tsy hita isa ny Bodista sy ny Hindoa ary ny olon-kafa. Nisy “fianakaviambe” 12 ireo mpivavaka ireo tamin’ny fitambarany, ary nahitana olo-manan-kaja toy ny Arsevekan’i Cantorbéry an’ny Anglikanina, ny dalaï-lama an’ny Bodista, ny lehiben’ny Fivavahana Ortodoksa Rosianina, ny filohan’ny Fikambanana Shintoista any Tokyo, ireo Afrikanina mivavaka amin’ny natiora, ary Indianina Amerikanina nanao fehiloha volom-borona. Isan-karazany tokoa izy ireo, ary nalefa tamin’ny televiziona ilay fandaharana, ka nahasarika olona maro. Nisy taminy nivavaka tsy an-kiato nandritra ny adiny 12. (Ampitahao amin’ny Lioka 20:45-47.) Nisy tamin’ireo vavaka ireo anefa ve nihoatra an’ireo rahona nameno ny lanitra tamin’izany? Tsia! Nahoana?
12. Nahoana Andriamanitra no tsy namaly ny vavaka ho an’ny fandriampahalemana nataon’ireo mpitondra fivavahana?
12 Tsy nisy tamin’ireo mpitondra fivavahana ireo nivavaka tamin’i Jehovah, ilay Andriamanitra velona. Tsy ‘nandeha tamin’ny anaran’i Jehovah’ izy ireo, na dia miseho im-7 000 mahery aza izy io ao amin’ny Baiboly tany am-boalohany. (Mika 4:5; Isaia 42:8, 12)d Tsy nanatona an’Andriamanitra tamin’ny anaran’i Jesosy koa izy ireo, sady tsy mino an’i Jesosy Kristy ny ankamaroany. (Jaona 14:13; 15:16) Tsy misy manao ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo, dia ny fitoriana eran-tany ny Fanjakany izay tena azon’ny olona antenaina, fa tsy toy ny ONU. (Matio 7:21-23; 24:14; Marka 13:10) Nandray anjara tamin’ireo ady nahafatesana olona maro teo amin’ny tantara, toy ny ady lehibe roa tamin’ny taonjato faha-20, koa ny ankamaroan’ny fivavahana misy azy ireo. Hoy Andriamanitra amin’izy ireo: “Na dia manao vavaka be aza hianareo, dia tsy hihaino Aho; feno ran’olona ny tànanareo.”—Isaia 1:15; 59:1-3.
13. a) Nahoana no miara-mikatsaka fandriampahalemana amin’ny ONU ny mpitondra fivavahana? b) Inona no efa nambaran’Andriamanitra fa hiafaran’ireo antsoantso ho an’ny fandriampahalemana?
13 Misy antony lehibe koa mahatonga ny mpitondra fivavahana hiara-mikatsaka fandriampahalemana amin’ny Firenena Mikambana. Te hanana fahefana eo aminy izy ireo, indrindra amin’izao fotoana izao, satria mihabetsaka ny olona miala amin’ny fivavahana. Miantsoantso toy ireo mpitondra tsy nahatoky tany Israely fahiny izy ireo hoe: “Fiadanana, fiadanana; kanjo tsy misy fiadanana tsinona!” (Jeremia 6:14) Mbola hiantsoantso toy izany ihany izy ireo, sady hanohana ilay antso farany nolazain’ny apostoly Paoly hoe: “Ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’i Jehovah. Rehefa milaza izy ireo hoe: ‘Fandriampahalemana sy filaminana!’, dia hanjo azy avy hatrany ny fandringanana tampoka, toy ny fitrangan’ny fanaintainana eo amin’ny vehivavy mihetsi-jaza. Ary tsy ho afa-mandositra mihitsy izy ireo.”—1 Tesalonianina 5:2, 3.
14. Ahoana no mety hisehoan’ilay antsoantso hoe “Fandriampahalemana sy filaminana!”, ary inona no tokony hataonao raha tsy te ho voafitak’izany ianao?
14 Matetika mampiasa ilay teny hoe “fandriampahalemana sy filaminana” ny mpanao politika tato ho ato, mba hilazana ny tetikasany. Fanombohan’ny fahatanterahan’ny 1 Tesalonianina 5:3 ve izany ezaka ataon’izy ireo izany? Sa trangan-javatra tena hiavaka sy hanaitra an’izao tontolo izao no noresahin’i Paoly? Tsy maintsy miandry isika mba hahafantarana ny valiny, satria efa tanteraka na eo an-dalam-pahatanterahana ny faminanian’ny Baiboly matetika vao azo tsara ny heviny. Fantatry ny Kristianina koa fa tsy hisy na inona na inona hiova, na dia toa hahavita hampisy fandriampahalemana sy filaminana aza ireo firenena. Mbola hisy foana ny fitiavan-tena, fankahalana, heloka bevava, fianakaviana rava, fitondran-tena maloto, aretina, alahelo, ary fahafatesana. Tsy ho voafitak’ilay antsoantso hoe “fandriampahalemana sy filaminana” àry ianao, raha miezaka haharaka tsara ny zava-mitranga eran-tany sy manaraka ny fampitandreman’ny Tenin’Andriamanitra.—Marka 13:32-37; Lioka 21:34-36.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Maty tamin’ny 8 Janoary 1942 i J. Rutherford, ka i N. Knorr indray no lasa prezidàn’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana.
b Nifanaraka i Alemaina, Italia sy Japon ary Hongria fa hanangana “Fikambanam-pirenena vaovao.” Nanao sonia izany izy ireo ny 20 Novambra 1940. Nanao Lamesa sy vavaka i Vatikana efatra andro taorian’izay, mba hampiray hina ny fivavahana sy hisian’ny tontolo iray vaovao. Tsy tafajoro mihitsy anefa io “Fikambanam-pirenena vaovao” io.
c Niandoha tany Babylona ny finoana ny andriamanitra telo izay iray. Nivavaka tamin’ny andriamanitra telo mitambatra ny Babylonianina, dia i Shamash, andriamanitra masoandro, sy Sîn, andriamanitra volana, ary Ishtar, andriamanitra kintana. Nino izany koa ny Ejipsianina, izay nivavaka tamin’i Osiris sy Isis ary Horus. Aseho ho toy ny manan-doha telo i Ashour, andriamanitry ny Asyrianina. Hita any amin’ny fiangonana katolika koa ny sarin’Andriamanitra manan-doha telo.
d Milaza ny diksionera Webster tamin’ny 1993, fa i Jehovah Andriamanitra no “andriamanitra avo indrindra eken’ny Vavolombelon’i Jehovah sy hany ivavahany.”
[Efajoro, pejy 250]
Mifanohitra Amin’ny “Fandriampahalemana”
Nilaza ny Firenena Mikambana fa Taona Iraisam-pirenena ho An’ny Fandriampahalemana ny taona 1986. Vao mainka nifaninana nanamboatra fitaovam-piadiana anefa ireo firenena. Mampieritreritra ireto tsipiriany voalazan’ny boky Vola Lany Eran-tany Tamin’ny Tafika sy ny Sosialy 1986 (anglisy) ireto:
Nahatratra sivy hetsy tapitrisa dolara ny vola nolanina ho an’ny tafika eran-tany, tamin’ny 1986.
Telo tapitrisa sy sasany ny olona maty isan-taona noho ny areti-mifindra azo nosorohina. Ho ampy nanavotana azy ireo ny vola nolanina ho an’ny tafika eran-tany tao anatin’ny adiny iray.
Ampahadimin’ny olona eran-tany no mahantra faraidiny. Ho ampy nividianana sakafo mandritra ny herintaona ho an’ireo olona mosarena ireo, ny vola lany eran-tany ao anatin’ny roa andro ho an’ny fitaovam-piadiana.
Avo 160 000 000 henin’ny angovo nipoaka tany Tchernobyl, ny angovo ao amin’ireo fitaovam-piadiana niokleary eran-tany.
Avo 500 henin’ny herin’ny baomba nalatsaka tany Hiroshima tamin’ny 1945, ny herin’ny baomba niokleary iray.
Maharava tanàna iray tapitrisa mahery mitovy amin’i Hiroshima ny tahirim-pitaovam-piadiana niokleary. Avo 2 700 heny noho ny angovo nampiasaina nandritra ny Ady Lehibe II, izay nahafatesana olona 38 tapitrisa, ny angovo ao amin’ireny fitaovam-piadiana ireny.
Nihabetsaka ny ady sady nahafatesana olona maro kokoa. Nahafaty olona 4,4 tapitrisa ireo ady tamin’ny taonjato faha-18, olona 8,3 tapitrisa tamin’ny taonjato faha-19, ary 98,8 tapitrisa nandritra ireo 86 taona, hatramin’ny niandohan’ny taonjato faha-20. Nitombo avo enina henin’ny isan’ny mponin’ny tany, ny isan’ny maty an’ady nanomboka tamin’ny taonjato faha-18. Avo folo heny noho ny tamin’ny taonjato faha-19, ny isan’ny maty isaky ny misy ady, tamin’ny taonjato faha-20.
[Sary, pejy 247]
Araka ilay faminaniana momba ilay bibidia mena midorehitra, dia toy ny hoe latsaka tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka ny Fikambanam-pirenena nandritra ny Ady Lehibe II. Niakatra avy tao anefa izy io, ka lasa ny Firenena Mikambana
[Sary, pejy 249]
Tonga nivavaka tany Assise, any Italia, ny solontenan’ny fivavahana maro, ho fanohanana ilay “Taona ho An’ny Fandriampahalemana” nambaran’ny ONU. Tsy nisy taminy anefa nivavaka tamin’i Jehovah, ilay Andriamanitra velona