Ny paradisa: fahatsinjovan-javatra azo heverina na dia tao aza ny tsy fankatoavan’ny olombelona
1. Rehefa nandeha ny fotoana, aiza moa no ahitantsika ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany, ary ao anatin’ny faritra manao ahoana?
NANDEHA ny fotoana. Tsy nitanjaka tamin-tsy fananan-tsiny tanteraka intsony ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany, fa nanao akanjo lava hodi-biby. Vao nivoaka avy ao Edena, saha tonga lafatra, izy ary nahita faritra taza-maso hafa dia hafa: tany lava volo tsy hita fetra. Niharihary fa tsy nitoetra tamin’izany ny fitahian’Andriamanitra. Tsy nisy afa-tsy tsilo sy hery teo anoloany. Moa ve tsy ny tany tokony hampanompoiny io? Izany tokoa; nefa ankehitriny ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany dia tsy eo amin’io toerana tsy voavoly io noho ny fikendrena ny hanitatra ny saha Edena.
2. Nahoana moa ralehilahy sy ny vadiny no tsy nanandrana niditra indray tao amin’ilay saha paradisa?
2 Teo anoloan’ny toerana taza-maso hafa toy izany, nahoana izy no tsy niverina tany amin’ny saha paradisa? Mora ny milaza izany, nefa jereo eo an-damosin’izy ireo, eo am-pidirana ho ao amin’ilay saha: kerobima, zavaboary mbola tsy hitany mihitsy, na dia tao anatin’ny saha aza, sy ny lelafon’ny sabatra mihebiheby tsy an-kijanona. Tsy hanana fanantenana mihitsy ny hiditra velona ao amin’ilay saha ralehilahy sy ny vadiny. — Genesisy 3:24.
3. Inona no nitranga ka nahatonga ny toe-piainan’ny mpivady voalohany hiova toy izany?
3 Inona àry no nitranga? Tsy nisy na inona na inona sarotra ka hahatonga ny siansa ho sanganehana mandritra ny an’arivony taona maro, fa zavatra mora hazavaina. Tokony hanatanteraka ny asa nankinin’Andriamanitra taminy tamin’ny andron’ny fampakaram-badiny ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany, asa nanendrena izay nanokatra ho azy ireo fahatsinjovan-javatra mahatalanjona, raha mankatò ny Rainy any an-danitra hatramin’ny andinindininy madinika indrindra anefa izy. Notsapaina tamin’ny fameperana ara-tsakafo tokana ihany ny fankatoavany tanteraka: tsy tokony hihinana tamin’ny voan’ny “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” izy. (Genesisy 2:16, 17.) Raha nandika an’io fandraran’Andriamanitra io izy, dia tsy maintsy ho faty. Izany no nolazain’i Adama, tamin’ny naha-mpaminanin’Andriamanitra azy, tamin’ny vadiny, olombelona noforonina taoriany. Mahagaga anefa fa nisy nahash, na bibilava, nanohitra ny fahamarinan’izay nolazain’Andriamanitra tamin’i Adama fony Izy nandrara azy tsy hihinana tamin’ny voan’ny “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy”. Namitaka ny vehivavy ilay bibilava tamin’ny fanaovana izay hinoany fa raha nandika ny lalàn’Andriamanitra izy ka nihinana tamin’io voankazo voarara io, dia ho tonga tahaka an’Andriamanitra sy tsy hiankina aminy amin’ny fameran’ny tenany ihany izay tsara sy izay ratsy. — Genesisy 3:1-5.
Filazana ara-tantara
4, 5. Ahoana no nampisehoan’ny apostoly Paoly fa tsy angano akory ny fitantarana ny fomba namitahan’ilay menarana ny vehivavy voalohany?
4 Tsy azo inoana ve io fitantarana io? Moa ve izany mitovy loatra amin’ny angano, amin’ny lovantsofina tsy marim-pototra mihitsy, ka noho izany, tsy afaka hanaiky azy ve ny saina nahita fianarana amin’izao androntsika izao? Tsy izany no hevitry ny mpanoratra iray mendrika inoana mbola be mpamaky ihany ny zavatra nosoratany, apostoly iray nofidina manokana izay natoky ny fahamarinan’ny zavatra nosoratany. Izao no nosoratan’io apostoly io, Paoly, ho an’ny kongregasionan’ny kristiana olon-dehibe nonina tany Korinto, foibe ara-kolontsaina: “Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy, tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny fihendreny.” — 2 Korintiana 11:3.
5 Sarotra ny hihevitra hoe i Paoly dia nanisy fitenenana ny amin’ny angano, ny amin’ny fanoharana, ny amin’ny fisehoan-javatra an’eritreritra fotsiny mba hanamafisana ny hevitra tiany hampitaina tamin’ireny korintiana mahalala tsara ny anganon’ny fanompoan-tsampy grika ireny. Nanonona ny Soratra hebreo ara-tsindrimandrin’Andriamanitra izay nolazainy ho “tenin’Andriamanitra” ny apostoly Paoly ka nanantitrantitra fa ‘namitaka an’i Eva tamin’ny fihendreny ny menarana’. (1 Tesaloniana 2:13.) Tetsy an-daniny koa, tao amin’ny taratasy iray natao ho an’ny mpiandraikitra kristiana anankiray notendrena hampianatra “ny mariky ny teny tsy misy kilema”, ny apostoly Paoly dia nanoratra toy izao: “Fa Adama no natao voalohany, vao Eva. Ary tsy Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka, ka tonga mpanota.” — 2 Timoty 1:13; 1 Timoty 2:13, 14.
6. a) Tamin’ny ahoana moa ny fahadisoan’i Adama no hafa noho ny an’ny vadiny? b) Nahoana moa no azontsika antoka fa tsy namorona tantara ny amin’ny bibilava akory ilay vehivavy?
6 Ny amin’ny hoe namitahan’ny menarana ny vehivavy, dia tsy angano akory izany, fa zava-nitranga tena nisy tahaka ireo vokatra manimban’ny tsy fankatoavana nahameloka azy rehefa nihinana ny voan’ny hazo voarara izy. Rehefa avy nandika toy izany ny baikon’Andriamanitra izy, dia nitaona ny vadiny hanao tahaka azy, nefa raha nihinana tamin’ny voankazo io, dia tsy hoe satria voafitaka tanteraka koa ny tenany (Genesisy 3:6). Toy izao no nitantaran’izy mivady tamin’Andriamanitra ny nataony: “Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho. Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin-dravehivavy: Inona izao nataonao izao? Dia hoy ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.” (Genesisy 3:12, 13). Tsy namorona tantara momba ny nahash, na bibilava, akory ravehivavy, ary tsy nihevitra ny fanazavany ho toy ny angano i Jehovah Andriamanitra. Ny nataony tamin’io bibilava io dia toy ny nataony tamin’ny fiasana namitahana ilay vehivavy mba hitarihana azy handika ny baiko nomeny, dia Izy, Mpamorona azy sady Andriamaniny. Tsy ho mendrika an’Andriamanitra ny hifampiraharaha amin’ny bibilavan’ny angano fotsiny.
7. a) Ahoana moa no teny ilazan’ny fitantaran’ny Baiboly ny fanamelohan’Andriamanitra ny menarana? b) Ahoana moa no mety hamitahan’ilay menarana namitaka ny vehivavy voalohany antsika koa? (Hazavao koa ny fanamarihana.)
7 Izao no teny ilazan’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly ny fitsarana notononin’Andriamanitra ho fanamelohana ny menarana tao amin’ny saha Edena: “Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin’ny menarana: Satria nanao izany hianao, koa amin’ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia hianao no voaozona: ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao. Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 3:14, 15). Ny tribonaly tsara rehetra dia mitsara mifototra amin’ny zava-misy ary mandinika amim-pitandremana porofo mafy orina fa tsy angano. Tsy nanao zavatra tamin-kadalana Jehovah Andriamanitra tamin’ny fanononana ny didim-pitsarany manameloka bibilava voalazan’ny angano. Tsia, nanameloka zavaboary iray tena izy izay tsy maintsy nampamoahiny izy. Tsy hahatsikaiky, fa hampidi-doza raha mamitaka antsika io menarana io ihany amin’ny fitarihana antsika hihevitra fa tsy nisy mihitsy izy, fa angano fotsiny ary tsy tompon’andraikitra amin’izay rehetra mety ho zava-dratsy eto an-tanya.
8. Inona moa no fanamelohana an’ilay vehivavy notononin’Andriamanitra, ary inona no ho vokany eo amin’ireo zanany vavy sy zafikeliny vavy?
8 Lazain’ny fitantarana fa noheverin’Andriamanitra ny fanambaran’ilay vehivavy nilazana fa tena nisy tokoa ilay menarana. Izao no vakina ao: “Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan-anaka hianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran’ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.” (Genesisy 3:16). Tsy nanambara loza toy izany tamin’ny vehivavy Andriamanitra fony izy nitso-drano ny fanambadian’izy sy Adama tamin’izao teny izao: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.” (Genesisy 1:28). Io asa voatahy nankinina tamin’ny mpivady olombelona tanteraka io dia nanambara fa hanana anaka maro ny vehivavy, fa tsy hoe hiteraka ao anatin’ny fanaintainana mafy na hoe hampahory azy ny vadiny. Hahakasika ireo zanany vavy sy ireo zafikeliny vavy hatramin’ny taranaka fara mandimby izany didim-pitsarana notononina ho fanamelohana ny vehivavy tsy nankatò izany.
Manandratra ny lalàn’Andriamanitra ny didim-pitsarana nanameloka an’i Adama
9, 10. a) Inona moa no fampitandremana nolazain’Andriamanitra mazava tamin’i Adama, ary, raha nampihatra sazy toy izany Andriamanitra, inona avy no ho vokany? b) Inona no didim-pitsarana notononin’Andriamanitra momba an’i Adama?
9 Fa inona hatramin’izao no niandry ny vehivavy, sy ny lehilahy izay notaominy hiara-hanota taminy? Nilaza mazava toy izao tamin’io lehilahy io Andriamanitra: “Fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:17). Moa ve Andriamanitra Mpitsara hampihatra didim-pitsarana mafy toy izany satria fotsiny nihinana voankazo iray i Adama? Hevero ny ho dikan’ny fampiharana sazy toy izany! Hanaisotra amin’i Adama sy Eva ny fahatsinjovan-javatra natolotra azy ireo tamin’ny andro nivadiany izany: hameno ny tany manontolo amin’ny taranany, amin’ny taranak’olombelona tanteraka izay honina amim-piadanana sy mandrakizay eo amin’ny tany paradisa, ka hitahiry mandrakizay ny fahatanorany sy ny fifandraisany amim-pilaminana amin’ny Andriamaniny sady Rainy any an-danitra. Azo antoka fa tsy hanao izay tsy hahombiazan’ny fikasany mahatalanjona amin’ny olombelona sy ny fonenany eto an-tany Andriamanitra amin’ny fampiharana amin’ny fomba hentitra ny fanamelohana ho faty an’ireo ray aman-drenin’ny olombelona rehetra voalohany. Izao anefa ny didiny mazava dia mazava araka ny anoratana azy ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly:
10 “Ary hoy koa Izy tamin’i Adama: Satria efa nihaino ny feon’ny vadinao hianao, ka nihinananao ny hazo izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho ny nataonao; fahoriana no hihinananao ny vokany amin’ny andro rehetra hiainanao. Ary haniry tsilo sy hery ho anao izy; ary hohaninao ny anana famboly. Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” — Genesisy 3:17-19.
11. Zava-nitranga inona avy mifandray amin’ny fankatoavana no mampiseho fa marim-pototra ny fanamelohan’Andriamanitra an’i Adama?
11 Nilaza io didim-pitsarana io fa hiharan’ny fanamelohana ho faty ny olombelona, na toy inona na toy inona vokany eo amin’ny fikasan’Andriamanitra nitsinjovana ny hahafeno saha paradisa ny tany manontolo ka hamenoana azy amin’ny lehilahy sy vehivavy tanteraka; hiara-hiaina ao anatin’ny fitiavana sy ny fiadanana ireo, hamboly io saha io sy hikarakara azy mandrakizay. Ny feon’ny vadiny no nohenoin-dralehilahy fa tsy ny an’Andriamanitra izay nandrara azy tsy hihinana tamin’ny voan’ny “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy”. Araka ny fandrindran-kevitra tanteraka anefa, raha tsy nankatò ny feon’ny Andriamaniny sady Mpamorona azy ny tenany, moa ve izy hampianatra ireo zanany hanao izany? Hanosika azy ireny hankatò an’i Jehovah Andriamanitra ve ny ohatra nomeny? — Jereo 1 Samoela 15:22.
12, 13. a) Inona no ho vokatry ny fahotan’i Adama eo amin’ireo zanany? b) Nahoana moa Adama no tsy mendrika ny hiaina mandrakizay tao amin’ny Paradisa, na tany an-toeran-kafa teto an-tany koa aza?
12 Moa ve ireo zanak’i Adama ho afaka ny hanaja tanteraka ny lalàn’Andriamanitra, araka ny azon’ny tenany natao fony izy tanteraka? Noho ny lalàna momba ny fandovan-toetra, moa ve izy tsy hampita amin’ireo zanany ny fahalemeny, ny fironany tsy hankatò ny feon’Andriamanitra sy hihaino feo hafa? Mamaly ireo fanontaniana ireo ny Tantara. — Romana 5:12.
13 Mendrika ny hiaina mandrakizay tao amin’ny Paradisa, na tany an-toeran-kafa koa aza ve io lehilahy io izay, noho ny fitadiavana sitraka tamin’ny olona noforonina iray fotsiny, dia nitsahatra tsy nanolotra fankatoavana tanteraka ho an’Andriamanitra ho porofon’ny fitiavany tanteraka azy intsony? Ho fahendrena ve ny hamelana azy ho velona mandrakizay eto an-tany? Aoka hataontsika hoe nomen-dalana hiaina mandrakizay tao anatin’ny fahadisoany izy; hanandratra ny lalàn’Andriamanitra ve izany ka hampiseho ny fahamarinany amin’ny fomba feno, sa kosa izany hampitombo ny fanamavoana ny Lalàny ka hahatonga hihevitra fa tsy mendrika itokiana ny Teniny?
Voaroaka tsy ho ao amin’ny saha Edena
14. Araka ny fitantaran’ny Baiboly, inona avy moa no fandaharana nataon’Andriamanitra ho fanamelohana an’i Adama sy ny vadiny?
14 Ampahafantarin’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly hoe tamin’ny fomba ahoana no nanapahan’Andriamanitra ireo raharaha ireo: “Ary Jehovah Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an’i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy. Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy, ka hakany koa ny hazon’aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy; ka dia nesorin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny saha Edena izy hiasa ny tany izay analana azy. Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan’ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon’ny sabatra mihebiheby hiambina ny làlana mankany amin’ny hazon’aina.” — Genesisy 3:21-24.
15. a) Ahoana no niheveran’Andriamanitra ny fahatsapan’i Adama sy ny vadiny henatra noho ny fitanjahan’izy ireo? b) Ahoana no nandroahana ny mpivady voalohany tsy ho ao amin’ny saha Edena? d) Tarehin-javatra nanao ahoana moa no hitan’i Adama sy ny vadiny tany ivelan’ny saha Edena?
15 Noheverin’ilay Andriamanitra Mpitsara ny fahatsiarovana henatra tsapan’i Adama sy ny vadiny mpanota izao noho izy nitanjaka. Tamin’ny fomba tsy voalaza mazava, dia nomeny akanjo hoditra lava izy ireo ho solon’ny sikina ravin’aviavy nataony (Genesisy 3:7). Haharitra ela kokoa ireny akanjo hoditra ireny ary hiaro azy tsara kokoa amin’ny tsilo sy ny hery mbamin’ny zavatra hafa nety handratra azy tany ivelan’ny saha Edena. Nenjehin’ny fieritreretany izy ireo taorian’ny nanotany ka nanandrana niafina ny tavan’Andriamanitra teo amin’ny hazo tao amin’ny saha Edena (Genesisy 3:8). Rehefa avy nanameloka azy ireo Andriamanitra dia nandroaka azy tsy ho ao amin’ny saha tamin’ny fanosehana azy tamin’ny fomba iray na hafa hivoaka avy tao. Notarihina ho any atsinanana izy ireo, ary tsy ela dia tany ivelan’ny saha tsy azony nidirana intsony mihitsy. Tsy hiasa ho fanitarana an’io saha io sy ny toe-piainana paradisa nanjaka tao ho tonga hatrany amin’ny faran’ny tany izy. Hatramin’izao izy dia hihinan-kanina avy amin’ny zavamaniry any an-tsaha, kanefa tsy hitana ny ain’olombelona nananany ho mandrakizay izany. Tsy ho afaka haka amin’ny “hazon’aina” mihitsy izy ireo. Rehefa afaka fotoana elaela — hafiriana? Tsy fantany — dia ho faty izy amin’ny farany.
Tsy azo sakanana ny fikasan’i Jehovah tamin’ny voalohany
16. Tsy tapa-kevitra ny hanao inona moa Andriamanitra, ary nahoana?
16 Moa ve Andriamanitra tamin’izay tapa-kevitra ny hanafoana ny tany sy ny volana ary ny masoandro sy ny kintana tao amin’ny fikorontanana lehibe hatraiza hatraiza satria nanota taminy ireo zavaboary roa nalaina avy amin’ny vovoka ireo? Raha nanao toy izany izy, moa ve ny ho dikan’izany tsy hoe tsy nahomby ny fikasany malaza, izany rehetra izany dia noho izay napoakan’ny nahash iray? Bibilava iray fotsiny ve dia afaka nanakantsakana tanteraka ny fikasan’Andriamanitra? Novelabelarin’Andriamanitra tamin’i Adama sy Eva io fikasana io tamin’ny andro nivadiany rehefa nitso-drano azy ireo izy ka nilaza taminy ny hoe inona no sitrapony ny amin’izy ireo: ny hamenoan’izy ireo ny tany manontolo amin’ny taranak’olombelona tanteraka, ny hampanompoany azy amin’ny fanandratana azy ho amin’ny fahatanterahana tahaka ny an’ilay tao amin’ny saha Edena sy ny hampaneken’ny olombelona rehetra amim-pilaminana ny zavaboary ambany an-tanety sy any anaty rano rehetra eo ambany fahefany. Endrey ny fahitana mamirapiratra ny tarehin-javatra hanjaka rehefa ho tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra nanaovany fanomanana nandritra ny enina andro famoronana nisy an’arivony taona maromaro ny tsirairay avy taminy! Moa ve havela io fikasana miavaka io noho ny menarana iray sy ny faharatsian’ny mpivady voalohany fotsiny? Azo antoka fa tsy izany! — Jereo Isaia 46:9-11.
17. Tapa-kevitra ny hanao inona moa Andriamanitra raha ny amin’ny andro fahafito, ary hanao ahoana ny fifaranan’io andro io noho izany?
17 Mbola nitohy tamin’izay ny andro fahafito, ny andro fitsaharan’i Jehovah. Tapa-kevitra Andriamanitra ny hitahy io andro io sy hanamasina azy. Tsy hisy na inona na inona havelany hahatonga azy ho andro voaozona. Hotoheriny izay rehetra mety ho fanozonana an’io andro io, ny an’ny fitsaharany, na avy amin’iza na avy amin’iza, ka hovany ho tsodrano izany, mba hahavoatahy an’io andro io amin’ny farany. Rehefa hifarana io andro io, dia ho toerana masina ny tany manontolo. Hataon’ny taranak’olombelona tanteraka eo tahaka ny any an-danitra ny sitrapon’Andriamanitra. — Jereo Matio 6:10.
18, 19. a) Nahoana moa no afaka mahazo herim-po indray ireo taranaky ny mpivady olombelona voalohany mpanota? b) Hiresaka misimisy kokoa ny amin’inona moa ny nomerao manaraka amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana?
18 Tsy nahatsiaro fatiantoka velively Andriamanitra. Tsy navelany ny fikasany. Tapa-kevitra izy ny hanamarina ny tenany, ny hanaporofo fa mendrika itokiana tanteraka izy, fa manana fikasana izy ka manatanteraka izany amin’ny fomba feno, ka voninahitra ho azy tokoa izany (Isaia 45:18). Afaka mahazo herim-po indray ny taranaka tsy tanteraky ny mpivady olombelona voalohany ka manana antoka fa hotanterahin’Andriamanitra amim-pahatokiana ny fikasany tamin’ny voalohany mba hahasambatra azy ireo mandrakizay. Koa satria efa hatramin’ny an’arivony taona maromaro izao no nisian’io andro fitsaharan’Andriamanitra io, dia tsy maintsy efa antomotra ny tapany farany hotahin’Andriamanitra manokana. Madiva ho lasa ny “hariva” amin’io andro fitsaharana io, ary, sahala amin’ny tamin’ireo andro famoronana enina teo alohany, dia tokony ho tonga ny “maraina”. Rehefa ho eo amin’ny fahatanterahany rehetra izy io ka hampahita ny rehetra amin’ny fomba feno ny fahalavorariana malazan’ny fikasan’Andriamanitra tsy miova, amin’izay dia ho azo atao ny hanoratra hoe: ‘Dia nisy hariva, ary nisy maraina, — andro fahafito izany.’ Fahatsinjovan-javatra mahatalanjona re izany!
19 Tena mampientana ny fo tokoa ny mieritreritra izany rehetra izany. Ny nomerao manaraka amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana dia hiresaka misimisy kokoa ny amin’ny ho avy kanto miandry ny olombelona mankatò, dia ireo izay tia ny lalàn’Andriamanitra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ao amin’ny Apokalypsy 12:9, Satana Devoly dia fantatra ho “menarana ela”, ary, ao amin’ny Jaona 8:44, Jesosy Kristy dia niresaka ny aminy ho “rain’ny lainga”.
Ahoana no havalinao?
◻ Nahoana moa ny mpivady olombelona voalohany no namoy ny fonenany paradisa?
◻ Ahoana no ahafantarantsika fa tena voafitaka tamin’ny alalan’ny menarana tokoa Eva?
◻ Inona moa no didim-pitsarana notononin’Andriamanitra momba ny vehivavy?
◻ Inona no didim-pitsarana notononin’Andriamanitra momba an’i Adama, ary nahoana no nanandratra ny lalàny izy tamin’izany?
◻ Nahoana moa no tsy matiantoka akory Andriamanitra tamin’ny fikasany ny amin’ny tany, dia ny hahatongavany ho Paradisa feno olombelona tanteraka?