Tena Nisy ve ny Zaridainan’i Edena?
FANTATRAO ve ny tantaran’i Adama sy Eva ary ny zaridainan’i Edena? Hain’ny ankamaroan’ny olona izy io. Vakio ange izy io e! Ao amin’ny Genesisy 1:26–3:24 no misy azy io. Izao ilay izy raha fintinina:
Namorona lehilahy iray avy tamin’ny vovoka i Jehovah.a Adama no nataony anarany, ary napetrany tao amin’ny zaridaina iray tao amin’ny faritra atao hoe Edena izy. Azon-drano tsara ilay zaridaina ary feno hazo fihinam-boa tsara tarehy. “Ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” no teo afovoany. Noraran’Andriamanitra tsy hihinana an’io voankazo io ny olona ary nilazany fa ho faty raha tsy mankatò. Namorona vehivavy avy tamin’ny taolan-tehezan’i Adama i Jehovah tatỳ aoriana ho namany. Eva no anarany. Nasain’Andriamanitra nikarakara ilay zaridaina, sy hihamaro, ary hameno ny tany izy ireo.
Irery i Eva indray andro. Nisy menarana nampirisika azy hihinana an’ilay voankazo voarara. Nandainga mantsy, hono, Andriamanitra sady tsy nanome azy zavatra tsara izay hahatonga azy hitovy amin’Andriamanitra. Resin’ny fakam-panahy i Eva ka nihinana, ary tsy izy ihany fa i Adama koa. Nomelohin’i Jehovah àry i Adama sy Eva ary ilay menarana. Voaroaka tao amin’ilay paradisa ny olona, ary nisy anjely nisakana azy ireo tsy hiditra tao.
Betsaka taloha ny manam-pahaizana sy ny avara-pianarana ary ny mpahay tantara nanaporofo fa marina sy tena nisy ny tantara ao amin’ny Genesisy. Mihamaro anefa ankehitriny ny olona misalasala momba izany. Inona no hevitra aroson’izy ireo? Andeha isika handinika efatra amin’izany.
1. Tena nisy ve ny zaridainan’i Edena?
Mety ho anisan’ny nahatonga ny olona hisalasala ny filozofia. Lasa voasariky ny filozofia grika mantsy ny eglizy, na dia efa ela be aza ny teolojianina no nilaza fa mbola nisy io zaridaina io. Nanizingizina, ohatra, ny filozofa toa an-dry Platon sy Aristote, hoe tsy misy zavatra lavorary etỳ an-tany. Lasa nihevitra àry ny teolojianina fa tsy maintsy ho teny akaikin’ny lanitra ilay Paradisa tany am-boalohany.b Nisy nilaza fa teny ambony tendrombohitra avo be ilay zaridaina fa tsy nikasika an’ity tany feno faharatsiana ity. Ny hafa indray nilaza fa tany amin’ny Tendrontany Avaratra na Tendrontany Atsimo izy io, na teny amin’ny volana, na teny akaikiny teny. Tsy mahagaga raha lasa toy ny angano izay rehetra momba an’i Edena. Misy manam-pahaizana milaza fa tsy nisy mihitsy i Edena ka tsy azo fantarina eo amin’ny sarintany.
Misy tsipiriany maro momba an’ilay zaridaina anefa ao amin’ny Genesisy 2:8-14. Resahiny ao, ohatra, fa tany amin’ny ilany atsinanana tamin’ilay faritra atao hoe Edena no nisy azy io. Nisy renirano iray nandalo tao ary nizara efatra izy io. Fantatra ny anaran’izy efatra sy ny lalana lalovany. Efa ela ireo tsipiriany omen’ny Baiboly ireo no nahaliana ny manam-pahaizana. Maro taminy àry no nandinika an’ireo andinin-teny ireo mba hamantarana ny toerana nisy an’ilay zaridaina. Hevitra maro no hitan’izy ireo, saingy mifanipaka daholo izy rehetra. Angano fotsiny àry ve ny tantaran’i Edena sy ny zaridainany ary ny renirano tao?
Efa 6 000 taona lasa teo ho eo no nisian’ny zava-nitranga tao amin’ny zaridainan’i Edena. Azo inoana fa i Mosesy no nanoratra azy io, 2 500 taona teo ho eo taorian’ilay zava-nitranga. Mety ho notantaraina taminy ilay izy na novakiny tao amin’ny zavatra efa voasoratra. Efa taonjato maro no lasa tamin’izay. Tsy efa nisy fiovana ve ireo renirano sy zavatra hafa namantarana an’i Edena? Miovaova foana mantsy ny nofon-tany, sady faritra be horohoron-tany ilay toerana inoana fa nisy an’i Edena. Tao amin’io faritra io no nitranga ny 17 isan-jato teo ho eo tamin’ny horohoron-tany mahery vaika indrindra. Nety ho nanova be ny endriky ny tany koa ilay Safodrano tamin’ny andron’i Noa, ka tsy fantatra intsony ny toerana mety ho nisy an’ilay zaridaina.c
Tena nisy kosa ilay zaridaina resahin’ny Genesisy. Mbola misy hatramin’izao ny roa amin’ireo renirano efatra resahiny, dia i Eofrata sy Tigra, na Hidekela, ary tena mifanakaiky ny loharano sasany ipoiran’izy ireo. Lazainy koa aza ny anaran’ireo tany lalovan’ireo renirano ireo sy ny harena voajanahary nampahalaza an’ilay faritra. Tsipiriany ahalalan-javatra izany ho an’ny Israelita fahiny, izay voalohany namaky ilay fitantarana.
Tsy toy izany mihitsy ny angano satria tsy manome tsipiriany azo hamarinina na lavina izy ireny. Toy izao matetika no fiandohan’ny angano: “Indray andro, hono...” Ahitana tsipiriany marina kosa ny tantaran’i Edena.
2. Avy tamin’ny vovoka tokoa ve no namoronana an’i Adama, ary i Eva kosa avy tamin’ny taolan-tehezan’i Adama?
Voaporofon’ny siansa fa hita ao amin’ny vatan’olombelona koa ny zavatra hita ao amin’ny nofon-tany, toy ny hidrozenina sy oksizenina ary karbonina. Ireo no nitambatra ka lasa zavamananaina. Ahoana no nahatonga izany?
Maro ny mpahay siansa milaza fa nisy ho azy ny zavamananaina. Zavatra tena tsotra, hono, no nivoatra tsikelikely nandritra ny an-tapitrisany taona, ka lasa be pitsiny. Mety hamitaka anefa ilay hoe “tsotra.” Tena be pitsiny mantsy ny zavamananaina rehetra, na ny bitika kely sy tokan-tsela aza. Tsy misy porofo hoe nisy ho azy ny zavamananaina. Rehefa dinihina kosa izy rehetra ireny, dia hita mihitsy hoe nisy nanao, ary tena mahay lavitra noho isika ilay nanao azy ireny.d—Romanina 1:20.
Efa nandinika sary hoso-doko tsara tarehy ve ianao, na nankafy mozika kanto, na nijery zava-bitan’ny teknolojia? Tsy hilaza mihitsy ianao hoe tsy nisy nanao ireny. Tsy mifanahantsahana akory amin’ny fomba nanaovana ny vatan’olombelona anefa ireny. Be pitsiny sy kanto ary vita tsara mantsy ny vatan’olombelona. Hieritreritra ve isika fa tsy nisy Mpamorona izany? Hazavain’ny Genesisy koa fa ny olona ihany no zavamananaina natao araka ny endrik’Andriamanitra eto an-tany. (Genesisy 1:26) Ny olona ihany tokoa no mahavita manahaka an’Andriamanitra, ka mahay mamorona sangan’asa miavaka. Dia ho gaga àry ve isika raha mahay lavitra noho isika ilay Andriamanitra Mpamorona?
Tsy sarotra tamin’Andriamanitra koa ny namorona vehivavy avy tamin’ny taolan-tehezan’i Adama.e Afaka nampiasa zavatra hafa izy kanefa tsy izay no nataony. Misy heviny lehibe mantsy ny fomba namoronany ny vehivavy. Tiany ho lasa mpivady ny lehilahy sy ny vehivavy, ka ho “nofo iray.” (Genesisy 2:24) Natao hifameno izy ireo, ka ho toy ny lamban’akoho ny fiarahany. Porofo mivaingana izany fa tena hendry sy be fitiavana ny Mpamorona.
Niaiky koa ny manam-pahaizana momba ny fototarazo fa lehilahy iray sy vehivavy iray no niavian’ny olombelona rehetra. Tsy marina àry ve ilay tantara ao amin’ny Genesisy?
3. Toa angano fotsiny fa tsy tena nisy ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, sy ilay hazon’aina.
Tsy milaza ny Genesisy hoe manana hery miafina ireo hazo ireo. Toy ny hazo rehetra ihany izy ireo, saingy misy heviny manokana amin’i Jehovah.
Na ny olombelona aza milaza zavatra an’ohatra koa. Aoka hatao hoe misy polisy mampitandrina mpamily iray fa hampiharina aminy ny lalàna raha tsy amboariny tsara ny fiarany. Tsy sahy manohitra ilay mpamily satria miaiky fa marika amantarana ny fahefan’ilay polisy sy ny maha solontenam-panjakana azy ny fanamiana sy ny karatra eny aminy. Mandika lalàna àry ilay mpamily raha tsy manaraka ny teniny.
Miezaka manazava ny hevitr’ireo hazo roa ireo ny olona maro, saingy saro-takarina ny fanazavany. Mafonja ny valiny marina, nefa tsotra. Ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia midika fa i Jehovah irery ihany no manan-jo hamaritra ny tsara sy ny ratsy. (Jeremia 10:23) Meloka àry izay mangalatra amin’io hazo io. Ilay hazon’aina kosa dia ny fanomezana izay Andriamanitra irery ihany no afaka manome azy, izany hoe ny fiainana mandrakizay.—Romanina 6:23.
4. Angano fotsiny ny hoe menarana miteny.
Mety ho sarotra inoana aloha izany bibilava miteny izany e, indrindra raha tsy jerena ny andinin-teny hafa rehetra. Hazavain’ny Baiboly tsikelikely anefa ilay izy.
Nisy zavatra hafa nanampy ny Israelita fahiny hamantatra raha tena niteny toy ny olona tokoa ilay menarana. Fantatr’izy ireo, ohatra, fa azon’ny anjely atao toy ny miteny ny biby. Nitantara mantsy i Mosesy fa anjely iray nirahin’Andriamanitra no nahatonga ny ampondran’i Balama hiteny toy ny olona.—Nomery 22:26-31; 2 Petera 2:15, 16.
Mahavita fahagagana ny anjely, na dia ny fahavalon’Andriamanitra aza. Nanova tehina ho bibilava sy naka tahaka ny fahagagana hafa nataon’Andriamanitra, ohatra, ny mpisorona tany Ejipta, izay nampiasa herin’ny maizina, ary nahita izany i Mosesy. Tsy maintsy ho avy tamin’ny anjely fahavalon’Andriamanitra ny hery nanaovana izany.—Eksodosy 7:8-12.
Azo inoana fa i Mosesy no nanoratra ny bokin’i Joba. Miresaka betsaka momba an’i Satana, fahavalon’Andriamanitra lehibe indrindra, izy io. Nandainga i Satana ka nilaza fa hivadika amin’i Jehovah ny mpanompony rehetra. (Joba 1:6-11; 2:4, 5) Fantatry ny Israelita fahiny hoe i Satana no nampiasa ilay menarana tao Edena, mba hamitahana an’i Eva hivadika amin’Andriamanitra.
Niantso an’i Satana hoe ‘mpandainga sady rain’ny lainga’ i Jesosy tatỳ aoriana. (Jaona 8:44) Antsoina hoe “rain’ny lainga” izy satria izy no nandainga voalohany. Ny tenin’ilay menarana tamin’i Eva no lainga voalohany. Nampitandrina Andriamanitra fa ho faty izy ireo raha mihinana ilay voankazo voarara. Notoherin’ilay menarana anefa izany, ka hoy izy: “Tsy ho faty velively ianareo.” (Genesisy 3:4) Fantatr’i Jesosy àry fa i Satana no nampiasa ilay menarana. Notsorin’i Jesosy fa i Satana “ilay menarana tany am-boalohany.”—Apokalypsy 1:1; 12:9.
Tena vitan’ny anjely tokoa ve ny mampiasa menarana ka toy ny hoe miteny izy io? Na ny olombelona, izay malemy lavitra noho ny anjely aza, mahavita mamoaka feo nefa tsy mampihetsika molotra. Vitany koa ny manamboamboatra sary ho toy ny tena izy, toy ny amin’ny filma.
Ny porofo tsy azo lavina indrindra
Ekenao amin’izay ve fa tsy marim-pototra ny tenin’ireo misalasala momba an’ilay tantara ao amin’ny Genesisy? Mbola misy porofo mivaingana anefa manamarina azy io.
“Vavolombelona mendri-pitokisana sy marina” i Jesosy Kristy. (Apokalypsy 3:14) Lavorary izy ka tsy nandainga mihitsy na nanolana ny fahamarinana. Nolazainy fa efa nisy izy ela be talohan’ny naha olombelona azy, ary niaraka tamin’i Jehovah Rainy “fony mbola tsy nisy izao tontolo izao.” (Jaona 17:5) Efa teo àry izy rehefa nanomboka nisy zavamananaina teto an-tany. Inona no porofo omen’io vavolombelona azo itokisana indrindra io?
Nino i Jesosy fa tena nisy i Adama sy Eva. Ny fanambadian’izy ireo no noresahiny rehefa nanazava izy fa nataon’i Jehovah ho tokana ny vadin’ny olona iray. (Matio 19:3-6) Raha tsy nisy i Adama sy Eva ary angano fotsiny ilay zaridaina nisy azy ireo, dia mpandainga i Jesosy na voafitaka. Tsy mpandainga anefa izy sady tsy voafitaka. Tany an-danitra izy ka nahita an’ireo zavatra nampalahelo nitranga tao amin’ilay zaridaina. Tsy ny teniny ve no porofo tsy azo lavina indrindra?
Tsy tena mino an’i Jesosy ny olona tsy mino ny tantara ao amin’ny Genesisy. Sarotra amin’ny olona toy izany koa ny hahatakatra ireo hevi-dehibe resahin’ny Baiboly sy ireo fampanantenana tena kanto ao. Nahoana isika no milaza izany?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.
b Diso izany satria lazain’ny Baiboly fa tonga lafatra na lavorary daholo izay nataon’Andriamanitra. Antony hafa kosa no nampisy ny faharatsiana. (Deoteronomia 32:4, 5) Rehefa avy namorona ny tany i Jehovah, dia nilaza fa “tena tsara” izay rehetra nataony.—Genesisy 1:31.
c Azo inoana fa nandrava tanteraka an’ilay zaridainan’i Edena ny Safodrano nataon’Andriamanitra. Efa ela talohan’ny taonjato fahafito Talohan’i Kristy (T.K.) no nanjavona ny “hazo tao Edena”, raha ny Ezekiela 31:18 no jerena. Ho sasa-poana àry izay mihevitra fa mbola misy ny zaridainan’i Edena ka mikaroka azy io.
d Jereo ny bokikely Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
e Hitan’ny siansa tatỳ aoriana hoe mora sitrana ny taolan-tehezana. Tsy toy ny taolana hafa izy io, fa afaka maniry indray raha mbola tsy simba ny sela fonon’ilay taolana.