Ny Fiheveran’ny Baiboly
Tokony ho Fatorana Mandritra ny Androm-piainana ve ny Fanambadiana?
TENA ilaina ve ny ametrahana io fanontaniana io? Araka ireo voadim-pampakaram-bady ampiasaina any amin’ireo tany tandrefana, moa ve ny fanambadiana tsy hoe “na an-kasoavana na an-karatsiana” ary “raha mbola samy velona koa”? Eny, mazàna ireo voadim-panambadiana no milaza fa miditra ao amin’ny fanekena hanaja fanambadiana mandritra ny androm-piainana, razazavavy sy razazalahy. Olona maro anefa no tsy mihevitra intsony fa voafatotry ny fampanantenana mavesa-danja toy izany ny tenan’izy ireo. Mahatahotra ny isan’ireo mpivady misaraka, ny sasany rehefa afaka volana vitsivitsy, ary ny hafa rehefa afaka am-polony taona maro. Nahoana ny fanajana fanambadiana no mihena? Manome ny valiny ny Baiboly.
Diniho ny 2 Timoty 3:1-3, aza fady, ary ampitahao amin’izay hitanao eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Milaza toy izao ny ampahany amin’ireo andinin-teny ireo: “Any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, (...) tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, (...) tsy mahonom-po”. Mampiaiky volana ny fahamarinan’io faminaniana io. Nanimba sy nampahalemy ny fifandraisana eo amin’ny mpivady maneran-tany ny fihetsika toy ireo, araka ny porofoin’ny habetsahan’ny fisaraham-panambadiana.
Mazava fa olona maro no tsy manaja intsony ny fanambadiana. Noho izany, dia mety hanontany isika hoe: Tena tokony hoheverina ho zava-dehibe ve ny fanambadiana? Misy ve izany hoe fahamasinan’ny fanambadiana izany? Ahoana no tokony hiheveran’ny Kristianina ny fanambadiana? Fanampiana inona no atolotry ny Baiboly ho an’ireo mpivady amin’izao fotoana izao?
Niova ve ny fomba fijerin’Andriamanitra?
Tany am-boalohany, dia tsy niresaka momba ny fatoram-panambadiana ho toy ny fatorana mihelina, Andriamanitra. Voatantara ao amin’ny Genesisy 2:21-24 ny nanakambanany ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany, ary tsy misy firesahana momba ny safidy hisara-panambadiana na hisara-toerana ao. Milaza toy izao kosa aza ny andininy faha-24: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.” Inona no dikan’io andinin-teny io?
Diniho ny vatan’olombelona, dia ny fomba maha voatenona tsy misy vitrana ireo tambatsela samy hafa, ary ny fomba ifandraisan’ireo taolana amin’ireo vaniny mafy tsy misy fikasokasohana. Firindran-javatra re izany! Fahatezan-javatra re izany! Akory anefa ny fijaliana tsapa rehefa voaratra mafy ilay vatana tsy manan-tsahala! Noho izany, ilay fitenenana hoe “nofo iray”, ao amin’ny Genesisy 2:24, dia manantitrantitra ny fifandraisana akaiky ao amin’ny fatoram-panambadiana sy ny faharetany. Manome fampitandremana mazava tsara koa izy io, ny amin’ny fanaintainana mafy tsapa rehefa tapaka izany fatorana izany.
Na dia namolavola, ary namerina namolavola ny fomba fijerin’olombelona aza, ireo fironana miovaova, tao anatin’ireo taonarivo maro lasa, Andriamanitra kosa dia mbola mihevitra ny fanambadiana ho fanekena iray maharitra mandritra ny androm-piainana. Tokony ho 2 400 taona lasa izay, ny lehilahy jiosy sasany dia nanana fahazarana nandao ny vadiny voalohany ka nanambady vehivavy tanora kokoa. Nomelohin’Andriamanitra izany fahazarana izany, ka nambarany tamin’ny alalan’i Malakia mpaminany hoe: “Tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin’ny fahatanorany. Fa halako ny [fisaraham-panambadiana, NW ], hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely”. — Malakia 2:15, 16.
Efajato taona mahery taorian’izay, i Jesosy dia nanamafy indray ny fomba fijerin’Andriamanitra tany am-boalohany momba ny fanambadiana, rehefa nanonona ny Genesisy 2:24 ka nandidy toy izao, nony avy eo: “Izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.” (Matio 19:5, 6). Taona maromaro tatỳ aoriana, ny apostoly Paoly dia nanome toromarika hoe “aoka tsy hiala amin’ny lahy ny vavy”, ary “ny lahy aoka tsy hiala amin’ny vavy”. (1 Korintiana 7:10, 11). Manambara araka ny marina ny fomba fijerin’Andriamanitra ny fanambadiana ireo andinin-teny ireo.
Moa ve ny Baiboly mba mamela ihany ny hamaranana ny fanambadiana? Eny, mifarana ny fanambadiana raha maty ny anankiray amin’izy mivady. (1 Korintiana 7:39). Ny fanitsakitsaham-bady dia mety handrava koa ny fanambadiana, raha manapa-kevitra ny hanao izany ilay vady tsy manan-tsiny. (Matio 19:9). Nefa amin’ny tarehin-javatra hafa, ny Baiboly dia mampirisika ny mpivady mba hiara-mitoetra hatrany.
Ny fomba harahina mba hampaharitra ela ny fanambadiana
Tian’Andriamanitra ny haharetan’ny fanambadiana. Tsy tiany ho toy ny ady mafy atao tsy an-kijanona mba haharetany anefa izy io, fa ho toy ny dia mahafinaritra iray mitohy hatrany. Iriny ny hamahan’ny mpivady ireo olana eo amin’izy ireo, ka hankafizan’izy ireo ny fiarahan’izy samy izy. Manome tari-dalana ho amin’ny fanambadiana sambatra sy maharitra ela, ny Teniny. Mariho, aza fady, ireto andinin-teny manaraka ireto.
Efesiana 4:26: “Aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.”a Inoan’ny lehilahy iray manana fanambadiana sambatra, fa manampy azy mivady handamina haingana ireo tsy fitovian-kevitra io andinin-teny io. “Raha tsy mahita tory ianao aorian’ny tsy fitovian-kevitra iray, dia misy zavatra tsy mety ao. Tsy azonao avela hitohy ilay olana”, hoy izy. Indraindray dia niara-nandinika olana tamin’ny an-tsipiriany hatramin’ny alina be, izy mivady. Kanefa mandaitra izany fomba izany. Manampy teny izy hoe: “Mitondra vokatra tsara dia tsara ny fampiharana ireo foto-pitsipika ara-baiboly.” Nanao izany io mpivady io, hany ka efa hatramin’ny 42 taona izao ry zareo no mankafy fanambadiana sambatra.
Kolosiana 3:13: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo”. Hazavain’ny lehilahy iray ny fomba nampiharan’izy mivady izany: “Mety hifanorisory ny mpivady, na dia tsy voatery ho nisy fahadisoana natao aza, satria samy manana kileman-toetra sy fahazarana mahasosotra ny hafa ny olona rehetra. Mifandefitra izahay amin’ny tsy famelanay ireo zavatra ireo ho tonga fefy hampisaraka anay.” Tsy isalasalana fa nanampy an’ilay mpivady nandritra ireo 54 taona nivadiany io hevitra io!
Manamafy ilay fehy mampifandray ny mpivady ny fampiharana ny foto-pitsipika araka ny Soratra Masina toy ireo. Amin’izay, ny fanambadian’izy ireo dia hahafaly sy hahafa-po ary haharitra mandritra ny androm-piainana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Araka ny namaritana ny fotoana tany Moyen-Orient tamin’ny taonjato voalohany, ny andro dia mifarana amin’ny filentehan’ny masoandro. Koa nampirisika ireo mpamaky àry i Paoly mba hihavana amin’ny hafa alohan’ny hifaranan’ny andro tsirairay.