Ny Mesia — Fanantenana Tena Izy Ve?
Niantso ny tenany ho Mosesy izy. Ny tena anarany anefa dia tsy tsaroana teo amin’ny tantara. Tamin’ny taonjato fahadimy am.f.i., dia namakivaky ny nosin’i Kreta izy, nampiaiky ny Jiosy tany fa izy no ilay mesia nandrasan’izy ireo. Nilaza tamin’izy ireo izy fa tsy ho ela dia hifarana ny fampahoriana nahazo azy ireo, ny fanaovana azy ireo sesitany ary ny fahababoany. Nino izy ireo. Rehefa tonga ilay andro fanafahana azy ireo, dia nanaraka an’i “Mosesy” teo amin’ny toerana avo iray mahatsinjo ny Ranomasina Mediterane ireo Jiosy. Nilaza tamin’izy ireo izy fa tsy maintsy nitsambikina tao anatin’ny ranomasina fotsiny izy ireo ary dia hisaraka eo anatrehany izany. Nankatò ny maro ka niantoraka tany an-dranomasina izay tsy nety nisaraka. Maro be no maty an-drano; ny sasany dia voavonjin’ny tantsambo sy ny mpanjono. I Mosesy anefa dia tsy hita popoka izay nalehany. Lasa io mesia io.
INONA no atao hoe mesia? Mety ho tonga ao an-tsaina ny teny hoe “mpamonjy”, “mpanavotra” ary “mpitarika”. Mihevitra ny olona maro fa ny mesia iray dia olona iray izay mahatonga fanantenana sy fifikirana eo amin’ireo mpanara-dia azy, mampanantena ny hitarika azy ireo avy amin’ny fampahoriana ho amin’ny fahafahana. Koa satria ny tantaran’olombelona dia tantara momba ny fampahoriana amin’ny ankapobeny, dia tsy mahagaga raha maro be ny mesia toy izany nipoitra nandritra ireo taonjato. (Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 8:9.) Toy ilay niantso ny tenany hoe Mosesy tany Kreta anefa, ireny mesia ireny dia mazàna loatra no nitarika ireo mpanara-dia azy ho amin’ny fahadisoam-panantenana sy ny loza fa tsy ho amin’ny fanafahana akory.
“Ity no Mesia Mpanjaka!” Tamin’izany fomba izany no niarahaban’i Akiba ben Joseph, raby nohajaina iray, an’i Simeon Bar Kokhba tamin’ny taona 132 am.f.i. Lehilahy natanjaka izay nitari-tafika nahery iray i Bar Kokhba. Izany ahay ka lehilahy afaka hamarana ny fampahoriana hatramin’ny ela nataon’ny Herim-panjakana Romana tamin’izy ireo, hoy ny eritreritry ny Jiosy maro. Tsy nahomby i Bar Kokhba; mpiray firenena taminy ana hetsiny maro no namoy ny ainy noho izany tsy fahombiazana izany.
Tamin’ny taonjato faha-12, dia nipoitra ny mesia jiosy hafa iray, tany Yemen indray tamin’ity. Rehefa nangataka taminy famantarana ny naha-mesia azy ny calife, na mpanapaka, dia nanipy hevitra io mesia io mba hanapahan’ilay calife ny lohany, ka ny fitsanganany amin’ny maty haingana dia haingana no hatao famantarana. Nanaiky ilay volavolan-kevitra ny calife — ary izany no niafaran’ilay mesia tany Yemen. Tamin’io taonjato io ihany, ny lehilahy iray nantsoina hoe David Alroy dia nilaza tamin’ireo Jiosy tany Atsinanana Afovoany mba hiomana ny hanaraka azy eo ambonin’ny elatry ny anjely hiverina ho any amin’ny Tany Masina. Nisy olona maro nino fa izy no mesia. Ireo Jiosy tany Bagdad dia niandry tamim-paharetana teny an-tampon-tranony, tsy nieritreritra na dia kely akory aza ireo mpangalatra izay nandroba ny fananany.
Nipoitra tamin’ny taonjato faha-17 tany Smyrna i Sabbatai Zevi. Nanambara ny naha-mesia azy tamin’ireo Jiosy nanerana an’i Eoropa izy. Nisy Kristiana koa nihaino azy. Nanolotra fanafahana ho an’ireo mpanara-dia azy i Zevi — mazava ho azy fa tamin’ny famelana azy ireo hanaram-po tamin’ny fahotana. Ireo mpanara-dia azy akaiky indrindra dia nanao filibana, fiboridanana, fijangajangana, fandriana tamin’olon-tsy heny, avy eo dia nanafay tena tamin’ny karavasy, nitsinkasinkasina tsy niakanjo tao anatin’ny oram-panala, ary nandevin-tena hatrany an-tendany tao anatin’ny tany nangatsiaka. Rehefa nankany Turquie i Zevi, dia voasambotra, ary nolazaina taminy fa, na, tsy maintsy miova ho Silamo izy, na, ho faty. Niova ho Silamo izy. Maro tamin’ireo mpanara-dia azy nafana fo no nanjavona. Nandritra ireo taonjato roa nanaraka anefa, dia mbola nantsoin’ny olona sasany ho mesia ihany i Zevi.
Ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana dia mba namokatra toy izany koa ny anjara mesiany. Tamin’ny taonjato faha-12, dia nisy lehilahy iray nantsoina hoe Tanchelm nanangana tafika tamin’ireo mpikambana ary nanapaka ny tanànan’i Anvers. Niantso ny tenany ho andriamanitra io mesia io; ny rano avy nandroany aza dia namidiny hosotroin’ireo mpanara-dia azy mba ho fanamasinana! Mesia “kristiana” hafa iray i Thomas Müntzer tany Alemaina tamin’ny taonjato faha-16. Nitarika fikomiana tamin’ireo manam-pahefana sivily teo an-toerana izy, tamin’ny filazana tamin’ireo mpanara-dia azy fa izany dia adin’i Haramagedona. Nampanantena ny hisambotra ireo balan-tafondron’ny fahavalo ho ao anatin’ny tanan’akanjony izy. Tsy izany no nitranga, fa lany ripaka ny vahoakany ary notapahin-doha i Müntzer. Mesia maro hafa toy izany no nipoitra teo amin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana nandritra ireo taonjato.
Nanana ireo olona ho mesiany koa ireo fivavahana hafa. Ny Silamo dia manondro an’i Mahdi, na ilay tarihin’ny rariny, izay hampiditra ho ao amin’ny fotoan’ny rariny. Tao amin’ny Hindoisma, ny sasany dia nihambo ho incarnations na fisehoan’ireo andriamanitra isan-karazany amin’ny nofo. Ary araka ny fanamarihan’ny The New Encyclopædia Britannica, “na dia ny fivavahana tsy mino ny mesia toy ny Bodisma aza, teo amin’ireo antoko Mahāyāna, dia namoaka ilay finoana ny amin’ny Bouddha Maitreya iray ho avy, izay hidina avy any amin’ny fonenany any an-danitra ary hitondra ny olona mahatoky ho ao amin’ny paradisa.”
Ireo mesian’ny taonjato faha-20
Amin’izao taonjato misy antsika izao, dia nanjary nahadodona mbola tsy nisy toy izany ny ilana tena mesia marina iray; koa tsy mahagaga àry raha maro no nihambo ho nanana ilay anaram-boninahitra. Tany Kongo tatsy Afrika tamin’ireo taona 1920 sy 1930 ary 1940, dia nohobina toy ny mesia i Simon Kimbangu sy i André “Jésus” Matswa mpandimby azy. Maty izy ireo, kanefa ireo mpanara-dia azy dia mbola manantena azy ireo hiverina ary hampiditra fanjakana arivo taona afrikana.
Ity taonjato ity dia nahita koa ny fitsanganan’ny “cargo culte” any Nouvelle-Guinée sy Mélanésie. Ireo mpikambana dia miandrandra sambo iray na fiaramanidina iray ho tonga, entin’ny lehilahy fotsy hoditra iray toy ny mesia izay hampanan-karena azy ireo ary hampiditra azy ireo ao amin’ny fotoam-pahasambarana rehefa hatsangana na dia ny maty aza.
Mba nanana ny mesiany koa ireo firenena be taozava-baventy. Filoha ara-pivavahana ny sasany, sahala amin’i Sun Myung Moon, nilaza tena ho mpandimby an’i Jesosy Kristy, izay ny zava-kendreny dia ny hanadio izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fianakaviana iray tafaray voaforon’ireo mpanara-dia azy mafana fo. Nisy koa filoha ara-politika nanandrana nihambo ho nanana ny toeran’ny mesia, ka i Adolph Hitler no ohatra mahatsiravina indrindra tamin’izany tao anatin’ilay taonjato, tamin’ilay kabary lehibe nataony momba ny Fanjakana Arivo Taona.
Nahatratra ny toeran’ny mesia toy izany koa ireo filozofia sy fandaminana ara-politika. Milaza, ohatra, ny The Encyclopedia Americana fa ny tsangan-kevitra ara-politika Marxiste-Léniniste dia manipy hevitra ny amin’ny mesia. Ary ny fandaminan’ny Firenena Mikambana, izay nohobina hatraiza hatraiza ho ny hany fanantenana ho an’ny fandriampahalemana maneran-tany, dia toa nanjary karazana solona mesia iray ao an-tsain’ny maro.
Fanantenana tena izy?
Io topy maso kely io dia mampiharihary mazava loatra fa ny tantaran’ireo fihetsiketsehana nataon’ny mesia tamin’ny ankapobeny, dia tantaran’ny finoana sandoka, ny fanantenana nirodana, ary nofinofy diso toerana. Tsy mahagaga velively àry, raha olona maro amin’izao andro izao no nanjary tsy natoky intsony ny amin’ny fanantenana mesia iray.
Alohan’ny hanilihana avy hatrany ny fanantenana momba ny mesia anefa, dia tokony hofantarintsika aloha hoe avy aiza no niavian’izy io. Raha ny marina, dia teny ao amin’ny Baiboly ny hoe “mesia”. Ny teny hebreo dia hoe ma·shiʹach, na “voahosotra”. Tamin’ny andron’ny Baiboly, indraindray ireo mpanjaka sy mpisorona dia notendrena ho amin’ny toerany tamin’ny alalan’ny fombafomba fanosorana, ka tamin’izany dia nisy menaka manitra nararaka teo amin’ny lohany. Noho izany dia nampiharina ara-drariny tamin’izy ireo ny teny hoe ma·shiʹach. Nisy koa lehilahy izay voahosotra, na voatendry ho amin’ny toerana manokana iray, tsy nisy fombafomba fanosorana. Nantsoina hoe “Kristy”, na “voahosotra” i Mosesy ao amin’ny Hebreo 11:24-26, satria voafidy ho mpaminany sy solontenan’Andriamanitra izy.
Io famaritana ny mesia ho “voahosotra” io, dia mametraka ireo mesia araka ny Baiboly ho miavaka tsara amin’ireo mesia sandoka vao avy noresadresahintsika. Ireo mesia ao amin’ny Baiboly dia tsy olona nanendry tena akory, na olona nofidin’ny ankamaroan’ireo mpanara-dia nivavaka taminy. Tsia, ny fanendrena azy ireo dia avy any ambony, avy tamin’i Jehovah Andriamanitra mihitsy.
Na dia miresaka ny amin’ny mesia maro aza ny Baiboly, dia manandratra ny iray ho ambony lavitra noho ny hafa rehetra izy. (Salamo 45:7). Io Mesia io no olona lehibe indrindra ao amin’ny faminanian’ny Baiboly, ilay fanalahidin’ny fahatanterahan’ny ankamaroan’ireo fampanantenana manentana indrindra ao amin’ny Baiboly. Ary io Mesia io dia tena mandresy ireo zava-manahirana atrehintsika amin’izao andro izao.
Ilay mpamonjy ny taranak’olombelona
Ny Mesian’ny Baiboly dia mandamina ireo zava-manahirana ny olombelona amin’ny fandehanana hatrany amin’ny fotony. Rehefa nikomy tamin’ny Mpamorona ireo ray aman-drenintsika voalohany, i Adama sy i Eva, noho ny fambosian’i Satana, ilay zavaboary ara-panahy mpikomy, dia saiky nandrombaka tanteraka ny zo tampony teo amin’ny fitondram-panjakana izy ireo. Naniry ho ilay manapaka izay atao hoe tsara sy izay atao hoe ratsy izy ireo. Noho izany dia niala tsy ho eo ambanin’ny fitondran’i Jehovah feno fitiavana sy fiarovana izy ireo ary nandentika ny fianakavian’olombelona tao anatin’ny fikorontanana tanteraka sy ny fahoriana be noho ny fanapahan-tena, sy ny tsy fahatanterahana ary ny fahafatesana. — Romana 5:12.
Fanehoam-pitiavana tokoa àry ny nifidianan’i Jehovah Andriamanitra io fotoana nanjombona teo amin’ny tantaran’olombelona io mba hanomezana tara-panantenana ho an’ny taranak’olombelona. Rehefa nanonona ny fanamelohany ireo olombelona nikomy Andriamanitra, dia nanambara mialoha fa hanana mpamonjy ny taranak’izy ireo. Noresahina ho toy ny “taranaka” io Mpamonjy io ary ho tonga mba handrava ilay asa mahatsiravina nataon’i Satana tao Edena; ilay Taranaka dia hanitsaka io “menarana” io, i Satana, eo amin’ny lohany, hanorotoro azy tsy hisy intsony. — Genesisy 3:14, 15.
Hatramin’ny taloha, ireo Jiosy dia nihevitra io faminaniana io ho faminaniana momba ny Mesia. Maromaro ny Targums, famintinana ny Soratra Masina nataon’ny Jiosy izay fampiasa tamin’ny taonjato voalohany, nanazava fa io faminaniana io dia ho tanteraka “amin’ny andron’ny Mesia Mpanjaka”.
Tsy mahagaga àry raha hatrany am-boalohany mihitsy, ireo lehilahy nanam-pinoana dia nientam-po noho io fampanantenana Taranaka, na Mpamonjy ho avy io. Alao sary an-tsaina fotsiny ny fihetseham-pon’i Abrahama rehefa nilaza taminy i Jehovah fa tsy maintsy ho tonga amin’ny alalan’ny taranany ilay Taranaka, ary “ny firenena rehetra ambonin’ny tany” — fa tsy ny taranany ihany — no ‘hotahina’ amin’ny alalan’io Taranaka io. — Genesisy 22:17, 18.
Ny Mesia sy ny fitondram-panjakana
Tatỳ aoriana dia nisy faminaniana maro nampifandray io fanantenana io tamin’ny fahatsinjovana fitondram-panjakana tsara iray. Ao amin’ny Genesisy 49:10, dia nilazana toy izao i Joda, zafikelin’i Abrahama: “Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ny tongony, mandra-pahatongan’i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.” Mazava fa tsy maintsy hanapaka io “Silo” io — ary hanapaka, tsy ny Jiosy fotsiny, fa “ny firenena” koa. (Ampitahao amin’ny Daniela 7:13, 14.) Nampitovin’ireo Jiosy fahiny tamin’ny Mesia ny Silo; raha ny marina dia nosoloan’ny Targums jiosy sasany ho “Mesia” na “ny Mesia mpanjaka” fotsiny ilay teny hoe “Silo”.
Arakaraka ny namirapiratan’ny fahazavan’ireo faminaniana ara-tsindrimandry, dia nisy zavatra bebe kokoa naharihary momba ny fanapahan’io Mesia io. (Ohabolana 4:18). Ao amin’ny 2 Samoela 7:12-16, dia nilazana i Davida Mpanjaka, taranak’i Joda, fa avy amin’ny taranany no hiavian’ilay Taranaka. Ankoatra izany, io Taranaka io dia tsy maintsy ho Mpanjaka amin’ny fomba manokana. Haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany, na fanapahany! Manohana io hevitra io ny Isaia 9:5, 6: “Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony (...) Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny rariny sy ny hitsiny hatramin’izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany.”
Afaka maka sary an-tsaina fitondram-panjakana toy izany ve ianao? Mpanapaka iray manao ny rariny sy ny hitsiny, izay hanorina fiadanana ary hanjaka mandrakizay. Izany ka hafa tanteraka noho ny tantaran’ny fifandimbasana mampalahelon’ireo mesia sandoka! Tsy filoha nanendry tena mandiso fanantenana akory ny Mesian’ny Baiboly fa mpanapaka maneran-tany iray manana ny hery rehetra sy ny fahefana ilaina mba hanovana ny toe-piainan’izao tontolo izao.
Misy heviny lalina io fahatsinjovan-javatra io amin’izao androntsika mikorontana izao. Mbola tsy nila mafy kokoa fanantenana toy izao mihitsy ny olombelona. Koa satria mety ho azon’ny fanantenana sandoka mora foana ny olona iray, dia tena zava-dehibe ho an’ny tsirairay amintsika ny handinihana amim-pitandremana ity fanontaniana ity: Moa ve i Jesosy avy any Nazareta no ilay Mesia nambara mialoha araka ny inoan’ny maro? Handinika io raharaha io ny lahatsoratra manaraka.
[Efajoro, pejy 6]
Mesia Iray any Brooklyn Hoe?
Nisy peta-drindrina sy toerana fametahana filazana ary soratra amin’ny jiro néons tsy ela izay, tany Isiraely, nanambara an-karihary hoe “Miomàna ho amin’ilay Mesia ho tonga”. Io ezaka manokana ho fampahafantarana ny besinimaro izay nandaniana vola 720 000 000 FMG io, dia nataon’ny Lubavitcher, antokom-pivavahan’ny Jiosy Hasidika mpitana fatratra ny fomban-drazana. Miely eo amin’ireo antoko mpikambana 250 000 ny finoana fa ny raby lehiben’izy ireo, i Menachem Mendel Schneerson any Brooklyn, New York, no ilay Mesia. Nahoana? I Schneerson dia mampianatra fa ho tonga amin’ity taranaka ity ny Mesia. Ary araka ny voalazan’ny gazety Newsweek, dia manizingizina ireo mpitondra ao amin’ny Lubavitcher fa ilay raby 90 taona dia tsy ho faty alohan’ny hahatongavan’ny Mesia. Nandritra ny taonjato maro ilay antokom-pivavahana dia nampianatra fa ny taranaka tsirairay avy dia mamokatra lehilahy iray fara fahakeliny, izay mahafeno fepetra ho tonga Mesia. Ho an’ireo mpanara-dia azy, dia toa lehilahy toy izany i Schneerson, ary tsy nanendry mpandimby azy izy. Na dia izany aza, ny ankamaroan’ny Jiosy dia tsy manaiky azy ho Mesia, hoy ny Newsweek. Araka ny voalazan’ny gazety Newsday, dia niantso azy ho “mesia sandoka” ny raby iray mpifaninana aminy 96 taona, i Eliezer Schach.
[Sary, pejy 7]
Namoizan’ny olona maro ny ainy ny finoana fa i Mosesy tany Kreta no ilay mesia