-
Ny Fomba Hanamafisana ny Fatoram-panambadianaNy Tilikambo Fiambenana—1993 | 15 Aogositra
-
-
Ireo vehivavy manambady izay mikasa hisara-panambadiana noho io antony araka ny Soratra Masina io dia mety haniry handinika koa ilay filazana nataon’Andriamanitra fony izy nitsara ilay vehivavy voalohany noho ny fahotany. Ho fanampin’ny fanamelohana ho faty, dia nilaza manokana tamin’i Eva toy izao Andriamanitra: “Ny vadinao no hianteheran’ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.” (Genesisy 3:16). Ny Commentary on the Old Testament, nataon’i C. F. Keil sy i Delitzsch, dia nilazalaza ny amin’io ‘faniriana’ io ho “faniriana saiky mitovy amin’ny aretina”. Ekena fa tsy mahery be toy izany io faniriana io eo amin’ny vehivavy manambady rehetra, kanefa rehefa mihevitra ny hisara-panambadiana ny vehivavy manambady iray tsy diso, dia ho hendry izy raha manisy fiheverana ireo filana ara-pihetseham-po nolovany tamin’i Eva.
-
-
Ny Fomba Hanamafisana ny Fatoram-panambadianaNy Tilikambo Fiambenana—1993 | 15 Aogositra
-
-
Ny fanononan’i Jehovah ny didim-pitsarany tamin’i Adama sy i Eva dia mbola nilaza mialoha antony hafa iray amin’ny fahasahiranana izay hitombo. Mikasika ny fifandraisany tamin’ny vadiny, dia niteny toy izao tamin’i Eva i Jehovah: “Izy no hanapaka anao [“hanjakazaka aminao”, NW ].” Lehilahy maro amin’izao andro izao, sahala amin’i Isao voalaza ao amin’ilay lahatsoratra voalohany, no manjakazaka amin’ny vadiny amin’ny fomba tsy misy antra, tsy misy fiheverana ny fihetseham-pom-behivavy ananan’izy ireo. Na dia izany aza, dia vehivavy maro no manohy manana faniriana mafy ny fiheveran’ny vadiny. Rehefa tsy mahazo fahafaham-po io faniriana mafy io, dia mety hitaky izany fiheverana izany ny vehivavy manambady ka hanao zavatra amim-pitiavan-tena. Koa satria lehilahy maro no manjakazaka amin’ny vadiny ary vehivavy maro no maniry mafy ny fiheveran’ny vadiny, dia manjaka ny fitiavan-tena, ary manjavona ny fiadanana.
-