Fanatitra Nampifaly An’Andriamanitra
“Ny mpisoronabe rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra”.—HEBREO 8:3.
1. Nahoana ny olona no mahatsiaro fa mila mitodika any amin’Andriamanitra ny tenany?
“TOA ‘voajanahary’ eo amin’ny olombelona, sahala amin’ny mivavaka, ny manao fanatitra; ity farany maneho izay tsapany momba ny tenany, fa irỳ voalohany kosa maneho izay tsapany momba an’Andriamanitra.” Izany no nosoratan’ilay mpahay tantara momba ny Baiboly atao hoe Alfred Edersheim. Nanomboka tamin’ny nidiran’ny fahotana teo amin’izao tontolo izao, dia niteraka fahoriana izy io, dia ny fahatsapana ho meloka sy ho tafasaraka amin’Andriamanitra ary ho tsy afa-manoatra. Ilaina ny hahazoana fanamaivanana amin’izy ireo. Rehefa ao anatin’ny toe-javatra mampamoy fo toy izany ny olona, dia mora takatra ny antony mahatonga azy hahatsiaro fa mila mitodika any amin’Andriamanitra izy mba hahazoana fanampiana.—Romana 5:12.
2. Fitantarana inona no hitantsika ao amin’ny Baiboly, raha ny amin’ireo fanatitra tany am-boalohany natolotra an’Andriamanitra?
2 Mahakasika an’i Kaina sy i Abela ny fitantarana voalohany ao amin’ny Baiboly momba ny fanatitra natao ho an’Andriamanitra. Izao no vakintsika: “Rehefa afaka elaela, dia nitondran’i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an’i Jehovah; fa nitondran’i Abela kosa ny voalohan-terak’ondriny, dia izay matavy.” (Genesisy 4:3, 4). Manaraka izany, dia hitantsika fa voatosika ‘hanao fanatitra dorana ho an’i Jehovah teo ambonin’ny alitara’ i Noa, izay notsimbinin’Andriamanitra nandritra ilay Safo-drano lehibe nandringanana ilay taranaka ratsy fanahy tamin’ny androny. (Genesisy 8:20). Mpanompo nahatokin’Andriamanitra sy sakaizany i Abrahama, ka imbetsaka izy no ‘nanorina alitara ka niantso ny anaran’i Jehovah’. Ny fampanantenan’Andriamanitra sy ny fitahiany no nanosika azy hanao izany. (Genesisy 12:8; 13:3, 4, 18). Tatỳ aoriana, dia tojo ilay fitsapam-pinoana lehibe indrindra natrehiny i Abrahama rehefa nasain’i Jehovah hanolotra an’i Isaka zanany ho fanatitra dorana. (Genesisy 22:1-14). Fohy ireo fitantarana ireo, kanefa mampahafantatra antsika zavatra betsaka momba ny fanatitra, araka ny ho hitantsika.
3. Inona no anjara asan’ny fanatitra, eo amin’ny fanompoam-pivavahana?
3 Mazava avy amin’ireo, sy ny fitantarana hafa ao amin’ny Baiboly, fa ela be talohan’ny nanomezan’i Jehovah lalàna voafaritra tsara momba ny fanolorana fanatitra, dia efa tapany lehibe tamin’ny fanompoam-pivavahana izany. Mifanaraka amin’izany, dia toy izao no amaritan’ny loharanon-kevitra iray ny teny hoe “fanatitra”: “Fombafomba ara-pivavahana anolorana zavatra ho an’ny andriamanitra iray mba hanorenana, na hanolokoloana, na hamerenana amin’ny laoniny ny fifandraisana tsara eo amin’ny olombelona sy ilay heverina ho masina.” Mampipoitra fanontaniana lehibe sasany, izay mendrika ny hodinihintsika amim-pitandremana, anefa izany. Eo, ohatra, ny hoe: Nahoana no ilaina amin’ny fanompoam-pivavahana ny fanatitra? Karazana fanatitra manao ahoana no eken’Andriamanitra? Ary inona no hevitr’ireo fanatitra fahiny, ho antsika amin’izao andro izao?
Nahoana no ilaina ny fanatitra?
4. Inona no niafaran’i Adama sy i Eva rehefa nanota izy ireo?
4 Rehefa nanota i Adama, dia nanota an-tsitrapo. Ninia tsy nankatò izy tamin’ny nakany sy nihinanany ny voan’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Ny sazy vokatr’izany tsy fankatoavana izany dia ny fahafatesana, araka ny nambaran’Andriamanitra mazava, manao hoe: “Amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:17). Nijinja ny tambin’ny ota i Adama sy i Eva tamin’ny farany, ka maty.—Genesisy 3:19; 5:3-5.
5. Nahoana i Jehovah no nanao ny dingana voalohany mba ho tombontsoan’ny taranak’i Adama, ary inona no nataony ho azy ireo?
5 Ahoana anefa ny amin’ny taranak’i Adama? Nandova ota sy tsy fahalavorariana avy tamin’i Adama izy ireo, ka mahatsapa ho tafasaraka amin’Andriamanitra sy ho tsy afa-manoatra, ary iharan’ny fahafatesana, toy ny nitranga tamin’ilay mpivady olombelona voalohany. (Romana 5:14). Tsy Andriamanitry ny rariny sy ny hery ihany anefa i Jehovah, fa Andriamanitry ny fitiavana koa, voalohany indrindra. (1 Jaona 4:8, 16). Koa nanao ny dingana voalohany àry izy mba hamitranana fihavanana. Rehefa avy nanambara ny Baiboly fa “fahafatesana no tambin’ny ota”, dia manohy ny teniny toy izao izy: “Ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.”—Romana 6:23.
6. Inona no sitrapon’i Jehovah mahakasika ny fahasimbana nentin’ny fahotan’i Adama?
6 Ny nataon’i Jehovah Andriamanitra, tatỳ aoriana, mba hanaovana an’io fanomezana io, dia ny nanomezany zavatra izay hanonitra ny very vokatry ny fahotan’i Adama. Azo inoana fa ny hevitr’ilay teny hebreo hoe ka·pharʹ tamin’ny voalohany, dia hoe “manarona”, na angamba “mikosoka”. Adika koa hoe “fanavotana” izy io.a Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia nanome fomba mety, hoenti-manarona ny fahotana nolovana avy tamin’i Adama sy hoenti-manafoana ny fahasimbana naterak’izany, i Jehovah, mba ho azo afahana amin’ny fanamelohan’ny ota sy ny fahafatesana ireo mahafeno fepetra hahazo io fanomezana io.—Romana 8:21.
7. a) Fanantenana inona no nomena tamin’ny alalan’ilay didim-pitsaran’Andriamanitra ho an’i Satana? b) Inona no vidiny tsy maintsy aloa mba hanafahana ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana?
7 Nasiana firesahana tsy mivantana ilay fanantenana fanafahana amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana, taorian’ny nanotan’ilay mpivady olombelona voalohany avy hatrany. Nilaza toy izao i Jehovah rehefa nanambara ny didim-pitsarany tamin’i Satana, izay naseho an’ohatra tamin’ilay menarana: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 3:15). Noho io fanambarana ara-paminaniana io, dia nisy tsirim-panantenana ho an’ireo rehetra hino an’io fampanantenana io. Misy vidiny tsy maintsy aloa anefa mba hahazoana io fanafahana io. Tsy ho tonga hanafoana an’i Satana fotsiny ilay Taranaka nampanantenaina. Tsy maintsy ho torotoro ny ombelahin-tongotr’ilay Taranaka, izany hoe tsy maintsy ho faty izy, na dia tsy haharitra aza.
8. a) Ahoana no nahatonga an’i Kaina ho nandiso fanantenana? b) Nahoana ny fanatitr’i Abela no neken’Andriamanitra?
8 Iza ilay Taranaka nampanantenaina? Tsy isalasalana fa nieritreritra betsaka momba izany i Adama sy i Eva. Nilaza toy izao i Eva rehefa niteraka an’i Kaina lahimatoany: “Efa nahazo zazalahy tamin’i Jehovah aho.” (Genesisy 4:1). Nieritreritra ve izy fa io zanany lahy io angamba ilay ho Taranaka? Na nieritreritra izany izy na tsia, dia hita fa nandiso fanantenana i Kaina sy ny taranany. Naneho finoana an’ilay fampanantenan’Andriamanitra kosa anefa i Abela rahalahiny, ary voatosika hanolotra ny sasany tamin’ny voalohan-teraky ny ondriny, ho fanatitra ho an’i Jehovah. Izao no vakintsika: “Finoana no nanateran’i Abela ho an’Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an’i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina”.—Hebreo 11:4.
9. a) Inona no ninoan’i Abela, ary ahoana no nanehoany izany? b) Inona no notontosain’ilay fanatitr’i Abela?
9 Ny finoan’i Abela dia tsy finoana an’Andriamanitra tsotra fotsiny, izay tsy maintsy ho nananan’i Kaina koa. Nino ilay fampanantenan’Andriamanitra momba ny Taranaka iray i Abela, dia ilay fampanantenany hitondra famonjena ho an’ny olombelona mahatoky. Tsy nambara taminy ny fomba hahatanterahan’izany, nefa fantatr’i Abela avy tamin’ilay fampanantenan’Andriamanitra fa hisy olona tsy maintsy ho torotoro ombelahin-tongotra. Eny, toa nanatsoaka hevitra izy fa tsy maintsy hisy ra halatsaka, ary izany indrindra anefa no hevitra fonosin’ny fanatitra. Nanolotra fanomezana nisy aina sy ra ho an’ilay Loharanon’aina i Abela, azo inoana fa ho marika hampisehoany fa naniry mafy sy niandrandra fatratra ny hahatanterahan’ilay fampanantenan’i Jehovah izy. Io fanehoam-pinoana io no nahatonga ny fanatitr’i Abela hampifaly an’i Jehovah, ary tamin’ny lafiny kely izy io dia naneho ny votoatin’ny fanatitra, izay tsy inona fa fomba iray ahafahan’ny olombelona mpanota manatona an’Andriamanitra mba hahazoana sitraka aminy.—Genesisy 4:4; Hebreo 11:1, 6.
10. Rehefa nasain’i Jehovah hanolotra an’i Isaka i Abrahama, ahoana no nampisehoan’izany mazava ny hevitra nofonosin’ny fanatitra?
10 Nanjary nazava tsara ny hevi-dalina nofonosin’ny fanatitra, rehefa nandidy an’i Abrahama hanolotra an’i Isaka zanany ho fanatitra dorana, i Jehovah. Na dia tsy notanterahina ara-bakiteny aza iny fanatitra iny, dia tonga sary nampiseho izay hataon’i Jehovah atỳ aoriana, dia ny hanolorany ny Zanany lahitokana ho fanatitra lehibe indrindra hatramin’izay, mba hahatanteraka ny sitrapon’i Jehovah momba ny olombelona. (Jaona 3:16). Nanorina modely ara-paminaniana tamin’ny alalan’ireo sorona sy fanatitra notakin’ny Lalàn’i Mosesy i Jehovah, mba hampianarana ilay vahoaka voafidiny hoe inona no tsy maintsy ataon’izy ireo mba hamelana ny fahotany sy hanatanjahana ny fanantenany famonjena. Inona no azontsika ianarana avy amin’izy ireny?
Fanatitra neken’i Jehovah
11. Inona avy ireo sokajim-panatitra roa natolotry ny mpisoronabe teo amin’ny Isiraely, ary noho ny zava-kendrena inona?
11 “Ny mpisoronabe rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra”, hoy ny apostoly Paoly. (Hebreo 8:3). Mariho fa ireo zavatra naterin’ny mpisoronabe teo amin’ny Isiraely fahiny dia nosokajin’i Paoly ho roa: Ny “fanomezana” sy ny “fanatitra”, na ny “fanatitra hanafaka ota”. (Hebreo 5:1). Mazàna ny olona no manao fanomezana mba hanehoana firaiketam-po sy fankasitrahana, ary koa mba hahazoana namana, na hahazoana sitraka na mba hanekena ny tenany. (Genesisy 32:20; Ohabolana 18:16). Torak’izany koa fa maro tamin’ireo fanatitra nandidian’ny Lalàna no azo heverina ho “fanomezana” ho an’Andriamanitra, mba hitadiavana ny fanekeny sy ny fankasitrahany.b Ny fandikana ny Lalàna dia nitaky fanonerana, ka mba hanaovana izany, dia nisy “fanatitra hanafaka ota” natolotra. Manome fanazavana be dia be mahakasika ireo karazana sorona sy fanatitra samy hafa ny Pentateuque, indrindra fa ny bokin’ny Eksodosy sy ny Levitikosy ary ny Nomery. Na dia mety ho tena zava-tsarotra ho antsika aza ny mandray sy mitadidy ireo tsipiriany rehetra, dia mendrika ny hodinihintsika ny hevi-dehibe sasany momba ireo karazana fanatitra maro samihafa.
12. Aiza ao amin’ny Baiboly no ahitantsika filazalazana ankapobe momba ny fanatitra ao amin’ny Lalàna?
12 Azontsika marihina fa, ao amin’ny Levitikosy toko voalohany ka hatramin’ny fahafito, dia misy karazana fanatitra dimy lehibe, izay lazalazaina tsirairay, na dia niara-natolotra aza, raha ny marina, ny sasany taminy. Ireto avy izany: Fanatitra dorana, fanatitra hohanina, fanati-pihavanana, fanatitra noho ny ota, ary fanati-panonerana. Marihintsika koa fa miverina indroa ao amin’ireo toko ireo ny filazalazana ny amin’ireo fanatitra ireo. Samy hafa anefa ny zava-kendren’ireo filazalazana roa ireo: Ny voalohany, ao amin’ny Levitikosy 1:2 ka hatramin’ny 5:26, dia manome ny tsipiriany momba izay tokony hatolotra teo amin’ny alitara, ary ny faharoa, ao amin’ny Levitikosy 6:1 ka hatramin’ny 7:36, dia mampiseho ireo ampahany natokana ho an’ny mpisorona sy ireo natokana ho an’ilay nanolotra. Avy eo, ao amin’ny Nomery toko faha-28 sy faha-29, dia hitantsika izay azo heverina ho fandaharam-potoana amin’ny an-tsipiriany, manoritra izay tokony hatolotra isan’andro, isan-kerinandro, isam-bolana, ary tamin’ireo andro firavoravoana fanao isan-taona.
13. Lazalazao ny amin’ireo fanatitra natolotra an-tsitrapo ho fanomezana ho an’Andriamanitra.
13 Anisan’ireo fanatitra natolotra an-tsitrapo ho fanomezana na ho fanatonana an’Andriamanitra mba hahazoana sitraka aminy, ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny fanati-pihavanana. Mihevitra ny manam-pahaizana sasany fa ny teny hebreo nadika hoe “fanatitra odorana” dia midika hoe “fanatitra akarina” na “fanatitra miakatra”. Tena mety izany, satria rehefa nisy fanatitra dorana natao, dia nodorana teo ambonin’ny alitara ilay biby novonoina, ary nisy fofona nanentohento, na hanitra ankasitrahana, niakatra nankany an-danitra tany amin’Andriamanitra. Lafiny nampiavaka ny fanatitra dorana ny hoe natolotra manontolo ho an’Andriamanitra ilay biby, rehefa avy nafafy nanodidina ny alitara ny rany. ‘Nodoran’ny mpisorona ho fofona izy rehetra teo ambonin’ny alitara; fanatitra dorana izany, dia fanatitra natao tamin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah.’—Levitikosy 1:3, 4, 9; Genesisy 8:21.
14. Ahoana no nanolorana ny fanatitra hohanina?
14 Lazalazaina ao amin’ny Levitikosy toko faha-2 ny fanatitra hohanina. Fanatitra natao an-tsitrapo izy io, izay tsy inona fa koba tsara toto, mazàna nasiana menaka, ary nampiana ditin-kazo mani-pofona. “Handraofan’[ny mpisorona] eran-tànan-ila ny kobany sy ny diloilony mbamin’ny ditin-kazo mani-pofona rehetra; ary hodoran’ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana avy aminy izany; dia fanatitra atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah izany.” (Levitikosy 2:2). Ny ditin-kazo mani-pofona dia anisan’ireo nampiasaina hanamboarana ilay ditin-kazo manitra masina, izay nodorana teo ambonin’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tao amin’ny tabernakely sy ny tempoly. (Eksodosy 30:34-36). Mazava fa io no tao an-tsain’i Davida Mpanjaka fony izy nilaza hoe: “Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako, ary ho toy ny fanatitra hariva ny fanandratako ny tànako.”—Salamo 141:2.
15. Inona no zava-nokendren’ny fanati-pihavanana?
15 Fanatitra hafa iray natao an-tsitrapo ny fanati-pihavanana, na sorona fiombonana (NW ), lazalazaina ao amin’ny Levitikosy toko faha-3. Azo adika koa hoe “sorona fanati-pihavanana” io anarana io. Amin’ny teny hebreo, ny teny hoe fihavanana na “fiadanana” dia manondro zavatra be lavitra noho ny tsy fisian’ny ady na korontana. “Manondro izany izy io ao amin’ny Baiboly, nefa koa manondro fihavanana amin’Andriamanitra na fananana fifandraisana milamina aminy, fanambinana ara-nofo, fifaliana, sy fahasambarana”, hoy ilay boky hoe Studies in the Mosaic Institutions. Araka izany, dia tsy natolotra mba hahazoana fihavanana tamin’Andriamanitra, toy ny hoe hampitonena azy, ny sorona fiombonana na fanati-pihavanana, fa natolotra kosa mba hanehoam-pankasitrahana na hankalazana ilay fitahiana azon’ireo olona nankasitrahan’Andriamanitra, dia ny fihavanana taminy. Niara-nihinana ilay fanatitra ny mpisorona sy ilay nanolotra, rehefa avy natolotra ho an’i Jehovah ny ra sy ny saborany. (Levitikosy 3:17; 7:16-21; 19:5-8). Tamin’ny fomba kanto sy tamin’ny heviny ara-panoharana, dia niara-nisakafo ilay nanolotra sy ny mpisorona ary i Jehovah Andriamanitra, ka nidika izany fa nisy fihavanana teo amin’izy ireo.
16. a) Inona no zava-nokendren’ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana? b) Inona no naha samy hafa azy ireo tamin’ny fanatitra dorana?
16 Anisan’ny fanatitra natolotra mba hahazoana famelan-keloka na mba hahazoana fanavotana tamin’ny nandikana ny Lalàna, ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana. Na dia nisy fandorana zavatra teo ambonin’ny alitara koa aza ireo fanatitra ireo, dia samy hafa tamin’ny fanatitra dorana, satria tsy natolotra an’Andriamanitra ilay biby manontolo, fa ny saborany sy ny ampahany sasany taminy ihany. Nariana tany ivelan’ny toby ny sisa tamin’ilay biby, na nohanin’ny mpisorona, tamin’ny tarehin-javatra sasany. Misy dikany io fahasamihafana io. Natolotra ho fanomezana ho an’Andriamanitra mba hahafahana hanatona azy ny fanatitra dorana, ka natolotra manontolo ho an’Andriamanitra irery. Mahaliana ny manamarika fa mazàna ny fanatitra dorana no nialohavan’ny fanatitra noho ny ota na ny fanati-panonerana. Nampiseho izany fa nilaina aloha ny famelan-keloka mba hahatonga an’Andriamanitra hanaiky ny fanomezan’ny mpanota iray.—Levitikosy 8:14, 18; 9:2, 3; 16:3, 5.
17, 18. Natao noho ny inona ny fanatitra noho ny ota, ary inona no zava-nokendren’ny fanati-panonerana?
17 Tsy nekena ny fanatitra noho ny ota raha tsy tamin’ny fahotana tsy nahy nandikana ny Lalàna, dia fahotana natao noho ny fahalemen’ny nofo. “Raha misy olona manota tsy nahy ny didin’i Jehovah amin’izay tsy tokony hatao”, dia hanolotra fanatitra noho ny ota arakaraka ny toerany eo anivon’ny fiaraha-monina, ilay nanota. (Levitikosy 4:2, 3, 22, 27). Nofongorana kosa ireo mpanota tsy nibebaka, ary tsy nisy fanatitra natao ho azy ireny.—Eksodosy 21:12-15; Levitikosy 17:10; 20:2, 6, 10; Nomery 15:30; Hebreo 2:2.
18 Voalaza mazava ao amin’ny Levitikosy toko faha-5 ny hevitry ny fanati-panonerana sy ny zava-nokendreny. Nety ho nanota tsy nahy ny olona iray. Na izany aza, dia nety ho nahatonga azy ho meloka ilay ota nataony, noho ny nanitsakitsahany ny zon’ny mpiara-belona taminy na ny zon’i Jehovah Andriamanitra, ary tsy maintsy nonerana na nahitsy izany tsy nety izany. Misy sokajim-pahotana maromaro tononina. Ny sasany fahotana nataon’olona manokana (5:2-6), ny sasany fahotana tamin’ny “zava-masin’i Jehovah” (5:14-16), ary ny sasany fahotana vokatry ny fanirian-dratsy na ny fahalemen’ny nofo, na dia tsy azo lazaina tanteraka ho fahotana tsy nahy aza (5:20-22). Ankoatra ny fiekena ny fahotana toy izany, dia notakina tamin’ilay nanao diso koa ny hanomezany onitra an’izay tokony homena izany, ary avy eo dia ny hanolorany fanati-panonerana ho an’i Jehovah.—Levitikosy 5:23-26.
Zavatra tsara kokoa ho avy
19. Nahoana no tsy nahazo ny fankasitrahan’i Jehovah ny Isiraely, na dia nanana ny Lalàna sy nanao fanatitra aza?
19 Ny Lalàn’i Mosesy, mbamin’ireo sorona sy fanatitra maro notakiny, dia nomena ny Isiraelita mba hahafahan’izy ireo hanatona an’Andriamanitra, ka hahazo sy hihazona ny fankasitrahany sy ny fitahiany, mandra-pahatongan’ilay Taranaka nampanantenaina. Nilaza izany toy izao ny apostoly Paoly, izay Jiosy ray Jiosy reny: “Ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin’i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.” (Galatiana 3:24). Nampalahelo fa tsy nandray tsara an’io fitaizana io ny firenen’ny Isiraely, fa nampiasa an’io tombontsoa io tamin’ny fomba ratsy kosa. Noho izany, dia nanjary naharikoriko an’i Jehovah ny fanatitra maro be nataon’izy ireo, ka hoy izy: “Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra odorana sy ny saboran’ny zanak’omby mifahy Aho, ary tsy sitrako ny ran’ny vantotr’ombilahy sy ny an’ny zanak’ondry ary ny an’ny osilahy.”—Isaia 1:11.
20. Inona no nitranga tamin’ny 70 am.f.i., raha ny Lalàna sy ny fanatitra notakiny no resahina?
20 Tamin’ny 70 am.f.i., dia nifarana ny fandehan-javatra jiosy, mbamin’ny tempoliny sy ny fisoronany. Taorian’izay, dia tsy azo natao intsony ny fanatitra araka ny nitakian’ny Lalàna azy. Midika ve izany fa tsy misy heviny intsony mihitsy ho an’ny mpivavaka amin’Andriamanitra ankehitriny ireo fanatitra, izay anisan’ny nahaforona ny Lalàna? Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Manazava toy izao ny Étude perspicace des Écritures, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.: “Araka ny ampiasana azy ao amin’ny Baiboly, ny hevitra fototra fonosin’ny teny hoe ‘fanavotana’, dia hoe ‘manarona’ na ‘manakalo’; ary izay omena mba ‘hanaronana’ na ho takalon’ny zavatra hafa iray, dia tsy maintsy mitovy tanteraka aminy. (...) Mba hanavotana araka ny tokony ho izy izay verin’i Adama, dia tsy maintsy misy fanatitra noho ny ota omena—fanatitra izay tena mitovy vidy tsara amin’ny ain’olombelona lavorary.”
b Ny teny hebreo adika matetika hoe “fanatitra” dia qor·banʹ. Rehefa nitantara ny nanamelohan’i Jesosy ny fanao ratsin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo i Marka, dia nanazava fa midika hoe “fanatitra ho an’Andriamanitra” ny teny hoe “korbana”.—Marka 7:11.
Hainao Hazavaina Ve?
• Inona no nanosika an’ireo olo-nahatoky fahiny hanolotra fanatitra ho an’i Jehovah?
• Nahoana no nilaina ny fanatitra?
• Karazana fanatitra fototra inona avy no natolotra teo ambanin’ny Lalàna, ary inona no zava-nokendren’izy ireny?
• Araka ny tenin’i Paoly, inona no zava-nokendrena lehibe indrindra tamin’ny Lalàna sy ireo fanatitra?
[Sary, pejy 14]
Nampifaly an’i Jehovah ny fanatitr’i Abela satria fanehoana ny finoany ny fampanantenan’i Jehovah
[Sary, pejy 15]
Takatrao ve ny hevitra fonosin’io zava-nitranga io?