Ireo Tanàna Fandosirana — Fandaharana Feno Famindram-po Nataon’Andriamanitra
“Ireo tanàna enina ireo dia ho fandosirana (...), mba handosiran’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.” — NOMERY 35:15.
1. Manao ahoana ny fomba fihevitr’Andriamanitra ny aina sy ny trosan-dra?
MIHEVITRA ny ain’olombelona ho masina i Jehovah Andriamanitra. Ary ny aina dia ao amin’ny ra. (Levitikosy 17:11, 14). Noho izany, i Kaina, ilay olombelona voalohany teraka teto ambonin’ny tany, dia nanjary nivesatra trosan-dra rehefa namono an’i Abela rahalahiny. Ho vokatr’izany, dia hoy ny nolazain’Andriamanitra tamin’i Kaina: “Ny feon’ny ran’ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin’ny tany.” Ilay ra nandoto ny tany teo amin’ny nitrangan’ilay vonoana olona dia vavolombelona mangina nefa mazava tsara ny amin’ilay aina izay nohafohezina tamin-kabibiana. Nitaraina tamin’Andriamanitra mba hahazo valy faty ny ran’i Abela. — Genesisy 4:4-11.
2. Ahoana no nanantitranterana ny fanajan’i Jehovah ny aina taorian’ny Safodrano?
2 Nohantitranterina ny fanajan’Andriamanitra ny ain’olombelona taorian’ny nivoahan’i Noa marina sy ny fianakaviany avy tao amin’ny sambofiara, fony izy ireo tafita velona tamin’ilay Safodrano naneran-tany. Tamin’izay fotoana izay i Jehovah dia nanitatra ny zavatra hohanin’ny taranak’olombelona mba hahafaoka nofom-biby, fa tsy ra akory. Hoy koa ny didiny: “Ny ranareo (...) dia hadiniko, satria ainareo izany: eo amin’ny tànan’ny manan-aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin’ny tànan’ny olona, dia eo amin’ny tànan’ny olona avy, no hanadinako ny ain’ny olona. Izay mandatsaka ny ran’olona, dia mba halatsak’olona kosa ny rany, satria tahaka ny endrik’Andriamanitra no nanaovany ny olona.” (Genesisy 9:5, 6). Neken’i Jehovah ny zon’ny havana akaiky indrindran’ilay voavono, hamono an’ilay nahafaty olona rehefa nifanehatra tamin’io. — Nomery 35:19.
3. Ahoana no nanamafisan’ny Lalàn’i Mosesy ny maha-masina ny aina?
3 Tao amin’ny Lalàna nomena ny Isiraely tamin’ny alalan’i Mosesy mpaminany, dia nohamafisina niverimberina ny maha-masina ny aina. Ohatra, hoy ny nandidian’Andriamanitra: “Aza mamono olona.” (Eksodosy 20:13). Ny fanajana ny aina dia niharihary koa tamin’izay nolazain’ny Lalàn’i Mosesy momba ny fisehoan’ny fahafatesana tamin’ny toe-javatra iray nisy vehivavy bevohoka. Namaritra tsara ny Lalàna fa raha niharan’ny voina nahafaty izy na ny zanany tao am-bohoka, ho vokatry ny ady nifanaovan’ny lehilahy roa, ireo mpitsara dia handanjalanja ireo toe-javatra sy ny fisian’ny finiavana, nefa ny nety ho sazy dia hoe “fanahy [âme] solon’ny fanahy [âme]”, na hoe aina solon’ny aina. (Eksodosy 21:22-25, NW ). Kanefa, moa ve nety ho nisy fomba nahafahan’ny Isiraelita iray namono olona nandositra ireo vokatry ny herisetra nataony?
Toeram-piarovana ho an’ny mpamono olona ve?
4. Tany ivelan’ny tanin’ny Isiraely, toeram-piarovana mpanao ratsy inona avy no nisy tamin’ny lasa?
4 Tany amin’ny firenena hafa ankoatra ny Isiraely, dia nomena toeram-piarovana ny mpamono olona sy ny mpanao heloka bevava hafa. Izany no izy tany amin’ny toerana toy ny tempolin’i Artemisy andriamani-bavy, tany Efesosy fahiny. Momba ny toerana nitovy tamin’izany, dia hoy ny tatitra natao: “Ny toeram-piarovana mpanao ratsy sasany dia niroboroboan’ny mpanao heloka bevava; ary matetika dia nanjary nilaina ny nametra ny isan’ireo toeram-piarovana mpanao ratsy. Tany Atena, dia ny toeram-piarovana mpanao ratsy sasantsasany ihany no neken’ny lalàna ho toeram-pialokalofana (ohatra, ny tempolin’i Theseus ho an’ny andevo); tamin’ny andron’i Tibère, ireo fiangonan’ireo mpanao heloka bevava tany amin’ireo toeram-piarovana mpanao ratsy dia nanjary nampidi-doza aoka izany, hany ka noferana ho an’ny tanàna sasantsasany ny zo hanana Toeram-piarovana Mpanao Ratsy (tamin’ny taona 22).” (The Jewish Encyclopedia, 1909, Boky II, pejy 256). Tatỳ aoriana, ireo fiangonan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia nanjary toeram-piarovana mpanao ratsy, nefa izany dia nirona hamindra ny fahefan’ireo fahefana sivily ho amin’ny fisoronana ary nanohitra ny fampiharana ny rariny araka ny tokony ho izy. Nitarika ho amin’ny fanafoanana io fandaharana io tamin’ny farany ny fanaovan-javatra tafahoatra.
5. Inona no porofo fa ny Lalàna dia tsy namela ny fanaovana tsirambina ho antony nahazoana famindram-po rehefa nisy olona iray maty noho izany?
5 Teo amin’ny Isiraelita, ireo mpamono olona an-tsitrapo dia tsy nahazo toeram-piarovana mpanao ratsy. Na dia ny mpisorona levita nanompo teo amin’ny alitaran’Andriamanitra aza dia tsy maintsy nentina hovonoina noho ny famonoana olona tamin-kafetsen-dratsy. (Eksodosy 21:12-14). Ambonin’izany, ny Lalàna dia tsy namela ny fanaovana tsirambina ho antony nahazoana famindram-po rehefa nisy olona iray maty noho izany. Ohatra, ny lehilahy iray dia tsy maintsy nanisy arofanina ny tafo fisaky ny tranony vaovao. Raha tsy izany, dia nivesatra trosan-dra ilay trano, raha nisy olona nianjera avy teny amin’ilay tafontrano ka maty. (Deoteronomia 22:8, NW ). Ankoatra izany, raha efa nampitandremana ny tompon’ny omby iray izay zatra nanoto nefa tsy niambina ilay biby, ka nahafaty olona io, dia nivesatra trosan-dra ny tompon’ilay omby ary azo novonoina. (Eksodosy 21:28-32, NW ). Ny porofo fanampiny ny amin’ny fiheverana ambony ananan’Andriamanitra ny amin’ny aina dia miharihary amin’ny trosan-dra nitambesatra tamin’ny olona iray namono ho faty mpangalatra iray, raha niseho nandritra ny andro, izay nahafahana nahita sy nahafantatra ilay nanamy trano, izany. (Eksodosy 22:2, 3). Mazava àry fa ireo lalàn’Andriamanitra voalanjalanja tanteraka dia tsy namela an’ireo mpamono olona an-tsitrapo ho afa-nandositra ny sazy famonoana ho faty.
6. Ahoana no nanatanterahana ilay lalàna hoe ‘aina solon’ny aina’ teo amin’ny Isiraely fahiny?
6 Raha nisy vonoana olona teo amin’ny Isiraely fahiny, dia tsy maintsy novaliana faty ny ran’ilay maty. Ilay lalàna hoe ‘aina solon’ny aina’ dia notanterahina rehefa novonoin’“ny mpamaly ra” ilay namono olona. (Nomery 35:19). Ny mpamaly ra dia ilay havana lahy akaiky indrindran’ilay olona voavono. Ahoana anefa ny amin’ireo nahafaty olona tsy nahy?
Fandaharana feno famindram-po nataon’i Jehovah
7. Inona no fandaharana nataon’Andriamanitra ho an’ireo izay namono olona tsy nahy?
7 Ho an’ireo izay namono olona noho ny voina na tsy nahy, Andriamanitra dia nanao fandaharana tamim-pitiavana mba hisian’ny tanàna fandosirana. Momba azy ireo, dia nilazana i Mosesy hoe: “Mitenena amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Rehefa tafita an’i Jordana hianareo ka tonga any amin’ny tany Kanana, dia hifidy tanàna hianareo, ho tanàna fandosirana ho anareo, mba handosiran’izay nahafaty olona tsy nahy. Dia ho fandosirana ho anareo mba tsy ho azon’ny mpamaly ra izany tanàna izany, mba tsy ho faty izay nahafaty olona mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan’ny fiangonana. Ary ireo tanàna homenareo ireo dia ho tanàna fandosirana enina ho anareo. Ny tanàna telo dia homenareo etỳ an-dafin’i Jordana etỳ, ary ny tanàna telo kosa homenareo ao amin’ny tany Kanana; ho tanàna fandosirana ireo (...), mba handosiran’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.” — Nomery 35:9-15.
8. Taiza no nisy an’ireo tanàna fandosirana, ary ahoana no nanampiana an’ireo nahafaty olona tsy nahy ho tonga tany?
8 Rehefa niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Isiraelita, dia nankato ka nanorina tanàna fandosirana enina. Ny telo tamin’ireo tanàna ireo — i Kadesy sy i Sekema ary i Hebrona — dia tany andrefan’ny Ony Jordana. Tany atsinanan’i Jordana no nisy an’ireo tanàna fandosiran’i Golana sy i Ramota ary i Bezera. Tsara toerana teny amin’ny lalana izay voakojakoja tsara ireo tanàna fandosirana enina. Tamin’ny toerana nifanentana tsara teny amin’ireny lalana ireny, dia nisy soratra nanambara hoe “fandosirana”. Ireny soratra ireny dia nanondro ny lalana nankany amin’ilay tanàna fandosirana, ary ilay nahafaty olona tsy nahy dia nihazakazaka namonjy ny ainy tany amin’ilay akaiky indrindra. Tany izy dia afaka nahita fiarovana tamin’ny mpamaly ra. — Josoa 20:2-9.
9. Nahoana i Jehovah no nanao ny fandaharana ny amin’ny tanàna fandosirana, ary natao mba handraisan’iza soa izy ireny?
9 Nahoana Andriamanitra no nanao ny fandaharana ny amin’ny tanàna fandosirana? Natao izy ireny mba tsy ho voaloton’ny ra marina ny tany ary koa mba tsy hovesaran’ny trosan-dra ilay vahoaka. (Deoteronomia 19:10, NW ). Natao mba handraisan’iza soa moa ireo tanàna fandosirana? Hoy ny nambaran’ny Lalàna: “Ireo tanàna enina ireo dia ho fandosirana ho an’ny Zanak’Isiraely sy ny vahiny ary ny mpitoetra ao aminy, mba handosiran’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.” (Nomery 35:15). Araka izany, mba tsy hisian’ny fanavakavahana sy mba hampiharana ny rariny, kanefa koa mba hisian’ny famindram-po, dia nilaza tamin’ireo Isiraelita i Jehovah mba hanokana tanàna fandosirana enina ho an’ireo nahafaty olona tsy nahy ka 1) Isiraelita tera-tany, 2) vahiny teo amin’ny Isiraely, na 3) mpitoetra tao amin’ilay tany avy tany amin’ny firenena hafa.
10. Nahoana no azo lazaina fa fandaharana feno famindram-po nataon’Andriamanitra ireo tanàna fandosirana?
10 Mendri-komarihina ny hoe na dia nahafaty olona tsy nahy aza ny olona iray, dia tsy maintsy novonoina ho faty izy araka ilay didin’Andriamanitra nanao hoe: “Izay mandatsaka ny ran’olona, dia mba halatsak’olona kosa ny rany”. Noho izany, dia noho ny fandaharana feno famindram-po nataon’i Jehovah Andriamanitra ihany ny nahafaty olona tsy nahy iray vao afaka nandositra tany amin’ny iray tamin’ireo tanàna fandosirana. Toa nahatsapa fangoraham-po tamin’izay rehetra nandositra ny mpamaly ra ilay vahoaka tamin’ny ankapobeny, satria izy rehetra dia nahafantatra fa nety hanao, tsy nahy, heloka nitovy tamin’izany ny tenany ka hila fiarovana sy famindram-po.
Fandosirana mba hahitana fiarovana
11. Teo amin’ny Isiraely fahiny, inona no azon’ny olona iray natao raha namono ny mpiara-miasa taminy noho ny voina izy?
11 Ny fanoharana iray dia mety hampitombo tsara ny fankasitrahanao ny fandaharana feno famindram-po nataon’Andriamanitra ny amin’ny fiarovana. Alao sary an-tsaina hoe lehilahy iray nikapa kitay teo amin’ny Isiraely fahiny ny tenanao. Aoka hatao hoe nanidina niala tampoka tamin’ny zarany ny lelam-pamaky ka nahafaty ny mpiara-miasa iray taminao. Inona no hataonao? Nahafaoka io tarehin-javatra io mihitsy ny Lalàna. Tsy isalasalana fa hanararaotra an’izao fandaharana avy tamin’Andriamanitra izao ianao: “Ny mahafaty olona izay hovelomina, raha mandositra [any amin’ny tanàna fandosirana iray], dia ny mahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha — toy ny olona izay miaraka amin’ny namany ho any an-ala hikapa hazo, koa manainga ny famaky hikapa ny hazo ny tànany, dia mitsoaka amin’ny zarany ny lela-famaky, ary mahavoa ny namany ka mahafaty azy — dia aoka handositra ao amin’ny anankiray amin’ireo tanàna ireo izy ka hovelomina”. (Deoteronomia 19:4, 5). Kanefa, na dia tonga tany amin’ny tanàna fandosirana iray aza ianao, dia tsy ho afaka tamin’ny andraikitra rehetra noho izay niseho.
12. Fizotran-javatra inona no narahina rehefa tonga tao amin’ny tanàna fandosirana iray ny nahafaty olona tsy nahy iray?
12 Na dia noraisina tamim-pahaiza-mampiantrano vahiny aza ianao, dia mbola voatery nanazava ny tarehin-javatra nisy anao tamin’ireo loholona teo am-bavahadin’ilay tanàna fandosirana ihany ianao. Rehefa avy niditra tao amin’ilay tanàna ianao, dia nasaina niverina mba hotsaraina teo anoloan’ireo loholona nampiseho ny kongregasionan’ny Isiraely teo am-bavahadin’ilay tanàna izay niadidy ilay faritra nitrangan’ilay famonoana olona. Any ianao dia hanana fahafahana hanaporofo ny tsy naha-meloka anao.
Rehefa tany am-pitsarana ireo nahafaty olona
13, 14. Ny amin’ny zavatra sasantsasany inona avy no tian’ireo loholona hahazoana antoka nandritra ny fitsarana ny nahafaty olona tsy nahy iray?
13 Nandritra ilay fitsarana teo anatrehan’ireo loholona teo am-bavahadin’ilay tanàna niadidy izany ianao dia tsy isalasalana fa nahamarika tamim-pankasitrahana fa nohantitranterina be dia be ny fitondran-tenanao teo aloha. Nandanjalanja tamim-pitandremana ny fifandraisanao tamin’ilay maty ireo loholona. Nankahala an’ilay olona ve ianao, nanotrika azy ve ianao ka ninia namono azy ho faty? Raha izany no izy, dia voatery nanolotra anao tamin’ny mpamaly ra ireo loholona, ary dia ho faty ianao. Ireo lehilahy nitana andraikitra ireo dia nahafantatra ilay zavatra notakin’ny Lalàna hoe ‘hesorina tsy ho eo amin’ny Isiraely ny heloka ny amin’ny ra marina’. (Deoteronomia 19:11-13). Mitovy amin’izany koa, ao amin’ny raharaha ara-pitsarana iray amin’izao andro izao, ireo loholona kristiana dia mila ny mahafantatra tsara ireo Soratra Masina, ka hanao zavatra mifanaraka amin’izany no sady hihevitra ny fihetsika sy fitondran-tenan’ilay mpanao ratsy teo aloha.
14 Namotopototra tamin-katsaram-panahy ireo loholon’ny tanàna, ta hahafantatra raha nitsaitsaika hamono an’ilay olona ianao. (Eksodosy 21:12, 13). Namely azy tao amin’ny takona ve ianao? (Deoteronomia 27:24). Narehitry ny fahatezerana tamin’ilay olona aoka izany ve ianao, hany ka nanjary nikasa tamin-kafetsen-dratsy ny hamono azy? Raha izany no izy, dia mendrika ny fahafatesana ianao. (Eksodosy 21:14, NW ). Nilain’ireo loholona indrindra ny hahafantatra raha nisy fifandrafiana, na fifankahalana, teo aminao sy ilay olona. (Deoteronomia 19:4, 6, 7; Josoa 20:5). Aoka hatao hoe hitan’ireo loholona fa tsy meloka ianao ka naveriny tany amin’ilay tanàna fandosirana. Ho velom-pankasitrahana toy inona moa ianao noho ilay famindram-po naseho taminao!
Fiainana tao amin’ny tanàna fandosirana
15. Fepetra inona avy no nampiharina tamin’ny nahafaty olona tsy nahy iray?
15 Ny nahafaty olona tsy nahy dia tsy maintsy nijanona tao amin’ilay tanàna fandosirana, na tao anatin’ny faritra hatrany amin’ny 1 000 hakiho (tokony ho 500 metatra) avy teo amin’ny mandan’ny tanàna. (Nomery 35:2-4). Raha nandehandeha nihoatra io faritra io izy, dia nety ho nifanena tamin’ilay mpamaly ra. Tao anatin’ireo toe-javatra ireo, ilay mpamaly ra dia afaka namono ilay nahafaty olona, ka tsy niharan’ny sazy. Tsy nofatorana na natao an-tranomaizina anefa ilay nahafaty olona. Tamin’ny naha-mponina tao amin’ilay tanàna fandosirana azy, izy dia voatery nianatra asa iray sy ho mpiasa ary hanompo tamin’ny naha-mpikambana namokatra teo amin’ilay fitambaran’olona.
16. a) Hafiriana no tsy maintsy nijanonan’ilay nahafaty olona tsy nahy tao amin’ilay tanàna fandosirana? b) Nahoana ny fahafatesan’ilay mpisoronabe no nahatonga an’ilay nahafaty olona tsy nahy ho afaka niala tao amin’ilay tanàna fandosirana?
16 Hafiriana no tsy maintsy nijanonan’ilay nahafaty olona tsy nahy tao amin’ilay tanàna fandosirana? Angamba nandritra ny androm-piainany rehetra. Na ahoana na ahoana, dia hoy ny nambaran’ny Lalàna: “Tokony ho nitoetra tao an-tanàna fandosirana izy mandra-pahafatin’ny mpisoronabe; fa rehefa maty ny mpisoronabe, dia mahazo mody any amin’ny zara-taniny ihany ilay nahafaty olona.” (Nomery 35:26-28). Nahoana ny fahafatesan’ilay mpisoronabe no nanome lalana an’ilay nahafaty olona tsy nahy hiala tao amin’ilay tanàna fandosirana? Ilay mpisoronabe no iray tamin’ireo olona nanan-daza indrindra teo amin’ilay firenena. Noho izany, ny fahafatesany dia ho fisehoan-javatra niavaka aoka izany, hany ka ho fantatra nanerana ireo fokon’ny Isiraely rehetra. Ireo rehetra nandositra tao amin’ireo tanàna fandosirana tamin’izay dia afaka niverina tany aminy, afaka tamin’ny loza avy teo an-tanan’ireo mpamaly ra. Nahoana? Satria ny Lalàn’Andriamanitra dia nandidy fa ho tapitra tamin’ny fahafatesan’ilay mpisoronabe ny fahafahan’ny mpamaly ra hamono ilay nahafaty olona, ary fantatry ny rehetra izany. Raha nitady hamaly faty ilay havana akaiky indrindra taorian’izay, dia ho mpamono olona izy ary hanefa ny sazin’ilay famonoana olona tamin’ny farany.
Vokatra maharitra
17. Inona avy ireo nety ho vokatr’ireo fameperana nampiharina tamin’ilay nahafaty olona tsy nahy?
17 Inona avy ireo nety ho vokatr’ireo fameperana nampiharina tamin’ilay nahafaty olona tsy nahy? Izy ireny dia fampahatsiahivana fa nahatonga ny fahafatesan’ny olona iray izy. Azo inoana fa, nanomboka hatreo, dia hihevitra ny ain’olombelona ho masina izy. Ambonin’izany, dia tsy hohadinoiny mihitsy fa nentina tamim-pamindram-po ny tenany. Noho izy nanehoana famindram-po, dia azo antoka fa ho be famindram-po amin’ny hafa koa izy. Ilay fandaharana ny amin’ny tanàna fandosirana sy ireo fameperana niaraka taminy dia nandraisan’ilay vahoaka tamin’ny ankapobeny soa koa. Ahoana izany? Izy io dia tena tsy maintsy ho nandentika tao an-tsain’izy ireo fa tsy tokony tsy hitandrina na tsy hiraika izy ireny raha ny amin’ny ain’olombelona. Tokony hampahatsiahivina avy amin’izany ny Kristiana fa ilainy ny manalavitra ny tsy fitandremana izay mety hahatonga voina miteraka fahafatesana. Avy eo koa, ilay fandaharana feno famindram-po nataon’Andriamanitra ny amin’ny tanàna fandosirana dia tokony hanosika antsika haneho famindram-po, rehefa mety ny hanaovana izany. — Jakoba 2:13.
18. Tamin’ny fomba ahoana avy ny fandaharan’Andriamanitra ny amin’ny tanàna fandosirana no nahitan-tsoa?
18 Ny fandaharan’i Jehovah Andriamanitra ny amin’ny tanàna fandosirana dia nahitan-tsoa tamin’ny fomba hafa koa. Ny vahoaka dia tsy nanangana antokon’ny mpamaly faty hanenjika ny nahafaty olona noho ny ahiahy ny amin’ny naha-meloka azy talohan’ny nitsarana azy. Nihevitra azy ho tsy meloka ho ninia namono olona kosa izy ireo, ka nanampy azy hahazo fiarovana mihitsy aza. Ankoatra izany, ilay fandaharana ny amin’ny tanàna fandosirana dia tena ny mifanohitra amin’ireo fandaharana amin’ny andro ankehitriny ny amin’ny fanaovana mpamono olona an-tranomaizina, izay ameloman’ny vahoaka azy ara-bola sy ahatongavany ho mpanao heloka bevava ratsy kokoa matetika noho ny fifaneraserany akaiky amin’ny mpanao ratsy hafa. Tao amin’ilay fandaharana ny amin’ny tanàna fandosirana, dia tsy nilaina ny nanorina sy nikojakoja ary niambina tranomaizina nisy rindrina sy bara vy lafo vidy, izay itadiavan’ireo mponina andosirana matetika aoka izany. Raha ny tena izy, ilay nahafaty olona dia nitady ny ho any amin’ilay “tranomaizina” ary nijanona tao nandritra ilay fotoana voafaritra tsara. Tsy maintsy ho mpiasa koa izy, ka nanao zavatra mba hahasoa ny mpiara-belona taminy.
19. Fanontaniana inona avy no mipoitra momba ireo tanàna fandosirana?
19 Feno famindram-po tokoa ny fandaharan’i Jehovah ny amin’ny tanàna fandosirana teo amin’ny Isiraely ho fiarovana ireo nahafaty olona tsy nahy. Io fandaharana io dia tena nampirisika ny fanajana ny aina. Kanefa, moa ve ireo tanàna fandosirana fahiny misy dikany ho an’ny olona miaina amin’ny taonjato faha-20? Mety hivesatra trosan-dra eo imason’i Jehovah Andriamanitra ve isika, nefa tsy fantatsika akory fa mila ny famindram-pony isika? Misy heviny ho antsika amin’izao andro maoderina izao ve ireo tanàna fandosirana teo amin’ny Isiraely?
Ahoana no Havalinao?
◻ Ahoana no fiheveran’i Jehovah momba ny ain’olombelona?
◻ Fandaharana feno famindram-po inona no nataon’Andriamanitra ho an’ireo nahafaty olona tsy nahy?
◻ Ahoana no nahatongavan’ny nahafaty olona iray tany amin’ny tanàna fandosirana iray, ary hafiriana no tsy maintsy nijanonany tao?
◻ Inona avy ireo nety ho vokatr’ireo fameperana nampiharina tamin’ilay nahafaty olona tsy nahy?
[Sarintany, pejy 12]
Tsara toerana ireo tanàna fandosirana teo amin’ny Isiraely
(Jereo ny gazety)
KADESY Ony Jordana GOLANA
SEKEMA RAMOTA
HEBRONA BEZERA