Manatòna An’Andriamanitra
Ilay Ray ho An’ny Kamboty Ray
‘RAY ho an’ny kamboty ray Andriamanitra, izay ao amin’ny fonenany masina.’ (Salamo 68:5) Mampihetsi-po ireo teny ireo, ary mampiseho tsara ny toetran’i Jehovah Andriamanitra. Fantany izay ilain’ny ory. Miharihary fa miahy ny kamboty izy, rehefa jerena ny Lalàna nomeny ny Israelita. Andeha àry isika izao handinika ny Eksodosy 22:22-24. Ireo no andinin-teny miresaka voalohany momba ny “kamboty ray.”a
Nampitandrina Andriamanitra hoe: ‘Aza mampahory ny kamboty ray.’ (Andininy 22) Tsy hoe niangavy ny olona hiantra ny kamboty fotsiny izy eo, fa nandidy azy ireo hanao izany mihitsy. Tsy misy mpamelona sady tsy misy mpiaro mantsy ny kamboty, ka mora hararaotina. Nadika hoe “manararaotra” na “mampijaly” ilay teny hoe “mampahory”, ao amin’ny Baiboly sasany. Tsy misy olona tokony ‘hampahory’ ny kamboty mihitsy anefa, satria tsy avelan’Andriamanitra ho afa-maina izy. Ahoana izany?
Hoy ihany ny Lalàna: “Raha mampahory azy ianao ka mitaraina amiko izy, dia tena hohenoiko ny fitarainany.” (Andininy 23) Samy tokony hankatò an’io lalàn’Andriamanitra io, na ny Israelita tsirairay, na ilay firenena manontolo mihitsy.b Nandinika sy nihaino ny kamboty ray i Jehovah, ary vonona foana hamaly ny fitarainan’izy ireo.—Salamo 10:14; Ohabolana 23:10, 11.
Inona àry no hataon’Andriamanitra amin’izay mampijaly ny kamboty ray, ka mitaraina ilay ankizy? Hoy izy: “Hirehitra tokoa ny fahatezerako ka hovonoiko amin’ny sabatra ianareo.” (Andininy 24) Milaza ny boky iray momba ny Baiboly, fa ‘ilay hoe “hirehitra tokoa ny fahatezerako” dia midika ara-bakiteny hoe “hahamay ny oroko.” ’ Andriamanitra mihitsy àry, fa tsy ny mpitsara israelita, no hampihatra an’io didim-pitsarana io amin’izay manararaotra ny ankizy tsy misy mpiaro.—Deoteronomia 10:17, 18.
Tsy niova i Jehovah. (Malakia 3:6) Mbola malahelo ny kamboty ihany izy. (Jakoba 1:27) Rariny raha tezitra amin’ireo mampijaly ny ankizy tsy manan-tsiny ilay Ray ho an’ny kamboty ray. Tsy maintsy hiharan’ny “fahatezerana mafin’i Jehovah” ireo mitady hanararaotra ny ankizy tsy misy mpiahy. (Zefania 2:2) Ho fantatr’ireny olona ratsy fanahy ireny, fa “zavatra mampahatahotra ny ho azon’ny tanan’ilay Andriamanitra velona.”—Hebreo 10:31.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Miverina in-40 eo ho eo ilay teny hoe “kamboty ray” ao amin’ny Baiboly. Midika ara-bakiteny hoe “ankizilahy kamboty ray” ilay teny hebreo nandikana azy ireo. Mihatra amin’ny ankizivavy kamboty ray koa anefa ny fitsipika resahina ao. Niaro ny zon’ny vehivavy kamboty ray koa ny Lalàn’i Mosesy.—Nomery 27:1-8.
b Mariho ny fiovan’ny mpisolo anarana eo amin’ny andininy 23 sy 24. “Ianao” no ampiasain’ny andininy 23, ary miova hoe “ianareo” izany eo amin’ny andininy 24.