Ekeo Amin’ny Maha-tena Izy Azy Marina ny Baiboly
“Izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an’Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay hianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo izay mino koa.” — 1 TESALONIANA 2:13.
1. Karazana fanazavana inona ao amin’ny Baiboly no mahatonga an’io boky io ho miavaka marina tokoa?
NY BAIBOLY Masina no boky voadika amin’ny fiteny maro indrindra sy miely patrana indrindra eo amin’izao tontolo izao. Ekena tsy misy fihambahambana ho ny iray amin’ireo asa soratra malaza amin’ny literatiora izy io. Ny mbola zava-dehibe kokoa anefa, ny Baiboly dia manome ny fitarihana izay ilain’ny olona avy amin’ny firazanana rehetra sy ny firenena rehetra maika dia maika, na toy inona na toy inona asa aman-draharahany na toerany eo amin’ny fiainana. (Apokalypsy 14:6, 7). Amin’ny fomba izay mahafa-po ny saina sy ny fo, ny Baiboly dia mamaly ireo fanontaniana toy ny hoe: Inona no zava-kendren’ny fiainan’ny olombelona? (Genesisy 1:28; Apokalypsy 4:11). Nahoana ireo fitondram-panjakan’olombelona no tsy afaka mitondra fiadanana sy fandriampahalemana maharitra? (Jeremia 10:23; Apokalypsy 13:1, 2). Nahoana no maty ny olona? (Genesisy 2:15-17; 3:1-6; Romana 5:12). Eo anivon’itỳ tontolo mikorontana itỳ, ahoana no ahafahantsika miezaka mandresy amim-pahombiazana ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana? (Salamo 119:105; Ohabolana 3:5, 6). Inona no tahirizin’ny hoavy ho antsika? — Daniela 2:44; Apokalypsy 21:3-5.
2. Nahoana ny Baiboly no manome valiny azo ianteherana tanteraka an’ireo fanontaniantsika?
2 Nahoana no mamaly ireo fanontaniana toy izany amim-pahefana ny Baiboly? Satria Tenin’Andriamanitra izy io. Nampiasa olombelona Andriamanitra mba hanao ny fanoratana, kanefa araka ny voalaza mazava ao amin’ny 2 Timoty 3:16 (NW ), “ny Soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra”. Tsy vokatry ny filazan-kevitr’olona manokana momba ireo fisehoan-javatra eo amin’ny olombelona, izy io. “Tsy nisy faminaniana [filazana ny amin’ny zavatra ho avy, didin’Andriamanitra, ny fari-pitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly] avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.” — 2 Petera 1:21.
3. a) Manomeza ohatra izay mampiseho ny fomba nananan’ny olona tany amin’ny tany samihafa fiheverana ambony momba ny Baiboly. b) Nahoana no nisy olona vonona ny hanao vivery ny ainy mba hamakiana ny Soratra Masina?
3 Noho ny fahatakarana ny hasarobidin’ny Baiboly, dia tsy vitsy ny olona nisetra fanaovana an-tranomaizina, fahafatesana mihitsy aza, mba hananana sy hamakiana azy io. Marina izany, taona maro lasa izay, tany Espaina katolika, izay nahitana klerjy natahotra sao hihena ny fitaoman’izy ireo raha namaky ny Baiboly tamin’ny fiteniny ny vahoaka; marina koa izany tany Albania, izay nampiharana volavolan-dalàna henjana teo ambanin’ny fitondrana tsy mino an’Andriamanitra mba hamaranana ny fitaomana ara-pivavahana rehetra. Kanefa, nitahiry ny Soratra Masina ireo olona natahotra an’Andriamanitra ka namaky azy ireny ary nifampizara azy ireny. Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, tany amin’ny toby fitanana tany Sachsenhausen, dia nisy Baiboly iray nampitampitaina tamim-pahamalinana avy tamin’ny fitambaran’efitrano iray nankany amin’ny iray hafa (na dia voarara aza izany), ary izay afaka namaky azy io dia nitadidy ampahany hozaraina tamin’ny hafa. Nandritra ireo taona 1950, tany Alemaina Atsinanana komonista tamin’izay, ny Vavolombelon’i Jehovah, izay natao an-tranomaizina noho ny finoany, dia nisetra fanokanan-toerana nandritra ny fe-potoana nohalavaina rehefa nifanolotra an-tanana ampahany kely tamin’ny Baiboly ireo mpigadra mba hovakina tamin’ny alina. Nahoana no nanao izany izy ireo? Satria nekeny fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, ary fantany fa “tsy mofo ihany”, fa “izay [teny, NW ] rehetra aloaky ny vavan’i Jehovah no iveloman’ny olona”. (Deoteronomia 8:3). Ireo teny ireo, voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly, dia nahatonga an’ireny Vavolombelona ireny ho afaka hitoetra ho velona ara-panahy, na dia niharan’ny fitondrana tamin-kalozana sarotra inoana aza.
4. Inona ny toerana tokony hotanan’ny Baiboly eo amin’ny fiainantsika?
4 Ny Baiboly dia tsy boky iray izay tokony hapetraka fotsiny eo amin’ny talantalana mba hozahana indraindray. Izy io koa dia tsy hoe tsy natao hampiasaina afa-tsy rehefa mivory ihany ireo mpiray finoana mba hanolotra fanompoam-pivavahana. Isan’andro dia tokony hampiasaina izy io mba hanazavana ireo tarehin-javatra atrehintsika ka hampisehoana amintsika ny lalana marina tokony haleha. — Salamo 25:4, 5.
Natao hovakina sy ho azo ny heviny
5. a) Raha mbola azo atao koa, dia tokony hanana inona ny tsirairay avy amintsika? b) Teo amin’ny Isiraely fahiny, ahoana no nahafantaran’ny vahoaka izay noraketin’ny Soratra Masina? d) Ahoana no ananan’ny Salamo 19:7-11 heriny eo amin’ny toe-tsaintsika eo anoloan’ny famakiana ny Baiboly?
5 Amin’izao androntsika izao, ny Baiboly dia azo raisina mora foana saika any amin’ny tany rehetra, ary ampirisihinay ny mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana rehetra mba hahazo Baiboly. Nandritra ny fotoana nanoratana ny Baiboly, dia tsy nisy ny milina fanontam-pirinty. Tsy nanana Baiboly azy manokana ny olona tamin’ny ankapobeny. Kanefa, nanao fandaharana i Jehovah mba handrenesan’ireo mpanompony izay voasoratra. Araka izany, dia mitantara ny Eksodosy 24:7 fa, rehefa avy nanoratra izay nandidian’i Jehovah i Mosesy, dia “naka ny bokin’ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan’ny olona”. Noho izy ireo nanatri-maso ny fampisehoan-kery nampitolagaga teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, dia neken’izy ireo fa avy tamin’Andriamanitra izay novakin’i Mosesy taminy, ka nilain’izy ireo ny nahalala izany fanazavana izany. (Eksodosy 19:9, 16-19; 20:22). Ilaintsika koa ny mahalala izay voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. — Salamo 19:7-11.
6. a) Talohan’ny nidiran’ny firenen’ny Isiraely tao amin’ny Tany Nampanantenaina, inona no nataon’i Mosesy? b) Ahoana no mety hanahafantsika ny ohatra navelan’i Mosesy?
6 Rehefa niomana hita ny Ony Jordana ny firenen’ny Isiraely mba hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina, ka nandao, araka izany, ny fiainany nifindrafindra monina tany an’efitra, dia nety tamin’izy ireo ny nandinika indray ny Lalàn’i Jehovah sy ny fifampiraharahany tamin’izy ireo. Natosiky ny fanahin’Andriamanitra i Mosesy ka nandinika indray ny Lalàna niaraka tamin’izy ireo. Nampahatsiahiviny azy ireo ny tsipiriany tamin’ny Lalàna, ary nasongadiny koa ireo fotopoto-pitsipika sy toe-tsaina fototra izay tokony hanan-kery teo amin’ny fifandraisan’izy ireo tamin’i Jehovah. (Deoteronomia 4:9, 35; 7:7, 8; 8:10-14; 10:12, 13). Arakaraka ny iantsorohantsika fanendrena vaovao, na iatrehantsika tarehin-javatra vaovao eo amin’ny fiainana amin’izao andro izao, dia hahasoa antsika koa ny handinika ny fomba tokony hananan’ny torohevitra raketin’ny Soratra Masina heriny eo amin’izay ataontsika.
7. Fotoana fohy taorian’ny nitan’ny Isiraelita an’i Jordana, inona no natao mba handatsahana tao an-tsainy sy tao am-pony ny Lalàn’i Jehovah?
7 Fotoana fohy taorian’ny nitan’ny Isiraely ny Ony Jordana, dia nivory indray ny vahoaka mba handinika indray izay nolazain’i Jehovah tamin’izy ireo tamin’ny alalan’i Mosesy. Nivory tokony ho 50 kilaometatra tany avaratr’i Jerosalema ilay firenena. Teo anoloan’ny Tendrombohitra Ebala ny antsasak’ireo foko, ary teo anoloan’ny Tendrombohitra Gerizima ny antsasany. Teo i Josoa dia “namaky ny tenin’ny lalàna rehetra (...), dia ny fitahiana sy ny fanozonana”. Araka izany, ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy madinika, niaraka tamin’ireo vahiny, dia nandre filazana indray tonga ara-potoana momba ireo lalàna nifehy ny fitondran-tena izay hiteraka ny tsy fankasitrahan’i Jehovah sy momba ireo fitahiana izay ho azon’izy ireo raha nankato an’i Jehovah izy ireo. (Josoa 8:34, 35). Nilain’izy ireo ny nahafantatra mazava tao an-tsaina izay tsara sy izay ratsy araka ny fomba fijerin’i Jehovah. Ankoatra izany, dia nilain’izy ireo ny nanoritra tao am-pony ny fitiavana izay tsara sy ny fankahalana izay ratsy, toy ny ataon’ny tsirairay avy amintsika amin’izao andro izao. — Salamo 97:10; 119:103, 104; Amosa 5:15.
8. Inona no soa azo avy tamin’ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra isaky ny fitsingerenan’ireo fivoriambem-pirenena sasany teo amin’ny Isiraely?
8 Ho fanampin’ny famakiana ny Lalàna tamin’ireny fotoana nanan-tantara ireny, dia nosoritana ao amin’ny Deoteronomia 31:10-12 ny fandaharana iray ho amin’ny famakiana tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra. Isaky ny fito taona, ilay firenena manontolo dia tokony hivory mba handre famakiana ny Tenin’Andriamanitra. Nanome sakafo ara-panahy ho azy ireo izany. Namelona tao an-tsainy sy tao am-pony ireo fampanantenana momba ilay Taranaka izany, ary noho izany, dia natao hitarihana ireo olo-nahatoky ho amin’ny Mesia. Ireo fandaharana ho amin’ny famahanana ara-panahy, izay naorina fony tany an’efitra ny Isiraely, dia tsy natsahatra, rehefa niditra ny Tany Nampanantenaina izy ireo. (1 Korintiana 10:3, 4). Nampitomboina kosa ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny fampidirana ireo fanambarana fanampiny nataon’ireo mpaminany.
9. a) Rehefa nivory maro be ihany ve ireo Isiraelita vao namaky ny Soratra Masina? Hazavao. b) Ahoana no nanomezana ny toromarika ao amin’ny Soratra Masina tao amin’ireo fianakaviana tsirairay, ary inona ny zava-nokendrena tamin’izany?
9 Tsy tokony ho noferana tamin’ireny fotoana namoriana maro be ny vahoaka ireny fotsiny ny fandinihana indray ny torohevitra noraketin’ny Tenin’Andriamanitra. Tokony ho nodinihina isan’andro ireo ampahany amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ireo fotopoto-pitsipika ao anatiny. (Deoteronomia 6:4-9). Saika any amin’ny toerana rehetra amin’izao andro izao, dia azon’ny tanora atao ny manana Baiboly azy manokana, ary tena mahasoa azy ireo izany. Kanefa teo amin’ny Isiraely fahiny, dia tsy izany no nitranga. Tamin’izay, rehefa nanome toromarika avy tao amin’ny Tenin’Andriamanitra ireo ray aman-dreny, dia tsy maintsy niantehitra tamin’izay notadidiny sy tamin’ireo fahamarinana izay nankamaminy tao am-pony izy ireo, niaraka tamin’izay andalana kely rehetra nety ho nosoratany manokana. Tamin’ny alalan’ny famerimberenana matetika, dia niezaka nampitombo tao amin’ireo zanany ny fitiavana an’i Jehovah sy ny lalany izy ireo. Ny zava-nokendrena dia tsy ny hananana loha feno fahalalana fotsiny, fa ny hanampiana ny mpianakavy tsirairay kosa mba hiaina amin’ny fomba mampiseho fitiavana an’i Jehovah sy ny Teniny. — Deoteronomia 11:18, 19, 22, 23.
Famakiana ny Soratra Masina tao amin’ireo synagoga
10, 11. Inona no fandaharam-pamakiana ny Soratra Masina narahina tao amin’ireo synagoga, ary ahoana no niheveran’i Jesosy ireny fotoana ireny?
10 Fotoana elaela taorian’ny nanaovana sesitany ireo Jiosy tany Babylona, dia naorina ho toeram-pivavahana ireo synagoga. Mba hamakiana sy hiaraha-mandinika ny Tenin’Andriamanitra tany amin’ireny toeram-pivoriana ireny, dia natao ny kopian’ny Soratra Masina maro kokoa. Anton-javatra iray nahatonga ny fahatafitana velon’ny kopia tranainy natao tanana miisa 6 000 eo ho eo, izay mirakitra ampahany amin’ny Soratra Hebreo, izany.
11 Tapany lehibe tamin’ny fotoam-pivavahana tao amin’ny synagoga ny famakiana ny Torah, mitovy amin’ny boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly maoderina. Mitantara ny Asan’ny Apostoly 15:21 fa, tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., izany famakiana izany dia natao isan-tsabata, ary asehon’ny Mishnah fa tamin’ny taonjato faharoa, dia nisy koa ny famakiana ny Torah tamin’ny andro faharoa sy fahadimy tamin’ny herinandro. Nisy olona maromaro nifandimby nandray anjara tamin’ny famakiana ireo ampahany voatondro. Fanaon’ireo Jiosy izay nipetraka tany Babylona ny namaky ny Torah manontolo isan-taona; fanao tany Palestina ny nanatsinjara ilay famakiana nandritra ny fe-potoana naharitra telo taona. Novakina sy nohazavaina koa ny ampahany tamin’ireo Mpaminany. Fanaon’i Jesosy ny nanatrika ireo fandaharam-pamakiana ny Baiboly tamin’ny Sabata tao amin’ny toerana nonenany. — Lioka 4:16-21.
Valin-teny sy fampiharana nataon’ny isam-batan’olona
12. a) Rehefa namaky ny Lalàna tamin’ny vahoaka i Mosesy, ahoana no nandraisan’ny vahoaka soa tamin’izany? b) Ahoana no namalian’ny vahoaka izany?
12 Tsy natao ho fombafomba fotsiny ny famakiana ny Soratra Masina ara-tsindrimandry. Tsy natao mba hanomezana fahafaham-po fotsiny ny fahalianan’ny vahoaka ta hahafanta-javatra izy io. Rehefa namaky “ny bokin’ny fanekena” tamin’ny Isiraely teo amin’ny lemaka nanatrika ny Tendrombohitra Sinay i Mosesy, dia nanao izany mba hahafantaran’izy ireo ny andraikiny teo anatrehan’Andriamanitra ka hanatanterahany izany. Hanao izany ve izy ireo? Nitaky valin-teny ilay famakiana. Nanaiky izany ny vahoaka, ka niteny tsy tamim-pisalasalana hoe: “Izay rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay sy hekenay.” — Eksodosy 24:7; ampitahao amin’ny Eksodosy 19:8; 24:3.
13. Rehefa namaky ireo ozona noho ny tsy fankatoavana i Josoa, inona no tokony ho nataon’ny vahoaka, ary tamin’ny fikendrena inona?
13 Tatỳ aoriana, rehefa namaky tamin’ilay firenena ireo fitahiana nampanantenaina sy ireo ozona, na fanozonana, i Josoa, dia nitaky valin-teny izany. Taorian’ny fanononana ny fanozonana tsirairay, dia nomena ny toromarika hoe: “Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.” (Deoteronomia 27:4-26). Noho izany, isaky ny hevitra tsirairay, dia nanohy nilaza ny fanekeny ny fanamelohan’i Jehovah ireo asa ratsy notononina izy ireo. Tsy maintsy ho fisehoan-javatra nahavariana toy inona moa izany rehefa niredona ny fanekeny ilay firenena manontolo!
14. Tamin’ny andron’i Nehemia, nahoana no hita ho nahasoa indrindra indrindra ny famakiana ampahibemaso ny Lalàna?
14 Tamin’ny andron’i Nehemia, rehefa nivory tao Jerosalema ny vahoaka rehetra mba handre ny Lalàna, dia tsapan’izy ireo fa tsy nanatanteraka tamin’ny fomba feno ireo toromarika voasoratra tao izy ireo. Nampihatra haingana izay nianarany izy ireo tamin’io fotoana io. Inona ny vokany? “Fifaliana lehibe indrindra.” (Nehemia 8:13-17). Taorian’ny herinandro iray namakiana isan’andro ny Baiboly nandritra ilay andro firavoravoana, dia tsapan’izy ireo fa mbola nisy zavatra bebe kokoa notakina. Nandinika indray tamim-bavaka ny tantaran’ny fifampiraharahan’i Jehovah tamin’ny vahoakany nanomboka tamin’ny andron’i Abrahama izy ireo. Nanosika azy ireo izany rehetra izany mba hanao fianianana fa hanaraka ireo zavatra takin’ny Lalàna sy hitan-tena tsy hifanambady amin’ireo hafa firenena ary hanaiky ny adidy hikojakoja ny tempoly sy ny fanompoana tao izy ireo. — Nehemia, toko faha-8-10.
15. Ahoana no ampisehoan’ireo toromarika ao amin’ny Deoteronomia 6:6-9 fa, tao anatin’ireo fianakaviana, dia tsy tokony ho fombafomba fotsiny ny toromarika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra?
15 Toy izany koa, tao anatin’ny fianakaviana, ny fampianarana ny Soratra Masina dia tsy natao ho fombafomba fotsiny. Araka ny efa hita, ny vahoaka dia nilazana, tamin’ny teny ara-panoharana ao amin’ny Deoteronomia 6:6-9, mba ‘hifehy ny Tenin’Andriamanitra ho famantarana eo amin’ny tanany’ — hampiseho, araka izany, amin’ny ohatra sy ny asa ny fitiavany ny lalan’i Jehovah. Ary tokony ho nametraka ny tenin’Andriamanitra ho ‘fehy fampahatsiarovana teo ambonin’ny handriny’ — nahatsiaro hatrany ireo fotopoto-pitsipika ao anatin’ny Soratra Masina, araka izany, ka nampiasa azy ireny ho fototry ny fanapahan-keviny — izy ireo. (Ampitahao amin’ny teny ampiasaina ao amin’ny Eksodosy 13:9, 14-16.) Tokony ho ‘nanoratra izany teo amin’ny tolam-baravaran’ny tranony sy teo amin’ny vavahadiny’ — nampahafantatra, araka izany, ny tranony sy ny fiaraha-monina nisy azy ho toerana nanajana sy nampiharana ny tenin’Andriamanitra — izy ireo. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny fiainan’izy ireo dia tokony ho nanome porofo tondraka fa tiany sy nampihariny ireo fotopoto-pitsipika marin’i Jehovah. Nety ho nitondra soa toy inona moa izany! Moa ve ny Tenin’Andriamanitra misongadina toy izany eo amin’ny fiainan’ny ankohonantsika andavanandro? Nampalahelo fa nanova izany rehetra izany ho fombafomba fotsiny ireo Jiosy, ka nitondra boaty nirakitra tapany tamin’ny Soratra Masina teo amin’ny sandriny sy ny handriny, toy ny hoe ody izany. Nitsahatra ho tsy avy amin’ny fo ny fanompoam-pivavahan’izy ireo ka nolavin’i Jehovah. — Isaia 29:13, 14; Matio 15:7-9.
Andraikitr’ireo izay eo amin’ny toeram-piandraiketana
16. Nahoana no zava-dehibe tamin’i Josoa ny famakiana tsy tapaka ny Soratra Masina?
16 Raha ny amin’ny famakiana ny Soratra Masina, dia nomena fiheverana manokana ireo mpiandraikitra teo amin’ilay firenena. Tamin’i Josoa, dia hoy i Jehovah: ‘Mitandrema hanao araka ny lalàna rehetra’. Mba hanatanterahany izany andraikitra izany, dia nilazana toy izao izy: “Tsy maintsy mamaky izany amin’ny feo iva andro aman’alina ianao, (...) fa amin’izany ianao dia hanao izay hahombiazan’ny lalanao ary avy eo dia hanao zavatra amim-pahendrena.” (Josoa 1:7, 8, NW ). Toy izay marina amin’ny mpiandraikitra kristiana rehetra amin’izao andro izao, ny famakian’i Josoa tsy tapaka ny Soratra Masina dia nanampy azy hitadidy mazava tao an-tsaina ireo didy voafaritra tsara nomen’i Jehovah ny vahoakany. Nilain’i Josoa koa ny nahatakatra ny fomba nifampiraharahan’i Jehovah tamin’ireo mpanompony tao anatin’ny toe-javatra samihafa. Rehefa namaky ireo filazana momba ny fikasan’Andriamanitra izy, dia zava-dehibe taminy ny nieritreritra momba ny andraikiny nifandray tamin’izany fikasana izany.
17. a) Mba handraisan’ireo mpanjaka soa avy tamin’ny famakiana ny Soratra Masina tamin’ny fomba nolazain’i Jehovah, inona no nilaina niaraka tamin’ny famakian’izy ireo? b) Nahoana no tena zava-dehibe ho an’ireo loholona kristiana ny famakiana sy ny fisaintsainana tsy tapaka ny Baiboly?
17 Nandidy i Jehovah fa na iza na iza nitana andraikitra tamin’ny naha-mpanjaka teo amin’ny vahoakany, dia tokony ho nanao kopia ny Lalàn’Andriamanitra izy, teo am-piandohan’ny raharahany, ka nampiorina izany tamin’ny kopia izay notahirizin’ireo mpisorona. Avy eo dia tokony ho ‘namaky izany tamin’ny andro rehetra niainany’ izy. Ny zava-nokendrena dia tsy ny hitadidiana fotsiny izay noraketin’izany. Izany kosa dia ny mba “hianarany hatahotra an’i Jehovah Andriamaniny” sy ny mba “tsy hiavonavonan’ny fony amin’ny rahalahiny”. (Deoteronomia 17:18-20). Nitaky ny hisaintsainany lalina momba izay novakiny izany. Hita porofo fa nihevitra ny tenany ho sahirana loatra tamin’ireo andraikitra ara-pitantanan-draharaha ka tsy afaka nanao izany, ny mpanjaka sasany, ary nijaly ny firenena manontolo ho vokatry ny fanaovan’izy ireo tsirambina. Tsy ny an’ny mpanjaka velively ny anjara asan’ny loholona ao amin’ny kongregasiona kristiana. Na dia izany aza, toy izay marina tamin’ireo mpanjaka, dia zava-dehibe ny hamakian’ireo loholona ny Tenin’Andriamanitra sy hisaintsainany izany. Hanampy azy ireo hihazona fomba fijery mety ny amin’ireo izay nankinina taminy hokarakarainy ny fanaovan’izy ireo izany. Hahatonga azy ireo ho afaka hanatanteraka ny andraikiny amin’ny maha-mpampianatra koa izany, amin’ny fomba manome voninahitra marina tokoa an’Andriamanitra sady mampahatanjaka ara-panahy ireo Kristiana namany. — Titosy 1:9; ampitahao amin’ny Jaona 7:16-18; ampifanohero amin’ny 1 Timoty 1:6, 7.
18. Hanampy antsika hanahaka ny ohatra inona navelan’ny apostoly Paoly ny famakiana sy ny fianarana tsy tapaka ny Baiboly?
18 Iray tamin’ireo izay nahalala tsara ny Soratra Masina ara-tsindrimandry ny apostoly Paoly, mpiandraikitra kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Rehefa nanao fanambarana tamin’ny olona tany Tesalonika fahiny izy, dia afaka nanjohy hevitra tamin’ny fomba nandaitra niaraka tamin’izy ireo avy tao amin’ny Soratra Masina ka nanampy azy ireo hahazo ny hevitr’izy io. (Asan’ny Apostoly 17:1-4, NW ). Nanohina ny fon’ireo mpihaino tso-po izy. Noho izany, dia tonga mpino ny olona maro nandre azy. (1 Tesaloniana 2:13). Ho vokatry ny fandaharam-pamakiana sy fianarana ny Baiboly arahinao, moa ve ianao afaka manjohy hevitra amin’ny fomba mandaitra avy ao amin’ny Soratra Masina? Moa ve ny toerana tanan’ny famakiana ny Baiboly eo amin’ny fiainanao sy ny fomba anaovanao izany manome porofo fa ankasitrahanao marina tokoa izany hoe manana ny tenin’Andriamanitra eo am-pelatananao izany? Ao amin’ny lahatsoratra manaraka, dia hodinihintsika ny fomba azo amaliana hoe eny an’ireo fanontaniana ireo, na dia ho an’ireo izay tena feno be aza ny fandaharam-potoanany.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana no nisy olona vonona hanao vivery ny ainy sy ny fahafahany mba hamakiana ny Baiboly?
◻ Ahoana no andraisantsika soa avy amin’ny fandinihana indray ireo fandaharana natao ho an’ny Isiraely fahiny mba handrenesana ny Tenin’Andriamanitra?
◻ Inona no tokony hataontsika amin’izay vakintsika ao amin’ny Baiboly?
◻ Nahoana no zava-dehibe ho an’ireo loholona kristiana indrindra indrindra ny famakiana sy ny fisaintsainana ny Baiboly?
[Sary, pejy 9]
Hoy i Jehovah tamin’i Josoa: “Tsy maintsy mamaky izany amin’ny feo iva andro aman’alina ianao”