Mosesy misy tandroka — Zavakanto hafahafa
RAHA EFA nitsidika an’i Italia ianao, dia mety ho efa hitanao tsara ilay tsangambato malaza nataon’i Michel-Ange mampiseho an’i Mosesy mipetraka. Amin’izao fotoana izao izy io dia any amin’ny Eglizin’i Saint-Pierre-aux-Liens, any Roma. Hafahafa erỳ ny fisehon’io sary sokitra tamin’ny taonjato faha-16 io, noho izy mampiseho an’i Mosesy misy tandroka mipoitra avy eo amin’ny lohany. Raha ny marina, dia mpanakanto maro no nanao ny sarin’i Mosesy misy tandroka. Nahoana àry? Manome fototra ny amin’izany hevitra izany ve ny Baiboly?
Milaza amintsika ny Vulgate, fandikana amin’ny teny latina ny Baiboly, fa taorian’ny niresahany tamin’Andriamanitra teo amin’ny tendrombohitra Sinay, dia “nanan-tandroka” ny tarehin’i Mosesy (Eksodosy 34:29, 30, 35). Koa satria nankafizin’ny maro ny Vulgate ao amin’ny ampahany lehibe amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia nanan-kery teo amin’ny fomba nahazoana ny hevitry ny Soratra masina izany.
Ny teny hebreo nadika hoe “manan-tandroka” anefa dia manana heviny koa hoe ‘mandefa taratra’ na ‘mamirapiratra’ (Jereo Osty, fanamarihana ambany pejy mifandray amin’ny Eksodosy 34:29.) Araka ny Rakibolana momba ny teolojia mikasika ny Testamenta Taloha (anglisy), ilay teny dia “milaza ny bikana tandroka fa tsy ilay vaingan-javatra mihitsy akory”. Ary raha jerena eo amin’ny sarisary, dia tena mitovy amin’ny tandroka tokoa ny tara-pahazavana.
Azo atao ny manazava ny antony nahatonga ny tavan’i Mosesy hamoaka taratra noho izy vao avy nandalovan’ny voninahitr’i Jehovah (Eksodosy 33:22; 34:6, 7). Nohamafisin’i Paoly fa izany no fahatakarana marina rehefa nanoratra ny amin’ny “voninahitry” ny tavan’i Mosesy izy fa tsy ny amin’ny “tandrony”. — 2 Korintiana 3:7.
Mitondra ho amin’ny fahalalana lalina kokoa ny fitantarana ao amin’ny Baiboly àry ny fahatakarana marina ny hevitr’ireo teny ao amin’ny Baiboly. Mifanaraka amin’izany, ireo tandroka eo amin’ilay tsangambato malaza nataon’i Michel-Ange, dia tsy inona fa zavakanto hafahafa vokatry ny fahadisoana teo amin’ny fandikan-teny izay nahitsy hatramin’ny ela.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 7]
Miorina amin’ny Famintinana ny tantaran’ny zavakanto (angl.)